Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Ray Aman-dreny

Manontany ny Ray Aman-dreny

Fanazavana Fanampiny

Manontany ny Ray Aman-dreny

“Ahoana no hataoko mba hiresahan’ny zanako amiko?”

“Tokony hoferako ve ny ora tsy maintsy hodian’ny zanako?”

“Ahoana no hanampiako ny zanako hahay handanjalanja amin’ny resaka sakafo?”

Anisan’ny fanontaniana 17 valiana ato amin’ny Fanazavana Fanampiny ireo. Mizara enina izy ity ary atorony ny toko miresaka bebe kokoa momba ilay foto-kevitra, ato amin’ity Boky 1 ity sy ao amin’ny Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2.

Vakio izy ity ary iaraho midinika amin’ny vadinao, raha mety. Azonao anampiana ny zanakao avy eo ny torohevitra hitanao ato. Azo itokisana ireo torohevitra ireo satria tsy avy amin’ny olona mety diso, fa avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.—2 Timoty 3:16, 17.

290  Fifampiresahana

297  Fitsipika

302  Te Hahaleo Tena

307  Firaisana sy Fitiavana

311  Fihetseham-po

315  Fivavahana

 FIFAMPIRESAHANA

Tena tsy mety ve ny mifamaly foana amin’ny vadiko na amin’ny zanako?

Raha tsy mifanara-kevitra ianareo mivady, ary tsy maintsy hitranga izany, ahoana no hataonareo? Misy vokany lalina amin’ny tanora mantsy ny mahita ny ray aman-dreniny mifamaly. Tsara hoeritreretinao izany, satria ny fiainanareo mivady no mety hotahafin’ny zanakareo rehefa hanambady izy. Raha mahay mifandamina tsara àry ianareo rehefa tsy mifanara-kevitra, dia hampianatra an’ireo zanakareo hahay handamina fifandirana. Andramo izao:

Mihainoa. Mampirisika antsika ny Baiboly mba “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, [ary] tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19) “Aza mamaly ratsy ny ratsy” sao vao mainka hitatra ilay fifamaliana. (Romanina 12:17) Afaka mifidy ny hihaino ianao, na dia tsy te hanao izany aza ny vadinao.

Miezaha hanazava fa aza manakiana. Lazao amin’ny vadinao izay tsapanao noho ny zavatra nataony. (“Nampalahelo ahy ilay ... nataonao iny!”) Aoka anefa ianao ho tony rehefa milaza izany. Aza manome tsiny na manakiana hoe: “Tsy mba miraharaha ahy mihitsy ianao!” na “Tsy mihaino ahy mihitsy ianao!”

Ajanony aloha ilay resaka. Tsara kokoa indraindray raha ajanona aloha ilay resaka, ary rehefa tony kokoa ianareo vao tohizina. Hoy ny Baiboly: “Ny fiandohan’ny fifandirana dia toy ny mamaky tohodrano, koa mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.”—Ohabolana 17:14.

Mialà tsiny amin’ny vadinao, ary amin’ny zanakao raha ilaina izany. Hoy i Baovola, 14 taona: “Miala tsiny aminay mianadahy dadanay sy mamanay indraindray rehefa avy nifamaly, satria fantany hoe nampalahelo anay ilay izy.” Anisan’ny lesona sarobidy indrindra azonao ampianarina ny zanakao ny manetry tena ka milaza hoe: “Azafady fa diso aho!”

Ahoana indray raha nifamaly tamin’ny zanakao ianao? Eritrereto sao dia avy aminao no nampitatra ny fifamaliana. Diniho, ohatra, ilay resak’i Rachel sy ny reniny eo am-piandohan’ny Toko 2, pejy 15, amin’ity boky ity. Voamarikao ve izay nolazain-dreniny, ka vao mainka nampifamaly azy mianaka? Inona àry no azonao atao raha tsy tianao ny hifamaly amin’ny zanakao? Andramo izao:

● Aza mampiasa teny manitatra toy ny hoe “... foana ianao” na “... mihitsy ianao.” Vao mainka mantsy hiaro tena ny zanakao, satria fantany fa manitatra ianao. Mety ho fantany koa fa tsy noho ny nataony loatra no mahatonga anao hanitatra, fa noho ianao tezitra aminy.

● Lazao amin’ny zanakao izay tsapanao noho ny nataony, fa aza tonga dia manome tsiny azy. Afaka milaza, ohatra, ianao hoe: “Malahelo (na sosotra) aho rehefa ... ianao.” Zava-dehibe amin’ny zanakao ny mahalala izay tsapanao, na dia sarotra aminao aza ny hino izany. Ho vonona kokoa hankatò anao koa izy amin’izay. *

● Aza miteny raha tsy rehefa tonitony ianao, na dia tsy mora aza izany. (Ohabolana 29:22) Raha noho izy tsy nanao raharaha, ohatra, no mampifamaly anareo, dia mifampiresaha. Soraty mazava hoe inona ilay ampanaovinao azy, ary lazao aminy (raha ilaina) izay ho saziny raha tsy ataony ilay izy. Henoy hatramin’ny farany ny heviny, na dia hitanao hoe diso aza. Mora kokoa amin’ny zanakao ny mankatò, raha mihaino azy ianao fa tsy be fananarana fotsiny.

● Aza tonga dia mieritreritra hoe lasa mpikomy ny zanakao. Tadidio fa mihalehibe izy, ka ara-dalàna raha toa hafahafa aminao ny fihetsiny indraindray. Mety hiady hevitra momba ny zavatra iray izy, mba hisehoana fotsiny hoe tsy zaza intsony. Aza mifamaly aminy anefa. Tadidio fa izay ataonao rehefa sosotra ianao no hotahafin’ny zanakao. Manàna àry faharetana sy fahari-po. Ho modely ho an’ny zanakao ianao amin’izay.—Galatianina 5:22, 23.

JEREO NY TOKO 2, SY BOKY FAHA-2, TOKO 24

Tokony ho fantatry ny zanako daholo ve ny fiainako taloha?

Aoka hatao hoe miara-misakafo amin’ny namana vitsivitsy ianareo mivady sy ny zanakareo vavy. Mandeha eo ny resaka. Tampoka eo dia miresaka momba ny olona iray niaraka taminao taloha ilay namanao. Taitra be ilay zanakao vavy, ka manontany anao raha marina izany. Mbola tsy noresahinao taminy mihitsy ilay izy. Te hahafantatra bebe kokoa anefa izy izao. Inona àry no hataonao?

Avelao izy hanontany, fa aza rarana. Zaranao aza izy manontany sy mihaino anao, satria efa ahafahanareo mifampiresaka izany.

Hotantarainao aminy daholo anefa ve ny fiainanao taloha? Mazava ho azy fa tsy hitantara zavatra mahamenatra anao ianao. Raha mety anefa, dia tantarao aminy ny ady mafy nataonao. Mety hahasoa azy izany. Nahoana?

Diniho, ohatra, izay nolazain’ny apostoly Paoly momba ny tenany. Hoy izy: “Rehefa te hanao izay tsara aho, dia ato anatiko ihany ny ratsy. ... Olo-mahantra aho!” (Romanina 7:21-24) Iza amintsika tokoa moa no tsy efa nahatsapa hoatr’izany? Nasain’i Jehovah Andriamanitra nosoratana ao amin’ny Baiboly àry ireo teny ireo, mba hahasoa antsika.

