Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?

Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?

Toko 36

Andevozin’ny Fitaovana Elektronika ve Aho?

“Tiako be mihitsy ny mandefa SMS. Io no zavatra tiako indrindra. Maty angamba aho raha tsy afaka mandefa SMS intsony!”—Jery.

TELE sy radio ihany angamba no fitaovana elektronika tena fampiasa tamin’ny ray aman-dreninao mbola tanora. Fitaovana nifampiresahana fotsiny ny telefaonina tamin’izany, sady tsy azo nentina nandehandeha. Efa ntaolo be ve izany aminao? Hoy i Anna: “Mbola tsy nivoatra ny teknolojia tamin’ny andron’ny dadanay sy mamanay. Izao ry zareo vao mba mahafantapantatra hoe ahoana no fampiasana finday!”

Fitaovana kely omby paosy anefa izao dia efa ahafahanao mandray antso, mihaino hira, mijery video, milalao, mandefa e-mail, maka sary, ary mampiasa Internet. Mety ho efa fampiasanao foana ny ordinatera, finday, tele, ary Internet. Ny ray aman-dreninao kosa mety hihevitra fa andevozin’ireny ianao. Aza tonga dia mieritreritra anefa hoe tsy maharaka izy ireo, raha milaza izany aminao. Hoy mantsy i Solomona, mpanjaka hendry: ‘Izay mamaly nefa mbola tsy nihaino akory, dia hadalana ho azy izany.’—Ohabolana 18:13.

Efa noeritreretinao ve hoe nahoana ny ray aman-dreninao no matahotra? Jereo àry sao efa mitady handevozin’ny fitaovana elektronika ianao.

‘Efa andevoziny ve aho?’

Misy rakipahalalana milaza fa efa andevozin’ny zavatra iray ny olona iray raha “zatra manao an’ilay izy be loatra, ary tsy afaka mijanona na tsy te hijanona, na dia misy vokany ratsy aza ilay izy.” Andao hodinihintsika io famaritana io. Vakio koa ny tenin’ireto ankizy ireto, ary jereo raha efa niteny na nanao hoatr’azy ireo ianao. Valio ireo fanontaniana avy eo.

Be loatra. “Tsy ampy torimaso mihitsy aho fa nilaozako nanao lalao video fotsiny. Niresaka momba an’ilay izy foana koa aho. Tany foana ny saiko, ka tsy dia nifandray tamin’ny tao an-trano intsony aho.”Joelina.

Adiny firy isan’andro no hitanao fa antonony mba hampiasana fitaovana elektronika? ․․․․․

Adiny firy kosa, hoy ny ray aman-dreninao? ․․․․․

Adiny firy isan’andro no tena laninao andefasana SMS, ijerena tele, ametrahana sary sy ilazana hevitra ao amin’ny Internet, ary anaovana lalao video? ․․․․․

Rehefa avy nandinika ny valin-teninao ianao, be loatra ve ny fotoana laninao hampiasana fitaovana elektronika?

□ Eny □ Tsia

Tsy afaka mijanona na tsy te hijanona. ‘Hitan’i Dada sy Neny mandefa SMS foana aho. Be loatra, hono, ny fotoana laniko amin’ilay izy. Nefa izaho aza tsy dia mandefa, raha oharina amin’ny ankizy. Fa raha ampitahaina amin’ny an’i Dada sy Neny aloha, dia betsaka kokoa ny fotoana laniko e! Ry zareo kosa ange 40 taona f’izaho 15 e!’—Jery.

Be loatra ve ny fotoana laninao amin’ny fitaovana elektronika, hoy ny ray aman-dreninao na ny namanao?

□ Eny □ Tsia

Mila ferana ny fotoana ampiasana fitaovana elektronika. Tsy tianao na tsy vitanao ve izany?

□ Eny □ Tsia

Vokany ratsy. “Mandefa SMS foana ny namako, na rehefa mitondra aotomobilina aza. Tena mampidi-doza anefa izany!”—Julie.

“Niantso sy nandefa SMS foana aho, tamin’izaho vao nahazo finday. Lasa tsy dia nifandray tamin’ny fianakaviako aho, ary na tamin’ny namako sasany aza. Voamariko izao fa rehefa miaraka amin’ny namako aho, dia tapaka foana ny resakay satria hoy ry zareo: ‘Andraso kely aloha fa mila mamaly SMS aho.’ Lasa tsy mpinamana be intsony izahay.”—Soa.

Mamaky na mandefa SMS ve ianao, rehefa mitondra fiara na mianatra ao an-dakilasy na manatrika fivoriana kristianina?

□ Eny □ Tsia

Tapahinao foana ve ny resaka ifanaovanao amin’ny fianakavianao na amin’ny namanao, satria mila mamaly antso na SMS na e-mail ianao?

