Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 TOKO FAHA-23

Nampianarin’i Jesosy Hamela Heloka Izy

Nampianarin’i Jesosy Hamela Heloka Izy

1. Inona ny fotoana mety ho nangidy indrindra tamin’i Petera?

NIFANOJO ny mason’i Jesosy sy Petera. Asa raha diso fanantenana ny fahitany an’i Jesosy tamin’izay, na tezitra taminy. Milaza fotsiny ny Baiboly hoe: “Nitodika ny Tompo ka nijery an’i Petera.” (Lioka 22:61) Vao nijery azy anefa i Jesosy, dia tonga saina i Petera hoe nanao fahadisoana lehibe. Inona izany? Nanda mafy izy hoe tsy nahalala an’ilay Tompo tena tiany. Izay anefa ilay efa nolazain’i Jesosy fa hataony, saingy nanizingizina be izy hoe tsy hanao an’izany mihitsy. Kivy be àry izao i Petera. Io angamba no fotoana nangidy indrindra taminy, ka tsy ho hadinony mihitsy.

2. Inona no nila nianaran’i Petera sy tokony hianarantsika koa?

2 Tsy hoe tsy avotra intsony anefa i Petera. Olona tena nanam-pinoana mantsy izy, ka mbola azo nantenaina hibebaka sy handray lesona lehibe avy amin’i Jesosy. Tsy inona izany fa ny famelan-keloka. Mila mianatra an’izany koa isika tsirairay. Andeha àry hojerentsika izay nitranga tamin’i Petera.

Mbola nila niezaka mafy

3, 4. a) Inona ilay fanontanian’i Petera, ary inona no mety ho noeritreretiny? b) Inona no navalin’i Jesosy, ary inona no tiany ho tsapan’i Petera?

3 Enim-bolana talohan’io, dia nanontany an’i Jesosy i Petera, tany Kapernaomy, hoe: “Tompoko, raha manota amiko impiry ny rahalahiko no havelako ny helony? Hatramin’ny impito ve?” Nieritreritra angamba i Petera hoe efa tena tsara fanahy. Nampianarin’ny mpitondra fivavahana mantsy fa tokony ho intelo ihany no mamela heloka. Hoy anefa i Jesosy: ‘Tsy hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impito amby fitopolo.’—Mat. 18:21, 22.

4 Te hilaza ve i Jesosy fa tokony hanisa ny fahadisoana natao taminy i Petera? Tsia. Mariho fa novany ho 77 ilay 7. Midika izany fa tsy tokony hisy fetrany ny famelan-keloka. (1 Kor. 13:4, 5) Tian’i Jesosy ho tsapan’i Petera fa nitady ho lasa tsy tia mamela heloka sy mafy fo toy ny olona tamin’izany izy. Tokony ho  vonona hamela heloka foana kosa izy, toa an’i Jehovah.—Vakio ny 1 Jaona 1:7-9.

5. Rahoviana no tena tsapantsika hoe ilaina ny mamela heloka?

5 Tsy niady hevitra tamin’i Jesosy i Petera. Tena nandray lesona ve anefa izy? Tsy tsapantsika indraindray hoe tena ilaina ny mamela heloka, raha tsy isika mihitsy no manao fahadisoana ka mila famelan-keloka. Andeha àry hiverenantsika ilay tantara teny aloha. Efa hovonoina i Jesosy tamin’izay, nefa mbola nanao fahadisoana maro ihany i Petera, ka nila an’i Jesosy hamela azy.

Vao mainka nila famelan-keloka

6. Inona no nataon’i Petera rehefa hanasa ny tongony i Jesosy, nefa nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy?

6 Fotoana niavaka tamin’izay, satria alina farany talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Mbola maro anefa ny zavatra nila nampianariny ny apostoly, anisan’izany ny fanetren-tena. Nanome modely ho azy ireo izy, ka nanasa ny tongotr’izy ireo. Asa fanaon’ny mpanompo ambany indrindra izany. Nisalasala teo aloha i Petera hoe i Jesosy ve no hanasa ny tongony. Dia tsy nanaiky mihitsy izy taorian’izay, nefa avy eo indray nisisika hoe tsy ny tongony ihany no hosasana fa ny tanany sy ny lohany koa! Na izany aza, dia nanam-paharetana i Jesosy, ka nanazava moramora hoe inona no dikan’ilay zavatra nataony, ary nahoana ilay izy no zava-dehibe.—Jaona 13:1-17.

