Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Tia Azy ve Aho?

Tena Tia Azy ve Aho?

Toko 29

Tena Tia Azy ve Aho?

Valio ireto:

1. Ahoana izany hoe “tena tia” izany? ․․․․․

2. Ary ahoana kosa ny hoe “potika be” amin’ny olona iray? ․․․․․

3. Araka ny hevitrao, inona no tsy mampitovy an’ireo? ․․․․․

HAINAO angamba fa tsy tena mitovy ny hoe tena tia sy ny hoe “potika be.”

Lasa tsy hainao intsony anefa izany, rehefa mahita ankizivavy manja kely na ankizilahy bôgôsy ianao. Tonga dia “tara be” aminy ianao, ary hadinonao ny zava-drehetra. Fa tena fitiavana ve anefa ilay izy? Ahoana no hahalalanao izany? Azo inoana aloha fa tsapanao hoe tsy hoatran’ny taloha intsony ny fahitanao ny ankizilahy na ny ankizivavy.

● Efa “tara” tamin’ny ankizilahy na ankizivavy ve, ohatra, ianao tamin’ianao dimy taona?

● Ary amin’izao?

Hitanao amin’izany àry fa niova ianao, ary tsy ianao ihany fa tanora hafa koa. Hoy i John, 12 taona: “Lasa hoatran’ny hoe mahafatifaty kely izay ankizivavy hitako.” Izany koa no tsapan’i Eliane, 16 taona, efa elaela izay. Hoy izy: ‘Tadidiko hoe lasa niresaka ankizilahy foana ny ankizivavy namako. Izaho koa lasa mora tara tamin’ny ankizilahy.’

Lasa taitra kely foana ianao isaky ny mahita ankizilahy na ankizivavy, ary sarotra aminao ny mifehy an’ilay izy. Tadidio fa vao mainka hihamafy izany raha odianao tsy hita. Inona kosa no tokony hataonao? Fantaro ny maha samy hafa ny hoe “tonga dia taitra” sy “potika be” ary tena tia. Raha hainao ireo, dia tsy voatery harary fo amin’ny resaka ankizilahy na ankizivavy ianao, ary hahatsapa an’izany tena fitiavana izany any aoriana any.

VAO MAHITA AZY IANAO DIA “TAITRA”

“Miresaka ankizivavy foana izahay sy ny namako. Efa miezaka miresaka zavatra hafa ihany izahay, fa vao misy ankizivavy manja kely mandalo, dia mivadika ny resakay.”—Alex.

“Taitra kely aho rehefa mahita ankizilahy mitsikitsiky tsara, dia mijery ahy, dia tsy miondrikondrika rehefa mandeha.”—Laurie.

Marina fa mahafinaritra ny mahita olona tsara tarehy. Mety tsy ho arak’izay anefa ny toetrany. Hoy ny Baiboly: “Sahala amin’ny kavim-bolamena eo amin’ny oron-kisoa ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy misaina.” (Ohabolana 11:22) Na vehivavy aza no resahina eo, dia misy koa lehilahy hoatr’izany.

“POTIKA BE” AMINY IANAO

“Potika be tamin’izay ankizilahy izay aho, tamin’izaho 12 taona. Tatỳ aoriana vao azoko hoe hay taratara tamin’ny ankizilahy daholo ny namako, dia lasa hoatr’izay koa aho.”—Eliane.

“Efa tara tamin’ny ankizivavy be dia be aho. Rehefa tsara tarehy izy, dia tiako. Fa avy eo fantatro ny toetrany, dia tonga saina aho hoe hay tsy mety amiko izy.”—Mark.

Rehefa “potika” amin’ny olona iray ianao, dia mieritreritra hoe tena tia azy. Tsy tena fitiavana anefa ilay izy, satria ny tarehiny na ny paoziny fotsiny no itiavanao azy. Odianao tsy hita koa ny toetra ratsiny, ary mihevitra ianao fa tsara toetra be mihitsy izy. Tsy maharitra anefa ny fitiavana toy izany, fa toy ireny tranokely amboarina amin’ny fasika ireny. Hoy i Faniry: “Mandalo fotsiny ilay izy. Raha tara amin’ny olona iray, ohatra, ianao androany, dia afaka iray volana efa hafa indray no mahatara anao.”

TENA TIA AZY IANAO

“Raha tena tia olona iray ianao, dia tokony ho antony tsara no itiavanao azy. Tsy mety raha te hiaraka aminy ianao satria hoe hisy soa ho azonao amin’ilay izy.”—David.

“Raha ny fahitako azy aloha dia mitombo tsikelikely ny tena fitiavana e! Mpinamana aloha ianareo, fa avy eo lasa fantatrao ny toetrany, dia tena tianao amin’izay izy.”—Julie.