Resaho amin’ny zanakao koa ny safidy tsara sy ny fahadisoana nataonao. Ho hitany amin’izay fa hay mitovy aminy ihany ianao. Marina fa hafa ny fiainana tamin’ny andronao. Tsy miova anefa ny toetran’ny olona sy ny toro lalan’ny Baiboly. (Salamo 119:144) Ho afaka hiatrika ny olana mahazo azy ny zanakao, raha resahinao aminy ny olana nahazo anao sy ny fomba namahanao azy ireny. Hoy i Tojo: “Hitanao hoe hoatr’anao ihany ny dadanao sy mamanao, rehefa fantatrao fa efa niatrika olana hoatran’ny anao izy. Rehefa manana olana ianao, dia lasa mieritreritra hoe: ‘Efa mba niatrika an’izao koa ve ry zareo?’ ”

Tandremo anefa! Tsy voatery hananatra azy foana ianao isaky ny avy mitantara ny fiainanao. Marina fa tsy tianao ho diso fandray an’izay notantarainao ny zanakao, na hanjary hieritreritra fa tsy mampaninona ny mamerina ny fahadisoana efa nataonao. Tsy izay lesona tianao horaisiny avy amin’ilay fitantarana anefa no tsara horesahina aminy (“Izany no mahatonga anao tsy mahazo manao an’izao sy izao!”), fa izay tsapanao. (“Manenina mihitsy aho nanao an’izao sy izao satria...”) Handray fianarana sarobidy ny zanakao amin’izay, nefa tsy hahatsapa hoe nanarina be.—Efesianina 6:4.

JEREO NY TOKO 1

Ahoana no hataoko mba hiresahan’ny zanako amiko?

Azo inoana fa notantarain’ny zanakao taminao daholo ny zava-drehetra, tamin’izy mbola kely. Tsy nisalasala izy namaly ny fanontanianao. Matetika aza ianao tsy nila nanontany akory, fa izy no tonga dia niresaka. Rehefa mihalehibe anefa izy, dia toa very maina ny ezaka ataonao hampiresahana azy. Lasa saina ihany ianao hoe: ‘Fa maninona àry izy no tsy miresaka amiko, nefa miresaka amin’ny namany?’

Aza tonga dia mieritreritra anefa hoe tsy tia anao ny zanakao, na tsy tiany hidikidiranao ny fiainany. Izao indrindra izy no mila anao. Milaza koa ny mpikaroka fa mbola aleon’ny tanora manaraka ny tenin’ny ray aman-dreniny, toy izay ny an’ny namany na izay lazain’ny haino aman-jery.

Nahoana àry ny zanakao no tsy te hamboraka aminao ny ao am-pony? Diniho izay nolazain’ireto tanora ireto momba ny antony tsy iresahany amin’ny ray aman-dreniny. Eritrereto avy eo ireo fanontaniana eo ambany, ary jereo ao amin’ny Baiboly ireo andinin-teny.

“Sarotra amiko ny miresaka amin’ny dadanay satria be herehina izy. Be asa be mantsy izy, sady mbola mikarakara ny fiangonana koa. Hoatran’ny tsisy fotoana azo iresahana aminy mihitsy.”—Avotra.

‘Mety ho avy amiko ihany ve no mahatonga ny zanako hieritreritra fa tsy manam-potoana hiresahana aminy aho? Inona àry no azoko atao mba ho mora hatonina kokoa aho? Isaky ny inona aho no hanokana fotoana hiresahana aminy?’—Deoteronomia 6:7.

“Nitomany aho nilaza tamin’ny mamanay hoe nisy ankizy niady tamiko tany am-pianarana. Mba nila tambitamby aho, nefa vao mainka nobedesiny. Tsy nitantara zavatra taminy intsony aho taorian’izay.”—Njara.

‘Inona no ataoko rehefa milaza ny olana manjo azy ny zanako? Na dia mila bedesina aza izy, afaka mifehy tena ve aho ka mihaino sy mangoraka azy aloha, vao miteny azy?’—Jakoba 1:19.

“Miteny foana ny ray aman-dreny hoe tsy ho tezitra izy ireo raha mitantara zavatra aminy ny zanany. Mbola tezitra ihany anefa ry zareo, ka diso fanantenana ilay ankizy.”—Rondro.

‘Raha mitantara zavatra mahatezitra ahy ny zanako, ahoana no ahafahako mifehy tena eo am-pihainoana azy?’—Ohabolana 10:19.

“Isaky ny mitantara ny tsiambarateloko amin’ny mamanay aho, dia resahiny amin’ny namany foana ilay izy. Lasa tsy natoky azy intsony aho.”—Chantal.

‘Tsy resadresahiko amin’olona ve ireo zavatra notantarain-janako tamiko sao hampalahelo azy?’—Ohabolana 25:9.

“Be dia be ny zavatra tiako horesahina amin’ny dadanay sy mamanay, fa miandry an-dry zareo hanombo-dresaka fotsiny aho.”—Koloina.

‘Mitady fomba iresahana amin’ny zanako ve aho? Inona no fotoana mety indrindra azonay ifampiresahana?’—Mpitoriteny 3:7.

Handray soa ny ray aman-dreny raha miezaka hifampiresaka amin’ny zanany. Izao, ohatra, no notantarain’i Junko, 17 taona, any Japon: “Nilaza tamin’ny mamanay aho, indray mandeha, fa aleoko ny ankizy any am-pianarana toy izay ny ankizy any am-pivoriana. Nasian’ny mamanay taratasy ho ahy teo ambony latabatro, ny ampitson’iny. Nosoratany tao fa tsy nana-namana tany am-pivoriana koa izy taloha. Misy olona, hoy izy, resahin’ny Baiboly hoe nanompo an’Andriamanitra foana, na dia tsy nana-namana hampahery azy aza. Noderainy koa aho satria niezaka ny hanana namana tsara. Gaga aho hoe hay tsy izaho irery no nanana olana hoatr’izany, fa mamanay koa. Faly be aho ka latsa-dranomaso mihitsy. Tena nampahery ahy ilay taratasiny, sady nandrisika ahy hanao ny tsara.”

Mora kokoa amin’ny tanora àry ny mamboraka ny ao am-pony, rehefa fantany fa tsy hihomehy na hanakiana azy ny ray aman-dreniny. Ahoana anefa raha sorena na tezitra ny zanakao, rehefa miresaka aminao? Aza mifamaly aminy. (Romanina 12:21; 1 Petera 2:23) Asehoy aminy kosa izay fomba fiteny sy fihetsika tianao hotahafiny, na dia mety ho sarotra aminao aza izany.

Tadidio fa mbola eo an-dalam-piovana ny tanora. Voamariky ny manam-pahaizana fa miovaova be izy ireo: Mbetika izy mitondra tena toy ny olon-dehibe, mbetika izy manao sain-jaza. Inona àry no tokony hataonao, rehefa hitanao fa manao sain-jaza ny zanakao?

