Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Maninona Aho no Tsy mba Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly?

Maninona Aho no Tsy mba Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly?

Toko 37

Maninona Aho no Tsy mba Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly?

Nilaza i Allison, ankizivavy any Aostralia, fa mandreraka be azy ny any am-pianarany isaky ny alatsinainy maraina.

Hoy izy: “Samy mitantara an’izay nataony tamin’ny faran’ny herinandro ny ankizy, ohatra hoe firy ny fety nalehany, firy ny ankizilahy norohany, ary hoe nitsoaka polisy ry zareo ... Hoatran’ny mampatahotra ilay izy nefa toa mahafinaritra koa! Amin’ny dimy maraina ry zareo vao mody, nefa tsy bedin’ny dada sy mamany. Ry zareo mbola tsy mivoaka ny trano akory, nefa izaho efa tsy maintsy mandeha matory.

“Anontanian-dry zareo aho avy eo hoe inona no nataoko. ... Inona moa fa dia nivory sy nitory e! Tsy mba afaka nifalifaly. Milaza fotsiny àry aho hoe tsy nanao n’inona n’inona. Dia anontanian-dry zareo aho hoe fa maninona no tsy niaraka taminy.

“Tsisy iainana mihitsy anefa fa vao talata dia efa miresaka an’izay hataony amin’ny faran’ny herinandro indray ry zareo. Mipetraka mihaino fotsiny àry aho, fa tsy mba manan-kolazaina mihitsy.”

TOY izany koa ve ny manjo anao isaky ny alatsinainy maraina? Hoatran’ny hoe feno zava-mahafinaritra ve eny ivelany, nefa ianao hidin’ny ray aman-dreninao ao an-trano? Na koa hoatran’ny hoe ao amin’ny toeram-pilalaovana ve ianao, nefa tsy avela hilalao? Tsy te hanao an’izay rehetra ataon’ny ankizy anefa ianao, fa mba te hifalifaly fotsiny indraindray. Iza amin’ireto, ohatra, no tena mba tianao hatao amin’ny asabotsy na alahady?

□ mandihy

□ mijery rindran-kira

□ manao fety

□ mijery filma

□ manao zavatra hafa ․․․․․

Mila miala voly ianao. Tian’ny Mpamorona hifalifaly ianao amin’izao mbola tanora izao. (Mpitoriteny 3:1, 4) Tian’ny ray aman-dreninao hifalifaly koa ianao, na mety tsy hino izany aza ianao indraindray. Rariny anefa raha miasa saina ny ray aman-dreninao hoe 1) inona no hataonao any, ary 2) iza no hiaraka aminao any.

Ahoana raha asain’ny namanao ianao, nefa tsy fantatrao izay holazain’ny ray aman-dreninao? Diniho ireto safidy telo ireto sy ny ho vokany.

SAFIDY A MANDEHA TSY MIERA

Antony mety hanaovanao izany: Te hiseho amin’ny namanao ianao hoe efa olon-dehibe. Mihevitra ianao fa mahalala izay tokony hataonao ka tsy mila miera amin’ny ray aman-dreninao, na manontany ny heviny.—Ohabolana 14:18.

Vokany: Mety hiaiky ny namanao hoe tena sahy ianao, nefa ho hitany koa fa mpamitaka ianao. Raha ny ray aman-dreninao aza nofitahinao, tsy ho sahinao koa ve ny hamitaka azy ireo? Halahelo sy ho diso fanantenana koa ny ray aman-dreninao, ary vao mainka ianao tsy havelany hivoaboaka intsony. Tena hadalana àry ny mandeha tsy miera.—Ohabolana 12:15.

SAFIDY B TSY MIERA ARY TSY MANDEHA

Antony mety hanaovanao izany: Fantatrao fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipika arahinao ilay zavatra hatao, na tsy namana tsara ny olona sasany ho any. (1 Korintianina 15:33; Filipianina 4:8) Mety ho te handeha koa anefa ianao fa tsy sahy miera.

Vokany: Raha tsy mandeha ianao satria fantatrao hoe ratsy ilay izy, dia ho hainao kokoa ny hanazava ny antony amin’ny namanao. Raha noho ianao tsy sahy miera kosa no tsy andehananao, dia hanjonitra irery ao an-trano ao ianao satria mieritreritra hoe tsy mba afaka mifalifaly hoatran’ny rehetra.

SAFIDY D MIERA DIA HO HITA EO

Antony mety hanaovanao izany: Mankatò ray aman-dreny ianao, ary manaja ny heviny. (Kolosianina 3:20) Tianao izy ireo ka tsy te handeha tsy hiera ianao sao hampalahelo azy. (Ohabolana 10:1) Afaka manazava ny hevitrao koa ianao.

Vokany: Ho tsapan’ny ray aman-dreninao fa tianao sy hajainao izy ireo. Mety havelany handeha koa ianao raha hitany hoe azo ekena ny fangatahanao.

Nahoana ny ray aman-dreninao no mety handa?

Ahoana kosa raha mandà ny ray aman-dreninao? Mety hahasosotra izany. Ho mora kokoa aminao anefa ny hanaiky ny fanapahan-keviny raha takatrao ny antony. Mety ho iray amin’ireto izany:

Mahafanta-javatra sy ela niainana kokoa izy ireo. Aleonao angamba milomano eny amin’ny ranomasina misy mpanara-maso, raha afaka mifidy ianao. Nahoana? Satria tsy hitanao daholo ny loza mety hitranga rehefa falifaly milomano eo ianao. Tsara toerana kokoa anefa ilay mpanara-maso ka mahatazana an’izay mety ho loza.