7, 8. a) Inona avy indray ny fahadisoana nataon’i Petera? b) Nahoana isika no milaza fa tsara fanahy sy mamela heloka i Jesosy?

7 Vao vita kelikely anefa izay, dia nifamaly ny apostoly hoe iza tamin’izy ireo no lehibe indrindra, ary azo antoka fa niady hevitra teo koa i Petera. Nahamenatra ilay izy. Mbola nanitsy azy ireo moramora ihany i Jesosy, sady nidera azy ireo hoe nifikitra taminy foana. Nilaza koa anefa izy fa tsy ho ela dia hahafoy azy izy rehetra. Namaly i Petera hoe tsy handao an’i Jesosy mihitsy, na dia ho faty aza. Raha mbola tsy maneno indroa anefa ny akoho, hoy i Jesosy, dia handa azy intelo i Petera amin’io alina io. Mbola namaly ihany i Petera, sady nirehareha erỳ hoe izy indray dia tsy hiala amin’i Jesosy izany, na dia hivadika daholo aza ny apostoly!—Mat. 26:31-35; Mar. 14:27-31; Lioka 22:24-28; Jaona 13:36-38.

8 Tezitra ve i Jesosy nony farany? Tsia. Marina fa efa mafy ny nanjo azy. Ny toetra tsaran’ireo apostoly anefa no nifantohany, na dia tsy lavorary aza izy ireo. Fantany fa hahafoy azy i Petera, nefa hoy izy: ‘Efa nitalaho ho anao aho mba tsy ho levona ny finoanao. Ary raha vao tafarina ianao, dia ampaherezo ny rahalahinao.’  (Lioka 22:32) Natoky àry i Jesosy fa hibebaka i Petera, ary hanompo tsara an’i Jehovah indray. Tena tsara fanahy sy mamela heloka tokoa i Jesosy!

9, 10. a) Inona no tsy nety nataon’i Petera tao Getsemane? b) Mampahatsiahy antsika inona ny fahadisoany?

9 Mbola nanao fahadisoana indray i Petera, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Hivavaka i Jesosy tamin’izay, ka niangavy azy sy Jakoba ary Jaona mba hiari-tory. Ory sy nitebiteby mafy i Jesosy ka nila azy ireo hanohana azy. Resin-tory foana anefa ry Petera. Na izany aza, dia nangoraka sy namela ny helok’izy ireo i Jesosy, ka niteny hoe: “Mazoto ihany ny saina, saingy ny nofo no malemy.”—Mar. 14:32-41.

10 Nisy olona be dia be tonga, tsy ela taorian’izay. Nitondra fanilo sy sabatra ary kibay izy ireo. Tokony ho nitandrina ry Petera tamin’io, nefa iny izy fa tonga dia nanatsoaka ny sabany. Nasiany ny lohan’i Malko, mpanompon’ny mpisoronabe, ka nipitika terỳ ny sofiny. Nanitsy an’i Petera moramora indray i Jesosy. Nositraniny ny sofin’i Malko, ary nohazavainy fa tsy tokony hiady ny mpanara-dia azy. Mbola arahin’ny Kristianina izany hatramin’izao. (Mat. 26:47-55; Lioka 22:47-51; Jaona 18:10, 11) Efa be izay fahadisoan’i Petera izay! Mampahatsiahy antsika izany fa ‘manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Vakio ny Jakoba 3:2.) Iza amintsika tokoa no tsy mila famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isan’andro? Tsy vita hatreo anefa ny fahadisoana nataon’i Petera tamin’io alina io. Mbola ratsy lavitra aza ny nataony!

Ny fahadisoana lehibe indrindra nataony

11, 12. a) Inona ny porofo fa mba nanana herim-po ihany i Petera? b) Nahatana an’ilay teny nataony ve i Petera? Hazavao.

11 Nilaza tamin’ilay vahoaka i Jesosy fa tokony havelan-dry zareo handeha ny apostoly, raha izy no tadiaviny. Nofatoran’ny olona àry i Jesosy, nefa tsy afaka nanao na inona na inona i Petera. Hany heriny nandositra toa an’ireo apostoly hafa.

