Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizilahy?

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizilahy?

Toko 27

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizilahy?

Rahoviana àry izy vao hiteny hoe tiany aho? Efa fantany hoe tara amiko daholo ny ankizilahy, satria efa nolazaiko taminy. Nihomehy koa izy tamin’izaho nitantara hoe vendrana ny namako sasany. Efa hitany koa hoe mahay aho satria nisy nahitsiko ny teniny.

Izy aloha manja e, fa hoatran’ny kely saina tssss! Tsisy andaharana mihitsy! Rehefa mba miteny aho, dia kianiny foana! Tena hitsoahako ity!

MIADY saina ve ianao hoe tsy tian’ny ankizilahy? Maro ny ankizivavy miasa saina toy izany, ary na ireny eritreretina hoe be mpitia ireny aza. Ankizivavy mahay, ohatra, i Joanne sady tsara tarehy sy mahay milaza ny heviny. Hoy anefa izy: “Hoatran’ny tsy misy mpitia mihitsy aho. Nisy ihany mba tara tamiko sady tiako, nefa niavonavonany aho avy eo!”

Ankizivavy hoatran’ny ahoana no tian’ny ankizilahy, ary hoatran’ny ahoana no tsy tiany? Inona no azonao atao mba hisy ankizilahy tsara toetra ho tia anao?

Inona no tokony hatao?

Miezaha ho matotra. Lasa taratara amin’ny ankizilahy angamba ianao satria efa tanora, ary mety tsy ho ankizilahy iray fotsiny. Zavatra mpitranga izany. Aza tonga dia miaraka amin’izay ankizilahy mahatara anao anefa. Mbola mila miezaka ho matotra mantsy ianao, izany hoe hifehy ny fihetseham-ponao sy hifandray amin’Andriamanitra. Mila miezaka ho tsara toetra sy hanatratra ny tanjonao koa ianao, ary ‘hanavao ny sainao’ mba hahay hamantatra izay zava-dehibe.—Romanina 12:2; 1 Korintianina 7:36; Kolosianina 3:9, 10.

Marina fa betsaka ny ankizilahy tia ankizivavy tsy dia matotra na mora ambakaina. Tsy ny toetran’ilay ankizivavy anefa no tena manintona azy fa ny vatany. Ny ankizilahy hendry kosa tia ankizivavy tsara toetra sy mahay mifanaraka aminy.—Matio 19:6.

Ny hevitry ny ankizilahy: “Ankizivavy manana ny heviny no tiako, fa tsy manaraka befahatany izay lazain’ny olona.”—Njaka.

“Tsy tia ankizivavy manaiky be fotsiny izay lazaiko aho. Aleoko ankizivavy milaza izay tena ao am-pony, nefa manaja. Tsy azoazoko izy na tsara tarehy aza, raha tsy milaza ny heviny fa izay tiako no lazainy.”—Fano.

Ahoana ny hevitrao amin’ny tenin’ireo ankizilahy ireo?

․․․․․

Miezaha hanaja. Fitiavana no tena tadiavin’ny ankizivavy, fa fanajana kosa ny an’ny ankizilahy. Tsy mahagaga raha mampirisika ny lehilahy ho tia ny vadiny ny Baiboly, fa mandidy ny vehivavy kosa “hanaja fatratra” ny lehilahy. (Efesianina 5:33) Ny antsasany mahery tamin’ny ankizilahy nadinadinina no nilaza fa zava-dehibe kokoa aminy ny fanajana noho ny fitiavana. Mbola maro noho izany aza ny lehilahy efa lehibe mitovy hevitra amin’izy ireo.

Ny hoe manaja anefa tsy midika hoe tsy afaka manana ny hevitrao sy milaza izany ianao. (Genesisy 21:10-12) Mila tandremanao fotsiny ny fomba ilazanao an’ilay izy, satria arakarak’izay no hitiavan’ny ankizilahy anao na tsia. Mety hieritreritra izy fa tsy manaja azy ianao, raha ahitsinao foana izay lazainy na tsy ekenao. Mety hanaiky sy hanaja ny hevitrao kosa izy, raha mihaino azy ianao ary midera azy rehefa manana hevitra tsara izy. Hajao koa anefa ny fianakavianao sy ny olon-kafa, satria ho hitan’ny ankizilahy matotra izany.

Ny hevitry ny ankizilahy: “Vao manomboka miarakaraka ianareo, dia mila mifanaja aloha. Izay no tena ilaina. Mbola hifankatia ihany ianareo avy eo.”—Adrian.

“Raha tsy mahavita manaja ahy ny ankizivavy iray, ahoana moa no hitiavany ahy?”—Mark.

Ahoana ny hevitrao amin’ny tenin’ireo ankizilahy ireo?

․․․․․

Miezaha ho maotina sy hadio foana. Ahalalana ny ao an-tsainao sy ny toetranao ny paozinao. Mbola tsy miresaka aminao akory ny ankizilahy, dia efa ahafantarany zavatra betsaka momba anao izany. Ankizivavy hendry no fahitany anao, raha milamina sy maotina ny akanjonao. (1 Timoty 2:9) Raha mampiseho vatana be kosa izany na hafahafa, dia hieritreritra izy fa maditra ianao.

Ny hevitry ny ankizilahy: “Vao mijery ny akanjon’ny ankizivavy iray ianao, dia hainao ny eritreriny. Te hojeren’ny lehilahy izy matoa manao akanjo fohy kely na tery kely na hafahafa.”—Adrian.

