Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 14

Inona avy ny Sekoly Azon’ny Mpisava Lalana Atao?

Inona avy ny Sekoly Azon’ny Mpisava Lalana Atao?

Etazonia

Sekolin’i Gileada, Patterson, any New York

Panama

Mampiavaka ny Vavolombelon’i Jehovah hatramin’izay ny fampiofanana ara-baiboly isan-karazany. Misy, ohatra, sekoly natao hampiofanana ny olona manokana fotoana be dia be mba hitoriana an’ilay Fanjakana, amin’izay izy ireo afaka ‘manatanteraka tsara ny fanompoany.’—2 Timoty 4:5.

Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana: Maharitra enina andro izy io, ary mety ho ao amin’ny Efitrano Fanjakana no hanaovana azy. Izay nahavita nanao mpisava lalana maharitra nandritra ny herintaona no manao azy io. Inona no tanjon’ilay izy? Mba hifandray kokoa amin’i Jehovah ilay mpisava lalana, sady hahavita tsara ny karazana fanompoana rehetra, ary hahavita hanao mpisava lalana foana.

Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana: Maharitra roa volana izy io, ary natao hampiofanana mpisava lalana maharitra za-draharaha, izay vonona hifindra any amin’ny toerana mila fanampiana. Mpivady na rahalahy mpitovo na anabavy mpitovo 23 taona ka hatramin’ny 65 taona no afaka manao an’io sekoly io. Manahaka an’i Jesosy Kristy, ilay mpitory ny vaovao tsara lehibe indrindra teto an-tany, izy ireo, ka toy ny milaza hoe: “Intỳ aho iraho!” (Isaia 6:8; Jaona 7:29) Mety ho tsy maintsy hanatsotra ny fiainany ilay mpisava lalana, any amin’izay tany anendrena azy. Mety ho samy hafa be amin’izay nahazatra azy ny toetrandro sy ny sakafo ary ny fombafomba. Angamba izy mila mianatra ny fitenin’ny olona any mihitsy. Hanampy azy hanana ny toetra ilaina amin’izany àry io sekoly io, sady hahatonga azy ho ampy fahaizana mba hahavitana zavatra betsaka kokoa ho an’i Jehovah sy ny fandaminany.

Sekoly Ara-baibolin’i Gileada: Midika ara-bakiteny hoe “Antontam-bato Vavolombelona” ny hoe “Gileada”, amin’ny teny hebreo. Tamin’ny 1943 no nanomboka nisy io sekoly io. Efa 8000 mahery no nahazo diplaoma tamin’izy io, ary notendrena ho misionera izy ireo mba hitory “hatrany amin’ny faran’ny tany.” (Asan’ny Apostoly 13:47) Tena nisy vokany be ilay izy. Mbola tsy nisy fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah mihitsy, ohatra, tany Peroa, tamin’ny vao tonga tany ny misionera nahavita Sekolin’i Gileada. Misy fiangonana 1000 mahery anefa any izao. Hoatr’izany koa tany Japon. Tsy ampy folo akory ny Vavolombelon’i Jehovah tany, tamin’ny vao nisy misionera, nefa lasa 200 000 mahery izao izy ireo. Maharitra dimy volana ny Sekolin’i Gileada, ary ny Tenin’Andriamanitra no tena halalinina mandritra an’ilay izy. Mpisava lalana manokana na misionera na mpiandraikitra ny faritra na Betelita no asaina manao an’io sekoly io. Ampiofanina tsara izy ireo mba ho afaka hampandroso ny asa maneran-tany.

  • Inona no tanjon’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana?

  • Iza no afaka manao ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana?