Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Tsy Mora Ilay Mipetraka atỳ Andafy?

Inona no Hataoko fa Tsy Mora Ilay Mipetraka atỳ Andafy?

Toko 22

Inona no Hataoko fa Tsy Mora Ilay Mipetraka atỳ Andafy?

Malagasy nifindra atỳ andafy ve ny rainao na ny reninao?

□ Eny □ Tsia

Tsy miteny malagasy ve ny mpiara-mianatra aminao, ary tsy mitovy amin’ny anareo ny fanaony?

□ Eny □ Tsia

“Italianina izahay, fa nifindra eto Angletera. Ny Italianina tonga dia sariaka sy tsara fanahy be. Ny Anglisy indray hoatran’ny mimpirimpirina sady mitandrintandrina be. Dia tsy hitako izay hatao!”—Giosuè, Angletera.

“Nasain’ny mpampianatra anay nijery azy aho rehefa niteny izy. Lazain’ny dadanay hoe tsy mahalala fomba anefa aho rehefa manao an’izany aminy. Tsy haiko hoe ny tenin’iza no harahina.”—Patrick, Alzerianina teraka tany Frantsa.

AZO inoana fa sahirana ny ray aman-dreninao tamin’izy vao tonga tatỳ andafy, satria hafa ny fiteniny, fanaony, toetrany, ary ny akanjony. * Mety ho navakavahan’ny olona sy tsy nohajainy àry izy ireo.

Izany koa ve no manjo anao? Iza amin’ireto olana ireto no tena mafy aminao? Asio ✔ eo akaikiny.

Esoin’ny olona. Mbola kely i Noor tamin-dry zareo nifindra avy tany Jordania nankany Amerika Avaratra. Hoy izy: “Nihomehezan’ny olona izahay satria tsy nitovy tamin’ny azy ny akanjonay. Tsy mampihomehy anay mihitsy koa ny vazivazin’ny Amerikanina.”

Vahiny foana na aiza na aiza. Hoy i Nadia: “Teraka teto Alemaina aho. Rehefa miteny anefa aho dia heno hoe Italianina miteny alemà satria Italianina izahay. Nataon’ny ankizy hoe ‘Italianina vendrana’ aho. Rehefa mankany Italia indray aho, dia hoatran’ny hoe Alemà miteny italianina. Vahiny foana aho, na aiza na aiza alehako!”

Tsy mitovy toe-tsaina sy fanao ianao sy ny ray aman-dreninao. Valo taona i Ana tamin-dry zareo nifindra tany Angletera. Hoy izy: “Tonga dia tamana teto Londres izahay mianadahy, fa ry dadanay sy mamanay tsy nety zatra. Efa nipetraka ela be tany amin’ny nosy kelin’i Madère tsinona ry zareo.”

Telo taona i Voeun rehefa niala tany Kambôdza ry zareo mba hifindra any Aostralia. Hoy izy: ‘Tsy mety zatra miaina eto ry dadanay sy mamanay. Lasa tsy mitovy koa ny fomba fisainanay, dia tezitra amiko dadanay indraindray.’

Tsy hainao tsara ny fitenin’ny ray aman-dreninao. Valo taona i Ian tamin-dry zareo niala tany Ekoatera mba hifindra any Etazonia. Hoy izy enin-taona taorian’izay: “Miteny anglisy foana aho fa tsy dia miteny espaniola intsony. Miteny anglisy daholo na ny mpampianatra anay, na ny namako, na izahay sy zandrinay. Na rehefa mieritreritra aza aho, dia amin’ny teny anglisy! Tsy dia mahay teny espaniola intsony aho.”

Kambôdzianina i Lee, fa teraka tany Aostralia. Hoy izy: “Tsy mahay manazava ny hevitro amin-dry dadanay sy mamanay aho indraindray, satria tsy tena haiko ny fiteniny.”

