Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizivavy?

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizivavy?

Toko 28

Maninona Aho no Tsy Tian’ny Ankizivavy?

Gaga be izao izy hoe manan-javatra be dia be aho, dia efa nitety tany koa. Efa noteneniko taminy koa hoe iza avy ny namako! Tena tara amiko io e!

Leo be mihitsy aho! Mbola tsy azony ihany ve hoe tsy tiako izy e? Ahoana re no hialako eto nefa tsy hampahatezitra azy e?

EFA te hanambady angamba ianao, satria efa mba lehibe. Ankizivavy mahafatifaty sy mitovy finoana aminao no tianao. (1 Korintianina 7:39) Hoatran’ny tsy mba misy manaiky hiaraka aminao anefa. Fa nahoana? Ny ankizilahy bôgôsy sy matanjaka be ihany ve no tiany? Misy aloha tia an’izany e! Hoy, ohatra, i Lisa: “Ankizilahy bokona no mahafinaritra ahy.” Tsy tena izay anefa no tadiavin’ny ankamaroan’ny ankizivavy. Hoy i Anja, 18 taona: “Misy ankizilahy tsara be fa ratsy toetra.”

Inona avy àry no toetra tokony hanananao sy zavatra tokony hodinihinao? Inona koa no torohevitry ny Baiboly tokony hotadidinao?

Inona aloha no tokony hataonao?

Misy ankizivavy tianao ve? Ireto misy zavatra tena mila hainao, alohan’ny hiresahanao aminy. Tsy izy ihany no ho tia anao amin’izay, fa ny olon-drehetra mihitsy.

Miezaha hahalala fomba. Milaza ny Baiboly fa “tsy manao izay tsy mahamendrika” ny olona be fitiavana, fa mahalala fomba. (1 Korintianina 13:5) Mahalala fomba ianao, raha manaja olona sy miezaka ho tsara toetra toa an’i Kristy. Tsy toy ny kompile anefa ny fahalalam-pomba, ka hoe esorina rehefa any an-trano, fa anaovana eny imason’olona mba hitiavany anao. Mieritrereta hoe: ‘Mahalala fomba ve aho ao an-trano?’ Raha tsy izany mantsy, dia tsy maintsy ho hita hoe mihatsaravelatsihy ianao. Tadidio fa izay ataonao amin’ny fianakavianao no hodinihin’ny ankizivavy matotra, raha te hahalala ny toetranao izy.—Efesianina 6:1, 2.

Ny hevitry ny ankizivavy: ‘Tia ankizilahy mahalala fomba aho. Ohatra hoe manokatra ny varavarana hidirako, sady tsy vitan’ny hoe tsara fanahy amiko fa amin’ny fianakaviako mihitsy koa.’—Tina.

“Misy ankizilahy vao mihaona amiko nefa manontanintany be hoe: ‘Efa misy miaraka aminao ve?’, na hoe: ‘Inona kay no tanjonao?’ Tsy tiako mihitsy ny ankizy hoatr’izany fa tsy mahalala fomba!”—Kathy.

“Tsy manaja ankizivavy ny ankizilahy sasany satria manadaladala fotsiny. Tsy raharahainy na mijaly aza ianao. Mieritreritra izy hoe tsy maintsy hanambitamby azy ianao, satria matahotra sao tsy hahita vady.”—Vola.

Miezaha hadio foana. Sady manaja ny hafa ianao amin’izay, no manaja ny tenanao. (Matio 7:12) Lasa manaja anao ny olona raha hajainao ny tenanao. Tsy ho tian’ny ankizivavy kosa ianao raha voredretra.

Ny hevitry ny ankizivavy: “Maimbo vava be ilay ankizilahy tara tamiko, dia tsy voako.”—Kelly.

Mianara miresaka. Mila mahay mifampiresaka ny olona raha te ho mpinamana foana. Tsy izay zavatra tianao foana àry no tokony horesahina, fa izay tian’ilay namanao koa. (Filipianina 2:3, 4) Henoy izy, ary diniho sao dia tsara ny heviny.

Ny hevitry ny ankizivavy: “Mahafinaritra ahy ny ankizilahy mahay miresaka amiko. Ohatra hoe tadidiny izay notantaraiko taminy. Mahita zavatra hanontaniana koa izy amin’izay mba mitohy ny resakay.”—Sariaka.

