Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Matahotra Mitory Aho?

Inona no Hataoko fa Matahotra Mitory Aho?

Toko 17

Inona no Hataoko fa Matahotra Mitory Aho?

“Imbetsaka aho no afaka nitory tany am-pianarana, fa tsy sahy.”—Mika.

“Nanontany ny hevitray momba ny evolisiona ny mpampianatra anay, indray mandeha. Afaka nitory mihitsy aho tamin’izay, fa natahotra dia tsy nahateny. Nanenina be aho avy eo!”—Patricia.

EFA nanjo anao koa ve izany? Tianao angamba izay zavatra ianaranao ao amin’ny Baiboly, ary te hiresaka an’ilay izy mihitsy aza ianao. Matahotra be anefa ianao. Ireto àry misy torohevitra vitsivitsy:

1. Soraty izay mampahatahotra anao. Vao mieritreritra hoe hitory ianao, dia efa matahotra hoe tsy hety mihitsy ilay izy. Soraty na resaho àry izay zavatra atahoranao hitranga. Mety tsy hatahotra be intsony ianao amin’izay.

Soraty eto ilay izy:

● Izao no mety hitranga, raha mitory any am-pianarana aho: ․․․․․

Fantaro fa tanora kristianina maro koa no matahotra hoatr’anao. Hoy i Mahenina, 14 taona: “Matahotra aho sao hihomehezan’ny ankizy sy hataony hoe hafahafa.” Hoy koa i Mika, voalaza tetsy aloha: “Natahotra aho sao hisy hametraka fanontaniana nefa tsy ho haiko ny valiny.”

2. Tadidio hoe mety tsy ho tian’ny ankizy ilay izy. Tena mety hitranga tokoa izany. Hoy i Vola, 20 taona: “Nisy ankizy mody liana be tamin’izay noresahiko, nefa avy eo nokianiny aho sady nihomehezany teo imason’ny ankizy.” Hoy koa i Fanja, 17 taona: “Nisy ankizilahy nampitaha ny Baiboliko tamin’ny azy, dia hitany hoe nisy tsy nitovy ny teny tao anatiny. Nolazainy fa novana, hono, ny Baiboliko! Tsy hitako izay notenenina!” *

Mampatahotra tokoa ny zavatra toy izany, nefa aza kivy fa mitoria foana. Ataovy vonona fotsiny ny sainao hoe tsy maintsy hisy hanohitra isika Kristianina. (2 Timoty 3:12) Hoy i Mamy, 13 taona: “Tsy maintsy hisy foana ny olona tsy tia antsika. I Jesosy tsinona efa nilaza hoe hisy hanenjika ny mpianany.”—Jaona 15:20.

3. Eritrereto ny soa ho azonao. Hoy i Saholy, 21 taona: “Marina fa sarotra be ny manazava ny zavatra inoanao amin’ny olona tsy tia Baiboly, nefa lasa azonao kokoa ilay izy rehefa avy hazavainao.” (Romanina 12:2) Tena mahasoa anao àry ny mitory, na dia tsy mora aza ilay izy indraindray.

Jereo indray izay nosoratanao teo amin’ilay torohevitra voalohany. Eritrereto hoe nitranga ilay zavatra natahoranao. Mety hisy vokany tsara ihany ve ilay izy? Manorata roa, fara fahakeliny.

1 ․․․․․

2 ․․․․․

Tsy nahita hosoratana ve ianao? Ireto, ohatra, misy hevitra vitsivitsy: Tsy dia hampirisihin’ny ankizy haditra intsony ianao, tsy hatahotahotra intsony ianao rehefa mitory, vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah, ary izy koa ho tia anao.—Ohabolana 23:15.

4. Omano izay holazainao. Hoy ny Ohabolana 15:28: “Ny fon’ny marina mieritreritra vao mamaly.” Eritrereto àry izay holazainao sy izay mety hanontanian’ny ankizy. Manaova fikarohana avy eo. Manomàna valin-teny mety aminao.—Jereo ilay  efajoro eo amin’ny pejy 127.

