Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Miferinaina Be Aho?

Inona no Hataoko fa Miferinaina Be Aho?

Toko 18

Inona no Hataoko fa Miferinaina Be Aho?

“Niferinaina be aho tany am-pianarana. Indraindray aza aho te hitomany sy te hikiakiaka be mihitsy.”—Sharon.

“Misy zavatra tsy tianao foana any am-pianarana, na mbola kely ianao na efa lehibe, fa ilay izy fotsiny no tsy mitovy.”—Johary.

MIFERINAINA koa ve ianao any am-pianarana, nefa hoatran’ny tsy tsapan’ny ray aman-dreninao ilay izy? Mety hiteny ry zareo hoe ny azy no tena mafy, satria izy tsy maintsy mandoa hofan-trano, mamelona anareo, ary mampifaly ny mpampiasa azy. Ianao anefa mahita hoe ny anao aza mafy kokoa.

Eny an-dalana ianao dia efa sorena. Hoy i Tanya, any Etazonia: ‘Matetika no miady ny ankizy iray bisy aminay, dia tsy maintsy ampidinina daholo izahay. Lasa tara be izahay avy eo.’

Mbola miferinaina koa anefa ianao rehefa tonga any am-pianarana, satria...

Teren’ny mpampianatra.

“Tian’ny mpampianatra hahazo naoty ambony be foana aho. Voatery miezaka be aho, amin’izay ry zareo faly.”Sandra.

“Teren’ny mpampianatra hahazo naoty tsara ianao, indrindra raha hitany hoe mahaihay.”Hasina.

“Ankizy vendrana ianao amin’ny mpampianatra sasany, raha vao tsy ilay eritreretiny ny tanjonao, na dia tsara aza ilay izy.” *Nirina.

Teren’ny mpampianatra koa ve ianao? Inona no vokany eo aminao?

․․․․․

Taomin’ny ankizy haditra.

“Tsy voafehifehy be intsony ny ankizy any amin’ny lise, dia lasa sahy mikomy. Tsy tiany ianao raha vao tsy manao hoatr’azy.”—Kevin.

“Ampirisihin’ny ankizy hisotro toaka sy hanao firaisana foana aho isan’andro. Sarotra be indraindray ny mandà an’ilay izy.”—Rija.

“Mahasosotra mihitsy ny ataon’ny ankizy! Vao 12 taona aho, nefa teneniny foana hoe: ‘Rahoviana ihany indrỳ vao hanana sipa e?’ ”Miora.

“Vao folo taona aho, dia efa nampidirin’ny ankizy tamin’izay ankizilahy izay. Tsy nanaiky aho, dia hozy ry zareo hoe: ‘Ankizivavy izany no tian-dry?’ ”Cathy.

Taomin’ny ankizy haditra koa ve ianao? Inona no vokany eo aminao?

․․․․․

Sa iray amin’ireto no tena mampiferinaina anao? Asio ✔ eo akaikiny. Raha tsy voalaza eo, dia soraty eo amin’ilay hoe “Antony hafa.”

□ Akaiky ny fanadinana

□ Tsy maintsy manao devoara ianao

□ Tian’ny ray aman-dreny hahavita zavatra tsara be foana ianao

□ Te hahavita zavatra tsara be foana ianao

□ Misy mampijaly ianao na misy mikitikitika sy manadala foana

□ Antony hafa ․․․․․

Inona no hanampy anao tsy hiferinaina?

Tadidio fa tsy maintsy hisy zavatra hahasorena foana any am-pianarana. Mety ho kivy anefa ianao raha miferinaina loatra. Milaza mantsy ny Ohabolana 12:25 fa ‘kivy ny olona [rehefa] mitebiteby’ foana. Ataovy àry izay tsy hampiferinaina be anao.

Ataovy toy ny hoe mibata fonjam-by ianao. Tsy maintsy manao fanazaran-tena aloha ianao vao hahazaka an’ilay izy. Tokony ho hainao ny fomba fibatana azy, ary tsy hibata afa-tsy izay fonjam-by zakanao ianao. Hatanjaka kokoa ianao amin’izay. Raha tsy manao an’ireo kosa ianao, dia mety ho rovitra ny hozatrao, na ho tapa-taolana mihitsy aza.

Mavesatra be toy ilay fonjam-by angamba ny mahazo anao. Misy zavatra azonao atao anefa mba hahazakanao azy. Tsy hisy vokany ratsy eo aminao ilay izy amin’izay, ary ho vitanao tsara izay tokony hataonao.