Hoy i Noor, ilay voaresaka teny aloha: “Tsy nety mihitsy dadanay raha tsy niteny arabo izahay tao an-trano, nefa tsy hitanay izay nilana an’ilay izy. Nandreraka be fotsiny! Niteny anglisy tsinona ny namanay sady tamin’ny teny anglisy daholo ny fandaharana tao amin’ny tele.”

Inona àry no azonao atao?

Hitantsika teo fa tsy ianao irery no mahita hoe mafy ny mipetraka any an-tanin’olona. Tsy te hivaky loha angamba ianao, fa aleonao manaraka fotsiny ny fanaon’ny olona atỳ andafy. Raha tsy miraharaha ny fomba amam-panaon’ny ray aman-dreninao anefa ianao, dia mety ho tezitra ry zareo, ary ho sorena ianao. Tadidio fa misy mahatsara azy ilay hoe mahay fiteny sy fanao samy hafa. Inona àry no azonao atao mba hahazakanao ny olana mahazo anao?

Aza raharahaina izay maneso anao. Na inona na inona hataonao, dia hisy foana ny olona tsy tia anao. Hanaratsy anao foana ny olona efa mpanao an’izany. (Ohabolana 18:24) Aza mandany andro miteny azy àry. Hoy i Solomona, mpanjaka hendry: ‘Tsy tia fananarana ny mpamazivazy.’ (Ohabolana 15:12, Kat.) Ho hita eny ihany hoe diso hevitra izy.

Tadidio fa tian’Andriamanitra ianao na inona na inona fiavianao. Marina fa mba te hitovy amin’ny olon-drehetra ianao. Tadidio anefa fa tsy olona ambany ianao, na dia tsy mitovy aminy aza. Ny olona no mety hieritreritra an’izany fa tsy Andriamanitra. Hoy ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Ho lasa fianakaviany ianao, raha miezaka mampifaly azy, ary izany no tena tsara!—Isaia 43:10; Marka 10:29, 30.

Miezaha hanaja ny ray aman-dreninao. Tsy mitovy hevitra ny ray aman-dreny sy zanaka indraindray. Tsy mitovy hevitra koa angamba ianareo saingy matetika kokoa ilay izy, satria tian’ny ray aman-dreninao hanaraka ny fomba amam-panaony ianao. Ianao kosa te hanaraka ny fanaon’ny olona atỳ andafy. Tsy maintsy ‘manaja ny rainao sy ny reninao’ anefa ianao, raha tianao handeha tsara ny fiainanao.—Efesianina 6:2, 3.

Marina fa tsy azoazonao ny fomba amam-panaony, nefa aza tonga dia mandà tsy hanao. Fantaro kosa hoe inona no itiavany an’ilay izy. (Ohabolana 2:10, 11) Mieritrereta hoe: ‘Ratsy ve ilay fanao, rehefa jerena izay lazain’ny Baiboly? Raha tsia, inona no tena tsy itiavako an’ilay izy? Ahoana no hanazavako an’izany, nefa tsy hampalahelo an-dry zareo?’ (Asan’ny Apostoly 5:29) Miezaha àry hanaja ny ray aman-dreninao, izany hoe hamantatra ny heviny sy hahay hanazava ny hevitrao. Mila mahay tsara ny fiteniny anefa ianao vao hahavita an’izany.

Ianaro tsara ny fitenin’ny ray aman-dreninao. Misy ankizy lasa mahay ny fiteny ao amin’ilay tany misy azy sy ny tenin-drazany, satria tsy mahazo miteny afa-tsy ny tenin-drazany rehefa ao an-trano. Nahoana raha andramana izany? Iangavio koa ny ray aman-dreninao hampianatra anao hanoratra ny fiteniny. Grika i Stelios, fa lehibe tany Alemaina. Hoy izy: “Niara-nandinika andinin-teny tamin’ny teny grika izahay sy ry dadanay sy mamanay, isan’andro. Vakiny ilay izy dia soratako avy eo. Mahay mamaky sy manoratra teny grika sy alemà aho izao.”