‘Ny paozin’ny ankizivavy no mahafinaritra ny ankizilahy, fa ny an’ny ankizivavy indray izay tenenin’ny ankizilahy.’—Laura.

“Izaho aloha faly rehefa misy ankizilahy manome zavatra ahy e! Fa ny tena tiako? Ankizilahy mahay mampahery sady mahay miresaka amiko.”—Antsa.

“Misy ankizilahy izay any, mahalala fomba be. Manaja ahy tsara izy rehefa miresaka. Izy, ohatra, tsy manadaladala ahy hoe: ‘Manimanitra indrỳ izany an!’, na hoe: ‘Mahafatifaty kely indrỳ.’ Henoiny tsara koa izay teneniko. Fantatro hoe izany no tena tian’ny ankizivavy.”—Ravaka.

“Tiako be raha izaho no miaraka amin’ny ankizilahy be vazivazy nefa koa matotra rehefa tokony ho matotra.”—Kelly.

Ataovy tsara ny asanao ary miezaha hanana tanjona. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’ (Galatianina 6:5) Tsy tian’ny ankizivavy ny ankizilahy tsy mety manana asa raikitra, satria kamo na variana miala voly.

Ny hevitry ny ankizivavy: “Tokony mba hazoto kokoa ny ankizilahy sasany. Tonga dia tsy tian’ny ankizivavy ianao raha kamokamo.”—Anja.

“Misy ankizilahy tsy manana tanjona, fa mody anontaniany ny tanjon’ilay ankizivavy tiany, dia avy eo izy miteny hoe: ‘Oay! Izany mihitsy koa ny ahy!’ Ny zavatra ataony anefa tsy arak’izay akory!”—Ravaka.

Ho tian’ny olona àry ny miaraka aminao, raha mamita tsara an’izay ataonao sy manana tanjona ianao. Ary ahoana raha hitanao hoe efa mety raha miaraka amin’ny ankizivavy ianao?

Inona amin’izay no tokony hataonao?

Miresaha aminy. Misy ankizivavy namanao mahafinaritra anao ve, ary tianao raha izy no ho vadinao? Tsory aminy hoe tianao izy, fa aza miolakolaka. Marina fa matahotra be ianao sao holaviny. Ho hita anefa hoe efa matotra ianao raha sahy miresaka. Tadidio anefa fa tsy hoe hangataka azy ho vady ianao amin’io. Aza manao matotra be àry rehefa miresaka. Mety hatahotra mantsy izy, ary tsy hanaiky hiaraka aminao.

Ny hevitry ny ankizivavy: “Raha misy ankizilahy te hiaraka amiko, dia tokony hotsoriny ilay izy. Ahoana moa no ahalalako izay any an-tsainy raha tsy izany?”—Nirina.

“Hoatran’ny hafahafa ihany aloha raha hoe namanao ilay ankizilahy nefa lasa tia anao e! Fa aleoko anefa izy mitsotra. Tena mety ny ataony.”—Haingo.

Aza misisika raha tena mandà izy. Hajao ny tenin’ilay ankizivavy, raha milaza izy hoe tsy te hiaraka aminao. Ekeo hoe izay mihitsy no heviny. Hoatran’ny hoe tsy tena matotra mantsy ianao raha mbola misisika ihany. Raha tezitra ianao na tsy manaiky mihitsy, dia midika izany hoe ny tenanao ihany no eritreretinao fa tsy ilay ankizivavy.—1 Korintianina 13:11.

Ny hevitry ny ankizivavy: “Tsy tiako mihitsy ny ankizilahy rehefa mbola misisika ihany, nefa efa teneninao hoe tsy tianao.”—Koloina.

“Nisy ankizilahy mbola nangataka ny nomeraon-telefaoniko foana, nefa efa noteneniko hoe tsy tiako izy. Tsy te hasiaka taminy aho, satria fantatro hoe niezaka be izy vao nahavita niresaka tamiko. Tsy maintsy hentitra ihany anefa aho avy eo!”—Sarah.

Inona no tsy tokony hatao?

Misy ankizilahy milaza hoe mora “mahazaka” ankizivavy izy. Ny sasany aza mifaninana mihitsy hoe iza no be mpitia. Ratsy fanahy anefa ianao raha manao izany ary ho ratsy laza. (Ohabolana 20:11) Inona àry no tsy tokony hataonao?

