Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fa Inona Ihany àry no Azoko Anaovana E?

Fa Inona Ihany àry no Azoko Anaovana E?

Toko 11

Fa Inona Ihany àry no Azoko Anaovana E?

Ndeha hivoaka ny trano mihitsy i Kathy no hitan’ny ray aman-dreniny. Taitra be izy ireo!

“Iny ve no hanaovanao?”, hoy ny dadany.

“Fa maninona?”, hoy i Kathy gagagaga. “Izaho ange hiantsena hiaraka amin’ny ankizy fotsiny e!”

“Fa tsy amin’izao paozy izao kosa an!”, hoy ny mamany.

“Neny ko! Hoatran’izao daholo ange no anaovan’ny ankizy e! Sady mba tiako ho fantatry ny olona hoe izaho izao mihitsy!”

“Ka tsy mety izao e!”, hoy ny dadany. “Soloy iny, fa raha tsy izany ianao tsy mahazo mivoaka eo!”

TSY vao izao ny ray aman-dreny sy ny tanora no mifamaly amin’ny resaka akanjo. Na ny dadanao sy mamanao aza mety ho efa nifamaly tamin’ny ray aman-dreniny. Sorena hoatr’anao koa angamba ry zareo tamin’izany! Izy ireo indray izao no tsy tia ny akanjonao, ka lasa miady foana ianareo.

Hoy ianao: Mahazo aina tsara aho amin’ity.

Hoy izy ireo: Akanjon’ankizy maditra iny.

Hoy ianao: Tiako be ity!

Hoy izy ireo: Tsy maotina mihitsy iny.

Hoy ianao: Mora be ity.

Hoy izy ireo: Tsy mahagaga... Jereo ity hafohiny!

Leo miady amin’ny ray aman-dreninao ve ianao? Inona no azonao atao? Hoy i Maholy, 23 taona: “Tsy voatery hifamaly ianareo, fa mila mahay mifanaraka fotsiny.” Hoy angamba ianao: ‘Hifanaraka a? Tsy maintsy hanao an’ireny akanjon’antitra be ireny ve izany aho?’ Tsy izany mihitsy! Mila resahinareo fotsiny izay tsy mampitovy hevitra anareo. Iaraho mitady avy eo izay vahaolana mety aminy, nefa koa mety aminao. Inona no soa azo avy amin’izany?

1. Na ny namanao aza hahita hoe tsara ny paozinao.

2. Tsy dia hanakiana anao ny ray aman-dreninao.

3. Mety tsy hifehifehy be anao intsony izy, raha hitany fa lasa mahay mifidy akanjo ianao.

Andeha hatao hoe nahita akanjo tianao be ianao teny amin’ny mpivarotra, ary te hiverina hividy an’ilay izy. Inona aloha no tokony hataonao?

Diniho ny torohevitry ny Baiboly

Mahagaga fa tsy dia betsaka ny torohevitry ny Baiboly momba ny akanjo, ka vetivety dia ho voavakinao. Tena tsara sy mandaitra anefa izy rehetra. Ireto misy ohatra:

● Tokony hihaingo “amin’ny fomba maotina sy amim-pahendrena” ny vehivavy. *1 Timoty 2:9, 10.

Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Dia tsy maintsy hanao akanjo vendrana be ve izany aho?’ Tsy izany mihitsy! Ny hoe “maotina”, dia midika hoe manao akanjo tsy mahasosotra ny olona, ary tsy manaraka be fotsiny ny lamaodin’ny ankizy hafa. (2 Korintianina 6:3) Be dia be ny akanjo maotina nefa lamaody tsara. Hoy i Danielle, 23 taona: “Sarotsarotra aloha ny mitady an’ilay izy, nefa afaka mahita akanjo hoatr’izany ianao. Ilay lamaody be fotsiny no tsy mety.”

● Milaza ny Baiboly fa zava-dehibe noho ny paozintsika ny ‘toetrantsika.’ Ny toetra àry no tena tokony hohatsaraina.—1 Petera 3:4.

