Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izaho ve dia Haninona na Misotro Be Aza?

Izaho ve dia Haninona na Misotro Be Aza?

Toko 34

Izaho ve dia Haninona na Misotro Be Aza?

Valio hoe eny na tsia ireto. Asio ✔ izay valin-teninao.

Misy ankizy fantatrao ve misotro toaka, ary misotro be mihitsy aza indraindray?

□ Eny □ Tsia

Efa noteren-dry zareo hisotro ve ianao?

□ Eny □ Tsia

Efa nisotro toaka be niaraka tamin’ny ankizy ve ianao?

□ Eny □ Tsia

FANAON’NY ankizy ny miaraka misotro toaka, ary tsy mijanona raha tsy mamo. ‘Misy ankizilahy tonga dia mahavita migoka toaka tapa-tavoahangy na mahery. Ny an’ny ankizivavy indray latsaka kelin’izay fotsiny’, hoy ny fikambanana iray any Etazonia miady amin’ny fisotroana tafahoatra. *

Mbola kely ve ianao nefa efa te hisotro toaka, na te hanandrana an’ilay hoe misotro toaka be? Tsy ianao irery no te hanao izany fa ankizy maro hafa koa. * Mieritrereta anefa hoe: ‘Fa nahoana tokoa aho no te hisotro, ary inona no mety ho vokany eo amiko?’ Mba hamaliana izany, dia diniho hoe marina sa diso ireto. Asio ✔ eo akaikin’ny valin-teninao, ary jereo avy eo ny tena marina.

a. Misotro toaka ny ankizy satria fotsiny tiany ny tsiron’ilay izy.

□ Marina □ Diso

b. Tsy dia marary ny tanora na misotro toaka be aza, satria matanjaka noho ny olon-dehibe.

□ Marina □ Diso

d. Tsy maty ianao na misotro be aza.

□ Marina □ Diso

e. Manota ianao raha vao misotro toaka.

□ Marina □ Diso

f. Tsy dia misy vokany ratsy ny misotro toaka be. Marary fotsiny ianao dia izay.

□ Marina □ Diso

a. Misotro toaka ny ankizy satria fotsiny tiany ny tsiron’ilay izy: Diso. Ny 36 isan-jaton’ny tanora nanontaniana, tany Aostralia, no nilaza hoe misotro toaka izy rehefa misy fety satria te ho tian’ny namany. Ny 66 isan-jaton’ireo nadinadinina tany Etazonia kosa no niteny hoe nampirisihin’ny namany. Nilaza koa anefa ny antsasany mahery fa misotro izy, satria te hanadino ny olana manjo azy.

b. Tsy dia marary ny tanora na misotro toaka be aza, satria matanjaka noho ny olon-dehibe: Diso. Hoy ny gazety iray: ‘Hitan’ny mpikaroka, vao haingana, fa midi-kizo ny tanora raha misotro toaka foana. Mety tsy hiasa tsara intsony mantsy ny atidohany.’

Rehefa misotro toaka foana koa ny olona dia lasa tsy afaka amin’izy io, be mony, mihamatavy, miketrona ny hodiny nefa izy mbola tsy antitra, ary lasa mifoka zava-mahadomelina. Manimba aty sy fo ary rafi-pitatitra koa ny toaka.

d. Tsy maty ianao na misotro be aza: Diso. Tsy mahazo oksizenina ny atidoha rehefa be loatra ny alkaola ao amin’ny vatana. Mety tsy hiasa tsara intsony koa ny taova sasany, ka handoa, tsy hahatsiaro tena, ary ho sempotra ianao. Mety ho faty mihitsy aza ianao.

e. Manota ianao raha vao misotro toaka: Diso. Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy azo atao ny misotro toaka, na hoe tsy mahazo mifalifaly ny tanora. (Salamo 104:15; Mpitoriteny 10:19) Raha misy lalàna kosa ao amin’ny tany misy anao hoe tsy mahazo misotro ny tanora, dia mila mankatò izany ianao.—Romanina 13:1.