Aza tonga dia manakiana azy na mifamaly aminy. Miezaha kosa hampisaintsaina azy toy ny ataonao amin’ny olon-dehibe. (1 Korintianina 13:11) Mety hanao sain-jaza, ohatra, ny zanakao ka hiteny hoe: “Fa maninona àry aho no teniteneninareo foana?” Raha amin’izay anefa ianao no tezitra, dia mety hifamaly ianareo mianaka. Azonao atao fotsiny ny miteny hoe: “Hoatran’ny mbola tezitra be ianao izao, fa aleo amin’ny manaraka isika miresaka, rehefa tony kokoa ianao.” Ho vonona hifampiresaka tsara ianareo amin’izay, fa tsy hifamaly.

JEREO NY TOKO 1 SY 2

 FITSIPIKA

Tokony hoferako ve ny ora tsy maintsy hodian’ny zanako?

Aoka hatao hoe tara antsasak’adiny amin’ny ora tokony hodiany ny zanakao lahy. Renao manokatra varavarana moramora izy. ‘Heveriny fa efa matory angamba aho’, hoy ianao. Tsy natory anefa ianao fa nipetraka niandry azy, nanomboka tamin’ny ora tokony ho nodiany. Rehefa tafiditra izy, dia io ianao efa miandry azy. Inona no holazainao sy hataonao?

Tsy haninona ve ianao, fa hieritreritra fotsiny hoe: ‘Ny ankizilahy ange hoatr’izany foana e’? Sa ho tezitra be ianao, ka hilaza hoe: “Tsy mahazo mivoaka ny trano intsony ialahy”? Aza tonga dia misendaotra anefa, fa henoy aloha izy sao mba tena nisy antony nahatara azy. Azonao hararaotina avy eo iny zava-nitranga iny mba hampianarana azy lesona lehibe. Amin’ny fomba ahoana?

Soso-kevitra: Ilazao ny zanakao fa hiresaka ianareo rahampitso. Mifidiana fotoana mety tsara, ka hazavao aminy ny fepetra horaisinao. Izao, ohatra, no ataon’ny ray aman-dreny sasany: Raha tara fodiana ny zanany, dia haroso antsasak’adiny ny ora tsy maintsy hodiany amin’ny manaraka. Ahoana kosa raha mody ara-potoana foana ny zanakao, ka hita fa azo itokisana? Mety ho azonao avela hody taratara izy indraindray. Ataovy mazava aminy ny ora tsy maintsy hodiany sy izay ho saziny raha tsy hajainy izany. Tena ampiharo ilay sazy raha tara izy.

Tadidio anefa fa milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.” (Filipianina 4:5) Anontanio àry aloha ny zanakao hoe amin’ny firy no tiany hodiana sy ny antony itiavany izany. Aza tonga dia lavina ny soso-keviny. Mety ho azonao ekena ilay izy raha tsy tafahoatra loatra sady efa hitanao fa azo itokisana ny zanakao.

Tena zava-dehibe ny hoe marim-potoana. Tsy hoe miaro ny zanakao fotsiny àry ianao raha mametra ny ora fodiany, fa mampianatra azy hanaja fotoana koa. Hahasoa azy mandritra ny androm-piainany izany.—Ohabolana 22:6.

JEREO NY TOKO 3, SY BOKY FAHA-2, TOKO 22

Ahoana no hataoko fa miady foana izahay mianaka amin’ny resaka akanjo?

Jereo ilay resaka nifanaovan’i Kathy tamin’ny ray aman-dreniny, eo amin’ny pejy 77. Aoka hatao hoe zanakao i Kathy. Hitanao fa fohy kely ny akanjony. Tonga dia hoy ianao: “Soloy mihitsy aloha iny, fa raha tsy izany ianao tsy mahazo mivoaka eo!” Mety hisolo akanjo tokoa izy. Tsy afa-manoatra mantsy izy fa tsy maintsy mankatò. Ahoana anefa no anampianao azy hanova ny toe-tsainy, fa tsy ny akanjony fotsiny?

● Voalohany, tadidio izao: Tokony hampahafantarinao ny zanakao fa hahita olana izy raha tsy maotina ny akanjony. Azo inoana fa na izy koa aza tsy ho faly raha misy mihomehy na manadala azy. Hazavao tsara aminy àry hoe nahoana no tsy mety ny manao akanjo tsy maotina. * Atoroy azy avy eo ny karazana akanjo azony anaovana.

● Faharoa, mahaiza mandanjalanja. Mieritrereta hoe: ‘Tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly ve ilay akanjo, sa izaho fotsiny no tsy tia an’ilay izy?’ (2 Korintianina 1:24; 1 Timoty 2:9, 10) Raha ianao no tsy tia an’ilay akanjo, maninona raha mba mandefitra kely?

● Fahatelo, aza milaza fotsiny hoe inona no tsy azony anaovana, fa ampio koa izy hahita izay akanjo mety amin’ny Kristianina. Azonao ampiasaina ny pejy 82 sy 83, mba hampisaintsainana ny zanakao. Mitaky fotoana sy ezaka izany, nefa tena hitondra soa.

JEREO NY TOKO 11

Tokony havelako hilalao video ve ny zanako?

Niova be ny lalao video, fa tsy toy ny tamin’ny ianao mbola tanora. Ahoana àry no hanampianao ny zanakao hahalala ny mety ho voka-dratsin’ireny sy ho mailo?

Tsy tsara ny manome tsiny ny mpamokatra lalao video, na manizingizina fa mandany fotoana fotsiny ireny lalao ireny. Tadidio fa tsy ny lalao video rehetra no ratsy. Mety hanandevo anefa izy ireny. Fantaro àry ny fotoana lanin’ny zanakao ilalaovana azy ireny. Jereo koa izay lalao video tiany. Azonao anontaniana mihitsy aza izy hoe:

● Inona ny lalao video tena tian’ny mpiara-mianatra aminao?

● Ahoana sy ahoana no fandehan’ilay izy?

● Fa maninona ilay izy no tena tian’ny ankizy?

Mety ho gaga ianao hahita fa be dia be ny zavatra fantatry ny zanakao momba ny lalao video! Mety ho efa nanao lalao video heverinao fa ratsy mihitsy aza izy. Aza tonga dia tezitra anefa, fa ampio kosa izy hahay hisaina.—Hebreo 5:14.

Mametraha fanontaniana hanampy azy hahita hoe nahoana izy no tia lalao video ratsy. Anontanio izy, ohatra, hoe:

● Tsy tian’ny namanao angaha ianao, raha tsy mahazo manao an’io lalao video io?

Misy ankizy mantsy manao lalao video, mba hisy hotantarainy amin’ny namany fotsiny. Raha toy izany ny zanakao, dia mora kokoa ny manampy azy satria tsy hoe tiany ny lalao feno herisetra na lalao ahitana fitondran-tena maloto.—Kolosianina 4:6.

Ahoana kosa no hatao raha ireo zava-dratsy ireo mihitsy no mahafinaritra azy? Tonga dia miaro tena ny tanora sasany, ka milaza fa tsy hisy vokany aminy ny lalao video feno herisetra. Hoy izy ireo: ‘Lalao fotsiny ange ilay izy e! Izaho ve dia hanao hoatr’izany?’ Raha izany no lazain’ny zanakao, dia vakio aminy ny Salamo 11:5. Resahin’io andininy io tsara fa tsy ny olona mahery setra ihany no tsy ankasitrahan’Andriamanitra, fa izay tia izany koa. Tsy ankasitrahany koa izay tia manao lalao misy fitondran-tena maloto na zava-dratsy hafa rarany.—Salamo 97:10.