1. Fantaro hoe inona no tena mampiferinaina anao. Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Hahavita ‘hiafina’ ianao, izany hoe tsy hiferinaina be, raha fantatrao ny tena antony. Jereo indray àry ilay nasianao ✔ tetsy aloha, mba hahafantaranao izany.

2. Manaova fikarohana. Miferinaina ve, ohatra, ianao fa be devoara? Jereo ny soso-kevitra ao amin’ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 13. Ampirisihin’ny ankizy hanao firaisana ve ianao? Jereo indray ny Toko 2 sy 5 ary 15 amin’io boky io.

3. Aza mangataka andro. Matetika no tsy milamina ny olana raha avela amin’izao. Mihasarotra kosa aza ilay izy, ka vao mainka mampiferinaina. Raha vao fantatrao àry izay tokony hataonao, dia ataovy avy hatrany izany. Aza mangataka andro, ohatra, fa ataovy fantatry ny any am-pianarana hoe Vavolombelon’i Jehovah ianao ary miezaka manaraka izay lazain’ny Baiboly. Hoy i Michèle, 20 taona: ‘Vao nanomboka ny taom-pianarana, dia nitady fomba hiresahana tamin’ny ankizy aho hoe manaraka izay lazain’ny Baiboly. Vao miandriandry aho, dia lasa matahotra miteny hoe Vavolombelon’i Jehovah aho. Tsy dia mahita olana aho mandritra ny taona, rehefa fantatry ny ankizy hoe tena mankatò izay lazain’ny Baiboly.’

4. Mangataha torohevitra. Mba misy zavatra tsy zakan’ny mpibata fonjam-by ihany, na matanjaka be aza izy. Tsy zakanao koa angamba ny mahazo anao, nefa tsy voatery hiady irery ianao. (Galatianina 6:2) Asehoy an’ny ray aman-dreninao na ny Kristianina matotra hafa izay nosoratanao tany aloha, ary mangataha torohevitra aminy.

Misy mahatsara azy ve ny miferinaina?

Misy mahatsara azy ny miferinaina, na dia sarotra inoana aza izany. Matoa mantsy ianao miferinaina, dia te hanao zavatra tsara, fa tsy toy ireny olona tsy mivaky loha ireny. Hoy ny Ohabolana 6:9-11, momba ny olona toy izany: “Mandra-pahoviana ianao, ry ilay kamo, no mbola hatory? Rahoviana ianao no hifoha amin’ny torimasonao? Mbola hatory kely ihany, mbola ho rendremana kely ihany, ary mbola hamoritra tanana ihany ka hatory kely, dia ho avy tampoka sahala amin’ny mpandroba ny fahantranao.”

Hoy i Haingo, 16 taona: “Tena mampiferinaina indraindray ny mianatra, nefa mitovy amin’izany ihany ny hahazo anao rehefa hiasa ianao.” Marina fa mafy ny mahazo anao any am-pianarana. Raha hainao anefa izay tokony hatao rehefa miferinaina ianao, dia tsy hisy vokany ratsy eo aminao ilay izy. Handray soa kosa ianao satria hahazaka olana.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Tsy mianatra intsony ve no vahaolana?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 11 Jereo koa ny Toko 20.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.

SOSO-KEVITRA

Diniho hoe inona avy ny olana mampiferinaina anao. Jereo avy eo hoe iza no azonao alamina, ary iza no mbola sarotra be ny mandamina azy. Aleo alamina aloha izay azo alamina. Rehefa vita izay vao mandinika ny ambiny.

FANTATRAO VE... ?

Tsy hiferinaina be ianao sady ho mora mahatadidy zavatra kokoa raha matory adiny valo isan’alina, fara fahakeliny.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Hatory amin’ny aho isan’alina, mba tsy hiferinaina be. (Soraty eo ny ora tianao hatoriana.) ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Vao mainka hiferinaina ianao, raha te hahavita zavatra tsara be foana. Nahoana?

● Iza no azonao iresahana rehefa miferinaina be ianao?

[Teny notsongaina, pejy 132]

‘‘Lasa tsy dia niferinaina aho isan’andro, satria niara-nivavaka izahay sy dadanay, isaky ny handeha hianatra aho.’’—Lilie

[Sary, pejy 131]

Hihamatanjaka ianao raha hainao ny mibata fonjam-by. Toy izany koa fa tsy hiferinaina be ianao raha hainao ny mizaka ny olana mahazo anao