Tena tia olona iray ianao, raha mbola tia azy foana na dia efa hainao aza ny toetrany, na tsara io na ratsy. Tsy hoe tia fotsiny amin’izao àry ny olona tena tia. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe ny fitiavana ‘mahari-po, tsara fanahy, mandefitra ny zava-drehetra, mino ny zava-drehetra, manantena ny zava-drehetra, miaritra ny zava-drehetra, [ary] tsy ho levona mandrakizay.’ (1 Korintianina 13:4, 7, 8) Hahavita an’ireo ianao raha tena tia. Mbola ho tia an’ilay olona ianao, na dia efa mahalala ny toetrany aza.

Tena tia i Jakoba

Hita tsara amin’ny tantaran’i Jakoba sy Rahely ny atao hoe tena fitiavana. Teo amin’ny lavadrano iray ry zareo no nifankahita. Nampisotro rano ny ondrin’ny dadany i Rahely tamin’izay. Tonga dia nahafinaritra an’i Jakoba izy, satria ‘tsara tarehy sady tsara bika.’—Genesisy 29:17.

Hitan’i Jakoba tatỳ aoriana kely fa tsara toetra i Rahely, ka lasa ‘raiki-pitia taminy’ izy. (Genesisy 29:18) Efa noresahintsika mantsy fa raha tena tia ianao, dia tsy ny bikan’ilay olona fotsiny no itiavanao azy.

Tonga dia nivady ve izy roa, ary sambatra be avy eo? Tsy izany mihitsy. Nasain’ny dadan’i Rahely niandry fito taona aloha i Jakoba. Asa na rariny izany na tsia. Raha mahandry anefa i Jakoba dia ho hita fa tena tia an’i Rahely. Tsy hahavita hiandry kosa izy raha taratara taminy fotsiny. Inona àry no nataony? Hoy ny Genesisy 29:20: “Nanompo fito taona i Jakoba mba hahazoany an’i Rahely, nefa toa andro vitsy monja izany taminy, noho ny fitiavany azy.”

Inona no ianaranao avy amin’izany? Raha tena tianao ny olona iray, dia tsy miova mihitsy izany na ela be atỳ aoriana aza. Tsy ny bikany na ny tarehiny fotsiny koa no itiavanao azy. Mety hoe tsy tena nanaitra anao aza izy tamin’ny voalohany. Hoy i Barbara: ‘Tsy dia tiako aloha ny tarehin’i Stephen tamin’ny voalohany e! Fa lasa tiako izy arakaraka ny nahafantarako azy. Tia manampy olona izy sady tsy tia tena. Fantatro hoe hoatr’izany no vady mety amiko. Lasa tia azy aho.’ Nivady izy roa, ary tena mifankatia be.

Ahoana no hataonao raha efa lehibe ianao, ka te hanambady? Ahoana no hahalalanao raha tena tianao ilay olona? Aza manaiky hobaikoin’ny fonao, fa mandiniha tsara ary araho ny torohevitry ny Baiboly. Aza maimaika fa fantaro aloha ny tena toetrany. Tadidio fa mety ho vetivety dia ho leo azy ianao, raha tonga dia “potika be” aminy. Raha tena tia azy kosa ianao, dia hitombo tsikelikely izany, ka ho lasa “fatorana mampiray tonga lafatra.”—Kolosianina 3:14.

Matokia fa mbola hahatsapa an’izany tena fitiavana izany ianao. Aza tonga dia taitra amin’izay olona hitanao hoe tsaratsara, na ho “potika be” amin’ny olona tsy tena fantatrao akory. Vakio kosa ireo pejy telo manaraka fa hanampy anao.

JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 1 SY 3, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Ahoana raha efa nahita olona tena tianao ianao? Efa afaka manambady ve ianao?

ANDININ-TENY MAHASOA

“Na dia renirano maro aza tsy mahafaty ny afon’ny fitiavana, ary na ony maro aza tsy mahavita manongotra azy.” —Tononkiran’i Solomona 8:7.

SOSO-KEVITRA

Valio ireo fanontaniana ao amin’ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, pejy 39 (ho an’ny ankizivavy) na pejy 40 (ho an’ny ankizilahy). Ho hitanao amin’izay raha efa fantatrao tsara na tsia ilay olona tianao.

FANTATRAO VE... ?

Toy ny hoe mianatra misara-panambadiana sahady ny tanora sasany. Miarakaraka kely amin’olona iray mantsy izy, dia avy eo misaraka, nefa tsy misy antony lehibe akory.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba hahalalako raha tena tia azy aho, na “potika be” aminy fotsiny: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no nataon’Andriamanitra hifankatia ny lehilahy sy vehivavy?

● Tanora maro no mihevitra hoe mifankatia, nefa misaraka ihany avy eo. Nahoana?

[Teny notsongaina, pejy 207]

‘‘Raha tena fitiavana ny anao, dia ho tia an’ilay olona foana ianao na misy olana aza. Fa maika hiala kosa ianao, raha taitaitra fotsiny. Elaela mihitsy ianao vao hoe tena tia olona iray.’’—Daniella

[Efajoro, pejy 209]

Fanampiana Hisaintsaina

Ahoana Raha Ianao no Felana?