Andramo izao, raha hitanao fa olana ho an’ny zanakao ny lalao video:

● Aza avela hanao lalao video ao amin’ny toerana tsy ahitanao azy izy, ohatra hoe ao amin’ny efitra fatoriany.

● Manomeza fitsipika, toy ny hoe tsy mahazo milalao izy raha tsy avy misakafo hariva, na raha tsy mahavita entimody na zavatra hafa tsy maintsy atao.

● Lazao aminy hoe mahasoa ny mampiasa vatana.

● Mijere azy milalao, na miaraha milalao aminy mihitsy indraindray.

Ianao mihitsy anefa no tokony ho modely, raha tianao ny hanampy ny zanakao. Eritrereto àry aloha hoe inona no karazana filma tianao. Aza manao ‘mpitari-bato vilam-bava’, fa ho fantatry ny zanakao foana izany!

JEREO NY BOKY FAHA-2, TOKO 30

Inona no hataoko raha eo amin’ny telefaonina na ordinatera na fitaovana elektronika hafa foana ny zanako?

Mandany fotoana be loatra amin’ny Internet ve ny zanakao, na mandefa sy mahazo SMS be loatra? Aleony ve mihaino hira, toy izay hiresaka aminao? Inona àry no azonao atao?

Halainao fotsiny ve ilay fitaovana? Tsy hoe ratsy daholo anefa rehefa fitaovana elektronika. Na ianao koa aza angamba mba mampiasa fitaovana elektronika tsy nisy tamin’ny andron’ny ray aman-dreninao. Aza alaina àry ilay fitaovana, raha tsy hoe misy antony lehibe hakana azy angaha. Ampianaro hampiasa an’ilay izy amim-pahendrena sy hahay handanjalanja kosa ny zanakao. Ahoana no hanaovanao izany?

Miresaha amin’ny zanakao. Voalohany, lazao azy izay mampanahy anao. Faharoa, henoy izy. (Ohabolana 18:13) Fahatelo, mitadiava vahaolana. Aza matahotra manome fitsipika hentitra, nefa mahaiza mandanjalanja. Hoy i Eliane: “Hitan’ny dadanay sy mamanay hoe nandefa SMS foana aho. Tsy nalainy anefa ny telefaoniko, fa nanome fitsipika ry zareo. Nanampy ahy hahay handanjalanja izany, na dia rehefa tsy teo imasony aza aho.”

Ahoana raha miaro tena ny zanakao? Aza mieritreritra hoe tsy raharahainy ny torohevitrao. Manàna kosa faharetana ka omeo fotoana hieritreretana izy. Mety ho efa manaiky ny hevitrao izy ary vonona hiova. Maro ny tanora toa an’i Henintsoa, izay nilaza hoe: “Tezitra aho tamin’ny voalohany rehefa nolazain’ny dadanay sy mamanay hoe andevozin’ny ordinatera. Rehefa nieritreritra tsara anefa aho, dia niaiky ihany hoe marina ny an-dry zareo.”

JEREO NY TOKO 36

 TE HAHALEO TENA

Tsy tokony hidikiditra amin’ny fiainan-janako mihitsy ve aho?

Mety ho sarotra ny hamaly an’io fanontaniana io. Inona, ohatra, no hataonao raha mihidy ao amin’ny efitranony ny zanakao? Tonga dia hiditra ve ianao fa tsy handondòna? Ary raha maika hianatra izy ka hadinony ny findainy, hitsikilo ny SMS voarainy ve ianao?

Tsy mora ny mamaly an’ireo fanontaniana ireo. Manan-jo hahalala izay ataon’ny zanakao mantsy ianao, ary adidinao ny miaro azy. Tsy ho afaka hanara-maso an’izay ataony foana koa anefa ianao. Ahoana àry no hahaizanao mandanjalanja?

Tadidio aloha fa tsy voatery hoe manao ratsy akory ny ankizy iray, matoa te ho irery izy indraindray. Fihetseham-po ara-dalàna amin’ny ankizy mihalehibe izany. Toy ny hoe mianatra ny hikopak’elatra mantsy izy, satria miezaka ‘mampiasa ny sainy’ mba hifidianana namana sy hamahana olana. (Romanina 12:1, 2) Hanampy azy ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra izany. Ho afaka hieritreritra tsara koa izy alohan’ny hanapahana hevitra, na hamaliana fanontaniana sarotra momba ny finoany sy ny fitondran-tenany.—Ohabolana 15:28.

Faharoa, tadidio fa mety ho tezitra sy hikomy ny zanakao, raha idikidiranao loatra ny fiainany. (Efesianina 6:4; Kolosianina 3:21) Tsy midika koa anefa izany hoe tokony havelanao hanao izay tiany fotsiny izy. Mbola ianao mantsy no ray aman-dreny. Ny hananan’ny zanakao feon’ny fieritreretana voaofana tsara kosa no tanjona. (Deoteronomia 6:6, 7; Ohabolana 22:6) Aleo àry manome azy tari-dalana toy izay manara-maso an’izay rehetra ataony.

Fahatelo, miresaha amin’ny zanakao ary henoy izay lazainy. Mba afaka mandefitra ve ianao indraindray? Lazao azy fa tsy hidikiditra amin’izay rehetra ataony ianao, raha hitanao fa azo itokisana izy. Hazavao aminy izay ho saziny raha tsy mankatò izy, ary tena ampiharo ilay izy raha ilaina. Tsy midikiditra loatra amin’ny fiainan’ny zanakao ianao amin’izay, nefa mbola ray aman-dreny be fiahiana ihany.

JEREO NY TOKO 3 SY 15

Rahoviana ny zanako no tokony hiala amin’ny fianarana?

“Mankaleo ahy ny mpampianatra anay!” “Be loatra ny devoarako!” “Tsy mety mahazo naoty tsara mihitsy aho, k’inona no mbola hankanesako any am-pianarana?” Tsy te hianatra intsony ny ankizy sasany noho ireo antony ireo, nefa mbola tsy afaka mamelon-tena akory. Inona àry no azonao atao raha tsy te hianatra intsony ny zanakao? Andramo izao:

Eritrereto hoe ahoana no fiheveranao ny fianarana. Fandaniam-potoana fotsiny ve ilay izy taminao? Toy ny hoe ‘tao am-ponja’ ve ianao tamin’izany ka tsy andrinao izay nialana tao, mba hanaovana ireo zavatra noheverinao fa lehibe kokoa? Mety ho nifindra tamin’ny zanakao koa izany toe-tsaina izany. Tadidio anefa fa tokony ho ampy tsara ny fianarana vitany mba hananany “fahendrena” sy “fahaiza-misaina”, izay hanampy azy hanatratra ny tanjony.—Ohabolana 3:21.

Omeo izay ilainy. Misy ankizy mety ho afaka hahazo naoty tsara ihany, saingy tsy hainy ny fomba fianatra na tsy misy toerana mety tsara hianarany. Izao, ohatra, no ilaina rehefa mianatra: Latabatra voalamina tsara, hazavana ampy tsara, ary boky fianarana. Hihamahay ny zanakao any am-pianarana ary hazoto kokoa hianatra Baiboly izy, raha omenao toerana mety tsara hianarany sy hisaintsainany hevi-baovao.—Ampitahao amin’ny 1 Timoty 4:15.

