Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tovolahy Modely—Mosesy

Tovolahy Modely—Mosesy

Tovolahy Modely—Mosesy

Azo lazaina hoe nanana tombony be i Mosesy, satria notezaina tao an-tranon’i Farao, mpanjakan’i Ejipta, ary nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Ejipsianina. (Asan’ny Apostoly 7:22) Inona àry no nataony rehefa lehibe izy? Niezaka ny ho lasa olo-malaza sy manankarena ary manamboninahitra ve izy? Tsy nanao izany i Mosesy sady tsy nanaiky hampirisihin’ny namana. Gaga ny olona satria naleony “niaraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra”, izany hoe nanompo an’Andriamanitra sy nanampy olona. (Hebreo 11:25) Maty antoka ve i Mosesy? Tsia. Nahafaly sy nahasambatra azy ilay asa nofidiny hatao.

Mbola mianatra ve ianao, sady mba sekoly tsara ihany no ianaranao? Manana tombony toa an’i Mosesy ianao, raha izany. Inona àry no hataonao rehefa lehibe? Hiezaka ho lasa mpanankarena sy manamboninahitra ve ianao? Sa hampiasa ny fahaizanao sy ny herinao hanompoana an’Andriamanitra sy hanampiana olona? (Matio 22:35-40) Izany mantsy no asa mahasambatra indrindra!