LESONA 2

Nahoana Izahay no Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana Izahay no Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah?

Noa

Abrahama sy Saraha

Mosesy

Jesosy Kristy

Maro no mihevitra fa anarana fivavahana vaovao ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Efa 2 700 taona mahery anefa ny mpanompon’Andriamanitra no nantsoiny hoe ‘vavolombelony.’ (Isaia 43:10-12) Mpianatra ny Baiboly no nahafantarana anay talohan’ny 1931. Nahoana anefa no novana hoe Vavolombelon’i Jehovah ny anaranay?

Hahafantarana an’ilay Andriamanitra ivavahanay izany. Raha ny Baiboly mbola sora-tanana fahiny no jerena, dia niverina tao im-7 000 teo ho eo ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Nosoloan’ny mpandika Baiboly sasany hoe Tompo na Andriamanitra io anarana io, tatỳ aoriana. Andriamanitra mihitsy anefa no nilaza tamin’i Mosesy hoe Jehovah no anarany mandrakizay. (Eksodosy 3:15) Tiany haseho mantsy fa tsy mitovy amin’ny andriamanitra hafa izy. Faly àry izahay mitondra ny anaran’Andriamanitra!

Hahafantarana ny asa ataonay izany. Efa hatramin’ny ela no nisy “vavolombelona maro be” nampiseho fa nino an’i Jehovah. I Abela no voalohany indrindra, ary teo koa i Noa, Abrahama, Saraha, Mosesy, ary Davida. (Hebreo 11:4–12:1) Vavolombelon’i Jehovah toa azy ireny koa izahay. Hoatran’ny ataon’ny vavolombelona iray miaro olona tsy manan-tsiny any amin’ny fitsarana no ataonay. Miezaka mampahafantatra ny marina momba an’Andriamanitra mantsy izahay.

Manahaka an’i Jesosy izahay. Antsoin’ny Baiboly hoe “vavolombelona mendri-pitokisana sy marina” i Jesosy. (Apokalypsy 3:14) I Jesosy mihitsy koa no nilaza fa ‘nanambara ny marina’ momba an’Andriamanitra sy ‘nampahafantatra ny anarany’ izy. (Jaona 17:26; 18:37) Tokony hitondra sy hampahafantatra ny anaran’Andriamanitra koa àry ny tena mpanara-dia an’i Kristy. Izany mihitsy no ezahinay Vavolombelon’i Jehovah hatao.

  • Nahoana no novana hoe Vavolombelon’i Jehovah ny anaranay?

  • Efa hatramin’ny oviana i Jehovah no nanana vavolombelona?

  • Iza no Vavolombelon’i Jehovah lehibe indrindra?