Telo volana izay i Mika sy Felana no niaraka. Nilaza i Felana hoe “tia be” an’i Mika izy. I Mika koa mikarakara be azy. Teneniny mihitsy aza hoe inona ny akanjo tokony hanaovany, ary iza ihany no azony atao namana. Nampihantain’i Mika foana izy. Asa anefa fa nofelahin’i Mika izy tamin’ny herinandro satria, hono, tratrany niresaka tamin’ny ankizilahy.

Mika: “Tokony ho efa fantany kosa hoe tsy tiako ho lasan’olona izy. Tsy voako na ny mieritreritra an’izany fotsiny aza. Nanenina aloha aho namelaka azy e! Fa tsy zakako ange na ny mahita azy mijery ankizilahy fotsiny aza e! Sady izaho koa efa nifona.”

Felana: “Mifehifehy be ahy, hono, i Mika, hozy ry Dada sy Neny. Izaho anefa mahita hoe te hitandrina fotsiny izy. Izy, ohatra, mbola tsy nanery ahy hanao firaisana mihitsy. Izaho aloha tsy hiteny amin-dry Dada hoe nofelahiny e! Fa rariny i Mika raha namelaka ahy, satria izaho niresaka tamin’ny ankizilahy. Faly aho aloha indraindray rehefa saro-piaro izy e! Efa nifona koa izy sady nilaza fa tsy hamerina intsony.”

Ahoana ny hevitrao? Mety sa tsia ny fiarahan’izy roa? Raha tsy mety, nahoana? ․․․․․

Inona no tokony hataon’i Felana? ․․․․․

Inona no hataonao raha ianao no Felana? ․․․․․

[Efajoro, pejy 210]

Fanampiana Hisaintsaina

Ahoana Raha Ianao no Laza?

Roa volana izay i Laza no niaraka tamin’i Mino, nefa hitany sahady hoe tia mifamaly amin’olona izy. Miady foana izy sy ny ray aman-dreniny, ary izy foana no mandresy. Hainy mihitsy ny manery azy ireo hanaraka ny heviny. Leo izy mivady, dia mandefitra. Faly erỳ i Mino miteny amin’i Laza hoe “entiny amin’ny sangany” ny ray aman-dreniny.

Laza: “Mivantambantana be foana i Mino sady tsy mba mandefitra, na amin’ny ray aman-dreniny aza. Mahasosotra aloha ny dadany indraindray e! Dia tsy mahagaga raha mivazavaza i Mino. Fa tsy izay fotsiny no ataony! Mahita tetika foana izy hahazoany izay tadiaviny. Raha tsy mitomany, dia mimonjomonjo, dia manambitamby.”

Mino: “Izaho indray tsy miraharaha na iza ianao na iza, fa tonga dia teneniko foana izay ao an-tsaiko. Izaho tsy manamboamboatra resaka izany. Efa fantatr’i Laza izany, satria efa hitany aho niresaka tamin’i Dada sy Neny.”

Ahoana ny hevitrao? Mety sa tsia ny fiarahan’izy roa? Raha tsy mety, nahoana? ․․․․․

Inona no tokony hataon’i Laza? ․․․․․

Inona no hataonao raha ianao no Laza? ․․․․․

[Efajoro, pejy 211]

Fanampiana Hisaintsaina

Tena Tia sa “Potika Be”?

Vakio ny tenin’ireto tanora ireto, ary fenoy amin’ny iray amin’ireto ny banga: Tena tia na potika be.

1. ․․․․․: “Odianao tsy hita mihitsy ny toetra ratsin’ilay olona.”—Dina.

2. ․․․․․: “Manafin-toetra ianao rehefa eo ilay ankizivavy tianao.”—Tojo.

3. ․․․․․: “Rehefa manao zavatra mahasosotra izy, dia miezaka mitady vahaolana ianao, fa tsy misaraka aminy.”—Ryan.

4. ․․․․․: “Tsy te hahita afa-tsy izay zavatra itovizanao amin’ilay olona tianao ianao.”—Claudia.

5. ․․․․․: “Tsy afeninao an’ilay olona ny tena toetranao.”—Lalao.

6. ․․․․․: “Ny tenanao ihany no eritreretinao. Satrinao, ohatra, hiaraka aminy, satria te ho hitan’ny olona ianao hoe manana sipa.”—Alice.

7. ․․․․․: “Fantatrao ny toetra ratsiny sy ny zavatra adaladala kely fanaony, nefa zakanao tsara ilay izy.”—Mbola.

8. ․․․․․: “Tsy fantatrao hoe nahoana ianao no tia an’ilay olona. Tianao fotsiny amin’izao izy.”—David.

9. ․․․․․: “Tsy diso mihitsy ilay olona, aminao.”—Cynthia.

10. ․․․․․: “Lasa tsy mijerijery olon-kafa intsony ianao, satria tsy te hampirafy an’ilay olon-tianao.”—Daniel.

Valiny: Potika be: 1, 2, 4, 6, 8, 9. Tena tia: 3, 5, 7, 10.

[Sary, pejy 206, 207]

Aza tonga dia “potika be” amin’olona. Tsy maharitra ny fitiavana toy izany, fa toy ny tranokely amboarina amin’ny fasika