Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vehivavy Modely—Rota

Vehivavy Modely—Rota

Vehivavy Modely—Rota

Modely ho antsika i Rota satria tsy nivadika. Maty ny vadiny, ary efa antitra i Naomy rafozany. Tsy nandao an’i Naomy mihitsy anefa izy. Naleony nanaraka an’i Naomy na dia niadana aza izy tany an-tanànany. Efa fantany fa mety tsy hahita vady izy raha mandeha. Azo inoana fa te hanambady izy, nefa tsy izay no zava-dehibe taminy. Tia an’i Naomy kosa izy, ary te hiaraka tamin’ny vahoakan’i Jehovah.Rota 1:8-17.

Mieritreritra ny hanambady ve ianao? Tahafo àry i Rota, ka aza mifantoka be amin’izany. Mieritrereta kosa hoe: ‘Inona no toetra tokony hananako? Tsy mivadika amin’ny namako ve, ohatra, aho sady tsy tia tena? Mankatò ny didin’Andriamanitra ve aho, na sarotra aza izany indraindray?’ Tsy niezaka mafy nitady vady i Rota. Nahazo vady ihany anefa izy. Matotra sady tsara toetra hoatr’azy ilay vadiny, ary indrindra tia an’Andriamanitra. Mety hahita vady toy izany koa ianao raha manahaka azy.