Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 17

Inona no Ataon’ny Mpiandraikitra ny Faritra?

Inona no Ataon’ny Mpiandraikitra ny Faritra?

Malawi

Miaraka amin’ny andia-mpitory

Mitory

Miara-mivory amin’ny anti-panahy

Imbetsaka ny Soratra Grika Kristianina no miresaka an’i Barnabasy sy ny apostoly Paoly. Mpiandraikitra mpitety faritany izy ireo, izany hoe mpitsidika fiangonana. Tena te hanampy ny mpiray finoana taminy mantsy izy ireo. Nilaza mihitsy i Paoly fa te “hiverina hitsidika” an’ireo rahalahy izy, mba hahitana hoe manao ahoana izy ireo. Vonona handeha an-jatony kilaometatra izy mba hampahery azy ireo. (Asan’ny Apostoly 15:36) Izany koa no ataon’ny mpiandraikitra mpitety faritany.

Mampahery anay izy ireo. Mitsidika fiangonana 20 eo ho eo ny mpiandraikitra ny faritra tsirairay, ka ireo fiangonana ireo mitambatra no atao hoe faritra. Tsidihiny indroa isan-taona mandritra ny herinandro ny fiangonana tsirairay. Tena manampy anay izy sy ny vadiny (raha manana), satria ampy traikefa sady efa betsaka ny zavatra niainany. Miezaka mifankahalala sy miara-manompo aminay rehetra izy ireo. Mitsidika anay any an-trano koa ny mpiandraikitra ny faritra sy ny anti-panahy. Tsy vitan’izay fa manao lahateny mampahery izy rehefa fivoriana sy fivoriambe.—Asan’ny Apostoly 15:35.

Manampy anay rehetra izy ireo. Tian’ny mpiandraikitra ny faritra hifandray tsara amin’i Jehovah izahay. Miara-mivory amin’ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana izy, ka manome torohevitra azy ireo hamitany tsara ny andraikiny. Mijery ny fandroson’ny fiangonana koa izy, ary manampy ny mpisava lalana hahay hitory sy hampianatra. Tiany koa ny mifankahalala amin’izay vaovao eo anivon’ny fiangonana, sy mahafantatra ny ezaka ataon’izy ireny mba hifandraisana amin’i Jehovah sy ny fandaminana. Mahafoy tena ny mpiandraikitra ny faritra mba “hahasoa” ny rehetra. (2 Korintianina 8:23) Tokony hahafoy tena sy hanam-pinoana toa azy ireny isika.—Hebreo 13:7.

  • Nahoana ny mpiandraikitra ny faritra no mitsidika fiangonana?

  • Inona no azonao atao mba handray soa ianao rehefa mitsidika ny mpiandraikitra ny faritra?