Aza manadala ankizivavy. Milaza ny 1 Timoty 5:2 fa tokony hoentina ‘toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka ny vehivavy tanora.’ Misy tsy miraharaha izany anefa, fa tia mandokadoka ankizivavy sy manao fihetsika vetaveta. Adalainy fotsiny ilay ankizivavy, fa izy tsy mieritreritra ny hanambady azy akory. Tsy maintsy ho hitan’ny ankizivavy matotra anefa fa tsy namana tsara ny ankizilahy toy izany, ary tsy ho vady tsara.

Ny hevitry ny ankizivavy: ‘Tsy tiako mihitsy rehefa misy ankizilahy miteny hoe mahafatifaty ianao na zavatra hoatr’izany, nefa ny namanao koa efa nataony hoatr’izay vao haingana kely.’—Haingo.

“Nisy ankizilahy bôgôsy be nanadala ahy, indray mandeha. Tsy mba niresaka zavatra hafa mihitsy izy fa ny momba azy foana. Nisy ankizivavy tonga avy eo, dia nataony hoatr’izany koa. Dia nisy hafa koa, dia mbola nataony hoatr’izay ihany. Sosotra be aho!”—Tina.

Tandremo sao mandiso fanantenana ankizivavy. Diso ianao raha mihevitra fa mitovy ny minamana amin’ny ankizilahy sy ny minamana amin’ny ankizivavy. Nahoana? Andeha hatao hoe iresahanao foana ilay ankizilahy namanao, na itantaranao izay mahazo anao, na ilazanao hoe: ‘Mety be amin’ialahy iny akanjo iny.’ Tsy hieritreritra mihitsy izy hoe tara aminy ianao. Ahoana anefa raha ankizivavy no iresahanao foana, na itantaranao izay mahazo anao, na koa ilazanao hoe: ‘Tsara be ny paozinao’? Mety hihevitra izy hoe tia azy ianao.

Ny hevitry ny ankizivavy: “Tsy tonga saina mihitsy ny ankizilahy sasany hoe tsy azony atao hoatran’ny ankizilahy ange ny ankizivavy!”—Sandy.

“Misy ankizilahy mangataka ny nomeraonao, dia avy eo ianao andefasany SMS. Tsy hainao anefa hoe inona no any an-tsainy! Indraindray aza ianao lasa tia azy nefa izy tsy tena fantatrao akory, satria mifandefa hafatra fotsiny ianareo.”—Mialy.

“Tsy tsapan’ny ankizilahy mihitsy hoe mora tara aminy ny ankizivavy, indrindra raha tsara fanahy sy azo iresahana tsara izy. Tsy hoe mitady ankizilahy hiarahana ianao, fa mba tsara ilay hoe manana olon-tiana. Sady ianao koa mba efa mieritreritra an’izay ankizilahy mety aminao.”—Alicia.

JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 3, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Ahoana no hahalalanao raha tena tianao ny olona iray na tsia?

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Tafio ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra, amin’ny tena fahitsiana sy tsy fivadihana.’ —Efesianina 4:24.

SOSO-KEVITRA

Manontania olon-dehibe matotra hoe inona no toetra na zavatra hafa tena ilain’ny ankizilahy mba ho tian’ny ankizivavy. Diniho avy eo sao mbola mila mianatra an’ilay izy ianao.

FANTATRAO VE... ?

Tsy ny paozinao no zava-dehibe kokoa amin’ny ankizivavy fa ny toetranao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba hahalala fomba kokoa aho: ․․․․․

Izao no hataoko mba hahay kokoa hiresaka amin’olona aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Ahoana no hampisehoanao fa manaja ny tenanao ianao?

● Ahoana no hampisehoanao fa manaja ny hevitry ny ankizivavy iray ianao?

[Teny notsongaina, pejy 198]

‘‘Mieritreritra ny ankizilahy hoe tsy maintsy tsara ny paoziny, vao ho tara aminy ny ankizivavy. Marina ihany izany, nefa ny ankizilahy tsara toetra no tena tian’ny ankizivavy.’’—Lanto

[Sary, pejy 197]

Tsy toy ny kompile ny fahalalam-pomba, ka hoe esorina rehefa any an-trano, fa anaovana eny imason’olona mba hitiavany anao