Manaova zavatra. Hevero ho toy ny namana fa tsy fahavalo ireo mpanabe. Ataovy izay hihaonana aminy ary miezaha hifankahalala aminy. Resaho aminy ny tanjon’ny zanakao sy ny olana mahazo azy. Raha ratsy ny naotin’ny zanakao, dia fantaro ny antony. Matahotra ve izy, ohatra, sao hampijalin’ny ankizy raha mahay? Sa misy mpampianatra tsy azoazony? Sa ilay taranja no olana? Marina fa mihasarotra ny zavatra ianaran’ny zanakao, nefa tokony hampiana izy mba haharaka foana. Ary sao dia tsy mahita tsara izy, na manana olana hafa ara-pahasalamana?

Arakaraka ny anampianao ny zanakao no hahatonga azy hahay kokoa any am-pianarana, sy hazoto kokoa hianatra Baiboly.—Salamo 127:4, 5.

JEREO NY TOKO 19

Ahoana no ahalalako hoe vonona hiala ato an-trano ny zanako?

Natahotra ny hitokan-trano i Serena, izay voaresaka ao amin’ny Toko 7. Fa nahoana? Hoy izy: “Tsy avelan’ny dadanay mividy zavatra amin’ny volako mihitsy aho. Anjarany, hono, izany. Mampatahotra ahy àry ny hiantoka an’izay rehetra laniko.” Azo antoka fa mitady izay hahasoa an’i Serena ny rainy. Mampianatra ny zanany hahay hamelon-tena anefa ve izy, araka ny hevitrao?—Ohabolana 31:10, 18, 27.

Ampihantainao loatra ve ny zanakao, ka tsy mba mianatra ny hahaleo tena? Diniho àry ireto lafin-javatra efatra ireto. Efa voaresaka tao amin’ny Toko 7 izy ireto, eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Efa vonona ve aho?” Natao ho an’ny ray aman-dreny indray anefa izy eto.

Mitantam-bola. Fantatry ny zanakao ve hoe ohatrinona ny vidin-javatra eny an-tsena, ny hofan-trano, na ny zavatra hafa tsy maintsy aloan’ny fianakaviana? (Romanina 13:7) Tsy tia mitrosa tsy amin’antony ve izy? (Ohabolana 22:7) Mahay mitsinjara ny vola azony ve izy, ary tsy mitady zavatra tsy takatry ny volany? (Lioka 14:28-30) Faly ve izy mividy zavatra amin’ny vola azony tamin’ny herim-pony? Vao mainka ve izy faly manome ny volany sy ny fotoanany hanampiana ny hafa?—Asan’ny Apostoly 20:35.

Manao raharaha. Mahay mahandro sakafo ve ny zanakao vavy sy ny zanakao lahy? Nampianarinao hanasa lamba sy hipasoka ve izy? Raha mitondra fiara izy, hainy ve ny manao fikojakojana tsotsotra, toy ny manolo pne sy menaka?

Mifandray amin’olona. Ianao foana ve no mandamina ny adin’ireo zanakao efa lehibebe, ka manome vahaolana ho azy? Sa zarinao hifandamina sy hitady vahaolana aloha ry zareo, ary manao tatitra aminao avy eo?—Matio 5:23-25.

Mahavita manompo foana an’Andriamanitra. Miezaka mandresy lahatra ny zanakao ve ianao, sa tonga dia lazainao aminy izay tokony hinoany? (2 Timoty 3:14, 15) Ampianarinao ‘hahay hisaina’ ve izy, sa tonga dia valianao daholo ny fanontaniany momba ny Baiboly sy ny fitondran-tena? (Ohabolana 1:4) Mazoto mianatra samirery ve ianao ka tianao hanahaka anao ny zanakao? Sa hitanao hoe tsy tena fakan-tahaka ianao amin’io lafiny io, ka tianao hanao tsara kokoa izy? *

Mitaky fotoana sy ezaka mafy ny mampiofana ny zanakao amin’ireo lafiny ireo. Tsy ho very maina anefa izany. Marina fa halahelo ianao rehefa hiala ao an-trano izy, nefa ho faly koa satria ary elatra amin’izay izy.

JEREO NY TOKO 7

 FIRAISANA SY FITIAVANA

Tokony hiresaka amin-janako momba ny firaisana ve aho?

Mbola kely ny ankizy izao dia efa misy manasa hanao firaisana. Efa ela ny Baiboly no nilaza fa “hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina” amin’ny “andro farany.” “Tsy hahafehy tena” ny olona, ary “ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:1, 3, 4) Porofon’izany, ohatra, ny hoe betsaka ny olona manao firaisana nefa samy miala fotsiny avy eo, rehefa azony izay ilainy.

Samy hafa be ny fiainana ankehitriny sy ny tamin’ianao mbola kely. Mitovy ihany anefa amin’ny ankapobeny ny olana atrehin’ny olona. Aza matahotra loatra àry raha maro no mitaona ny zanakao haditra, ary aza mieritreritra hoe tsy afa-manoatra ianao. Ampio kosa izy hanaraka ny torohevitra nomen’ny apostoly Paoly, 2 000 taona teo ho eo izay. Hoy izy: “Tafio daholo ny fiadiana fiarovana rehetra avy amin’Andriamanitra mba hahafahanareo ho mafy orina ka hahatohitra ny teti-dratsin’ny Devoly.” (Efesianina 6:11) Tanora kristianina maro no mendri-piderana satria miady mafy mba hanao ny tsara, na dia eo aza ny fitaoman-dratsy samy hafa. Inona no azonao atao mba hanampiana ny zanakao hanao toy izany?

Azonao atao, ohatra, ny miara-midinika aminy toko sasany ao amin’ny Fizarana Faha-4 amin’ity boky ity, na Fizarana 1 sy Faha-7 amin’ny Boky Faha-2. Misy andinin-teny mampisaintsaina ao amin’ireo toko ireo. Manasongadina tantara tena nisy koa ny sasany amin’ireo. Nisy, ohatra, tanora nandray fitahiana satria tapa-kevitra ny hanao ny tsara. Tsy niraharaha ny lalàn’Andriamanitra kosa ny sasany, ka nijinja ny vokany. Misy toro lalana ara-baiboly koa ao hanampy ny zanakao hahita fa voninahitra lehibe ny mankatò ny lalàn’Andriamanitra. Maninona raha iaraha-midinika aminy ireo toko ireo ato ho ato?

JEREO NY TOKO 23, 25 SY 32, SY BOKY FAHA-2, TOKO 4-6, 28, SY 29

Tokony havelako hampiaraka ve ny zanako?

Hampiaraka sa tsia? Tsy maintsy hanapa-kevitra momba izany ny zanakao, na ho ela na ho haingana. Hoy i Fidy: “Tsy mila mitady ankizivavy hiarahana akory aho, fa ry zareo indray no tonga dia manatona ahy! Tsy hitako àry izay atao. Sarotra ny mandà satria tsara tarehy be ny sasany!”