□ Eny □ Tsia

Tsy ampy torimaso ve ianao na tsy mifantoka rehefa mianatra, satria nandany fotoana be tamin’ny fitaovana elektronika?

□ Eny □ Tsia

Hitanao hoe mila miova ve ianao? Diniho àry ireto soso-kevitra ireto.

Ahoana no hahaizana mandanjalanja?

Saintsaino ireo fanontaniana efatra manaraka, raha mampiasa fitaovana elektronika toy ny ordinatera, na finday ianao. Tsy hahita loza ianao ary hahay hifehy tena, raha arahinao izay voalazan’ny Baiboly sy ny torohevitra vitsivitsy omena eto.

Hampiasaina amin’inona ilay izy? “Aoka hoheverinareo izay zavatra tsara sy maha te hidera: dia izay rehetra marina, manan-kaja, ara-drariny, madio, mahatehotia ary tsara laza.”—Filipianina 4:8, DIEM.

✔ Mifandraisa foana amin’ny namanao sy ny mpianakavinao, ka vaovao sy hevitra mampahery resahina.—Ohabolana 25:25; Efesianina 4:29.

X Aza mifosa, na mandefa sary sy SMS vetaveta, na mijery raki-tsary sy fandaharana ahitana olona maloto fitondran-tena.—Kolosianina 3:5; 1 Petera 4:15.

Isaky ny inona ilay izy no ampiasaiko? “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.”—Mpitoriteny 3:1.

✔ Fero ny fotoana holaninao hiantsoana sy handraisana antso, handefasana sy hamaliana SMS, hijerena tele, na hilalaovana.

X Aza avela hanelingelina anao ny fitaovana elektronika amin’ny fotoana natokanao hiarahana amin’ny namanao sy ny fianakavianao, hianarana lesona na Baiboly, hitoriana na hivoriana.—Efesianina 5:15-17; Filipianina 2:4.

Ifaneraserako amin’iza ilay izy? “Aza manaiky ho voafitaka ianareo: Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:33.

✔ Ampiasao ny fitaovana elektronika mba hifandraisana kokoa amin’ny olona mampirisika anao hanana fahazarana tsara.—Ohabolana 22:17.

X Aza mamita-tena. Mety hotahafinao mantsy ny fitondran-tena sy ny fiteny ary ny fisainan’ny olona mifanoratra aminao na ny an’olona ao amin’ny tele, video, na Internet.—Ohabolana 13:20.

Adiny firy no laniko amin’ilay izy? ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

✔ Soraty foana ny fotoana laninao hampiasana fitaovana elektronika.

X Aza manao be marenina rehefa milaza ny namanao sy ny ray aman-dreninao fa be loatra ny fotoana laninao amin’izany.—Ohabolana 26:12.

Ilaina àry ny mahay mandanjalanja rehefa mampiasa fitaovana elektronika. Marina mihitsy ity tenin’i Joelina ity: “Mahafinaritra ny fitaovana elektronika raha ampiasaina vetivety ihany. Tsy navelako hanelingelina ny fifandraisako amin’ny fianakaviako sy ny namako intsony ny teknolojia.”

JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 30, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Ahoana no handresenao lahatra ny ray aman-dreninao hoe mila mifalifaly ianao?

ANDININ-TENY MAHASOA

“Aza mihevi-tena ho hendry. Matahora an’i Jehovah ka mialà amin’ny ratsy.” —Ohabolana 3:7.

SOSO-KEVITRA

Ilazao ireo namanao fa misy fotoana tsy hamalianao avy hatrany ny SMS, na e-mail na antso an-telefaonina. Ho voafehinao amin’izay ny fampiasana telefaonina.

FANTATRAO VE... ?

Raha androany ianao no mametraka ny sarinao ao amin’ny Internet na mitantara ao izay ataonao, dia mbola mety hahita izany ny olona hampiasa anao na ny olon-kafa, rehefa afaka taona maro.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Raha tsy voafehiko ny fampiasako ny ․․․․․, dia tapa-kevitra aho fa adiny ․․․․․ isan-kerinandro ihany no hampiasako azy io.

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no mety ho sarotra aminao ny mahatsapa fa efa andevozin’ny fitaovana elektronika ianao?

● Inona no mety hitranga raha tsy voafehinao ny fampiasana fitaovana elektronika?

[Teny notsongaina, pejy 262]

‘‘Zavatra maromaro no nanampy ahy tsy handevozin’ny tele intsony. Noferako ny fotoana nijereko azy io. Noresahiko tamin’i Neny foana koa ilay olana, ary nivavaka matetika aho.’’—Katia

[Sary, pejy 263]

Voafehinao ve ny fitaovana elektronika, sa ianao no feheziny?