Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Misy Dikany Tokoa ve Aho?

Tsy Misy Dikany Tokoa ve Aho?

Toko 12

Tsy Misy Dikany Tokoa ve Aho?

Eny Tsia

Tianao ve ny bikanao sy ny tarehinao? □ □

Hitanao ve hoe mba misy zavatra hainao ihany? □ □

Mahavita mandà ve ianao rehefa taomin’ny ankizy haditra? □ □

Mahatanty tenenina ve ianao? □ □

Mahatanty kianina ve ianao? □ □

Hitanao ve hoe mba misy olona tia anao ihany? □ □

Tia mikarakara tena ve ianao? □ □

Faly ve ianao rehefa misy olona mahavita zavatra tsara? □ □

Mba mahafa-po anao ihany ve izay zavatra ataonao? □ □

Raha maromaro no nataonao hoe “Tsia”, dia mety hidika izany fa mahatsiaro tena ho tsy misy dikany ianao. Hanampy anao ity toko ity!

MIHEVITRA ve ianao fa ratsy tarehy na tsy mahay, na tsy misy dikany raha oharina amin’ny ankizy hafa? Tanora maro no manana olana toy izany.

“Kivy aho fa be dia be ny zavatra tsy tiako amin’ny tenako. Tsy mampaninona ny olona ilay izy, nefa olana be amiko.”—Leticia.

“Na tsara tarehy aza ianao, dia mbola mieritreritra ihany hoe ratsy kely.”—Annie.

“Tsy mahazo aina aho rehefa tafaraka amin’ny ankizy. Matahotra aho sao eritreretiny hoe vendrana.”—Fitia.

Izany koa ve no tsapanao? Aza kivy fa misy ny vahaolana! Ireto misy soso-kevitra telo hanampy anao.

Miezaha hanampy olona

Hoy ny Baiboly: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—Asan’ny Apostoly 20:35.

Inona no dikan’izany? Handray soa ianao raha manampy olona, satria ho faly sy hahatsapa hoe ilaina. Hoy ny Ohabolana 11:25: “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana, ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.” *

“Jereko hoe iza no mpiara-mivory aminay manana olana, dia ampiako izy. Faly aho rehefa miaraka amin’olona sy manampy azy.”—Riana.

“Tia mitory sy mampianatra Baiboly aho, satria manampy olona aho amin’ilay izy, dia lasa tsy mieritreritra izay zavatra mahakivy ahy.”—Joro.

Mitandrema anefa: Tsy mety ny hoe manampy olona satria fotsiny hoe te hahazo valiny. (Matio 6:2-4) Tsy hisy vokany tsara izany. Tsy maintsy ho hitan’ny olona fa tia tena ianao.—1 Tesalonianina 2:5, 6.

Devoara kely: Iza no efa nampianao, ary inona no nataonao tamin’izay?

․․․․․

Inona no vokatr’ilay izy teo aminao?

․․․․․

Iza koa no azonao ampiana, ary inona no eritreretinao hatao aminy?

․․․․․

Mitadiava namana

Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

Inona no dikan’izany? Afaka mampahery anao ny tena namana rehefa mafy ny mahazo anao. (1 Samoela 18:1; 19:2) Mety hahafaly anao na dia ny mahalala fotsiny aza hoe misy olona malahelo anao. (1 Korintianina 16:17, 18) Olona hoatr’izany àry atao namana.

“Rehefa kivy ianao, dia eo foana ny tena namana hampahery anao.”—Dera.

“Mba mila mahalala fotsiny ianao indraindray hoe misy olona mieritreritra anao. Lasa tsapanao hoe mba misy tia anao ihany.”—Hoby.

Mitandrema anefa: Fidio tsara ny namana, fa aza miaraka amin’ny ankizy manery anao hitovy aminy. (Ohabolana 13:20; 18:24; 1 Korintianina 15:33) Mety hanaonao foana ianao mba ho tiany. Ianao ihany anefa avy eo no ho menatra. Ho tsapanao koa fa nampanaoviny an’izay tiany fotsiny ianao.—Romanina 6:21.

Devoara kely: Iza no namanao afaka mampahery anao, ka hahatonga anao hahatsiaro tena ho misy dikany? (Tadidio fa tsy voatery ho tanora foana no azo atao namana.)

․․․․․

Nahoana raha miaraka aminy indraindray?

