Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hialako Amin’ny Rongony?

Ahoana no Hialako Amin’ny Rongony?

Toko 35

Ahoana no Hialako Amin’ny Rongony?

MIFOKA rongony ve ianao? Azo inoana fa fantatrao hoe manimba tsikelikely ny vatanao sy ny sainao ilay izy. Efa niezaka niala mihitsy aza angamba ianao fa tsy afaka. Aza kivy fa ho vitanao io! Ny hafa aza nahavita. Hijery tantaran’olona telo isika. Tsy nitovy mihitsy ny zavatra niainany, nefa samy nahavita niala izy ireo.

ANARANA Marta

NY FIAINAKO TALOHA Mamanay irery no nitaiza anay sy zandrinay. Vao 12 taona aho dia efa nandeha nandihy niaraka tamin’ny nenitoanay, satria tia mandihy izy. Sariaka be aho, ka lasa tafaraka tamin’ny naman-dratsy. Vao 13 taona aho, dia efa nifoka rongony sy kôkainina. Tiako be ilay izy tamin’ny voalohany. Lasa hoatran’ny nahita zavatra hafahafa anefa aho tatỳ aoriana rehefa nifoka, sady saro-tahotra be. Te hamono tena koa aho rehefa lefilefy ny herin’ilay izy. Te hiala aho nefa tsy nahavita mihitsy.

NAHAVITA NIALA IHANY AHO Nieritreritra aho hoe sao dia mba afaka manampy ahy Andriamanitra. Niangona mihitsy aza aho indraindray, nefa mbola kivy kokoa noho ny taloha. Nisy ankizilahy niara-nipetraka tamiko, tamin’izaho 18 taona. Niteraka lahy kely izahay, ka vao mainka aho te hiova. Nisy namako taloha nifindra teo akaikinay. Nandalo tao aminay izy, ary nanontany hoe mandeha tsara ve ny fiainako. Notantaraiko taminy daholo ny nahazo ahy. Niteny izy hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah, ary nasainy hianatra Baiboly aho.

Nianarako hoe tsy tian’i Jehovah Andriamanitra ny zavatra nataoko, ka tokony hialako. Te hampifaly azy aho, nefa mafy be tamiko ny niala tamin’ny rongony. (Ohabolana 27:11) Nivavaka imbetsaka àry aho isan’andro. Afaka ihany aho rehefa nianatra Baiboly enim-bolana, sady niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsara kokoa izao ny fiainako. Tsy kivy be intsony aho. Nanambady Vavolombelona tsara fanahy be aho tatỳ aoriana. Ampianariko Baiboly koa ny zanako. Misaotra an’i Jehovah aho fa nohenoiny ny vavaka nataoko, ary nampiany aho!

ANARANA Marcio

NY FIAINAKO TALOHA Lehibe tany Santo André, tanàna be mponina any São Paulo, Brezila, aho. Mbola kely aho dia efa nangalatra sy nifoka zava-mahadomelina. Mpangalatra fiara sy mpivarotra rongony ny namako sasany. Nisy anankiray mody nizara rongony tamin’ny ankizy tao an-tanàna. Tsy afa-miala amin’ny rongony intsony ilay ankizy avy eo, dia tsy maintsy mividy any aminy.

Nivezivezy teny aminay ny polisy, ary voasambotra imbetsaka aho. Zavatra tsy dia lehibe matetika no nisamborana ahy, fa indray mandeha aho nahiahina ho nivarotra rongony. Tao amiko koa no nafenina ny basy sy ny entana avy nangalarin’ny namako.

Natahotra ahy ny olona satria mena be ny masoko sady zara raha nitsiky aho. Nasiaka be foana koa ny tarehiko. Nopetahin’ny olona anarana hoe “Tufão” (Rivo-doza) aho, satria niady tamin’olona foana na taiza na taiza nalehako. Nisotro toaka be koa aho sady nijangajanga. Be dia be ny namako maty sy nigadra. Kivy be aho ka efa saika namono tena teo amin’ny hazo iray.