Ry ray aman-dreny, resaho amin’ny zanakao àry ny momba ny fiarahana amin’ny ankizilahy na ankizivavy. Mety ho azonareo iaraha-midinika ny Toko 1 amin’ny Boky Faha-2. Anontanio hoe inona no olana atrehiny any am-pianarana na eo anivon’ny fiangonana mihitsy aza, ary ampirisiho izy hilaza ny heviny. Azonareo atao foana ny mifampiresaka, na ‘mipetraka ao an-trano ianareo, na mandeha eny an-dalana.’ (Deoteronomia 6:6, 7) Aoka anefa ianao ho “mailaka hihaino” sy “tsy ho maika hiteny.”—Jakoba 1:19.

Aza taitra raha milaza ny zanakao fa misy ankizy tiany. Hoy ny ankizivavy iray: “Tezitra be dadanay rehefa fantany hoe nanao sipa aho! Nampitahoriny aho sady nanontanintaniany hoe vonona ny hanambady ve. Rehefa atao an’izany anefa ianao, dia vao mainka te hiaraka amin’ilay sipanao mba hanaporofoana fa diso hevitra ny dadanao sy mamanao!”

Mety mbola hampiaraka ihany ny zanakao saingy hanafina an’izany, raha fantany hoe tsy azo iresahana momba ny fiarahana amin’ny ankizilahy na ankizivavy mihitsy ianao. Hoy ny ankizivavy iray: “Vao mainka ny ankizy te hanafina rehefa tonga dia tezitra be ny dadany sy mamany. Mbola mangalatra miaraka amin’ilay sipany ihany izy.”

Aleo àry mifampiresaka tsara amin’ny zanakao. Hoy i Baholy, 20 taona: “Tsy mihafahafa mihitsy dadanay sy mamanay miresaka amiko momba ny fiarahana amin’ny ankizilahy. Tian-dry zareo ho fantatra hoe iza ny ankizilahy mba tiatiako. Hitako hoe tsara izany! Miresaka amin’ilay ankizilahy i Dada avy eo. Raha misy zavatra tsy azoazon-dry zareo, dia resahiny amiko. Matetika àry aho no manapa-kevitra ny tsy hiaraka amin’ilay ankizilahy.”

Hieritreritra angamba ianao rehefa avy namaky ny Toko 2 amin’ny Boky Faha-2 hoe: ‘Sao dia mba mampiaraka àry ny zanako saingy manafina amiko?’ Nilaza antony mety hahatonga ny ankizy halaim-panahy hanao izany ireto tanora ireto. Mariho izay nolazainy ary eritrereto ny valin’ireo fanontaniana eo ambany.

“Mitady ankizilahy na ankizivavy hiarahana ny tanora sasany, satria tsy ampy fitiavana izy ao an-trano.”—Kalina.

Ahoana àry no azonao anehoana fitiavana amin’ny zanakao, satria tena mila izany izy? Mbola misy azonao hatsaraina ve amin’io lafiny io? Inona avy izany, ohatra?

“Tamin’izaho 14 taona, dia nisy ankizilahy nangataka ahy hiaraka taminy. Nanaiky aho, satria mba tiako izany hoe misy ankizilahy misakambina ahy izany.”—Dina.

Ahoana no hataonao, raha zanakao i Dina?

“Mora ny manafina hoe mampiaraka ianao, rehefa manana finday. Tsy ho fantatry ny dadanao sy ny mamanao mihitsy ilay izy!”—Anna.

Inona no fepetra azonao raisina raha manana finday ny zanakao?

“Mora amin’ny ankizy ny manafina hoe mampiaraka izy, raha ohatra ny dadany sy mamany ka tsy miezaka hahalala an’izay ataony sy izay miaraka aminy any.”—Thomas.

Inona no azonao atao mba hahafantaranao bebe kokoa izay ataon’ny zanakao, nefa tsy hidikiditra loatra amin’ny fiainany?

“Tsy ao an-trano ny ray aman-dreny matetika rehefa ao ny zanany. Na koa matoky be loatra an-janany izy, dia mamela azy handehandeha miaraka amin’ity olona rehetra ity.”—Ntsoa.

Eritrereto hoe iza no tena naman’ny zanakao. Fantatrao tsara ve hoe inona no ataony rehefa tafaraka izy ireo?

“Mety hangalatra hampiaraka ny ankizy, rehefa masiaka loatra ny dadany sy mamany.”—Paul.

Hita ve hoe “mahay mandanjalanja” ianao, nefa tsy mampandefitra ny lalàna sy toro lalan’ny Baiboly?—Filipianina 4:5.

“Nahatsiaro tena ho tsy nisy dikany aho tamin’izaho 13 taona tany ho any, ka naniry mafy ho tian’olona. Nifanoratra e-mail tamin’ny ankizilahy iray tany amin’ny fiangonana hafa àry aho. Lasa tiako izy, satria nahatonga ahy hahatsiaro ho nisy vidiny.”—Linda.

Mety ho nisy fomba hafa azon’ny tao an-trano nanampiana an’i Linda ve mba hahatsapany hoe tiana izy?

Maninona raha iaraha-midinika amin’ny zanakao ity fizarana ity sy ny Toko 2 amin’ny Boky Faha-2? Tsy alaim-panahy hanafina izay ataony ny ankizy, rehefa iresahana tsy an-kifonofono sy avy amin’ny fo.—Ohabolana 20:5.

JEREO NY BOKY FAHA-2, TOKO 1-3

 FIHETSEHAM-PO

Inona no hataoko raha milaza amiko ny zanako fa te hamono tena izy?

Be dia be mihitsy ny tanora mamono tena, any amin’ny tany sasany. Hita tamin’ny fikarohana natao teto Antananarivo, ohatra, fa nisy 1 383 ny olona nihinana poizina na fanafody mba hamonoan-tena, teo anelanelan’ny taona 1996 sy 2000. Ankizy 10 ka hatramin’ny 19 taona ny 25,3 isan-jato tamin’ireo, ary 20 ka hatramin’ny 29 taona ny 48,5 isan-jato. Ankizy manao ahoana no tena atahorana hamono tena? Ireo manana aretin-tsaina na ireo efa nanandrana namono tena, na manana fianakaviana efa namono tena. Ireto misy famantarana hoe mety ho efa mieritreritra ny hamono tena ny tanora iray:

● Mitokantokana, tsy miaraka intsony amin’ny fianakaviany sy ny namany

● Lasa malain-komana na tendan-kanina loatra. Tsy mahita tory na lasa be torimaso

● Tsy tiany intsony ny manao ny zavatra nahafinaritra azy taloha

● Miova be ny toetrany

● Mifoka rongony na misotro toaka be

● Zarazarainy amin’ny olona ny zavatra sarobidy aminy

● Miresaka foana momba ny fahafatesana, na mieritreritra momba izany foana

Tena diso ny ray aman-dreny raha tsy miraharaha na manamaivana an’ireo famantarana ireo. Aza tonga dia manatsoaka hevitra hoe sendra mandalo fotsiny ilay izy.