Aza kivy raha nanao fahadisoana

Hoy ny Baiboly: “Samy efa nanota ny rehetra ka tsy mahatratra ny voninahitr’Andriamanitra.”—Romanina 3:23.

Inona no dikan’izany? Tsy lavorary isika rehetra. Tsy maintsy hanao fahadisoana àry ianao na hiteniteny foana. (Romanina 7:21-23; Jakoba 3:2) Azonao atao anefa ny manamboatra ny sainao mba tsy ho kivy be. Hoy ny Ohabolana 24:16: “Mety ho lavo impito ny marina, nefa ho tafarina ihany.”

“Mahatsiaro ho tsy misy ilana azy ianao indraindray, rehefa mahita hoe manao fahadisoana foana ianao nefa ny olona tsy hoatr’izany.”—Kevin.

“Manana toetra tsara sy toetra ratsy daholo isika. Tokony ho faly isika hoe manana toetra tsara, ary hiezaka hiova raha manana toetra ratsy.”—Lauren.

Mitandrema anefa: Tsy mety ny minia manao ratsy satria hoe tsy lavorary. (Galatianina 5:13) Ho tezitra aminao mantsy i Jehovah Andriamanitra, nefa izany no zavatra ratsy indrindra!—Hebreo 10:26, 27.

Devoara kely: Inona no toetra tianao hananana?

․․․․․

Soraty eo akaikiny ny daty androany. Miezaha hanana ilay toetra. Hanampy anao ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa afaka iray volana, dia jereo ny ezaka vitanao.

Sarobidy amin’Andriamanitra ianao

Hoy ny Baiboly: ‘Lehibe noho ny fontsika Andriamanitra.’ (1 Jaona 3:20) Tena sarobidy amin’i Jehovah ianao, na dia mahatsiaro ho tsy misy dikany aza. Ary ahoana raha nanao fahadisoana ianao? Aoka hatao hoe manana vola iray alina ariary ianao, ary misy rovitra kely ilay izy. Harianao ve ilay vola, na hoheverinao fa tsy misy ilana azy intsony? Tsia! Mbola sarobidy foana ilay izy, na misy rovitra na tsia!

Toy izany no fahitan’Andriamanitra anao. Marina fa tsy lavorary ianao. Hitany sy sarobidy aminy anefa izay ataonao mba hampifaliana azy, na heverinao ho tsy misy dikany aza. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Andriamanitra tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonao, sy ny fitiavana nasehonao ho an’ny anarany.’—Hebreo 6:10.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Malahelo be ve ianao indraindray?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 21 Raha Vavolombelon’i Jehovah ianao, nahoana raha mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana? Tena hahafaly anao izany.—Isaia 52:7.

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Aoka ny tsirairay samy handinika izay ataony avy. Amin’izay dia hanana antom-pifaliana ny amin’ny tenany ihany izy, fa tsy amin’ny fampitahany ny tenany amin’ny hafa.’—Galatianina 6:4.

SOSO-KEVITRA

Aza miteny hoe: ‘Tsisy mety mihitsy izay ataoko!’, na hoe: ‘Tsy mahay n’inona n’inona aho!’ Diso mantsy izany, sady vao mainka mahakivy. Marina fa tsy mety indraindray ny zavatra ataonao, nefa mba misy zavatra hainao ihany, ary ireny no tokony hotadidinao.

FANTATRAO VE... ?

Raha miteny foana ianao hoe tsy mahay na inona na inona, dia mety hihevitra ny olona amin’ny farany hoe izany tokoa ianao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko rehefa misy ankizy manakiana ahy: ․․․․․

Izao no hataoko rehefa mitady hieritreritra foana aho hoe tsy mahay: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Ny tanora no tena mahatsapa ho tsy misy dikany. Nahoana?

● Nahoana ianao no mila mahatsapa fa mba mahavita zavatra tsara ihany?

[Teny notsongaina, pejy 88]

‘‘Misy tena tsara tarehy, nefa mbola mieritreritra ihany hoe ratsy izy. Misy indray tsy tena tsara nefa tsy olana aminy ilay izy. Miankina amin’ilay olona ihany io!’’—Alicia

[Sary, pejy 90]

Sarobidy foana ny vola na dia rovitra aza. Sarobidy amin’Andriamanitra koa ianao na tsy lavorary aza