Misy loza mety tsy ho hitanao koa nefa efa tsinjon’ny ray aman-dreninao, noho izy ireo mahafanta-javatra sy ela niainana kokoa. Toy ilay mpanara-maso eny amoron-dranomasina ihany izy ireo. Tsy te hanakana anao tsy hifalifaly izy ireo, fa te hanampy anao kosa tsy ho tratry ny loza.

Tia anao izy ireo. Tena te hiaro anao ny ray aman-dreninao. Tia anao izy ireo ka satriny aza hanaiky ny fangatahanao. Voatery mandà anefa izy ireo indraindray. Rehefa miera aminy mantsy ianao, dia ry zareo koa aza mba mieritreritra hoe azony ekena ve ny fangatahanao, ary ho zakany ve ny vokatry ny fanapahan-keviny. Mila resy lahatra aloha izy ireo hoe tsy hisy loza hanjo anao, vao hekeny ny fangatahanao.

Tianao hamela anao handeha ve izy ireo?

Misy soso-kevitra efatra mety hanampy anao ireto:

Milazà ny marina: Aza mamita-tena fa eritrereto hoe nahoana marina ianao no te ho any: Izay hatao any mihitsy ve no mahafinaritra anao, sa tsy te hailikiliky ny ankizy ianao? Sa ho any ilay ankizilahy na ankizivavy tianao? Aza fitahina koa ny ray aman-dreninao. Efa mba tanora izy ireo, ary mahalala tsara anao. Ho fantany foana àry hoe nahoana marina ianao no te ho any. Ho faly izy ireo raha mitsotra ianao, ary hahasoa anao ny torohevitra feno fahendrena omeny. (Ohabolana 7:1, 2) Tsy hatokisany intsony kosa ianao raha tsy milaza ny marina, ary vao mainka tsy hekeny ny fangatahanao.

Fidio ny fotoana: Tsy hoe vao tonga avy miasa na mbola mifantoka amin-javatra hafa ny ray aman-dreninao, no tsara hierana, fa rehefa izy milamindamina iny. Aza miandry ho efa am-poto-moty koa anefa vao miera ka hanery azy hanome valiny. Tsy ho tian’ny ray aman-dreninao ny hanapa-kevitra maimaika. Mierà aloha kokoa àry mba hananany fotoana hieritreretana. Ho faly izy raha hajainao toy izany.

Hazavao tsara: Lazao amin’ny an-tsipiriany ny momba an’ilay izy. Hazavao tsara izay tianao hatao. Tsy tian’ny olon-dehibe mantsy ny valin-teny hoe: “Tsy haiko!”, indrindra rehefa manontany izy hoe: “Iza avy no ho any?”, “Hisy olon-dehibe hanara-maso ve any?”, na “Amin’ny firy ilay izy no mirava?”

Manàna toe-tsaina tsara: Aza heverina ho toy ny fahavalo ny ray aman-dreninao. Hevero ho toy ny namana kosa izy ireo, satria namanao tokoa izy ireo raha ny marina. Amin’izay ianao tsy hiady aminy, ary ho mora kokoa aminy ny hanaiky ny fangatahanao. Fadio ny miteny hoe: “Tsy matoky ahy ianareo”, “Ho any daholo ny ankizy”, na “Ny namako avelan’ny ray aman-dreniny handeha.” Asehoy fa efa matotra tsara ianao ka manaiky sy manaja ny fanapahan-keviny. Hanaja anao koa izy ireo, amin’izay. Mety ho mora kokoa aminy ny hanaiky ny fangatahanao, amin’ny manaraka.

JEREO NY MANONTANY NY TANORA, BOKY FAHA-2, TOKO 32, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

ANDININ-TENY MAHASOA

“Hendre, anaka, ary ampifalio ny foko.”—Ohabolana 27:11.

SOSO-KEVITRA

Rehefa misy manasa anao, dia eritrereto mialoha izay hataonao na holazainao raha misy tsy mety ny zavatra atao any ka tokony hody ianao. Tsy hanenjika anao amin’izay ny eritreritrao.

FANTATRAO VE... ?

Mailo be ny ray aman-dreny be fitiavana. Mety tsy hekeny ny fangatahanao raha tsy azony tsara hoe inona ilay izy, na hitany hoe misy zavatra afenimpeninao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko raha manenjika ahy ny eritreritro, rehefa mijery filma na miaraka amin’ny namako aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao indraindray no tsy te hilaza amin’ny ray aman-dreninao ny zava-drehetra tokony ho fantany mba hahafahany hanapa-kevitra?

● Inona no mety ho vokany raha manaiky ny fangatahanao izy ireo, nefa nisy zava-dehibe nafeninao taminy?

[Teny notsongaina, pejy 268]

‘‘Adala mihitsy aho taloha. Nisy zavatra ‘nahafinaritra’ ahy erỳ tamin’izany, nefa hay tsy mahafinaritra akory ilay izy. Mivaly aminao foana izay ataonao. Manenina aho tsy mba nihaino an’i Dada sy Neny.’’—Benja.

[Sary, pejy 269]

Toy ny mpanara-maso eny amoron-dranomasina ny ray aman-dreninao, ka tsara toerana kokoa mba hahita an’ireo loza