Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Torohevitra Mahasoa

Torohevitra Mahasoa

Sasin-teny

Torohevitra Mahasoa

‘Ahoana no hiresahako amin’i Dada sy Neny?’, ‘Ahoana no hahazoako namana?’, ‘Tena tsy mety ve ny manao firaisana nefa tsy mpifankatia akory?’, ‘Maninona aho no malahelo be?’

Maro ny ankizy manontany an’ireo, ary anisan’izy ireny angamba ianao. Tsy mitovy anefa indraindray ny valiny omen’ny olona. Te hanampy ny tanora àry ny gazety Mifohaza!, ka namoaka an’ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora”, nanomboka tamin’ny Janoary 1982. Tena mandaitra ny torohevitra ao anatiny. Mbola tian’ny olona foana io lahatsoratra io hatramin’izao. Manao fikarohana tsara aloha izahay, vao mamoaka ny lahatsoratra tsirairay. Manadinadina ankizy any amin’ny tany maro, ohatra, izahay, mba hahalalana izay tena heviny. Ny torohevitra avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa no tena asongadinay.

Tamin’ny 1993 no nisy voalohany ny boky Manontany ny Tanora. Ity nohavaozina ity anefa ilay izy, satria hita fa mihamitombo ny olana manjo ny tanora. Nalaina avy tao amin’ny Mifohaza! nivoaka tamin’ny 2004 ka hatramin’ny 2011 ny ankamaroan’ny fanazavana ato.

Hanampy anao ho lasa olon-dehibe matotra ity boky ity. Manantena izahay fa hanaraka ny torohevitra ato ianao. An-tapitrisany ny tanora sy olon-dehibe efa nanao izany, ka lasa “manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.

Ny Mpampanonta