Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 4

Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Nahoana Izahay no Namoaka Baiboly?

Congo (Kinshasa)

Rwanda

Ampahany amin’ny dikan-tenin’i Symmaque, izay ahitana ny anaran’Andriamanitra ao amin’ny Salamo 69:31, taonjato fahatelo na fahefatra

Maro ny olona namoaka Baiboly. Nampiasa sy nanao pirinty ary nizara azy ireny izahay Vavolombelon’i Jehovah, nandritra ny taona maro. Hitanay anefa fa nila nanao Baiboly izahay, mba hanana “fahalalana marina tsara ny fahamarinana” ny olona. Izany mantsy no sitrapon’Andriamanitra. (1 Timoty 2:3, 4) Namoaka ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao àry izahay. Efa voadika amin’ny fiteny 130 mahery izy io, ary marina tsara ny hevitra ao. Tamin’ny 1950 no navoaka voalohany ny ampahany taminy.

Mila Baiboly mora azo ny olona. Miova foana mantsy ny teny fampiasan’ny olona, ka lasa tsy misy mahazo intsony sy lany andro ny teny ao amin’ny Baiboly sasany. Nahita ampahany tamin’ny Baiboly mbola sora-tanana koa ny mpikaroka. Marina sy nitovy kokoa tamin’ny Baiboly voalohany indrindra izy ireny, ka nanampy ny mpandika teny hahazo kokoa ny tena hevitry ny Baiboly tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika. Afaka nandika Baiboly àry izahay.

Mila Baiboly ahitana izay tena nolazain’Andriamanitra ny olona. Tsy tokony hivaona amin’ilay nanoratana ny Tenin’Andriamanitra tamin’ny voalohany ny mpandika Baiboly. Maro tamin’izy ireo anefa no nanala ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah.

Baiboly manaja an’ilay nanome azy no tena ilaina. (2 Samoela 23:2) Raha ny Baiboly mbola sora-tanana fahiny no jerena, dia niverina tao im-7000 teo ho eo ny hoe Jehovah. (Jereo ny sary etsy ambany.) Naverina tamin’ny laoniny àry izy io, tao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. (Salamo 83:18) Nanao fikarohana lalina aman-taonany ireo nandika an’io Baiboly io. Tena mahafinaritra ny mamaky azy io, satria mamoaka tsara ny hevitr’Andriamanitra. Na manana an’io Baiboly io amin’ny fiteninao anefa ianao na tsia, dia mazotoa mamaky Baiboly isan’andro.—Josoa 1:8; Salamo 1:2, 3.

  • Nahoana izahay no namoaka Baiboly?

  • Raha te hahalala ny sitrapon’Andriamanitra ianao, dia inona no tokony hataonao isan’andro?