5. Miresaha amin’izay. Andeha hatao hoe efa vonona ianao. Ahoana no hanombohana an’ilay resaka? Toy ny hoe hilomano ianao. Manana safidy roa ianao: Na hiditra tsikelikely, na hitsambikina avy hatrany. Azonao atao àry ny miditra tsikelikely, izany hoe miresaka zavatra tsy mifandray amin’ny fivavahana aloha. Raha matahotra anefa ianao hoe tsy handeha tsara ilay resaka, dia aleo mitsambikina avy hatrany, izany hoe tonga dia mitory. (Lioka 12:11, 12) Hoy i Andry, 17 taona: “Natahotra be foana aho vao nieritreritra fotsiny hoe hitory. Hay tsy maninona akory ilay izy rehefa tena atao. Ny manomboka azy fotsiny no ela.” *

6. Aza miady hevitra be. Hidiran-doza ianao raha mitsoraka ao anaty rano efa hitanao hoe marivo. Toy izany koa fa ho sahirana ianao raha miady hevitra be, nefa efa hita fa tsy hisy vokany. Hoy ny Ohabolana 13:16: “Mandinika tsara foana ny olona misaina, vao manao zavatra.” (Dikan-teny Anglisy Ankehitriny) Tadidio fa misy fotoana itenenana ary misy fotoana anginana. (Mpitoriteny 3:1, 7) Na i Jesosy aza indraindray tsy namaly rehefa nanontaniana.—Matio 26:62, 63.

Raha hitanao anefa fa tokony hamaly ianao, dia aza miresaka lava be ary fidio tsara izay holazaina. Raha misy manakiana anao, ohatra, hoe: ‘Dia maninona izao ianao no tsy mifoka sigara?’, dia valio fotsiny hoe: ‘Mankarary tsinona ireny.’ Arakaraka izay lazainy eo avy eo no hanohizanao an’ilay resaka na tsia.

Hanampy anao ho ‘vonona hilaza ny fiarovan-tenanao’ momba izay inoanao ireo torohevitra enina ireo. (1 Petera 3:15) Marina fa mety mbola hatahotra ianao na dia efa vonona aza. Hoy anefa i Rindra, 18 taona: “Faly be ianao rehefa avy manazava ny zavatra inoanao. Vitanao ihany mantsy ilay izy, na dia efa natahotra aza ianao hoe mety tsy ho vita. Faly ianao fa sahy nitory. Raha nandeha tsara moa ilay resaka, dia vao mainka ianao faly!”

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Miferinaina ve ianao any am-pianarana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Be dia be ny karazana Baiboly, ary tsy mitovy ny teny ampiasaina ao anatiny. Misy Baiboly anefa mifanaraka kokoa amin’ny Baiboly tany am-boalohany.

^ feh. 18 Jereo ilay efajoro hoe “ Izao no Holazaiko Voalohany.”

ANDININ-TENY MAHASOA

“Aoka ho vonona foana ianareo hilaza ny fiarovan-tenanareo eo anatrehan’izay manontany ny anton’ny fanantenana ao anatinareo. Ataovy amim-pahalemem-panahy sy amim-panajana lalina anefa izany.” —1 Petera 3:15.

SOSO-KEVITRA

Aza miteny amin’ny mpiara-mianatra aminao hoe marina na diso ny zavatra inoany. Hazavao aminy kosa izay inoanao, ary hoe nahoana no marina izany. Asehoy fa tena mino an’ilay izy ianao.

FANTATRAO VE... ?

Angamba mahafinaritra ny ankizy sasany ihany ianao satria mankatò izay lazain’ny Baiboly, fa menatra fotsiny izy hanontany anao momba ny fivavahanao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Mba tiako hitoriana i [Manorata anaran’ankizy iray, fara fahakeliny.] ․․․․․

Momba ny no horesahiko, satria fantatro fa tena hahaliana azy. ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ny mpiara-mianatra aminao no maneso anao noho ny fivavahanao?

