Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hataoko fa Nisaraka Izahay?

Inona no Hataoko fa Nisaraka Izahay?

Toko 31

Inona no Hataoko fa Nisaraka Izahay?

“Efa mpinamana dimy taona izahay vao niaraka. Nialany anefa aho enim-bolana tatỳ aoriana. Tsy sahy niteny izy fa tonga dia niavonavona fotsiny. Nalahelo be aho. Tsy tantiko ilay izy! Niady saina aho hoe: ‘Fa inona àry no nataoko?’ ”—Rova.

MALAHELO sy mitomany foana angamba ianao izao, fa tsy falifaly intsony. Izany mihitsy no nahazo an’i Lala. Niaraka roa taona izy sy Tojo, ary nifankatia be. Nandefasan’i Tojo SMS foana izy, sady feno teny mamy ilay izy. Nomeny fanomezana koa i Lala mba hampisehoany hoe tiany izy. Hoy i Lala: “Nihaino ahy foana izy sady niezaka namantatra an’izay nahazo ahy. Tena nampihantainy aho.”

Efa niresadresaka mariazy izy roa, sady efa nifanontany hoe aiza no hipetraka. Efa nanontany an’i Lala mihitsy aza i Tojo hoe hoatran’ny ahoana ny peratra mety aminy. Tampoka teo anefa dia nisarahan’i Tojo izy! Kivy be i Lala. Nanao ny asany andavanandro ihany izy, saingy tsy tao mihitsy ny sainy. Hoy izy: “Reraka ny saiko sady vizana be aho.” *

Tena mafy ilay izy

Lasa saina angamba ianao taorian’ny nisarahanareo hoe: ‘Rahoviana aho vao tsy halahelo be intsony?’ Mety hoe mbola tsy nisy zavatra nampijaly be anao toy izao. Rariny raha malahelo ianao. Hoy mantsy i Solomona Mpanjaka: “Mahery toy ny fahafatesana ny fitiavana.” (Tononkiran’i Solomona 8:6) Angamba aza mitovy amin’ny zavatra tsapan’ny olona maty havana no tsapanao. Ohatra hoe:

Tsy mety mino. ‘Mbola tia ahy iny e! Rahampitso ihany iny na rahafakampitso dia hiverina amiko!’

Tezitra. ‘Dia sahiny ve? Mahatsiravina!’

Kivy be. ‘Izaho mihitsy no tsy tian’ny olona e! Tsisy te hiaraka amiko intsony izao.’

Manamboatra saina. ‘Zakako foana io na mafy aza e! Izao aza aho efa tsy dia maninona.’

Matokia fa ho vitanao koa ny hanamboatra saina. Mety ho vetivety izany na ho elaela, arakaraka ny zavatra efa niarahanareo nanao sy ny halavan’ny fotoana niarahanareo. Inona àry no azonao atao?

Inona no vahaolana?

Mety hisy hiteny hoe: “Aza kivy fa mbola ho afaka ny alahelonao.” Tsy mampahery anao izany, raha vao avy nisaraka ianareo. Marina fa tsy halahelo be intsony ianao rehefa afaka elaela. Mafy be anefa ilay izy izao, ka mila vahaolana ianao. Ity misy ohatra: Aoka hatao hoe maratra ianao. Ho sitrana ihany ianao rehefa afaka elaela, nefa mbola manaintaina aloha ianao izao. Izay hampihenana an’ilay izy no tadiavinao. Mila ajanona koa ny ra, ary atao izay tsy hahatonga an’ilay ratra hanonitra. Mitovy amin’izany ny ratram-po. Inona àry no azonao atao mba hampihenana ny fijalianao sy tsy hahatonga anao ho tezitra foana?

Aza misalasala mitomany. Tsy maninona izany. Milaza ny Baiboly fa “misy fotoana itomaniana”, ary misy mihitsy aza “fotoana idradradradrana.” (Mpitoriteny 3:1, 4) Aza mihevitra hoe ny olona tsy matanja-tsaina no mitomany. Miaramila nahery fo, ohatra, i Davida nefa nitomany rehefa nalahelo be. Hoy izy: “Vonton-dranomaso ny fandrianako mandritra ny alina, ary kotsan-dranomaso ny farafarako.”—Salamo 6:6.

Ataovy izay hahasalama anao. Azo inoana fa lasa reraka be ianao. Mihinàna àry sakafo mahasalama, ary manaova fanatanjahan-tena. Hoy mantsy ny Baiboly: ‘Mahasoa ny fampiasan-tena.’—1 Timoty 4:8.