Raha tsara toetra tokoa ianao, dia hanaja anao foana ny olona, anisan’izany ny namanao. Tsy hanaja anao kosa izy, raha manao akanjo tsy maotina ianao. Marina aloha fa ho taitra kely izy, nefa izay ihany. Na ny tanora toa anao aza ange mahita hoe tsy mety ny manao akanjo hoatr’izany e! Hoy i Onja, 16 taona: “Mahasosotra ny mijery ny vehivavy sasany. Manao akanjo tsy maotina ry zareo, amin’izay, hono, tian’ny lehilahy!” Hoy koa i Kaliana momba ny namany taloha: “Tiany ho tara aminy ny ankizilahy, dia izay akanjo tena manaitra foana no anaovany. Hoatran’ny te hiteny izy hoe: ‘Eh! Atỳ jerena!’ ”

Henoy ny ray aman-dreninao

Aza manafina akanjo ao anaty kitapo, ary anaovana rehefa any am-pianarana. Tokony horesahinao amin’ny ray aman-dreninao, na dia ny zavatra heverinao fa tsy ho fantany mihitsy aza. Hatoky anao kokoa izy amin’izay. Tsara àry raha anontanianao ny heviny, rehefa misy akanjo tianao hanaovana na hovidina. (Ohabolana 15:22)—Iaraho midinika ny pejy 82 sy 83.

Mety hiteny anefa ianao hoe: ‘Fa maninona aho no hanontany an-dry zareo? Izaho aza tsy tiany hanara-damaody mihitsy!’ Marina aloha fa tsy mitovy hevitra ianao sy ny ray aman-dreninao. Misy mahatsara an’izay anefa. Hoy i Nathalie, 17 taona: “Zarako aza dadanay sy mamanay miteny ahy. Izaho ihany tsinona no ho afa-baraka sy hofosain’ny olona eo, raha hafahafa ny paoziko.”

Tokony hanaiky izay lazain’izy ireo ianao raha mbola miara-mipetraka aminy. (Kolosianina 3:20) Rehefa azonao tsara anefa ny heviny, ary mazava aminy koa ny hevitrao, dia ho gaga ianao satria tsy hiady firy ianareo fa hahay hifanaraka.

Torohevitra mandaitra: Aza mianina amin’izay hitanao eo amin’ny fitaratra, rehefa manandrana akanjo. Na hoatran’ny mety aza mantsy ny fahitanao an’ilay izy, dia mety ho tsy maotina rehefa mipetraka ianao na maka zavatra amin’ny tany. Anontanio ny hevitry ny dadanao, na ny mamanao, na ny namana matotra iray.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Tsy tianao mihitsy ve ny bikanao? Kivy ve ianao fa tsy mahay?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Natao ho an’ny lehilahy koa io andinin-teny io sy ny torohevitra ato.

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany, fa aoka kosa ho ilay toetra miafina ao am-po.’—1 Petera 3:3, 4.

SOSO-KEVITRA

Aza manao akanjo tsy maotina satria hoatran’ny hoe mitady lehilahy ianao, na izay hahataratara an-dry zareo no tena tadiavinao.

FANTATRAO VE... ?

Matetika ny olona no tonga dia mitsara anao arakaraka ny akanjo anaovanao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Hanontany olona aho rehefa hividy akanjo (angamba olona ao an-trano na namana matotra iray). Ohatra hoe i ․․․․․

Mila mitadidy an’ireto aho, rehefa hividy akanjo: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ny ray aman-dreny sy ny tanora no miady foana amin’ny resaka akanjo?

● Inona no soa ho azony, raha miresaka amin’ny ray aman-dreniny izy?

