Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fonony Anatiny eo Aloha

Fonony Anatiny eo Aloha

Fonony Anatiny eo Aloha

Ry tanora malala,

Tena tia antsika i Jehovah Andriamanitra, ilay Raintsika any an-danitra. Tiany ho sambatra àry ianao. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Sambatra a? Sarotra be izany.’ Toa misy olana foana tokoa isan’andro ka kivy ianao. Vonona hanampy anao anefa ilay Rainao be fitiavana. Omeny torohevitra ianao ao amin’ny Teniny, mba hahavitanao hamakivaky ny fiainana. Efa ela no nosoratana ny Baiboly, nefa mbola azo ampiharina foana izay voalaza ao.—Salamo 119:98, 99; 2 Timoty 3:16, 17.

Tianay ianao ka namoaka an’ity boky ity izahay. Tianay ho sambatra sy hankafy ny fiainana ianao. Vakio hatramin’ny farany àry izy ity, ary jereo koa rehefa manana olana ianao. Natao koa ity boky ity, mba hanampiana ny ray aman-dreny sy zanaka hahay hifampiresaka. Manantena izahay fa hiara-hamaky na handinika toko sasany ato ianareo. Henoy tsara ny ray aman-dreninao, satria hendry sy mahalala zavatra izy ireo.

Enga anie i Jehovah hitahy anao foana.

Ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah