Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety Hahafinaritra Ihany ve ny Manompo An’Andriamanitra?

Mety Hahafinaritra Ihany ve ny Manompo An’Andriamanitra?

Toko 38

Mety Hahafinaritra Ihany ve ny Manompo An’Andriamanitra?

Matoritory eo am-pandriana i Mika, 16 taona. Sorena ny mamany nahita azy, ka niteny hoe: “Ô ry Mika a! Toa mbola ilaozanao matory foana, nefa fantatrao fa fivoriana androany!” Vavolombelon’i Jehovah ny maman’i Mika, ary efa fanaon’izy mianakavy hatramin’izay ny manatrika fivoriana kristianina. Kamo anefa i Mika tato ho ato.

“Sshh! Ny an-dry Neny koa! Fa izaho ve tsy maintsy mandeha e?”

“Aza mimenomenona eo, fa miakanjoa e! Tara eo indray isika!” Dia lasa ny mamany.

Mbola tsy lasa lavitra anefa izy dia niteny i Mika hoe: “Ianareo ange ry Neny no Vavolombelona, fa tsy izaho e!” Fantany fa nandre ny teniny ny mamany matoa nijanona kely. Tsy namaly anefa ny mamany, fa lasa fotsiny.

Nanenina kely i Mika niteny an’izany. Tsy tena te hampalahelo ny mamany mantsy izy. Tsy te hiala tsiny koa anefa izy. Ny sisa azony natao dia...

Nisento lalina izy ary nisolo akanjo. Niteny irery izy avy eo hoe: “Tsy maintsy hanapa-kevitra ihany aho, na ho ela na ho haingana. Izaho ange hoatran’ny tsy te ho Vavolombelona e! Izaho angaha hoatran’ny ankizy any am-pivoriana?”

EFA mba nahatsapa toa izay tsapan’i Mika ve ianao? Hitanao ve hoe falifaly erỳ ny tanora hafa rehefa mianatra Baiboly sy mivory ary mitory, fa ianao kosa toa manarakaraka eny fotsiny?

● Hoatran’ny devoara tsy maintsy atao fotsiny ve ny fianarana Baiboly aminao?

● Tsy tianao ve ny mitory isan-trano?

● Mankaleo anao ve indraindray ny fivoriana?

Aza kivy raha izany no tsapanao. Afaka ny ho lasa mahafinaritra ny manompo an’Andriamanitra. Andeha hojerentsika izay azonao atao.

OLANA 1 Mianatra Baiboly

Nahoana no sarotra ilay izy? Angamba ianao ankizy tsy dia tia mianatra loatra. Toa mora miriorio ny sainao, ka sarotra aminao ny mifantoka! Sady tsy efa betsaka koa ve ny lesona ianaranao any am-pianarana?

Nahoana ianao no tokony hianatra Baiboly? Satria avy amin’Andriamanitra izy io, sady “mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, [ary] hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Hahalala zavatra mbola tsy fantatrao mihitsy ianao, raha mianatra sy misaintsaina ny Baiboly. Tsy misy zavatra azo moramora koa ange e! Raha misy fanatanjahan-tena tianao ho hay, ohatra, dia tsy maintsy mianatra ny fitsipi-dalao ianao ary manao fanazaran-tena. Raha te ho salama koa ianao, dia mila manao fanatanjahan-tena. Raha te hahalala ny Mpamorona àry ianao, dia mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra.

Ny hevitry ny tanora toa anao. “Nisy safidy tsy maintsy nataoko, tamin’izaho tany any amin’ny lise. Naditra be mantsy ny ankizy tany, ka nieritreritra aho hoe: ‘Dia hanao hoatran-dry zareo koa ve aho? Sa ny zavatra nampianarin’i Dada sy Neny ihany no tena marina, ka tokony harahiko?’ Tsy maintsy nandalina sy nanao safidy àry aho.”—Tatiana.

“Nino foana aho fa marina ny zavatra nampianarina ahy. Nila porofo anefa aho satria izaho mihitsy no tiako ho resy lahatra, fa tsy hoe manaraka ny fivavahan’ny dadanay sy mamanay fotsiny.”—Melissa.

Soso-kevitra: Manaova fianarana samirery, ary ataovy mifanaraka amin’izay ilainao izany. Ianao ihany no mifidy izay foto-kevitra tianao. Hatombokao amin’ny inona àry ilay izy? Maninona raha hamarinina ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoanao? Azonao ampiasaina, ohatra, ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?  *

Izao atao: Asio ✔ ny roa na telo amin’ireto foto-kevitra ara-baiboly ireto, na soraty izay tianao hianarana ankoatra an’ireo.

□ Tena misy ve Andriamanitra?

□ Inona no porofo fa avy amin’Andriamanitra tokoa ny Baiboly?

