Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona Aho no Tsy Tokony Hifoka Sigara?

Maninona Aho no Tsy Tokony Hifoka Sigara?

Toko 33

Maninona Aho no Tsy Tokony Hifoka Sigara?

Iza amin’ireto no mahatonga anao te hifoka sigara? Asio ✔ eo akaikiny.

□ Te hanandrana

□ Miady saina

□ Te ho tian’ny ankizy

□ Te hahia

NISY nasianao marika ve ilay tao amin’ny pejy 237 teo? Fantaro fa misy ankizy mieritreritra an’ireo, na efa mifoka izy na vao te hifoka. * Aleo hojerentsika tsirairay ireo.

Te hanandrana. ‘Naka sigara iray tany amin’ny ankizy aho, satria mba te hanandrana fotsiny. Niafina aho avy eo, dia nifoka an’ilay izy.’—Tiana.

Miady saina sy te ho tian’ny ankizy. “Rehefa manana olana ny ankizy any am-pianaranay, dia mitady sigara. Vao mifoka, hono, izy, dia lasa maivamaivana. Dia te hifoka koa aho rehefa miady saina.”—Nikki.

Te hahia. “Misy ankizivavy tsy te hatavy, dia mifoka sigara. Aleony manao an’izany, toy izay tsy hihinan-kanina.”—Samantha.

Na efa mpifoka ianao na vao hifoka, dia mieritrereta kely aloha vao mandrehitra sigara. Toy ny trondro voajono ny olona mifoka. Mahita tsirony kely ilay trondro mandrapaka an’ilay kankana, nefa maty avy eo! Araho àry ny torohevitry ny Baiboly, ary miezaha ‘hahay hisaina tsara.’—2 Petera 3:1.

Fantaro ny tena marina

Marina sa diso ireto?

a. Milamina ny saiko rehefa mifoka sigara aho.

□ Marina □ Diso

b. Zara raha misy setroka voateliko rehefa mifoka aho.

□ Marina □ Diso

d. Rehefa antitra aho vao harary, raha mifoka aho izao.

□ Marina □ Diso

e. Vao mainka aho ho tian’ny ankizilahy (na ny ankizivavy).

□ Marina □ Diso

f. Izaho ihany no ho voa fa tsy ny olona.

□ Marina □ Diso

g. Tsy mampaninona an’Andriamanitra na mifoka aho na tsia.

□ Marina □ Diso

Valiny

a. Diso. Marina fa maivamaivana ny olona miezaka miala amin’ny sigara raha vao mifoka kely, nefa vetivety ihany izany. Hitan’ny mpahay siansa fa vao mainka mampitombo adin-tsaina aza ny nikôtinina (poizina ao amin’ny sigara).

b. Diso. Hitan’ny mpikaroka fa mijanona ao amin’ny vatana ny ankamaroan’ireo zavatra bitika ao amin’ny setro-tsigara.

d. Diso. Misy vokany eo no ho eo ny sigara fohina. Misy vao manandrana iray, dia lasa te hifoka foana. Raha mbola mifoka izy, dia tsy hahazo rivotra firy intsony ny havokavony, ary mety hikohaka lava izy. Mbola tsy antitra izy, dia hiketrona ny hodiny. Mety ho mora taitaitra sy ho kivy izy, ary tsy hiasa tsara ny taovam-pananahany.

e. Diso. Hitan’ny mpikaroka fa “tsy dia misy mpitia” ny tanora mifoka sigara.

f. Diso. An’arivony isan-taona no matin’ny setro-tsigara, na dia tsy mifoka aza. Raha mifoka àry ianao, dia ho voa koa ny fianakavianao sy ny namanao, ary na dia ny alika sy sakanao aza.

g. Diso. Tsy maintsy manadio ny tenany amin’ny “zava-drehetra mandoto ny nofo” izay te hampifaly an’Andriamanitra. (2 Korintianina 7:1) Tena mandoto ny vatana anefa ny sigara. Tsy naman’Andriamanitra àry izay mifoka sigara, satria mandoto sy manimba tena. Misy vokany ratsy amin’ny hafa koa ny ataony.—Matio 22:39; Galatianina 5:19-21.

Inona àry no hataonao?

