Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Aho?

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Aho?

Toko 13

Inona no Hataoko mba Tsy Halahelo Be Aho?

“Rehefa misy namako malahelo, dia eo foana aho manampy sy mampahery azy. Tsisy mahalala hoe izaho ity ange ka kivy koa! Vao tonga ao an-trano aho dia mitomany.”—Kellie.

“Tsy te hahita n’iza n’iza aho rehefa kivy. Mahita tetika tsy handehanana foana aho, rehefa misy manasa ahy. Tsy hita mihitsy hoe malahelo aho. Na ny ao an-trano aza tsy mahalala.”—Eric.

MALAHELO koa ve ianao? Aza mieritreritra hoe ankizy hafahafa ianao. Mety halahelo daholo mantsy isika indraindray. Na ny mpanompon’Andriamanitra fahiny aza mba kivy koa.—1 Samoela 1:6-8; Salamo 35:14.

Indraindray fantatrao ny antony mampalahelo anao, fa indraindray tsy azonao mihitsy. Hoy i Alisoa, 19 taona: “Tsy voatery hoe manana olana be ianao vao malahelo. Tsisy n’inona n’inona akory indraindray, dia malahelo ianao. Hafahafa ilay izy, nefa izany mihitsy no mahazo ahy.”

Inona àry no azonao atao, na fantatrao na tsia ny antony mampalahelo anao?

1. Resaho ilay izy. Nilaza i Joba fa noresahiny izay tao am-pony, tamin’izy kivy be.—Joba 10:1.

Kellie: “Noresahiko ilay izy, dia lasa tsy mafy be intsony. Faly aho hoe mba nisy nahalala ihany ny nahazo ahy. Hoatran’ny hoe tao anaty lavaka be aho, dia iny fa nisy nandefa tady sy nampakatra ahy!”

Iza no namana azonao iresahana raha malahelo be ianao?

․․․․․

2. Soraty izay ao am-ponao. Nalahelo be i Davida indraindray, ka nosoratany tao amin’ny bokin’ny Salamo ilay izy. (Salamo 6:6) Malahelo koa ve ianao ka kivy be? Andramo soratana izay ao am-ponao. Ho ‘hendry sy hahay hisaina’ ianao amin’izay, izany hoe hahalala izay tokony hataonao.—Ohabolana 3:21.

Ando: “Rehefa soratanao izay mampalahelo anao, dia milamina kokoa ny sainao. Lasa zakanao koa ny alahelonao sady azonao ny antony.”

Andramo fenoina koa ny  pejy 93 rehefa misy zavatra mampalahelo anao. Hanampy anao hahita izay tokony hatao izany, ka ho maivamaivana ianao.

3. Mivavaha. Milaza ny Baiboly fa raha manana olana ianao ka mivavaka, dia ‘hiambina ny fonao sy ny sainao ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra.’—Filipianina 4:6, 7.

Tiana: “Tsy azoko mihitsy tamin’ny voalohany hoe maninona aho no kivy. Leo be aho, dia nivavaka tamin’i Jehovah hoe: ‘Ampio aho mba ho falifaly.’ Tsy nalahelo be intsony aho avy eo. Mivavaha foana fa manampy ilay izy!”

Azonao atao, ohatra, ny manao vavaka mitovitovy amin’ny Salamo 139:23, 24. Resaho amin’i Jehovah izay rehetra ao am-ponao, ary iangavio izy hanampy anao hamantatra ny antony mampalahelo anao.

Misy tantara maro afaka manampy anao koa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Vakio izy ireny, ary eritrereto hoe inona no hevitra mampahery ao amin’ilay izy. Ho hitanao fa tsy ho kivy be intsony ianao. (Salamo 1:1-3) Misy tantara ara-baiboly mampahery koa ato amin’ity boky ity sy ilay boky faharoa. “Vehivavy Modely” na “Lehilahy Modely” no lohateniny. Resahina ao amin’ny pejy 227 amin’ilay boky faharoa, ohatra, fa kivy ny apostoly Paoly indraindray noho izy tsy lavorary, nefa vitany ny nandresy ny hakiviany.

Ahoana raha tsy mety afaka ilay izy?

