Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 6

Nahoana no Tena Ilaina ny Miaraka Amin’ny Mpiray Finoana?

Nahoana no Tena Ilaina ny Miaraka Amin’ny Mpiray Finoana?

Madagasikara

Norvezy

Liban

Italia

Mandeha mivory foana izahay na ratsy aza ny andro, ary na tsy maintsy mamakivaky ala mikitroka aza. Na eo koa aza ny olana sy ny harerahana, dia miezaka mivory foana izahay mba hiaraka amin’ny mpiray finoana aminay. Fa nahoana?

Manampy eo amin’ny fiainana ny fivoriana. Nilaza i Paoly fa tokony “hifampihevitra” ny mpiara-mivory. (Hebreo 10:24) Inona no dikan’izany? Tokony “hiahy sy hiezaka hahafantatra tsara” ny mpiara-mivory amintsika isika. Raha miezaka manao izany isika, dia hanampy antsika koa izany. Mety hoe nanana olana mitovy amin’ny antsika mantsy ry zareo, ka afaka manoro hevitra antsika.

Mahazo namana tena tia anao ianao rehefa mivory. Tsy hoe olona mifankahafantatra fotsiny mantsy ny mpiara-mivory, fa mpinamana be mihitsy. Miara-miala voly izahay indraindray. Inona no vokatr’izany? Lasa hitanay kokoa ny toetra tsaran’ny namanay, ka vao mainka izahay lasa mifankatia be. Mifanampy izahay rehefa misy olana. (Ohabolana 17:17) Miaraka amin’ny olon-drehetra eo anivon’ny fiangonanay izahay, satria tena ‘mifampiahy.’—1 Korintianina 12:25, 26.

Mampirisika anao izahay mba hinamana amin’ny olona manao ny sitrapon’Andriamanitra, izany hoe amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Aza avela hisy hanakana anao tsy hiaraka aminay mihitsy àry.

  • Inona no soa ho azonao raha mivory ianao?

  • Rahoviana ianao no hivory hiaraka aminay?