Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehilahy Modely—Joba

Lehilahy Modely—Joba

Lehilahy Modely—Joba

Niova be ny fiainan’i Joba. Lasa nahantra izy. Maty ny zanany avy eo. Narary be koa izy. Tampoka sady nisesisesy be ireo rehetra ireo. Kivy tanteraka izy ka nilaza hoe: ‘Tena maharikoriko ahy ny aiko! Tototry ny fahafaham-baraka aho sady vontom-pahoriana.’ (Joba 10:1, 15) Na mafy aza anefa ny nahazo azy, dia tsy niova mihitsy izy fa mbola tia an’Andriamanitra foana. (Joba 2:10) Niaritra i Joba ka modely ho antsika.

Kivy be isika rehefa manana olana, ka mety hahateny mihitsy hoe: “Maharikoriko ahy ny aiko.” Tahafo anefa i Joba, ka aza miova mihitsy fa manompoa an’i Jehovah foana. Hoy i Jakoba: “Ambarantsika fa sambatra ireo efa niaritra. Efa renareo ny niaretan’i Joba, ary efa fantatrareo ny fitahiana nomen’i Jehovah azy. Araka izany, dia be fitiavana tokoa i Jehovah sady mamindra fo.” (Jakoba 5:11) Matokia àry fa tia anao sy hanampy anao i Jehovah, toy ny nataony tamin’i Joba.