NAHAVITA NIALA IHANY AHO Nitalaho tamin’Andriamanitra aho mba hanampy ahy. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho tatỳ aoriana. Lasa fantatro hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary mikarakara sy manampy an’izay miezaka mafy mankatò azy izy. (Salamo 83:18; 1 Petera 5:6, 7) Be dia be ny zavatra nila novako, fa anisan’ny mafy indrindra ilay nianatra nitsiky.

Niangavy an’i Jehovah foana aho mba hanampy ahy. Nampihariko koa izay nianarako. Tsy niaraka tamin’ny namako taloha intsony, ohatra, aho sady tsy nankany amin’ny bara. Naleoko ninamana tamin’ny olona mankatò izay lazain’ny Baiboly. Tsy mangalatra sy tsy mila ady intsony aho, na dia sarotra tamiko aza izany. Efa folo taona mahery koa aho no tsy nifoka rongony.

ANARANA Craig

NY FIAINAKO TALOHA Lehibe tany Aostralia Atsimo aho. Mpisotro toaka be dadanay. Nisaraka izy sy mamanay tamin’izaho valo taona. Nanambady indray mamanay, ary izy no nitaiza ahy hatramin’izaho 17 taona. Nianatra nanety ondry aho, ary nitety tanàna niaraka tamin’ny mpanety ondry maromaro mba hitady asa. Lasa nifoka zava-mahadomelina isan-karazany aho sady nisotro toaka be. Nohalavaiko ny voloko, dia norandraniko sady nasiako vakana. Lasa be fialonana sy mora tezitra koa aho, ary mpiady amin’olona. Efa nigadra imbetsaka aho.

Nifindra tany Aostralia Andrefana aho, ary niaraka tamin’ny ankizivavy iray mpiasa amin’ny bara. Samy mpifoka sy mpisotro izahay, sady namboly rongony.

NAHAVITA NIALA IHANY AHO Vao avy naka rongony izahay no tonga tao amin’ilay trano ratsiratsy nisy anay ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy tonga dia nino izay nolazain-dry zareo tao amin’ny Baiboly aho, fa nandinika tsara aloha. Niezaka niova tsikelikely aho taorian’izay.

Fantatro fa tsy maintsy miala amin’ny rongony aho. Saika nomeko olona àry ny rongony namboleko, satria efa mba niasa mafy tamin’ilay izy aho. Hitako anefa fa tsy mety izany, dia naleoko nopotehina. Ny vavaka no tena nanampy ahy hiala tamin’ny rongony sy toaka. Tena ady mafy ilay izy, ka nangataka ny fanahy masin’Andriamanitra aho. Nialako izay namako nampirisika ahy hisotro na hifoka. Nahavita nanova ny toetra ratsiko koa aho, arakaraka ny nianarako Baiboly. Nianatra koa ilay vehivavy niaraka tamiko ary niova. Nisoratra izahay, ary efa 21 taona no mpivady. Mahafinaritra ny fiainanay izao, satria salama kokoa izahay sady nahazo zaza roa. Asa hoe nanao ahoana ny fiainako raha tsy nanampy ahy i Jehovah! Tsy te hieritreritra an’izany aho!

ANDININ-TENY MAHASOA

“Jehovah no tanjako sy heriko.” —Isaia 12:2.

SOSO-KEVITRA

Halaviro izay olona na toerana na zavatra mety hahatonga anao hifoka indray. Mety hiverina hifoka mantsy ianao vao mahita an’ireo, araka ny fikarohana natao.

FANTATRAO VE... ?

Manimba ny atidoha ny rongony.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko raha sendra mifoka indray aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no mila manova tanteraka ny fiainany ny olona iray, raha te hiala amin’ny rongony?

● Hanampy azy koa ny mahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra. Nahoana?

[Teny notsongaina, pejy 253]

‘‘Niezaka nankatò izay lazain’ny Baiboly aho, dia tsara kokoa izao ny fiainako sady sambatra aho.’’—Marta

[Sary, pejy 256]

Toy ny mitsoaka avy ao anaty trano may ianao, rehefa miala amin’ny rongony. Tsy maintsy misy zavatra afoinao, nefa ho avotra ianao