● Rehefa mitory amin’ny ankizy ianao, nahoana no tokony ho hita hoe tena inoanao izay lazainao?

[Teny notsongaina, pejy 126]

“Tsy te hiavaka tamin’ny ankizy aho taloha. Hitako anefa tatỳ aoriana hoe manatsara ny fiainako ny fivavahako. Lasa tsy menamenatra intsony aho, fa sahy niresaka ny zavatra inoako.”​—Jason

[Efajoro, pejy 124]

 Izao no holazaiko voalohany:

“Inona no hataonao amin’ny vakansy?” [Rehefa avy mamaly izy, dia lazao izay zavatra ara-panahy tianao hatao, ohatra hoe hanatrika fivoriambe na hanompo bebe kokoa.]

“Henonao ve ilay...? [Milazà vaovao iray.] Dia ahoana iny?”

“Be dia be izao ny olona tsy manam-bola an! [Na milazà olana hafa.] Mba rahoviana àry vao tsy hisy intsony izany? [Avelao izy hamaly.] Inona no mahatonga anao hiteny an’izany?”

“Inona kay no fivavahanareo?”

“Inona kay no hataonao rehefa lehibe?” [Rehefa avy mamaly izy, dia lazao ny tanjonao eo amin’ny fanompoana.]

[Tabilao, pejy 127]

 (Jereo ny boky)

Fanampiana Hisaintsaina

Eritrereto izay holazainao

Adikao ity!

Iaraho midinika amin’ny ray aman-dreninao sy ny ankizy eo anivon’ny fiangonana izy ity, ary fenoy. Eritrereto koa izay mety hanontanian’ny mpiara-mianatra aminao sy izay havalinao azy.

Firenena

Fanontaniana

Nahoana ianao no tsy manangan-tsaina? Tsy tianao angaha i Madagasikara?

Valiny

Manaja ny firenentsika aho, fa tsy mivavaka aminy. Mitovy amin’ny mivavaka ihany tsinona ny manangan-tsaina.

Fanontaniana

Dia tsy hiady koa izany ianao, raha misy manafika i Madagasikara?

Valiny

Ie, tsy hiady aho, sady fantatro fa tsy hiady amintsika koa ny Vavolombelon’i Jehovah any andafy.

Ra

Fanontaniana

Maninona ianareo no tsy manaiky hampidiran-dra?

Valiny

Satria milaza ny Baiboly hoe fadio ny ra. Rehefa tsy mampiasa ra fotsiny ny dokotera dia efa mety aminay. Sady ny ra ange mety hahavoan’ny SIDA na hepatita e!

Fanontaniana

Dia ahoana raha tsy maintsy ampidiran-dra ianao, raha tsy izany dia maty? Hosazin’Andriamanitra ve ianao?

Valiny

․․․․․

Safidy

Fanontaniana

Fa maninona ianao no tsy [manao sipa] nefa i [anarana] mpiara-mivavaka aminareo manao?

Valiny

Tsy terena hankatò ny fitsipik’Andriamanitra tsinona izahay. Ampianarina anay fotsiny ilay izy, dia anjaranay no mifidy izay ataonay.

Fanontaniana

Dia samy manao izay tianareo fotsiny izany ianareo?

Valiny

․․․․․

Zavaboary

Fanontaniana

Maninona ianao no tsy mino ny evolisiona?

Valiny

Fa maninona moa aho no tokony hino? Ny mpahay siansa aza tsy mitovy hevitra momba ny evolisiona, nefa ry zareo no lazaina hoe mahay be momba an’ilay izy!

Fanontaniana

․․․․․

Valiny

․․․․․

[Sary, pejy 125]

Toy ny hoe hilomano ianao rehefa hitory. Afaka miditra tsikelikely ianao na tonga dia mitsambikina