Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 7

Inona no Ataonay Rehefa Mivory?

Inona no Ataonay Rehefa Mivory?

Nouvelle-Zélande

Japon

Ogandà

Litoania

Tsy nanao fombafomba ny Kristianina voalohany rehefa nivory fa nihira, nivavaka, ary namaky sy nandinika ny Baiboly. (1 Korintianina 14:26) Toy izany koa no ataonay.

Mahazo torohevitra ara-baiboly izahay any. Mihaino lahateny ara-baiboly (30 minitra) ny fiangonana tsirairay, isaky ny faran’ny herinandro. Ahazoana torohevitra ilay izy sady miresaka momba ny fiainana amin’izao. Manaraka ao amin’ny Baibolinay izahay rehefa misy andinin-teny vakina. Aorian’izay no atao ny Fianarana “Ny Tilikambo Fiambenana” (adiny iray), ary lahatsoratra iray no ianarana. Mametraka fanontaniana ny mpitarika ka afaka mamaly ny mpanatrika. Manampy anay hampihatra ny torohevitry ny Baiboly izany. Mitovy ny lahatsoratra ianaran’ny fiangonana 110 000 mahery eran-tany isan-kerinandro.

Ampiana hahay hampianatra Baiboly kokoa izahay any. Mivory indray mandeha koa izahay amin’ny andavanandro, fa hariva. Antsoina hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana ilay fivoriana. Ilay hoe Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana no ampiasaina amin’izany. Mivoaka isam-bolana izy io. Mizara telo ilay fivoriana. Voalohany, ny Harena avy ao Amin’ny Tenin’Andriamanitra. Toko vitsivitsy ao amin’ny Baiboly efa novakin’ny mpanatrika mialoha no dinihina. Manampy anay hahay kokoa ny Soratra Masina izany. Faharoa, ny Fampiofanana Amin’ny Fanompoana. Misy fampisehoana mahakasika ny fomba hiresahana Baiboly amin’ny olona amin’izy io. Misy torohevitra omena avy eo mba hanatsarana ny vakiteny sy ny fahaizana miresaka. (1 Timoty 4:13) Farany, Ny Fiainantsika Kristianina. Dinihina amin’izany hoe ahoana no hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly. Mametraka fanontaniana ny mpitarika azy io, ary afaka mamaly ny mpanatrika. Manampy anay hahazo kokoa izay lazain’ny Baiboly izany.

Azo antoka fa ho gaga ianao raha manatrika ny fivorianay, satria tena tsara ny zavatra hianaranao any.—Isaia 54:13.

  • Inona no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivory?

  • Iza amin’ireo fivoriana ireo no tianao hatrehina amin’ny manaraka?