LESONA 28

Inona avy no ao Amin’ny Tranonkalanay ao Amin’ny Internet?

Inona avy no ao Amin’ny Tranonkalanay ao Amin’ny Internet?

Frantsa

Polonina

Rosia

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: ‘Aoka hamirapiratra eo anatrehan’ny olona ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa tsara ataonareo ka hanomezany voninahitra ny Rainareo izay any an-danitra.’ (Matio 5:16) Mampiasa ny teknolojia àry izahay mba hanaovana an’izany, ohatra hoe ny Internet. Hita ao amin’ny adiresinay jw.org ny zavatra inoanay sy ataonay Vavolombelon’i Jehovah.

Hita ao ny valin’ny fanontaniana fametraky ny olona. Mamaly fanontaniana enina, ohatra, ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Misy amin’ny fiteny 400 mahery izy io ao. Misy Baiboly Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteny 100 mahery koa ao, sady misy boky sy gazety fianarana Baiboly. Anisan’izany Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! faramparany ary ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Azo vakina na henoina na alaina ao ny ankamaroan’ireny boky sy gazety ireny. Misy amin’izy ireny miendrika PDF na EPUB, izany hoe lahatsoratra miaraka amin’ny sary. Afaka manao pirinty mihitsy aza ianao, raha misy olona liana tianao homena azy ireny amin’ny fiteniny. Misy boky sy gazety amin’ny tenin’ny tanana vita video koa ao. Ahitana tenin’ny tanana isan-karazany ao. Afaka maka tantara ara-baiboly henoina na tantara an-tsehatra na hira ao koa ianao.

Hita ao ny tena marina momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany ny vaovao farany momba anay. Aseho an-tsary ao koa ny fandehan’ny asa ataonay eran-tany sy izay manjo anay ary ny ezaka ataonay mba hanampiana tra-boina. Hita ao koa ny daty sy ny toerana hanaovana fivoriambe ary ny adiresin’ireo biraon’ny sampana.

Nahoana izahay no manao izany rehetra izany? Amin’izay mahafantatra ny marina ao amin’ny Baiboly ny olona rehetra, na dia ny any amin’ny Tendrontany Atsimo lavitra be any aza. Enga anie “hiely haingana foana” ny tenin’i Jehovah, ka hahazo voninahitra izy.—2 Tesalonianina 3:1.

  • Nahoana ny jw.org no manampy olona be dia be hahalala ny marina ao amin’ny Baiboly?

  • Inona no tianao hojerena ao amin’ny tranonkalanay?