Ahoana raha misy manome sigara anao? Mandaitra matetika ny miteny fotsiny hoe: “Misaotra fa tsy mifoka aho.” Tokony ho hentitra ianao. Raha mbola misisika izy na maneso anao, dia tadidio fa tsy azony terena ianao. Milazà, ohatra, hoe:

● “Efa haiko tsara ny voka-dratsin’io, dia aleoko tsy mifoka.”

● “Aoka izao fa mbola tsy te ho faty aho. Mbola betsaka ny zavatra tiako hatao.”

● “F’angaha ny olona azo terena hoatr’izany fotsiny?”

Ahoana anefa raha ianao mihitsy no te hifoka, toa an’ireo ankizy terỳ aloha? Mila mandinika tsara ianao. Ohatra hoe:

● ‘Tena hahasoa ahy ve ilay izy? Raha mifoka, ohatra, aho mba ho tian’ny ankizy, dia ho tiany tokoa ve, nefa be dia be ny zavatra tsy itovizanay? Tena te ho namany ve aho, nefa tsy taitra akory izy mahita ahy mifoka, na dia fantany aza fa mankarary ilay izy?’

● ‘Sao dia ho very fotsiny ny volako? Sao dia harary aho? Mbola hanaja ahy ve ny olona?’

● ‘Hatakaloko sigara ve ny fifandraisako amin’Andriamanitra?’

Ahoana anefa raha efa voajono ianao, izany hoe efa lasa mpifoka sigara?

Ahoana no hialanao amin’ny sigara?

1. Ataovy izay haharesy lahatra anao. Ataovy lisitra ny antony hialanao ary jereo matetika. Soraty, ohatra, hoe: ‘Mba ho hitan’Andriamanitra hoe madio.’—Romanina 12:1; Efesianina 4:17-19.

2. Resaho ilay izy. Nisy olona nanafenanao ve hoe mifoka ianao? Tsory aminy izany. Lazao koa hoe te hiala ianao, ary asaivo manampy anao izy. Iangavio hanampy anao koa i Jehovah. (1 Jaona 5:14) Afaka manompo azy tsara ianao amin’izay.

3. Mifidiana daty hialana. Soraty eo amin’ny kalandrie ilay izy, ary ataovy amin’ny tapa-bolana na alohan’izay, amin’izay ianao vonona tsara. Teneno ny ao an-tranonareo sy ny namanao hoe tsy hifoka intsony ianao manomboka amin’io.

4. Tadiavo, dia poteho. Savao tsara ny kitapo sy akanjo, alohan’ilay daty. Poteho daholo izay sigara hitanao. Ario koa ny brike sy afokasoka ary fasiana tain-tsigara.

5. Miadia mafy raha mbola te hifoka. Mazotoa misotro rano na ranom-boankazo, ary matoria bebe kokoa. Tadidio fa vetivety ihany ianao no hijaly, fa handray soa foana avy eo.

6. Halaviro izay toerana na zavatra mety hahatonga anao hifoka. Aza miaraka amin’ny olona mpifoka koa, raha mbola azo atao.—Ohabolana 13:20.

Aza manaiky hofitahina

Vola an’arivony tapitrisa dolara isan-taona no lanin’ny orinasa mpanao sigara, amin’ny dokam-barotra. Iza no tena tiany hahita an’ilay izy? Ny tanora. Hoy ny orinasa iray: “Raha izao ny tanora dia efa mifoka, dia ho zatra mifoka rehefa lehibe.”

Aza omena ny mpanao sigara àry ny volanao. Aza manaiky ho voajono. Tsy mitady izay tena hahasoa anao, na izy ireo na ny ankizy mifoka. Aza mihaino azy ireo fa henoy kosa ny torohevitry ny Baiboly, “mba hahitanao soa.”—Isaia 48:17.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Teren’ny ankizy hisotro toaka ve ianao? Nahoana ianao no tsy tokony hisotro be loatra?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Marina fa miresaka momba ny sigara sy ny voka-dratsiny ity toko ity. Natao ho an’ireo mihinana paraky na zava-mahadomelina hafa koa anefa izy ity.

ANDININ-TENY MAHASOA

‘Aoka isika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo.’—2 Korintianina 7:1.

