Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Hanao” ve Aho sa Tsia?

“Hanao” ve Aho sa Tsia?

Toko 26

“Hanao” ve Aho sa Tsia?

“Misy ankizy te hanao firaisana fotsiny, dia miarakaraka eny. Tiany ho hita hoe mahavita manao firaisana amin’ny ankizy firy izy, dia hoatran’ny ahoana ny zavatra vitany.”—Jenny.

“Tsy menatra mihitsy ny ankizilahy sasany. Faly erỳ ry zareo mitantara hoe efa manana sipa, nefa mbola manao firaisana amin’ny ankizivavy be dia be.”—Dera.

BETSAKA ny tanora tsy mifankatia akory, nefa manao firaisana. Faly erỳ ry zareo mitantara an’ilay izy. Misy aza mahafantatra namana azo antsoina rehefa te hanao firaisana, ary samy miala avy eo fa tsy misy arakaraka.

Te hanao hoatr’izany koa ve ianao? Mety hitranga tokoa izany. (Jeremia 17:9) Hoy i Dera, ilay ankizilahy kristianina tetsy aloha: ‘Be dia be ny ankizivavy miteny hoe te hanao firaisana amiko. Sarotra be ilay mandà! Mbola tsisy zavatra mafy tamiko hoatr’izany.’ Inona àry ny torohevitry ny Baiboly tokony hotadidinao raha tratran’izany koa ianao?

Tadidio fa ratsy ilay izy

Tena fahotana lehibe ny mijangajanga, ka “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” izay manao azy io, na mpifankatia na tsia. (1 Korintianina 6:9, 10) Halan’i Jehovah ny fijangajangana, ka tsy tokony ho tianao koa. Tsy ho resin’ny fakam-panahy ianao amin’izay.

“Tena tsisy tsara hoatran’ny manaraka izay lazain’i Jehovah.”—Karen, Kanada.

“Tadidio hoe raha manaonao foana ianao, dia halahelo daholo na ny dadanao sy mamanao, na ny namanao, na ny mpiray finoana aminao!”—Peter, Grande-Bretagne.

Miezaha àry hitovy hevitra amin’i Jehovah, dia hahavita ‘hankahala’ ny fijangajangana ianao, na dia hoatran’ny mahafinaritra aza ilay izy.—Salamo 97:10.

Vakio ny Genesisy 39:7-9. Voamarikao ve fa nahavita nandresy fakam-panahy i Josefa? Nahoana?

Aza menatra miteny

Matetika ny tanora no tsy menatra miaro ny heviny. Aza menatra koa àry miteny hoe halanao ny firaisana alohan’ny fanambadiana. Asehoy fa tianao ny fitsipik’Andriamanitra. Voninahitra izany!

“Aza miandriandry fa resaho hoe manaraka izay lazain’ny Baiboly ianao.”—Allen, Alemaina.

“Fantatry ny ankizilahy teny amin’ny lise fa ho vizana eo fotsiny ry zareo, fa izaho tsy hanaiky azy mihitsy.”—Vicky, Etazonia.

Asehoy àry fa mankatò izay lazain’ny Baiboly ianao. Porofo mantsy izany fa efa mihamatotra ianao.—1 Korintianina 14:20.

Vakio ny Ohabolana 27:11. Voalaza ao fa faly i Jehovah raha hendry ianao.

Ataovy hita hoe tsy hanaiky mihitsy ianao!

Tsara ny miteny hoe: ‘Tsy hanao an’izany aho!’ Tsy ampy anefa izay, satria mety hoheveriny hoe mampifilafila ianao.

“Asehoy hoe tsy hanaiky mihitsy ianao. Tandremo tsara, ohatra, ny fomba firesakao, ny akanjonao, ny fihetsikao, ary fidio koa ny namanao.”—Joy, Nizeria.

“Ataovy mazava tsara hoe tsy hanaiky mihitsy ianao. Aza mandray raha omeny zavatra, sao tsy hamelany intsony ianao raha tsy miaraka aminy.”—Lara, Grande-Bretagne.

Hitan’i Davida mpanao salamo, fa ‘ny olona tsy mivadika no tsy hivadihan’i Jehovah.’ (Salamo 18:25) Hanampy anao àry i Jehovah raha hentitra ianao.

Vakio ny 2 Tantara 16:9. Mariho fa vonona hanampy an’izay te hanao ny tsara i Jehovah.

Miezaha hitandrina tsara

Hoy ny Ohabolana 22:3: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” Araho io torohevitra io, ka mitandrema tsara.

“Aza miaraka be amin’ny olona tia miresaka firaisana.”—Naomi, Japon.

“Aza omemena olona ny adiresy, na ny nomeraon-telefaonina, na ny zavatra hafa momba anao.”—Diana, Grande-Bretagne.

Diniho ny fomba fiteninao, ny fihetsikao, ny toerana falehanao, ary hoe iza ny namanao. Mieritrereta hoe: ‘Sao dia mba ny fihetsiko na ny zavatra ataoko no mahatonga ny ankizy ho sahisahy amiko?’

Vakio ny Genesisy 34:1, 2. Nankany amin’ny toerana tsy tokony ho nalehany i Dina, ka nampalahelo ny vokany.

Tadidio fa tena tsy tian’i Jehovah ny hoe manao firaisana nefa tsy mpivady. Tsy tokony ho tia an’izany koa àry ianao. Ankatoavy izay lazain’Andriamanitra, dia hilamina ny sainao ary hahatsapa ianao hoe manana ny hajanao. Hoy i Carole: “Ianao ve dia hanaiky hohararaotin’ny olona hahazoany fahafinaretana vetivety fotsiny? Aza manaiky, fa ianao aza efa niezaka nitandrina be hatramin’izay!”

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Hoatran’ny ahoana ny ankizivavy tena tian’ny ankizilahy?

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Ataovy izay rehetra azonao atao mba ho hitan’Andriamanitra ho tsy misy pentina sy tsy misy tsiny ary ao amin’ny fihavanana ianao, amin’ny farany.’—2 Petera 3:14.

SOSO-KEVITRA

Miezaha ho tsara toetra, dia tsy hazoto hiaraka aminao ny ankizy maditra.—1 Petera 3:3, 4.

FANTATRAO VE... ?

Nataon’i Jehovah hahafinaritra ny firaisana. Rehefa manambady anefa ianao vao tiany hanao azy io, amin’izay tsy hanenina na hikorontan-tsaina. Izany mantsy matetika no manjo ny olona mijangajanga.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko, amin’izay aho mahavita mifehy tena hoatran’i Josefa: ․․․․․

Izao no hataoko mba tsy ho voa hoatran’i Dina aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no tsy tokony hanao firaisana alohan’ny fanambadiana, na dia hoatran’ny mahafinaritra aza ilay izy?

● Inona no hataonao raha misy manambitamby anao hanao firaisana?

[Teny notsongaina, pejy 185]

‘Aza manaiky hadalaina mihitsy! Nisy ankizilahy nanadala ahy sady nitazontazona ahy, dia nataoko hoe: “Mbay tany!” Nasehoko hoe tezitra aho, sady lasa aho nandeha.’—Ellen

[Sary, pejy 187]

Lasa toy ny hoe zavatra lafo vidy omena fotsiny ianao, raha manaiky hasain’ny ankizy hanao firaisana aminy