Milaza anefa ny Baiboly hoe tsy mety ny misotro be loatra. Hoy ny Ohabolana 20:1: “Mpaniratsira ny divay ary mpitabataba ny toaka, ka tsy hendry izay rehetra manaonao foana noho ny herin’izany.” Tena mampanaonao foana tokoa ny toaka! Marina fa mety ho falifaly ianao rehefa misotro toaka, nefa hizaka ny vokany raha be loatra no sotroinao. ‘Manaikitra tahaka ny menarana’ mantsy izy io.—Ohabolana 23:32.

f. Tsy dia misy vokany ratsy ny misotro toaka be. Marary fotsiny ianao dia izay: Diso. Mety hisy hanolana na hisy hamono ianao rehefa mamo. Na mety ho ianao mihitsy no hahavita zava-doza toy izany, satria lasa sahisahy na tsy misaina tsara. Mampitandrina ny Baiboly hoe ‘hieritreri-dratsy’ ianao, raha misotro be loatra. (Ohabolana 23:33) Holazain’ny olona fa toy ny adala ianao. Mety tsy ho tian’ny namanao intsony koa ianao, ho ratsy naoty, tsy hiasa tsara, hahantra, ary handika lalàna ka ho simba ny fiainanao.—Ohabolana 23:21.

Halahelo koa i Jehovah Andriamanitra raha mahita anao misotro toaka be, ary izay no tena ratsy. Tiany hanompo azy amin’ny “sainao manontolo” mantsy ianao, fa tsy amin’ny saina efa donton’ny toaka! (Matio 22:37) Tsy ny “fibobohana” toaka ihany no halany, fa ny “fifaninanana misotro” koa. (1 Petera 4:3) Tsy ankasitrahany àry ny olona misotro toaka be, sady tsy ho namany.

Inona no hataonao?

Hanaraka izay ataon’ny namanao fotsiny ve ianao? Hoy anefa ny Romanina 6:16: ‘Tsy fantatrao angaha fa raha manolo-tena ho mpanompon’ny olona iray ianao ka mankatò azy, dia lasa mpanompony satria mankatò azy?’ Ianao ve dia hanaiky ho mpanompon’ny namanao na ny toaka?

Inona àry no tokony hataonao raha efa lasa mpisotro be ianao? Tonga dia miresaha amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny namana matotra. Mivavaha amin’i Jehovah ary iangavio izy hanampy anao. “Mpanampy mora azo amin’ny fotoam-pahoriana izy.” (Salamo 46:1) Jereo koa sao tokony hiova namana ianao. Mety ho ny namanao mantsy no mampirisika anao. * Tsy mora izany nefa ho vitanao satria hanampy anao i Jehovah.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Te hiala amin’ny rongony ve ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Tavoahangy mitovy habe amin’ny tavoahangina labiera no tiana holazaina eto.

^ feh. 11 Jereo ilay efajoro hoe “ Iza no Tena Mpisotro Toaka?”, ao amin’ny pejy 249.

^ feh. 32 Jereo ny Toko 8 sy 9. Jereo koa ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 15.

ANDININ-TENY MAHASOA

‘‘Hahantra ny mamo lava.” —Ohabolana 23:21.

SOSO-KEVITRA

Fantaro hoe nahoana ianao no te hisotro toaka. Mety hoe te ho falifaly ianao na tsy te ho kivy be. Mitadiava vahaolana tsara kokoa avy eo, fa aza misotro.

FANTATRAO VE... ?

Nisy fanadihadiana natao tany Etazonia, ka hita fa ny ankizy mpisotro toaka no tena tsy tonga mianatra, tsy mahavita devoara, mora maratra, ary manimba zavatr’olona.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no holazaiko raha hasain’ny ankizy hisotro toaka be aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no misy ankizy mampirisika ny namany hisotro toaka be hoatr’azy?

● Ho tara aminao ve ny ankizy raha misotro toaka be ianao? Nahoana?

[Teny notsongaina, pejy 250]

‘‘Rehefa misy ankizy manome toaka ahy, dia teneniko hoe tsy hisotro aho satria tsy voatery misotro aho vao falifaly.’’—Mamy

 [Efajoro, pejy 249]

Iza no Tena Mpisotro Toaka?

Nisy fanadihadiana natao tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tany Angletera sy Ekosy ary Pays de Galles. Efa ho ny ampahefatry ny ankizy 13 sy 14 taona, sy ny antsasaky ny ankizy 15 sy 16 taona, no nilaza fa migoka toaka tapa-tavoahangy eo ho eo, fara fahakeliny, rehefa misotro. Niteny koa ny minisiteran’ny fahasalamana any Etazonia fa “10,4 tapitrisa eo ho eo, amin’ny tanora 12 ka hatramin’ny 20 taona, no nilaza fa misotro toaka. Misotro toaka be tsindraindray ny 5,1 tapitrisa, ary ny 2,3 tapitrisa amin’ireo aza mahavita manao izany indimy isam-bolana, fara fahakeliny.” Ny ankizivavy no tena mpisotro noho ny ankizilahy, any Aostralia. Mahalany toaka iray na roa tavoahangy mihitsy aza izy ireo rehefa misotro!

[Sary, pejy 251]

Manaikitra toy ny menarana ny toaka