Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tovolahy Modely—Timoty

Tovolahy Modely—Timoty

Tovolahy Modely—Timoty

Niomankomana handao ny fianakaviany i Timoty. Tsy hoe hitsoaka akory izy, fa hiaraka amin’ny apostoly Paoly hanao asa misionera! Vao 20 taona teo ho eo i Timoty, kanefa efa nahay nandray andraikitra sady “tsara laza teo amin’ireo rahalahy tany Lystra sy Ikonioma.” (Asan’ny Apostoly 16:2) Natoky i Paoly fa afaka ny hahavita be amin’ny fanompoana an’Andriamanitra i Timoty. Nitety toerana maro tokoa i Timoty nandritra ny taona maro, ka nanorina fiangonana sy nampahery an’ireo mpiara-mivavaka taminy. Tsara toetra izy, ka lasa tena tian’i Paoly. Hoy àry i Paoly tamin’ireo Filipianina, 11 taona teo ho eo tatỳ aoriana: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo.”—Filipianina 2:20.

Vonona hahafoy tena hanompo an’Andriamanitra koa ve ianao? Hahazo fitahiana be dia be ianao raha izany! Tena sarobidy amin’i Jehovah mantsy ny tanora ‘manolo-tena an-tsitrapo’ hanompo azy. (Salamo 110:3) Izy koa ‘tsy mba tsy marina ka hanadino izay nataonao.’—Hebreo 6:10.