□ Inona no porofo fa nisy namorona izao rehetra izao, fa tsy vokatry ny kisendrasendra fotsiny?

□ Inona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary inona no porofo fa tena misy izy io?

□ Ahoana no hanazavako hoe manao ahoana ny olona rehefa maty?

□ Inona no maharesy lahatra ahy fa mbola hitsangana ny maty?

□ Ahoana no tena ahalalako hoe iza no fivavahana marina?

․․․․․

OLANA 2 Mandeha mitory

Nahoana no sarotra ilay izy? Mety hampatahotra ny hiresaka amin’ny olona momba ny Baiboly, na ny ho hitan’ny mpiara-mianatra rehefa manao izany.

Nahoana ianao no tokony hitory? Satria nandidy ny mpianany i Jesosy hoe: “Ataovy mpianatra ny olona ... Ampianaro izy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” (Matio 28:19, 20) Misy antony hafa koa anefa. Hita fa mino an’Andriamanitra sy ny Baiboly ny ankamaroan’ny tanora nohadihadina, nefa tsy mba manana fanantenana izy ireo satria tsy mahalala ny hoavy. Ianao kosa mahalala satria mianatra Baiboly. Ho afa-po koa ianao rehefa miresaka momba ny zavatra inoanao, ary hampifaly an’i Jehovah.—Ohabolana 27:11.

Ny hevitry ny tanora toa anao. “Niara-nanomana fampidiran-dresaka mahaliana izahay sy ny namako. Nianatra nanao fiverenana mitsidika sy namaly fanoherana koa izahay. Lasa nahafinaritra ahy kokoa ny fanompoana, rehefa niezaka hoatr’izany aho.”—Melissa.

“Nisy rahavavy izay, tena nanampy ahy! Zokiko enin-taona izy, ary nentiny nanompo foana aho. Nasainy hisakafo koa aho indraindray. Nisy andinin-teny mampahery nasehony ahy, ka nanova ny toe-tsaiko. Tena nanome modely tsara izy, ka lasa tiako kokoa izao ny manampy olona. Tsy ho voavaliko mihitsy ny soa nataony tamiko!”—Salohy.

Soso-kevitra: Jereo hoe iza no olon-dehibe any am-pivoriana afaka miara-manompo aminao, ary anontanio ny ray aman-dreninao raha mety ny hiarahanao aminy. (Asan’ny Apostoly 16:1-3) Hoy ny Baiboly: “Ny vy no mampaharanitra ny vy, ary olona ihany koa no mampaharanitra ny tarehin’ny olona.” (Ohabolana 27:17) Handray soa ianao raha miaraka amin’ny olon-dehibe, satria be kokoa ny zavatra hainy. “Mora kokoa aza ny manompo rehefa miaraka amin’ny olon-dehibe”, hoy i Alex, 19 taona.

Izao atao: Soraty eto ny anaran’izay olona any am-pivorianareo afaka manampy anao eny amin’ny fanompoana, ankoatra ny ray aman-dreninao.

․․․․․

OLANA 3 Manatrika fivoriana

Nahoana no sarotra ilay izy? Efa nipetraka foana ianao tany am-pianarana, ka hoatran’ny ela be mihitsy ny fivoriana adiny iray eo ho eo.

Nahoana ianao no tokony hivory? Satria mampirisika ny Baiboly hoe: “Aoka koa isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory, toy ny sasany izay efa zatra tsy mivory, fa hifampahery kosa, indrindra fa hitanareo hoe manakaiky ny andro.”—Hebreo 10:24, 25.

Ny hevitry ny tanora toa anao. “Tena ilaina ny manomana fivoriana. Mila manery tena mihitsy ianao indraindray. Mahafinaritra kokoa anefa ny mivory rehefa manomana ianao, satria fantatrao ny zavatra horesahina any, ary afaka manome valin-teny ianao.”—Emma.

“Voamariko hoe lasa tiako kokoa ny mivory, rehefa manome valin-teny aho.”—Jessica.

Soso-kevitra: Omano ny fivoriana, ary manomeza valin-teny raha azo atao. Tsy manatrika fotsiny ianao amin’izay, fa mandray anjara koa.

Inona, ohatra, no tsara kokoa, ny mijery fanatanjahan-tena amin’ny tele, sa ny manao an’ilay izy mihitsy? Mazava ho azy fa aleo mandray anjara, toy izay mitazam-potsiny. Toy izany koa rehefa mivory.

Izao atao: Soraty eto hoe andro inona ianao no afaka manomana fivoriana iray mandritra ny antsasak’adiny isan-kerinandro.