“Ankizivavy mahakarakara volo, dia manimanitra sy manana feo malefaka no tiako. Nisy ankizivavy tsara tarehy tiako taloha, fa voretra dia nialako.”—Ryan.

“Taitra kely ihany aloha aho rehefa mahita ankizivavy manao akanjo tsy maotina e! Fa tsy ankizivavy hoatr’ireny anefa no tiako.”—Zo.

Ahoana ny hevitrao amin’ny tenin’ireo ankizilahy ireo?

․․․․․

Inona no tsy tokony hatao?

Aza manadala ankizilahy. Mora voasarika amin’ny vehivavy ny lehilahy. Mety hisy vokany tsara izany na ratsy arakarak’izay ataon’ilay vehivavy. (Genesisy 29:17, 18; Ohabolana 7:6-23) Halaza ho mpanadala ankizilahy ianao, raha ataonao foana izay hahatara ny ankizilahy aminao.

Ny hevitry ny ankizilahy: ‘Manadala anao ny ankizivavy raha mikasikasika anao rehefa miresaka. Vao eo akaikin’ny ankizivavy tsara tarehy tsinona ny ankizilahy dia efa taitaitra, indrindra hoe mifampikasika aminy.’—Zo.

“Misy ankizivavy mitazontazona ny tanan’izay ankizilahy miresaka aminy, na mijerijery an’izay ankizilahy mandalo. Tsy tiako ny ankizivavy hoatr’izany fa mpanadala ankizilahy.”—José.

Aza misisika be. Milaza ny Baiboly fa rehefa mpivady ny olon-droa vao lasa “nofo iray.” (Genesisy 2:24) Tsy samy manao izay tiany intsony izy roa, fa mila mifampiera. (1 Korintianina 7:32-34) Mbola tsy manana zo hanontanintany be izay ataon’ny ankizilahy iray anefa ianao raha vao mifankahalala ianareo, ary izy koa tsy afaka manao izany aminao. * Avelao izy hinamana amin’ny ankizy hafa, dia vao mainka hahafinaritra azy ianao, ary ho hitanao kokoa ny toetrany.—Ohabolana 20:11.

Ny hevitry ny ankizilahy: “Misy ankizivavy misisika be hahalala izay rehetra ataonao, sady hoatran’ny tsy mahita namana hiarahana afa-tsy ianao.”—Fano.

“Misy ankizivavy vao haingana no namanao nefa manontany anao amin’ny telefaonina foana hoe iza avy no eo akaikinao, sady ny ankizivavy no tena tiany ho fantatra. Tsy te hiaraka amin’ny ankizivavy hoatr’izany aho.”—Ryan.

“Tsy tiako ny ankizivavy tsy mamela ahy hiaraka amin’ny ankizilahy namako, sady sosotra raha vao tsy asaiko hiaraka amiko.”—Adrian.

Ahoana ny hevitrao amin’ny tenin’ireo ankizilahy ireo?

․․․․․

Hajao ny tenanao

Angamba ianao mahalala ankizivavy manao izay rehetra hitiavan’ny ankizilahy azy na manao izay hahazoana vady. Misy aza mahavita tsy miraharaha ny fitsipika tokony harahiny. Tsy maintsy ‘hijinja izay afafiny’ anefa izy ireny. (Galatianina 6:7-9) Raha tsy manaja ny tenanao sy ny fitsipika arahinao ianao, dia ankizilahy tsy manaja anao sy ny fitsipika arahinao koa no mety ho azonao.

Tadidio fa tsy ny ankizilahy rehetra no ho tia anao, ary tsara ihany izany. Miezaha foana anefa ho tsara toetra sy hikarakara bika aman’endrika. Ho “tena sarobidy eo imason’Andriamanitra” ianao amin’izay, sady hahazo ankizilahy mety aminao.—1 Petera 3:4.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Inona no azon’ny ankizilahy atao mba hitiavan’ny ankizivavy azy?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 30 Samy manan-jo hanao izany kosa ianareo, raha efa tapa-kevitra ny hivady.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Mamitaka ny hatsaram-bika, ary zava-poana ny hatsaran-tarehy, fa ny vehivavy matahotra an’i Jehovah no hahazo dera.”—Ohabolana 31:30.

SOSO-KEVITRA

Aza manao makiazy be, sao hieritreritra ny olona hoe jejo loatra ianao na te hojeren’ny ankizilahy.

FANTATRAO VE... ?

Mety tsy hinamana na tsy ho tara aminao intsony ny ankizilahy iray, raha terenao hanampy anao foana na hiaraka aminao foana.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Misy toetrako mba tiako hohatsaraina. Ohatra hoe: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Ahoana no hampisehoanao fa manaja ny hevitry ny ankizilahy iray ianao?

● Ahoana no hampisehoanao fa manaja ny tenanao ianao?

[Teny notsongaina, pejy 190]

‘‘Izaho aloha tia ankizivavy tsara tarehy e! Fa rehefa tsy manana tanjona tsara izy, dia lasa tsy tiako indray. Ankizivavy efa manana tanjona no tena mahafinaritra ahy, indrindra raha hoe efa tratrany ny sasany.’’ —Damien

[Sary, pejy 191]

Samy ilaina ny fitiavana sy ny fanajana, tsy misy hafa amin’ny kodiarana roa amin’ny bisikileta