Aza misalasala àry manatona dokotera, raha ketraka lava ny zanakao na misy voa kely ny sainy. Raha atahoranao hamono tena izy, dia anontanio raha mitady hanao izany tokoa. Tsy marina ilay hoe mampirisika ny ankizy hamono tena izay miresaka momba izany aminy. Tanora maro no te hiresaka an’ilay izy, raha ny marina, rehefa anontanian’ny ray aman-dreniny. Raha miaiky ilay zanakao hoe te hamono tena, dia fantaro raha efa misy zavatra eritreretiny hatao mba hanatanterahana izany. Aza miandriandry àry fa manaova zavatra avy hatrany.

Aza mieritreritra hoe tampotampoka eo dia tsy ho ketraka intsony ny zanakao. Na dia toa tsy ketraka intsony aza izy, dia aza mihevitra hoe tsy atahorana hamono tena intsony. Amin’izay indrindra ianao no tokony ho mailo. Nahoana? Satria mety tsy hahavita hamono tena ny ankizy, rehefa tena kivy be. Mety ho vitany kosa anefa izany rehefa misinda ny hakiviany, satria mihamatanjaka izy ka manana hery hamonoan-tena.

Tena mampalahelo ny mahita tanora te hamono tena satria kivy be. Ho afaka “hanao teny mampahery ny kivy” anefa ny ray aman-dreny sy ny olon-dehibe hafa be fitiavana, raha mailo sy manao zavatra avy hatrany rehefa mahatsikaritra fihetsika hafahafa ataon’ny tanora. Ho afaka hiaro ny tanora izy ireo amin’izay.—1 Tesalonianina 5:14.

JEREO NY TOKO 13 SY 14, SY BOKY FAHA-2, TOKO 26

Tokony hafeniko amin’ny zanako ve ny alaheloko?

Mafy izany hoe maty vady izany. Mila ny fanampianao koa anefa ny zanakao amin’ny fotoana toy izany. Ahoana àry no hanampianao azy hizaka ny alahelony, nefa ianao koa aza malahelo? Andramo izao:

Aza afenina ny fihetseham-ponao. Miana-javatra maro ny zanakao rehefa mandinika ny ataonao. Anisan’izany ny fahaizana mizaka alahelo. Aza mieritreritra àry hoe tsy maintsy miseho ho mafy be ianao, ka hanafina ny alahelonao amin’ny zanakao. Mety hanao toy izany koa mantsy izy. Asehoy kosa ny alahelonao. Ho hitany amin’izay hoe mahasoa kokoa raha aseho ny alahelo fa tsy kobonina, ary ara-dalàna raha malahelo izy, na kivy, na tezitra mihitsy aza.

Ampirisiho hiresaka ny zanakao. Ampirisiho izy hamboraka ny ao am-pony, nefa aza terena. Raha misalasala izy, nahoana raha iaraha-midinika aminy ny Toko 16? Resaho koa ireo fotoana nahafinaritra niarahanao tamin’ny vadinao. Tsory aminy fa ho mafy aminao izao ny hiatrika ny fiainana. Hianatra hilaza ny ao am-pony koa ny zanakao, raha mamboraka aminy ny fihetseham-ponao ianao.

Tadidio fa mila fanampiana koa ianao. Ara-dalàna raha te hanampy ny zanakao foana ianao mandritra ilay fotoan-tsarotra. Tadidio anefa fa mbola malahelo be ianao satria vao maty vady. Ketraka sy rera-tsaina ary vizana koa angamba ianao. (Ohabolana 24:10) Mety hila ny fanampian’ny havana efa lehibe sy ny an’ny namana matotra àry ianao. Tsy hoe tsy matotra akory ianao raha mitady fanampiana. Hoy ny Ohabolana 11:2: ‘Izay manetry tena no hendry.’

Avy amin’i Jehovah Andriamanitra ny fanampiana tsara indrindra. Mampanantena an’ireo mpanompony izy hoe: “Izaho Jehovah Andriamanitrao no mitantana anao amin’ny tananao ankavanana, eny, izaho Ilay milaza aminao hoe: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’ ”—Isaia 41:13.

JEREO NY TOKO 16

Ahoana no anampiako ny zanako hahay handanjalanja amin’ny resaka sakafo?

Inona no azonao atao, raha malain-komana lava na tendan-kanina loatra ny zanakao? Iezaho fantarina aloha ny antony mahatonga izany.

Maro amin’ireo manana olana toy izany no mihevi-tena ho tsy misy dikany nefa te hahavita zavatra tsara be foana. Mitaky zavatra be loatra amin’ny tenany àry izy. Jereo anefa sao ny teninao na ny nataonao no anisan’ny mahatonga ny zanakao ho toy izany, ary ampaherezo izy.—1 Tesalonianina 5:11.

Diniho koa hoe ahoana ny fiheveranao ny sakafo sy ny haben’ny vatana. Sao dia manasongadina be loatra an’ireo ianao, amin’ny resakao sy ny zavatra ataonao? Tadidio fa tena zava-dehibe amin’ny tanora ny bika aman’endriny. Mora mandray am-po an’izay lazaina aminy ny tanora sasany, ka mety ho kivy izy na dia mananihany azy fotsiny aza ianao hoe botabota izy na maroroka be.

Miresaha amim-pahatsorana amin’ny zanakao, rehefa avy nivavaka sy nieritreritra tsara momba ilay izy ianao. Andramo izao:

● Eritrereto tsara izay holazainao sy ny fotoana hilazanao azy.

● Hazavao aminy izay mampanahy anao ary lazao fa te hanampy azy ianao.

● Aza gaga raha miaro tena avy hatrany izy.

● Mihainoa tsara.

Ny tena zava-dehibe anefa dia ny manohana ny zanakao amin’ny ezaka rehetra ataony mba handresena an’ilay olana. Ianareo mianakavy mihitsy no mila miray hina mba hanampy azy!

JEREO NY TOKO 10, SY BOKY FAHA-2, TOKO 7

  FIVAVAHANA

Ahoana no anampiako ny zanako ho tia an’Andriamanitra foana rehefa mihalehibe izy?

Milaza ny Baiboly fa “mbola zazakely” i Timoty dia efa nampianarina ny Soratra Masina. Azo inoana fa nampianarinao toy izany koa ny zanakao. (2 Timoty 3:15) Mety mila hovana anefa ny fomba fampianatrao, rehefa mihalehibe izy. Mihamahatakatra hevi-dalina mantsy izy, tsy toy ny tamin’izy mbola kely. Izao indrindra àry ianao no mila manampy azy ‘hampiasa ny sainy.’—Romanina 12:1.

Nanoratra tamin’i Timoty i Paoly fa nisy ‘zavatra nianaran’i Timoty sy nandresen-dahatra azy ka ninoany.’ (2 Timoty 3:14) Mila ‘resena lahatra’ koa angamba izao ny zanakao, mba ‘hinoany’ ny fahamarinana ara-baiboly nampianarina azy hatramin’izy mbola kely. Tsy ampy fotsiny ny milaza aminy izay tokony hataony na hinoany, raha tianao ny hanohina ny fony. Izy mihitsy no mila mandalina ny zavatra inoany. Ahoana àry no hanampianao azy? Ampirisiho izy hieritreritra an’ireto fanontaniana ireto sy hiresaka momba izany:

● Nahoana aho no resy lahatra hoe tena misy Andriamanitra?—Romanina 1:20.

● Ahoana no ahalalako fa marina ny zavatra nampianarin’i Dada sy Neny ahy avy ao amin’ny Baiboly?—Asan’ny Apostoly 17:11.

