Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanazavako fa Tsy Mety ny hoe Vehivavy Tia Vehivavy?

Ahoana no Hanazavako fa Tsy Mety ny hoe Vehivavy Tia Vehivavy?

Toko 23

Ahoana no Hanazavako fa Tsy Mety ny hoe Vehivavy Tia Vehivavy?

Nahazo loka ny tovovavy roa mpilalao filma, ka nifanoroka be tamin’ny vava. Taitra ny mpanatrika, nefa faly sy nihorakoraka avy eo. Faly erỳ ny vehivavy miray amin’ny vehivavy. * Ny hafa kosa nilaza hoe te halaza fotsiny izy roa vavy. Tsy maintsy ho be dia be no hahita ny sarin’izy roa ao amin’ny tele sy Internet.

HITA avy amin’io fa atao mahoraka be raha vao misy olo-malaza fantatra hoe lehilahy miray amin’ny lehilahy, na sady tia lehilahy no tia vehivavy. Misy midera azy ireny satria sahy, hono, ry zareo. Ny hafa milaza hoe tsy mety mihitsy ny ataony. Maro kosa no miteny hoe tsy mahazatra fotsiny ilay izy, fa tsy maninona. Hoy i Daniel, 21 taona: ‘Na ny ankizy tany am-pianaranay aza nilaza hoe manavakavaka sy tia mitsaratsara ianao raha hafahafa aminao ny mahita lehilahy tia lehilahy.’

Samy manana ny heviny momba ny firaisan’ny samy lehilahy ny firenena rehetra, ary na ny olon-dehibe sy ny tanora aza. Izay lazain’ny Baiboly anefa no arahin’ny Kristianina, fa tsy “havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao” izy.—Efesianina 4:14.

Inona àry no lazain’ny Baiboly? Ary ahoana raha mankatò izany ianao, ka lazain’ny olona fa manavakavaka sy tia mitsaratsara, na mankahala ny lehilahy miray amin’ny lehilahy? Inona, ohatra, no mety holazain’ny olona, ary ahoana no hamalianao azy?

“Inona kay no lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy?”

“Lazain’ny Baiboly mazava tsara fa ny lehilahy sy vehivavy mpivady ihany no nataon’Andriamanitra hanao firaisana. (Genesisy 1:27, 28; Levitikosy 18:22; Ohabolana 5:18, 19) Voalaza ao koa fa ratsy ny fijangajangana. Tsy ny lehilahy manao firaisana amin’ny vehivavy tsy vadiny ihany no atao hoe mijangajanga, fa ny lehilahy miray amin’ny lehilahy koa.” *Galatianina 5:19-21.

“Ahoana ny hevitrao raha misy lehilahy tia lehilahy?”

“Tsy tiako aloha ny ataony e! Fa ny ataony ihany no tsy tiako fa tsy izy.”

Tadidio fa zonao ny manaraka izay lazain’ny Baiboly. (Josoa 24:15) Aza menatra milaza ny hevitrao àry!—Salamo 119:46.

“Angaha moa ny Kristianina tsy tokony hanaja ny olona rehetra, na dia ny lehilahy tia lehilahy aza?”

“Tokony ka! Ny Baiboly tsinona milaza hoe: ‘Hajao ny karazan’olona rehetra.’ (1 Petera 2:17) Tsy mankahala ny lehilahy miray amin’ny lehilahy izahay, satria tsara fanahy amin’ny olona rehetra.”—Matio 7:12.

“Tsy manavakavaka an-dry zareo ihany ve ianao raha lazainao fa tsy mety ny ataony?”

“Tsy izany mihitsy! Ny ataony no tsy tiako, fa tsy izy.

“Izaho, ohatra, tsy mifoka sigara satria tena tsy tiako ilay izy. Andeha anefa hatao hoe mpifoka ianao, ary tianao ilay izy. Tsy hankahala anao aho, satria fotsiny hoe tsy mitovy hevitra isika, ary ianao koa tsy hankahala ahy. Sa tsy izany? Dia hoatr’izay koa ilay izy.”

“Angaha moa i Jesosy tsy nampianatra hoe tokony handefitra ny Kristianina? Ka tsy tokony mba handefitra amin’ny lehilahy miray amin’ny lehilahy ve izany ianareo?”

