Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hanatratrarako ny Tanjoko?

Ahoana no Hanatratrarako ny Tanjoko?

Toko 39

Ahoana no Hanatratrarako ny Tanjoko?

Iza amin’ireto no tianao?

□ Hatoky tena kokoa

□ Ho be namana

□ Ho faly kokoa

AFAKA ny hatoky tena sy ho be namana ary ho faly ianao, raha manana tanjona sy manatratra izany. Diniho ange izao e:

Hatoky tena kokoa. Raha manana tanjona tsotsotra ianao ka mahatratra izany, dia ho sahy hanana tanjona ambony kokoa. Amin’izay koa ianao hatoky tena kokoa rehefa miatrika olana fahita isan’andro, ohatra hoe taomin’ny namana haditra.

Ho be namana. Ho tian’ny olona ny hiaraka aminao raha manana tanjona ianao, izany hoe mahafantatra izay tianao hatao ary miezaka hanatanteraka izany.

Ho faly kokoa. Tsy hahafinaritra anao ny fiainanao, raha tsy misy atao ianao fa miandry fotsiny eo. Raha manana tanjona kosa ianao ka mahatratra an’ilay izy, dia ho faly satria nahavita zavatra. Inona àry no tanjona tianao hotratrarina? Jereo ny pejy manaraka! *

✔ 1 FIDIO IZAY HO TANJONAO

1. Eritrereto daholo izay tanjona azonao tratrarina. Aza mandinika be, fa tonga dia soraty izay tanjona eritreretinao. Manorata 10 fara fahakeliny. Tsy hitanao hoe mahafinaritra ve ilay izy?

2. Diniho tsirairay. Iza amin’ireo no tena mahafinaritra anao? Iza kosa no tena sarotra? Ary iza no tena tianao raha vitanao? Tadidio fa ny tanjona tsara indrindra dia izay tena zava-dehibe aminao.

3. Alaharo ireo tanjonao. Ataovy arakaraka izay tianao hotratrarina voalohany izany.

✔ 2 ALAMINO MIALOHA

Izao atao, na inona na inona tanjona nofidinao:

Soraty ny tanjonao.

Hianatra teny sinoa mba hitoriako amin’ny Sinoa

Mamera daty. Tsy ho nofinofy fotsiny ny tanjonao amin’izay!

1 Jolay

Soraty ireo dingana ilainao hatao.

Dingana

1. Hitady boky fianarana an’ilay fiteny.

2. Hianatra teny vaovao folo isan-kerinandro.

3. Hihaino olona miteny sinoa.

4. Hiangavy olona mahay an’ilay fiteny mba hihaino sy hanitsy ahy.

Eritrereto izay olana mety hitranga. Mitadiava fomba hamahana izany.

Olana mety hitranga

Tsy misy mahay miteny sinoa etỳ akaiky etỳ

Aza miova hevitra. Aoka ianao ho tapa-kevitra ny hiezaka mafy hanatratra an’ilay tanjona. Asio daty ilay taratasy ary soniavo.

Vahaolana eritreretiko

Haka lahatsoratra noraisim-peo amin’ny teny sinoa ao amin’ny www.pr418.com.

․․․․․ ․․․․․

Sonia Daty

✔ 3 TANTERAHO AMIN’IZAY!

Atombohy avy hatrany. Mieritrereta hoe: ‘Inona no azoko atao androany mba hanatratrarako ny tanjoko?’ Mety ho mbola tsy ao an-tsainao ny tsipiriany rehetra, nefa tonga dia manomboha. Hoy mantsy ny Baiboly: “Izay mandinika ny rivotra dia tsy hamafy, ary izay mijery ny rahona, tsy hijinja.” (Mpitoriteny 11:4) Jereo izay azonao atao androany, na kely fotsiny aza, ary ataovy ilay izy.

Jereo isan’andro ilay lisitra. Eritrereto hoe nahoana no zava-dehibe aminao ny tanjona tsirairay. Asio ✔ izay dingana vitanao (na soraty ny daty nahavitanao azy).

Alao sary an-tsaina. Eritrereto izay ho tsapanao raha tratranao ny tanjonao. Alao sary an-tsaina hoe vitanao ny dingana tsirairay hanatratrarana azy io. Eritrereto avy eo ny hafalianao rehefa tratranao ilay tanjona! Atombohy amin’izay àry!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Ho an’ny tanjona azo tratrarina ao anatin’ny fotoana fohy ny soso-kevitra ato, nefa azo ampiharina koa amin’ny tanjona lavitra ezaka.

ANDININ-TENY MAHASOA

“Ahazoan-tombony ny fandaminana mialoha ataon’ny mazoto.”—Ohabolana 21:5.

SOSO-KEVITRA

Aza matahotra raha sarotra ireo dingana efa noeritreretinao hanatratrarana ny tanjonao, fa mbola azonao ovana ireny raha ilaina.

FANTATRAO VE... ?

Vao mainka ho afa-po ianao raha lehibe ny tanjona tratranao!

AHOANA NY HEVITRAO?

● Ho vitanao ve ny hanatratra tanjona maro be indray miaraka?—Filipianina 1:10.

● Mila faritana mialoha daholo ve ny tsipirian-javatra rehetra, rehefa mifidy tanjona?—Filipianina 4:5.

[Teny notsongaina, pejy 283]

‘‘Ho mora kivy ianao raha tsy manan-java-kendrena na antenaina. Ho faly kosa ianao raha manana tanjona ka mahatratra izany.’’—Rindra

[Efajoro/Sary, pejy 283]

Ohatra

Namana Hitady namana tsy mitovy taona amiko. Hinamana indray amin’ny namako taloha.

Fahasalamana Hanao fanatanjahan-tena adiny iray sy sasany isan-kerinandro, fara fahakeliny. Hatory adiny valo isan’alina.

Fianarana Hahazo naoty tsara amin’ny matematika. Tsy hanaiky hotaomina haditra.

Fivavahana Hamaky Baiboly 15 minitra isan’andro. Hitory amin’ny mpiara-mianatra amiko amin’ity herinandro ity.

[Sary, pejy 284, 285]

Toy ny planina trano ny tanjona. Ilana ezaka ilay izy raha tiana ho vita!