Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

F’angaha Tsy Maintsy Idikidirana Foana ny Fiainako E?

F’angaha Tsy Maintsy Idikidirana Foana ny Fiainako E?

Toko 15

F’angaha Tsy Maintsy Idikidirana Foana ny Fiainako E?

Ahoana ny hevitrao amin’ireto? Asio ✔ eo akaikiny:

1. Vao miditra ny trano ianao, dia be fanontaniana ny ray aman-dreninao. Ohatra hoe: “Taiza ianao? Inona no nataonao tany? Iza no niaraka taminao?”

□ Tsy taitra ianao satria efa zatra mitantara izay rehetra ataonao.

□ Sosotra ianao satria hoatran’ny tsy matoky anao ry zareo!

2. Mikatona ny efitranonao nefa tonga dia miditra ny mpiray tam-po aminao, fa tsy mandondòna.

□ Tsy olana aminao izany. Ianao koa mba manao hoatr’izany.

□ Mety hiteny ianao hoe: ‘Tsy mahalala fomba! Dia ahoana izao raha nisolo akanjo aho?’

TSY nampaninona anao angamba taloha, na dia tsy nandondòna aza ny mpiray tam-po aminao rehefa nankao aminao. Novalianao daholo koa izay fanontanian’ny ray aman-dreninao. Tsy nisy niafina mihitsy ny fiainanao. Niova anefa ianao izao. Mitovy hevitra amin’i Rivo, 14 taona angamba ianao. Hoy izy: “Mba misy zavatra tsy tiako ho fantatr’olona ihany.” Ireto anefa misy olana roa:

Tsy fantany hoe mba te ho irery ianao indraindray

Rariny raha te ho irery ianao indraindray. Angamba ianao te ‘hiala sasatra kely.’ (Marka 6:31) Na koa ianao te hivavaka irery, hoatran’ilay nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany. Hoy izy: “Midira ao amin’ny efitranonao, ary rehefa voakatonao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny Rainao.” (Matio 6:6; Marka 1:35) Mety hiahiahy anao anefa ny ray aman-dreninao, vao mihidy ny efitranonao (raha manana ianao). Mety tsy hieritreritra izy hoe mivavaka no ataonao ao. Tsy azon’ny mpiray tam-po aminao koa hoe nahoana ianao no te ho irery.

Araho àry ireto torohevitra ireto: Aza miady fa...

● Resaho amin’ny mpiray tam-po aminao hoe mba te ho irery ianao indraindray. Teneno aminy izay tsy tianao hataony, nefa aza sarotiny be. Raha manahirana ilay izy, dia miresaha amin’ny ray aman-dreninao. *

● Fantaro hoe nahoana ny ray aman-dreninao no te hahalala izay ataonao. Hoy i Rojo, 16 taona: “Tian-dry zareo ho fantatra daholo izay ataoko indraindray. Fa raha izaho koa aloha no manan-janaka, dia izany ihany no hataoko e! Sady efa be dia be izao ny fakam-panahy mahazo ny tanora.” Manaova àry hoatran’i Rojo ka fantaro izay tena mampahatahotra ny ray aman-dreninao.—Ohabolana 19:11.

● Mieritrereta hoe: ‘Sao dia mba misy zavatra hafahafa ataoko matoa ry zareo tsy matoky ahy, rehefa mihidy ao amin’ny efitranoko aho? Manafinafina be ny fiainako ve aho matoa izy mitsikilo foana izay ataoko?’ Raha tsy manao an’ireo ianao, nefa mbola tsy matoky anao ihany ny ray aman-dreninao, dia miresaha aminy. Mahaiza anefa manaja ary aza masiaka. Henoy tsara izy. Jereo tsara avy eo sao mba avy aminao tokoa no mahatonga azy tsy hatoky anao.—Jakoba 1:19.

Matahotra izy sao tsy mahay mifidy namana ianao

Tsy diso ianao raha mba mana-namana ankoatra ny olona ao aminareo. Tsy diso koa anefa ny ray aman-dreninao raha te hahalala ny namanao sy izay ataonareo. Ianao anefa mahita hoe matahotra loatra izy mivady. Hoy i Feno, 16 taona: “Isaky ny mitelefaonina na mandefa e-mail aho, dia anontanian-dry dadanay foana hoe iza no iresahako. Tsy tiako mihitsy!”

Araho àry ireto torohevitra ireto, dia tsy hisy olana eo aminao sy ny ray aman-dreninao.

● Aza afenina hoe iza no namanao, fa ampahafantaro an’ny ray aman-dreninao. Azo inoana mantsy fa tsy tianao hanontanintany any ambadika any ry zareo, ka tsy aleo ve fantany ny namanao? Tsy hatahotra loatra intsony izy, raha fantany hoe iza no mpiaraka aminao.

● Mieritrereta hoe: ‘Sao dia mba tena misy zavatra afeniko kosa, fa tsy ry zareo no be fanontaniana?’ Hoy i Vola, 22 taona: “Raha mbola miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreninao ianao, ka anontaniany, dia tsy tokony hanafina. Inona moa no anafenana an’ilay izy? Ianao angaha manao ratsy? Hafahafa ilay zavatra ataonao, matoa afeninao.”

Inona àry no hataonao?

Eritrereto izao hoe inona no azonao atao, raha misy zavatra tena tsy tianao hidiran’ny olona.

1. Fantaro ilay izy. Inona ilay zavatra tsy dia tianao hidikidiran’ny olona?

․․․․․

2. Fantaro ny hevitry ny ray aman-dreninao. Inona no tena mampahatahotra azy?

․․․․․

3. Mitadiava vahaolana. Sao dia nisy zavatra nataonao, na dia tsy fanahy inianao aza, matoa ry zareo midikiditra amin’ny fiainanao? Inona no fiovana azonao atao? Inona kosa no tianao hataon’ny ray aman-dreninao?

․․․․․

4. Resaho ilay izy. Ahoana no hanombohanao an’ilay resaka?

․․․․․

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Malahelo be ve ianao satria maty ny dadanao na ny mamanao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Jereo koa ny Toko 6.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Ataovy izay rehetra azonao atao mba hisehoanao eo anatrehan’Andriamanitra ho olona ankasitrahana, dia mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona.”—2 Timoty 2:15.

SOSO-KEVITRA

Resaho amin’ny ray aman-dreninao hoe tianao raha tsy idikidirana be ny fiainanao. Aza manome tsiny azy anefa. Tsy hifamaly ianareo amin’izay fa hiara-mitady vahaolana kosa.

FANTATRAO VE... ?

Hatoky anao kokoa ny ray aman-dreninao, raha tsy dia manafinafina aminy ianao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba hatoky ahy (na hatoky ahy indray) i Dada sy Neny: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ny ray aman-dreninao no mahazo manontany anao an’izay ataonao?

● Raha miezaka miresaka tsara amin’izy ireo ianao izao, inona no ho vokany rehefa hiresaka amin’ny olona ianao any aoriana any?

[Teny notsongaina, pejy 108]

‘‘Matahotra ny ray aman-dreny sao misy mahazo anao, dia lasa midikiditra amin’ny fiainanao izy indraindray. Mahakamo aloha ilay izy e! Nefa tsoriko fa izany koa no hataoko, raha manan-janaka aho.’’—Annie

[Sary, pejy 109]

Mila miasa ny olona vao mahazo karama. Toy izany koa fa mila miezaka ianao vao hatoky anao ny ray aman-dreninao