“Tsy niteny mihitsy i Jesosy hoe tsy mampaninona daholo izay ataon’ny olona. Nampianatra kosa izy hoe mila ‘maneho finoana azy’ izay te ho voavonjy. (Jaona 3:16) Raha tena maneho finoana an’i Jesosy ny olona iray, dia mankatò ny fitsipik’Andriamanitra, anisan’izany ilay hoe tsy tokony hiray amin’ny lehilahy ny lehilahy.”—Romanina 1:26, 27.

“Tsy afaka miova intsony ny lehilahy tia lehilahy, fa efa hoatr’izany mihitsy hatramin’ny vao teraka.”

“Manaiky aloha ny Baiboly hoe sarotra be ho an’ny olona sasany ny miova e! (Romanina 7:23) Tsy resahiny koa ny zava-mitranga ao anatin’ny vatan’ny lehilahy sasany, ka mahatonga azy ho lasa tia lehilahy. Raran’ny Baiboly foana anefa ny firaisan’ny samy lehilahy, na dia misy aza lehilahy efa hoe tia lehilahy mihitsy.”

Aza miady hevitra hoe nahoana no misy lehilahy tia lehilahy. Hamafiso kosa hoe raran’ny Baiboly izany. Ity misy ohatra azonao lazaina: “Maro no milaza hoe matoa ny olona sasany mora tezitra be sy mahery setra, dia efa ao amin’ny rany mihitsy ilay izy. (Ohabolana 29:22) Milaza anefa ny Baiboly fa tsy mety ny tezitra be loatra. (Salamo 37:8; Efesianina 4:31) Rariny io fitsipika io, na dia tsy fanahy inian’ilay olona aza ilay mora tezitra. Sa tsy izany? Dia hoatr’izay koa: Rariny foana raha raran’ny Baiboly ny firaisan’ny samy lehilahy, na dia misy lehilahy aza efa tia lehilahy mihitsy.”

“Fa maninona no tsy avelan’Andriamanitra hiray ny lehilahy mifankatia? Tsy rariny izany!”

“Misy tokoa mieritreritra hoe tokony havela hanao firaisana izay olona te hanao izany. Tsy voatery hotanterahina anefa ny faniriana raha hita hoe ratsy. Manome toky ny Baiboly fa vitantsika tsara ny mifehy tena, raha tena tiantsika izany.”—Kolosianina 3:5.

“Tsy tokony hampaninona anao ilay hoe lehilahy tia lehilahy, na tsy hoatr’izany aza ianao.”

“Eritrereto hoe tsy tia miloka aho, nefa ianao tia. Dia mety ve raha terenao hiova aho, satria hoe an-tapitrisany ny olona miloka?”

Ity misy hevitra fanampiny: Samy manana ny zavatra tsy tiany ny tsirairay. Mankahala ny fisolokiana sy ny tsy rariny ary ny ady, ohatra, ny lehilahy miray amin’ny lehilahy sy ny olon-kafa. Dia hoatr’izany koa Andriamanitra. Tsy tiany ireo nefa misy zavatra hafa halany koa. Ohatra hoe ny firaisan’ny samy lehilahy.—1 Korintianina 6:9, 10.

Tsy hentitra loatra àry Andriamanitra, na hoe mampirisika ny olona hanavakavaka. Mitovy ihany ny zavatra takiny amin’ny rehetra, na lehilahy tia lehilahy io, na lehilahy tia vehivavy. Samy asainy ‘mandositra ny fijangajangana’ izy ireo.—1 Korintianina 6:18.

Hahavita hifehy tena ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, raha tena te hampifaly an’Andriamanitra. Na ny lehilahy tia vehivavy aza mantsy misy mahavita an’izany, satria te hankatò izay lazain’ny Baiboly. An-tapitrisany izy ireo. Misy, ohatra, tsy mahita vady na manambady ihany fa tsy afaka manao firaisana ny vadiny. Mbola mahafinaritra azy anefa ny fiainany.—Deoteronomia 30:19.

JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 28, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Misy ankizivavy mieritreritra hoe hifankatia kokoa izy sy ny ankizilahy miaraka aminy, raha manao firaisana ry zareo. Diso hevitra anefa izy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Misy koa ny lehilahy miray amin’ny lehilahy, ary izay no teny hampiasainay ato.

^ feh. 8 ‘Mijangajanga’ koa ny olona iray raha mikasikasika ny filahiana na fivavian’olon-kafa, na manao firaisana amin’ny vava na amin’ny lava-pitombenana.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”—Kolosianina 3:5.

SOSO-KEVITRA

Na mahasosotra anao aza ny ataon’ny ankizy sasany, dia aza miteniteny be azy. Manana ny safidiny hoatr’anao ihany izy.

FANTATRAO VE... ?

Efa nisy lehilahy niray tamin’ny lehilahy, tamin’ny taonjato voalohany. Nahavita niova anefa ny sasany rehefa lasa Kristianina, ka toy ny hoe “voasasa madio tsara” teo imason’Andriamanitra. —1 Korintianina 6:9-11.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no holazaiko raha misy miteny hoe tsy voatery harahina intsony ny tenin’ny Baiboly hoe tsy tokony hiray amin’ny lehilahy ny lehilahy: ․․․․․

Izao no hoteneniko mba hazava tsara hoe tsy ilay olona no tsy tiako fa ny ataony: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana Andriamanitra no manana zo hiteny amintsika izay tokony hatao sy tsy tokony hatao?

● Inona no soa azonao noho ianao mankatò izay lazain’ny Baiboly?

[Teny notsongaina, pejy 170]

‘‘Nisy ankizilahy tany am-pianaranay tia ankizilahy. Izaho anefa tsy tia an’izany, dia nolazainy hoe ratsy fanahy. Nohazavaiko hoe ny ataony no tsy tiako fa tsy izy, sady tsy ilay zavatra ataony ihany fa ny fijangajangana rehetra. Lasa manaja ahy izy izao. Miaro ahy mihitsy aza izy rehefa misy miteniteny ahy.’’—Arielle

[Efajoro, pejy 168]

Sady Tia Lehilahy no Tia Vehivavy

Misy tokoa olona sady tia lehilahy no tia vehivavy. Ny ankizivavy anefa no tena betsaka, ary te hanandranandrana fotsiny ny sasany. Hoy i Lisa, 26 taona: “Rehefa mahita ankizivavy mifanoroka ao amin’ny tele ny ankizy, dia te hanandrana koa, indrindra raha tsy eritreretiny hoe ratsy ilay izy.”

Ny hafa indray tsy hoe manandranandrana fotsiny, fa tena tia mihitsy. Nahafantatra ankizivavy roa sady tia lehilahy no tia vehivavy, ohatra, i Vicky, 13 taona. Hoy izy: “Tamin’ny fety no nahitako an-dry zareo. Henoko tatỳ aoriana hoe tiany, hono, aho. Nandefasako SMS ny iray, dia tsy haiko fa lasa tiako izy.”

Ianao koa ve efa nahatsapa hoatran’i Vicky? Nisy niteny taminao angamba hoe: “Ekeo hoe efa izay mihitsy ianao, dia asehoy ilay izy fa aza afenina.” Tadidio anefa fa matetika no mandalo ihany ilay fihetseham-po hoe sady tia lehilahy no tia vehivavy. Izany no tsapan’i Vicky. Toy izany koa i Lydia, 16 taona. Hoy izy: “Raha mahafantatra kokoa momba ny vatany ny ankizy, dia ho hainy fa mandalo ihany ilay hoe tia lehilahy na tia vehivavy. Nianarako tany am-pianarana fa miovaova be ny habetsahan’ny hormonina ao amin’ny vatan’ny tanora, ka lasa miovaova ny zavatra tsapany. Niresaka tamin’ny dadanay sy mamanay koa aho, dia mba nilamindamina ny saiko.”

Ahoana raha tsy mandalo fotsiny ilay fihetseham-ponao? Tadidio fa milaza ny Baiboly hoe azonao atao tsara ny mifehy tena, ary ho vitanao ny handresy eritreri-dratsy, na inona izany na inona.

[Sary, pejy 169]

Sahy mitana ny heviny ny Kristianina, fa tsy manaraka fotsiny izay ataon’ny besinimaro