SOSO-KEVITRA

Aza manandrana intsony rehefa afaka. Aza mieritreritra hoe: ‘Indray misintona koa ve dia maninona?’ Mety hiverina hifoka mantsy ianao.—Jeremia 17:9.

FANTATRAO VE... ?

Misy nikôtinina betsaka kokoa noho ny sigara ny zava-mahadomelina tsakoina sy ny paraky. Ahitana poizina hafa 25 eo ho eo koa ao anatiny, ka mora mahavoan’ny kanseran’ny tenda sy vava.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko raha teren’ny ankizy hifoka sigara aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no te hifoka indraindray, na dia efa fantatrao aza ny voka-dratsiny?

● Nahoana ianao no miaiky hoe ratsy ny sigara?

[Teny notsongaina, pejy 240]

‘‘Rehefa omen’ny ankizy sigara aho, dia mitsiky fotsiny sady miteny hoe: ‘Aoka izao fa izaho tsy te ho voan’ny kansera.’’’—Rotsy

[Efajoro/Sary, pejy 241]

Dia Tena Ratsy Tokoa ve ny Rongony?

Hoy i Ellen, ankizivavy any Irlandy: “Misy miteny hoe lasa hadinonao ny olana mahazo anao rehefa mifoka rongony ianao. Tsy misy vokany ratsy koa, hono, ilay izy.” Efa naheno an’izany angamba ianao. Ireto koa misy hevi-diso hafa, ary diniho avy eo ny tena marina.

Hevi-diso: Tsy ratsy ny rongony.

Inona no tena marina? Mety ho voan’ireto ny olona mifoka rongony: Very tadidy, tsy mora mahay, mora marary, tsy miasa tsara ny taovam-pananahany, mora mitebiteby, tsy matoky olona mihitsy, ary marary saina. Raha vehivavy bevohoka no mifoka rongony, dia mety ho hafahafa fihetsika ilay zanany rehefa teraka, sady tsy hahavita hifantoka, ary tsy hahay hanapa-kevitra.

Hevi-diso: Ratsy kokoa ny sigara raha oharina amin’ny rongony.

Inona no tena marina? Samy misy godorao sy poizina ny setro-tsigara sy ny setroka rongony. Be lavitra noho ny an’ny sigara anefa ny an’ny rongony. Mipetaka amin’ny lalan-drivotra ilay godorao, ary amin’ny ra ilay poizina. Rongony kely dia kely, dia efa feno poizina miteraka kansera. Mitovy amin’ny habetsahan’ny poizina ao anaty sigara iray fonosana ilay izy.

Hevi-diso: Tsy misy an’izany hoe lasa te hifoka rongony foana izany.

Inona no tena marina? Vetivety dia lasa mpifoka rongony ny tanora kivy lava na miady saina be, raha vao manandrana azy io. Ny hafa kosa elaela vao tsy afa-miala intsony. Hitan’ny mpikaroka koa fa matetika ilay tanora no lasa tia zava-mahadomelina hafa, ohatra hoe kôkainina.

[Efajoro/Sary, pejy 244, 245]

Tandremo fa Mampidi-doza ny Sigara!

Angamba ianao efa nahita olona nifoka sigara tao amin’ny tele. Toa salama erỳ ilay olona. Tsy izany anefa no tena marina, satria mampidi-doza ny sigara.

Vava sy tenda Mety ho voan’ny kansera

[Sary]

Kanseran’ny lela

Fo Lasa tsy ampy oksizenina. Mihenjana sy tsentsina ny lalan-dra ao. Mora voan’ny aretim-po ilay olona

[Sary]

Lalan-dra efa ho tsentsina

Havokavoka Simba ny kitapon-drivotra kely ao, ary may ny lalan-drivotra. Tena atahorana ho voan’ny kansera

[Sary]

Havokavoka simban’ny sigara

Atidoha Tena atahorana ho tapaka ny lalan-dra ao

Hoditra Mbola tsy antitra, dia efa miketrona

Nify Lasa mavomavo

Vavony Mety ho voan’ny kansera

Sarakaty Mety ho voan’ny kansera

Tatavia Mety ho voan’ny kansera

Voa Mety ho tratran’ny kansera

[Sary, pejy 239]

Toy ny trondro voajono ny olona mifoka sigara. Mahita tsirony kely izy, nefa maty avy eo