[Teny notsongaina, pejy 81]

‘‘Rehefa mahita ankizivavy manao akanjo tsy maotina aho, dia lasa tsy azoazoko izy. Rehefa mahita olona manao akanjo tsara nefa maotina indray kosa aho, dia te hitovy aminy.’’—Nathalie

[Efajoro/Sary, pejy 82, 83]

Fanampiana Hisaintsaina

Fenoy Ireto Pejy Ireto

Toromarika: Adikao amin’ny taratasy roa ireto pejy ireto. Asaivo fenoin’ny dadanao sy mamanao ilay hoe “Ho An’ny Ray Aman-dreny”, fa ianao hameno an’ilay “Ho Anao.” Omeo azy ireo ilay anao avy eo, ary ny azy kosa jereo. Misy zavatra tsy nampoizinao ve nosoratany? Izy ireo koa ve gaga tamin’izay nosoratanao? Iaraho midinika ny valin-teninareo avy eo, ary iaraho mameno ilay hoe “Ahoana no Hifanarahana?”

Ho anao Eritrereto ilay akanjo tianao hanaovana na hovidina.

Iza amin’ireto no tena itiavanao an’ilay izy? Asio 1 eo akaikiny. Raha misy hafa, dia asio 2, ary toy izany hatrany.

․․․․․ Mba ho tian’ny ankizilahy

․․․․․ Mba ho tian’ny namana

․․․․․ Ahazoana aina tsara ilay izy

․․․․․ Mora be ilay izy

․․․․․ Antony hafa ․․․․․

Izao no mety hotenenin’i Dada sy Neny raha vao mahita an’ilay izy:

□ “Tsy mahazo mividy an’io ianao!”

□ “Tsy dia maninona.”

□ “Mety tsara!”

Izao no mety ho antony tsy hamelany ahy hividy an’ilay izy:

□ “Tsy maotina mihitsy.”

□ “Akanjon’ankizy maditra.”

□ “Lamaody be loatra.”

□ “Manala baraka anay.”

□ “Lafo be.”

□ Antony hafa ․․․․․

Ahoana no Hifanarahana?

Inona tamin’ilay nosoratan’i Dada sy Neny no hitako fa marina?

․․․․․

Inona no azo atao mba ho maotina kokoa ilay akanjo?

․․․․․

Ho an’ny ray aman-dreny Eritrereto ilay akanjo tian’ny zanakao hanaovana na hovidina.

Iza amin’ireto no tena itiavany an’ilay izy, araka ny hevitrao? Asio 1 eo akaikiny. Raha misy hafa, dia asio 2, ary toy izany hatrany.

․․․․․ Mba ho tian’ny ankizilahy

․․․․․ Mba ho tian’ny namana

․․․․․ Ahazoana aina tsara ilay izy

․․․․․ Mora be ilay izy

․․․․․ Antony hafa ․․․․․

Izao no holazaiko raha vao mahita an’ilay izy:

□ “Tsy mahazo mividy an’io ianao!”

□ “Tsy dia maninona.”

□ “Mety tsara!”

Izao no mety ho antony tsy hamelako azy hividy an’ilay izy:

□ “Tsy maotina mihitsy.”

□ “Akanjon’ankizy maditra.”

□ “Lamaody be loatra.”

□ “Manala baraka anay.”

□ “Lafo be.”

□ Antony hafa ․․․․․

Ahoana no Hifanarahana?

Sao dia mba tsy tiatianay fotsiny ilay akanjo?

□ Eny □ Angamba □ Tsia

Inona no azo atao mba ho maotina kokoa ilay akanjo?

․․․․․

Fanapahan-kevitra: ․․․․․

[Efajoro, pejy 84]

Ho An’ny Ankizilahy:

Natao ho anareo koa ny torohevitry ny Baiboly hita tato. Tokony ho maotina àry ny akanjonao. Tokony ho hita amin’ilay izy ny toetra miafina ao am-ponao, izany hoe ny toetra mampiavaka anao. Diniho ireto rehefa misy akanjo tianao: ‘Ahoana no hiheveran’ny olona ahy raha manao an’io aho? Mampiseho ny tena toetrako ve izy io?’ Tadidio fa ahalalana zavatra momba anao ny akanjonao. Asehoy foana àry fa manaraka ny torohevitry ny Baiboly ianao.

[Sary, pejy 80]

Toy ny misy soratra eo amin’ny akanjonao hoe “hendry aho” na “maditra aho”, arakaraka izay anaovanao