Inona no hitanao hoe mila ataonao mba hahasalama anao?

․․․․․

Ataovy izay hahavarimbariana anao. Ataovy foana izay zavatra mahafinaritra anao, ary aza mitokantokana mihitsy. (Ohabolana 18:1) Miaraha amin’ny namana tia anao, dia tsy hieritreritra zavatra mahakivy ianao.

Inona avy no eritreretinao hatao?

․․․․․

Resaho amin’Andriamanitra izay ao am-ponao. Sarotra amin’ny olona sasany izany. Misy miteny hoe: ‘Izaho efa nivavaka foana hoe mba hisy hiaraka amiko! Izao anefa votsotra indray ilay izy!’ (Salamo 10:1) Heveriny fa namadika azy Andriamanitra. Tadidio anefa fa tsy hoe mpitady vady no tena asan’i Jehovah. Tsy tokony ho izy koa no omenao tsiny. Ilay olona mantsy no tsy te hiaraka aminao intsony. Na izany aza, dia milaza ny Baiboly fa ‘miahy anao’ i Jehovah. (1 Petera 5:7) Resaho aminy àry izay ao am-ponao. Hoy ny Filipianina 4:6, 7: ‘Ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo. Ary ny fiadanany izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.’

Inona izao no tianao horesahina amin’i Jehovah?

․․․․․

Diniho izay tsy nety

Rehefa afakafaka ny alahelonao, dia tsara raha dinihinao ny antony nisarahany taminao. Hanampy anao amin’izany  ireo fanontaniana ao amin’ny pejy 224.

Marina fa tsy araka ny nantenainao ny niafaran’ny fiarahanareo. Toy ny hoe tratran’ny oram-be ianao. Hoatran’ny tsy hitsahatra mihitsy ilay izy, indrindra raha mbola maizina ny lanitra. Tadidio anefa fa mbola ho manga ny lanitra. Tsy nalahelo be intsony ireo tanora voaresaka tato, rehefa ela ny ela. Matokia fa tsy halahelo be intsony koa ianao!

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Inona no hataonao mba tsy hisy hanolana ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Natao ho an’ny ankizilahy koa ny torohevitra ato, na dia ankizivavy aza no tena resahina.

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Manasitrana an’ireo torotoro fo i Jehovah, ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.’ —Salamo 147:3.

SOSO-KEVITRA

Nosoratan’i Lala tamin’ny taratasy izay andinin-teny nampahery azy, ary nentiny foana mba ho azony vakina isaky ny nalahelo be izy. Soraty koa izay andinin-teny nampahery anao tato, ary vakio rehefa malahelo ianao.

FANTATRAO VE... ?

Raha vao ankizy tsy ampy taona no miaraka, dia matetika no tsy lasa mpivady akory. Misy ihany atao mariazy fa maro no misaraka avy eo.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba hanadinoako azy: ․․․․․

Hiezaka hiova aho mba ho tena tia ahy izay miaraka amiko amin’ny manaraka. Izao, ohatra, no hataoko: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Inona no zavatra lasa fantatrao momba anao, rehefa nandinika ny fiarahanareo ianao?

● Ary inona no nianaranao momba ny lehilahy?

[Teny notsongaina, pejy 227]

‘‘Tsy malahelo be intsony ianao rehefa elaela, dia tsy mafy be aminao intsony ilay nahazo anao. Afaka mandinika tsara momba an’ilay izy koa ianao. Hainao kokoa hoe hoatran’ny ahoana ny toetranao sy ny vady mety aminao. Lasa mitandrina koa ianao mba tsy hiverina intsony ny hoatran’iny.’’ —Niry

[Efajoro, pejy 224]

 Fanampiana Hisaintsaina

Inona no Lesona Noraisiko?

Nolazainy ve ny antony nisarahany taminao? Soraty eto izany, na dia heverinao aza fa tsy marina. ․․․․․

Inona no hitanao hoe mety ho antony hafa? ․․․․․

Nisy zavatra tokony ho nataonao ve, amin’izay ianareo tsy nisaraka? Raha nisy, dia soraty eto. ․․․․․

Inona no lesona noraisinao? Mila manatsara ny toetranao ve, ohatra, ianao, na mankatò kokoa an’Andriamanitra? ․․․․․

Misy zavatra mila ovanao ve rehefa miaraka amin’olon-kafa indray ianao? Inona ilay izy raha misy? ․․․․․

[Sary, pejy 223]

Toy ny hoe maratra ianao rehefa isarahan’ny olon-tianao. Manaintaina ianao, nefa mbola ho sitrana