Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Modely—Jakoba

Lehilahy Modely—Jakoba

Lehilahy Modely—Jakoba

Tena tsy tian’i Esao i Jakoba rahalahiny, ka tsy nifampiteny an-taonany maro ry zareo. Na tsy diso aza i Jakoba, dia nataony izay hihavanana tamin’i Esao. Nandefitra izy. Tsy ny handresy tamin’ilay adin’izy ireo no tanjony, fa ny mba ho tian’ny rahalahiny indray. Tsy nanaonao foana anefa i Jakoba fa nankatò ny tenin’Andriamanitra foana, na dia te hihavana tamin’i Esao aza. Tsy nanizingizina koa izy hoe tsy maintsy mifona aloha i Esao vao hihavana aminy izy.—Genesisy 25:27-34; 27:30-41; 32:3-22; 33:1-9.

Ary ianao? Inona no ataonao rehefa miady amin’ny iray tam-po aminao ianao, na amin’ny ray aman-dreninao? Hitanao indraindray fa tsy ianao no diso, nefa izy ve amin’izay no andrasanao hifona? Sa hanao hoatran’i Jakoba ianao? Vonona handefitra ve ianao, raha mbola hitanao hoe tsy mifanohitra amin’ny tenin’Andriamanitra izany? (1 Petera 3:8, 9) Tsy be hambom-po i Jakoba fa nanetry tena, ka lasa nihavana indray izy mirahalahy. Tahafo àry i Jakoba!