․․․․․

Tanora maro no mahita fa marina ny voalazan’ny Salamo 34:8 hoe: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.” Tianao ve, ohatra, ny mihaino resaka momba ny sakafo matsiro iray? Sa aleonao mihitsy manandrana an’ilay izy? Toy izany koa ny manompo an’Andriamanitra. Andramo dia ho hitanao fa tena mahafinaritra ny mianatra Baiboly sy mitory ary mivory. Milaza ny Baiboly fa “ho sambatra” ny olona “rehefa mankatò”, fa tsy mihaino fotsiny.—Jakoba 1:25.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Inona avy no tanjona azonao tratrarina?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 19 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Miovà ka havaozy ny sainareo, mba handinihanareo tsara ka hamantaranareo ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sady ankasitrahana no tonga lafatra.” —Romanina 12:2.

SOSO-KEVITRA

Mitondrà kahie, ary soraty ireo hevi-dehibe renao any am-pivoriana. Ho hitanao fa vetivety dia ho tapitra ny fivoriana, ary hahafanta-javatra kokoa ianao!

FANTATRAO VE... ?

Tsy ratsy ny mamakafaka hoe inona no zavatra inoanao, ary nahoana ianao no mino izany. Rehefa mikaroka ianao, dia hahita porofo raha tena marina izay inoanao na tsia.—Asan’ny Apostoly 17:11.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Hanokana ․․․․․ minitra isan’andro aho hamakiana Baiboly, ary ․․․․․ isan-kerinandro hanomanana fivoriana kristianina.

Izao no hataoko mba hifantohako tsara any am-pivoriana: ․․․․․

Izao no hanontaniako an’i Dada sy Neny momba izay noresahina tato amin’ity toko ity: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ny tanora no mety ho kamo hianatra Baiboly, na hivory, na hitory?

● Iza amin’ireo zavatra telo ireo no tianao hiezahana?

[Teny notsongaina, pejy 278]

‘‘Tsy hoe manaraka ny fivavahan’i Dada sy Neny fotsiny aho, fa izaho mihitsy no nifidy an’ilay izy. I Jehovah no Andriamanitro, ary tsy te hanimba ny fifandraisako aminy aho.’’—Samantha

[Efajoro/Sary, pejy 280, 281]

Nanana Tanjona Izy Ireo

Hoy ny Baiboly: ‘Tsy fantatrareo izay hitranga aminareo rahampitso.’ (Jakoba 4:14) Mampalahelo fa misy olona maty tanora. Hoatran’izany i Catrina sy Kyle. Niezaka hanana laza tsara teo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra anefa izy ireo, tamin’izy mbola velona. Nanana tanjona ara-panahy izy ireo ary niezaka nanatratra izany.—Mpitoriteny 7:1.

Maty i Catrina tamin’izy 18 taona. Vao 13 taona anefa izy dia efa nanao lisitr’ireo tanjona tiany hotratrarina: Hanompo manontolo andro, hitory any amin’ny tany ilana mpampianatra Baiboly, ary hiaraka amin’ny dadany hanorina Efitrano Fanjakana. Nanoratra toy izao koa izy: “Efa nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra aho.” Ny “hanaraka ny fitsipiny, sy hampifaly azy” no tanjon’i Catrina. Tamin’ny fandevenana azy, dia nolazaina fa “tovovavy tsara tarehy efa nanokana ny fiainany manontolo hanompoana an’i Jehovah” izy.

Mbola kely koa i Kyle dia efa nanana tanjona, saingy matin’ny lozam-piarakodia izy tamin’izy 20 taona. Taorian’izay no nahitana ny boky iray nanoratany ny tanjony. Nampian’ny mamany hanoratra an’io boky io izy, tamin’izy vao efa-taona monja. Ireto avy no tanjony: Hatao batisa, hanao lahateny any amin’ny Efitrano Fanjakana, ary hiasa any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanao boky sy gazety hampianarana ny olona momba an’Andriamanitra. Hoy ny mamany, rehefa avy namaky an’ilay boky: “Efa tratrany daholo ireo tanjona ireo.”

Ary ianao? Inona no tanjonao? Tsy hainao mantsy izay havoakan’ny ampitso. Ampiasao tsara foana àry ny andro tsirairay. Manaova hoatran’i Catrina sy Kyle. Ampiasao tsara ny fotoananao, dia tena ho afa-po ianao. Tahafo ny apostoly Paoly, izay afaka nilaza toy izao taloha kelin’ny nahafatesany: “Efa niady ny ady tsara aho, efa nahavita ny fihazakazahako aho, efa nihazona ny finoana aho.” (2 Timoty 4:7) Hanampy anao hanao izany ny toko manaraka.

[Sary, pejy 274, 275]

Raha te ho salama ianao, dia mila manao fanatanjahan-tena. Raha te hanatona an’Andriamanitra koa ianao, dia mila mianatra ny Teniny