● Nahoana aho no resy lahatra hoe mahasoa ahy ny fitsipiky ny Baiboly?—Isaia 48:17, 18.

● Nahoana aho no mino fa ho tanteraka ny faminanian’ny Baiboly?—Josoa 23:14.

● Nahoana aho no resy lahatra hoe “tsy misy toa azy ny hasarobidin’ny fahalalana an’i Kristy Jesosy”, raha ampitahaina amin’ny zavatra atolotr’ity tontolo ity?—Filipianina 3:8.

● Inona no tokony hataoko ho fankasitrahako ny sorom-panavotan’i Kristy?—2 Korintianina 5:14, 15; Galatianina 2:20.

Mety tsy ho sahinao ny hampirisika ny zanakao hieritreritra an’ireo fanontaniana ireo, satria atahoranao sao tsy ho voavaliny. Raha tsy manao izany anefa ianao, dia ho toy ny olona iray tsy mety mijery ny habetsahan’ny solika ao anaty fiarany, satria matahotra sao dia efa lany ilay izy! Tsy aleo anefa ve jerena ilay izy, mba hahafahana manao zavatra mialoha? Tsara koa àry raha amin’izao zanakao mbola miara-mipetraka aminao izao ianao no manampy azy hamakafaka ny finoany, mba ho ‘resy lahatra izy ka hino.’ *

Tadidio fa tsy diso akory ianao raha mampirisika ny zanakao hieritreritra hoe: “Nahoana aho no voatery hino an’izany?” Nieritreritra toy izany i Diane, 22 taona, tamin’izy mbola kely kokoa. Hoy izy: “Te hahazo antoka aho tamin’izany raha marina ny zavatra ninoako. Lasa tiako ny hoe Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nahita valim-panontaniana mazava sy marim-pototra aho. Rehefa anontaniana aho hoe: ‘Fa maninona ianao no tsy manao an’izao sy izao?’, dia izao no avaliko: ‘Hitako fa tsy mety ny manao izany’, fa tsy hoe: ‘Tsy mety amin’ny fivavahanay izany.’ Niaiky aho fa marina ny voalazan’ny Baiboly, ka lasa mitovy amin’ny an’Andriamanitra ny fomba fijeriko zavatra.”

Soso-kevitra: Asaivo maka ny toeranareo ray aman-dreny ny zanakao rehefa hanapa-kevitra, raha tianao ho fantatra hoe azony tsara ve ny toro lalan’ny Baiboly. Aoka hatao hoe miera aminao ny zanakao mba handeha hanatrika fety, izay fantatrao (ary azo inoana fa fantany koa) hoe tsy mety amin’ny Kristianina. Aza rarana tsy handeha izy, fa ilazao kosa hoe: ‘Maninona raha ianao indray no mody atao hoe Dada na Mama? Eritrereto ilay fety tianao handehanana, ary manaova fikarohana (angamba ao amin’ny Toko 37 amin’ity boky ity sy ny Toko 32 amin’ny Boky Faha-2), dia resaho amiko ilay izy rahampitso. Mody atao hoe izaho no miera ho any amin’ilay fety. Dia ianao ilay ray aman-dreny milaza amiko raha mety na tsia ny handehanako any.’

JEREO NY TOKO 38, SY BOKY FAHA-2, TOKO 34-36

Inona no hataoko raha tsy mazoto manompo an’i Jehovah intsony ny zanako?

Aza tonga dia mieritreritra hoe mandà ny zavatra inoanao ny zanakao. Mety hisy antony hafa tsy mampahazoto azy intsony, toy ny hoe:

● Taomin’ny namany haditra izy, ka menatra ny hiavaka amin’izy ireo raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly

● Hitany hoe mandroso tsara ny tanora kristianina hafa (na ny mpiray tam-po aminy), nefa izy toa tsy hahavita an’izany mihitsy

● Maniry mafy hana-namana izy, nefa mahatsiaro ho manirery na tsy mahazo aina miaraka amin’ny mpiray finoana aminy

● Hitany hoe misy tanora “kristianina” mody hendry nefa maditra

● Tiany haseho hoe efa manana ny maha izy azy izy, ka mba manohitra ny zavatra nampianarinao azy hatrizay

● Hitany hoe maditra ny mpiara-mianatra aminy, nefa toa afa-maina foana

● Te hahazo sitraka amin’ny rainy na ny reniny tsy Vavolombelona izy

Tsy hoe izay nampianarinao azy avy ao amin’ny Baiboly akory no tsy inoany intsony, fa ny zavatra atrehiny amin’izao fotoana izao no mety hahatonga azy tsy hazoto hanompo an’Andriamanitra. Inona àry no azonao atao mba hampaherezana azy?

Mahaiza mampifanara-javatra nefa aza milefitra loatra. Iezaho fantarina ny antony tsy mampahazoto ny zanakao. Ataovy izay fanitsiana ilaina, mba hahafahany handroso ara-panahy. (Ohabolana 16:20) Mety hanampy azy hatoky tena kokoa, ohatra, ilay hoe “Inona no Hatao Raha Taomin’ny Ankizy Haditra?”, pejy 132 sy 133 amin’ny Boky Faha-2. Hanjary ho sahy kokoa hiatrika ny mpiara-mianatra aminy izy. Raha mahatsiaro ho manirery kosa izy, dia ampio hahita namana tsara.

Mitadiava olona hanoro hevitra azy. Mahasoa kokoa ho an’ny tanora indraindray, raha mba mampahery azy koa ny olon-dehibe hafa ankoatra ny fianakaviany. Mahafantatra olona matotra afaka mandrisika ny zanakao ve ianao? Maninona raha asaina minamana amin’ny zanakao izy? Tsy hoe miala andraikitra akory ianao. Eritrereto, ohatra, i Timoty. Tena nahasoa azy ny modely nomen’ny apostoly Paoly, ary i Paoly koa nandray soa niaraka taminy.—Filipianina 2:20, 22.

Raha mbola miara-mipetraka aminao ny zanakao, dia zonao ny mitaky ny hianarany Baiboly sy hanatrehany fivoriana toy ny efa fanaonareo. Ny hitiavany an’Andriamanitra anefa no tanjonao, fa tsy ny hanarahany am-bokony fotsiny an’izay ataonao. Aoka ianao ho modely, raha tianao hanaraka ny fivavahana marina ny zanakao. Aza manantena be loatra avy aminy anefa. Itadiavo mpanoro hevitra sy namana tsara izy. Mety hilaza toy ny mpanao salamo ny zanakao, indray andro any, hoe: “I Jehovah no harambatoko sy fiarovana mafy ho ahy ary Mpanafaka ahy.”Salamo 18:2.

JEREO NY TOKO 39, SY BOKY FAHA-2, TOKO 37 SY 38

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 23 Tsy mety anefa raha ataonao izay hahatonga azy hanamelo-tena, mba hankatoavany anao.

^ feh. 64 Azo inoana fa zava-dehibe amin’ny zanakao ny bikabikany, ka tandremo sao manaratsiratsy an’izany.

^ feh. 113 Jereo ny pejy  315-318.

^ feh. 188 Manampy ny tanora ho resy lahatra hoe tena misy Andriamanitra ny Manontany ny Tanora, Boky Faha-2, Toko 36.