LESONA 22

Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampana?

Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampana?

Nosy Salomon

Kanada

Afrika Atsimo

Ny biraon’ny sampana no miandraikitra ny asa fitoriana ao amin’ny tany iray na maromaro. Betsaka ny asa tafiditra amin’izany, ka misy sampan-draharaha isan-karazany ao. Ohatra hoe Sampan-draharahan’ny Fandikan-teny, Fanontam-pirinty, Fanakambanam-boky, Fandefasana Entana, ary Haino Aman-jery.

Manara-maso ny asa ny Komitin’ny Sampana. Izy io no asain’ny Filan-kevi-pitantanana miandraikitra ny biraon’ny sampana. Anti-panahy efa za-draharaha telo, fara fahakeliny, no anisan’io komity io. Mandefa tatitra any amin’ny Filan-kevi-pitantanana izy io, ka mampahafantatra ny fandroson’ny asa sy ny olana mitranga ao amin’ilay tany. Manampy ny Filan-kevi-pitantanana izany hifidy izay horesahina ao amin’ny boky sy gazety, na any amin’ny fivoriana sy fivoriambe. Mandefa solontena ny Filan-kevi-pitantanana, mba hitsidika tsy tapaka ny sampana sy hanome toromarika an’ilay komity mba hamitany tsara ny andraikiny. (Ohabolana 11:14) Manao lahateny koa io solontenany io, mba hampaherezana ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ilay tany.

Manampy ny fiangonana ny biraon’ny sampana. Rahalahy vitsivitsy ao amin’ny sampana no mijery hoe efa azo atao fiangonana ve ny antoko-mpitory iray. Ny sasany kosa miandraikitra ny asa fitoriana ataon’ny mpisava lalana sy misionera ary mpiandraikitra ny faritra. Mandamina fivoriambe koa izy ireo, ary miandraikitra ny fanorenana Efitrano Fanjakana sy ny fandefasana boky any amin’ny fiangonana. Tena ilaina ny asa rehetra ao amin’ny sampana, satria natao mba hamitana tsara sy hampilamina ny asa fitoriana.1 Korintianina 14:33, 40.

  • Nahoana no manampy ny Filan-kevi-pitantanana ny Komitin’ny Sampana?

  • Inona avy ny asa atao any amin’ny biraon’ny sampana?