Misy soa hafa koa anefa. Nianatra teny italianina i Giosuè, ilay voaresaka teny aloha. Inona no vokany? Hoy izy: ‘Lasa nifankatia kokoa izahay sy ry dadanay sy mamanay, sady hitako hoe tena tia an’i Jehovah ry zareo. Lasa azoko tsara ny any an-tsainy sy any am-pony. Mazava aminy koa izay tiako holazaina.’

Mampifandray fa tsy mampisaraka

Marina fa tsy mitovy amin’ny olona manodidina anao ianao. Aza atao sakana mampisaraka anao aminy anefa izany, fa ataovy toy ny tetezana mampifandray anareo kosa. Tanora maro, ohatra, no miezaka mitory ny vaovao tsara amin’ny olona mitovy fiaviana aminy. (Matio 24:14; 28:19, 20) Nanao izany i Salomão. Efa tamin’izy dimy taona no nifindra tany Londres, ka saika hadinony ny teny portogey. Nifindra tao amin’ny fiangonana portogey àry izy. Hoy izy: “Sady mahay teny portogey aho izao no mahay teny anglisy. Faly be aho fa mahay mitory amin’ireo fiteny ireo!”

Hitan’i Noor hoe mbola vitsy ny mpitory mahay teny arabo, any Etazonia. Hoy izy: “Mianatra teny arabo indray aho izao. Hay ilaina ilay izy! Faly aho rehefa misy manitsy. Tena te hahay aho.”

Manana tombony be àry ianao, raha mahay fomba amam-panao samy hafa sady mahay fiteny roa na mihoatra. Ho fantatrao kokoa, ohatra, izay any am-pon’ny olona, ary ho hainao ny hamaly ny fanontaniany momba an’Andriamanitra. (Ohabolana 15:23) Karàna i Preeti fa teraka tany Angletera. Hoy izy: “Tsy dia matahotra aho rehefa mitory amin’ny Anglisy sy Karàna. Samy haiko tsinona ny zavatra inoany sy ny fomba fisainany.”

Aza atao olana àry ilay hoe ianao tsy mitovy amin’ny olona manodidina anao. Ataovy an-tsaina kosa fa manana tombony ianao. Tadidio fa tian’i Jehovah foana ianao na inona na inona fiavianao, na fiavian’ny ray aman-dreninao. Manaova hoatran’ireo tanora noresahina tato. Ampiasao hitoriana amin’ny olona mitovy fiaviana aminao ny fahaizanao. Ampio izy hahalala an’i Jehovah, ilay Andriamanitra tsy manavakavaka sy be fitiavana. Ho sambatra ianao amin’izay!—Asan’ny Apostoly 20:35.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Marina fa ny Malagasy no resahina ao amin’ny pejy eo aloha. Afaka mampihatra ny soso-kevitra ato anefa ny olon-drehetra.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 10:34.

SOSO-KEVITRA

Aza mora tezitra raha mihomehy na maneso anao ny ankizy satria hoe tsy mitovy aminy ianao. Mihomeheza fotsiny, dia mety tsy hananihany anao intsony ry zareo.

FANTATRAO VE... ?

Mora mahita asa kokoa ianao raha mahay fiteny roa.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba ho azoko kokoa ny fitenin’i Dada sy Neny: ․․․․․

Izao no hanontaniako azy ireo momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no mila mamantatra ny toetra sy fanaon’ny olona any amin’ny tany niavianao? Manampy anao hahafantatra kokoa ny toetranao ve, ohatra, izany?

● Inona avy no tombony anananao, raha oharina amin’ny ankizy hafa?

[Teny notsongaina, pejy 160]

‘‘Faly aho fa afaka manampy olona. Mahay mitory amin’ny teny rosianina sy frantsay ary moldavianina aho.’’—Oleg

[Sary, pejy 161]

Hainao ve ny fomba amam-panaonareo sy ny fiteninareo? Ataovy toy ny tetezana mampifandray anao amin’ny olona izany