Hoy i Ryan: “Tsy te hiala eo am-pandriana aho indraindray, satria hoatran’ny tsy mandeha mihitsy ny fiainako.” Kivy be i Ryan, ary efa lasa aretina ilay izy. Tsy izy irery no voan’izany. Voalaza fa ny ampahefatry ny tanora no ketraka lava.

Ahoana no ahalalana hoe tsy alahelo tsotra ilay izy fa efa lasa aretina? Mitokantokana, ohatra, ilay olona, malahelo tampoka dia faly tampoka, kamo manao zavatra, malain-komana na mazoto homana be, tsy mahita tory na be torimaso, mahatsiaro tena ho tsy misy dikany, na manamelo-tena tsy amin’antony.

Marina fa mety hahazo antsika rehetra ny sasany amin’ireo. Raha maharitra herinandro vitsivitsy anefa izany, dia resaho amin’ny ray aman-dreninao sao ilaina ny manatona dokotera. Amin’izay mantsy fantatra raha aretina ilay izy na tsia. *

Aza menatra raha hita fa aretina ilay mahazo anao. Azo tsaboina mantsy ilay izy. Maro ny olona lasa falifaly indray, na dia efa ela be aza no kivy! Na aretina no mahazo anao na tsia, dia hampahery anao ny Salamo 34:18 hoe: “Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Ahoana raha tsy zakanao intsony ny alahelonao ka te hamono tena ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Misy tanora te hamono tena rehefa malahelo ela loatra. Miresaha haingana amin’ny olon-dehibe atokisanao, raha mitady hanao izany ianao.—Jereo ny Toko 14.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—Salamo 34:18.

SOSO-KEVITRA

Rehefa malahelo ianao, dia soraty izay tsapanao sy izay eritreretinao hoe nampalahelo anao. Vakio ilay izy afaka iray volana. Raha efa tsy malahelo be intsony ianao, dia soraty hoe inona no nanampy anao.

FANTATRAO VE... ?

Niaiky i Davida Mpanjaka fa efa mba nitomany koa izy. Hoy izy: “Vonton-dranomaso ny fandrianako mandritra ny alina.” (Salamo 6:6) Aza menatra mitomany àry, na ankizilahy aza ianao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Ireto avy no hataoko, mba tsy halahelo be intsony aho: ․․․․․

Ireto avy no namana hiarahako rehefa malahelo be aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Ilaina ve ny mitomany?

● Nahoana ianao no tokony hiaraka amin’ny namanao rehefa malahelo?

[Teny notsongaina pejy 96]

‘‘Tsy mety amiko mihitsy ny mitokantokana rehefa malahelo. Mitokana vetivety fotsiny aho, dia manamboatra ny saiko, na mitomany. Fa avy eo aho miaraka amin’olona, amin’izay tsy mieritreritra an’ilay izy.’’ —Sahoby

[Tabilao/Sary, pejy 93]

 Fanampiana Hisaintsaina

Tsy te Halahelo Intsony ve Ianao?

Fenoy ity tabilao ity

Zava-nitranga

Lazain’ilay mpampianatra matematika hoe tsy mahay aho

Zavatra tsy tokony hatao

Tsy hianatra matematika intsony

Zavatra tokony hatao

Jereo ny Toko 20 amin’ity boky ity

Zava-nitranga

Tsy raharahain’ny namako aho

Zavatra tsy tokony hatao

Mifosafosa azy

Zavatra tokony hatao

Jereo ny “Manontany ny Tanora”, Boky Faha-2, Toko 10

Zava-nitranga

Nisaraka i Dada sy Neny

Zavatra tsy tokony hatao

Tezitra foana amin’i Dada na i Neny na izy roa mitambatra

Zavatra tokony hatao

Jereo ny Toko 4 amin’ity boky ity

Zava-nitranga

․․․․․

Zavatra tsy tokony hatao

․․․․․

Zavatra tokony hatao

․․․․․

Zava-nitranga

․․․․․

Zavatra tsy tokony hatao

․․․․․

Zavatra tokony hatao

․․․․․

[Sary, pejy 95]

Toy ny hoe ao anaty lavaka ianao rehefa malahelo. Ho tafavoaka anefa ianao raha miezaka sady misy manampy