12 Nijanona i Petera sy Jaona, angamba rehefa tonga teny amin’ny tranon’i Anasy, mpisoronabe taloha. Tao mantsy i Jesosy no nentina voalohany. Nentina niala tao izy avy eo, ary mbola nanaraka izy roa lahy saingy “teny lavidavitra teny.” (Mat. 26:58; Jaona 18:12, 13) Tsy kanosa i Petera, satria nilana herim-po ihany ny nanaraka an’ilay vahoaka. Nirongo fiadiana mantsy izy ireo, sady i Petera koa efa namely ny iray taminy. Na izany aza, dia tsy nahatana an’ilay teniny i Petera. Nilaza izy hoe tsy hahafoy an’i Jesosy mihitsy fa vonona hiara-maty aminy, nefa aiza akory izay eo?—Mar. 14:31.

13. Ahoana no tokony hanarahantsika an’i Kristy?

 13 Maro koa ankehitriny no toa an’i Petera, ka manaraka an’i Kristy ihany saingy “lavidavitra”, izany hoe tsy te ho voamariky ny olona. I Petera mihitsy anefa no nanoratra, tatỳ aoriana, fa tsy mety izany. Ilaina kosa ny manaraka akaiky ny dian’i Kristy, ka manahaka azy amin’izay rehetra ataontsika, na inona na inona vokany.—Vakio ny 1 Petera 2:21.

14. Inona no nataon’i Petera nandritra ny fitsarana an’i Jesosy?

14 Tonga teo amin’ny tranon’i Kaiafa Mpisoronabe i Petera, nony farany, satria notsaraina tao indray i Jesosy. Nanan-karena sy nanam-pahefana i Kaiafa, ary ny tranony no anisan’ny lehibe indrindra tao Jerosalema. Nisy tokotany lehibe angamba teo afovoany, ary nisy vavahady teo anoloana. Saika hiditra i Petera, nefa nisy nanakana. Niangavian’i Jaona àry ny ankizivavy iray mpiandry vavahady mba hampiditra azy. Efa tao anatiny mantsy i Jaona tamin’izay sady izy koa fantatry ny mpisoronabe. Toa tsy niaraka anefa izy roa lahy rehefa tao. I Petera koa tsy niditra tao an-trano mba ho eo akaikin’i Jesosy, fa nijanona teo an-tokotany niaraka tamin’ny andevo sy mpanompo. Nangatsiaka ny alina, ka sady nitanina afo izy ireo no nijery an’ireo vavolombelona mandainga nivoaka sy niditra.—Mar. 14:54-57; Jaona 18:15, 16, 18.

15, 16. Tanteraka ve ilay faminaniana hoe handa an’i Jesosy intelo i Petera?

15 Nahatazana kokoa an’i Petera ilay tovovavy nampiditra azy, rehefa teo am-pototry ny afo. Fantany i Petera, ka hoy izy: “Ianao koa niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Galilia!” Tsy nampoizin’i Petera ilay izy, ka nanda izy hoe tsy nahalala an’i Jesosy. Niteny mihitsy aza izy fa tsy azony ny tenin’ilay tovovavy. Nandeha niafinafina teny akaikin’ny vavahady izy, nefa nisy ankizivavy hafa indray nahamarika azy, ka niteny hoe: “Niaraka tamin’i Jesosy, ilay avy any Nazareta, io lehilahy io.” Nianiana i Petera hoe: “Marina raha mba fantatro izany lehilahy izany!” (Mat. 26:69-72; Mar. 14:66-68) Efa indroa i Petera izay no nanda an’i Jesosy, ary teo angamba no nisy akoho naneno voalohany. Variana loatra anefa izy, ka tsy nahatsiaro fa izay mihitsy ilay faminaniana nolazain’i Jesosy ora vitsivitsy lasa.

16 Mbola niezaka niafinafina ihany i Petera. Nisy olona maromaro anefa nanatona azy, anisan’izany ny havan’i Malko, ilay nesorin’i Petera ny sofiny. Hoy izy: “Tsy efa hitako tao amin’ny zaridaina niaraka taminy ve ianao?” Te handresy lahatra mafy azy ireo i Petera hoe diso ry zareo, ka nianiana mihitsy fa hisy loza hanjo azy raha nandainga izy. Vao tapitra anefa ny teniny, dia naneno  fanindroany ny akoho. Fanintelony izy izao no nanda an’i Jesosy.—Jaona 18:26, 27; Mar. 14:71, 72.

“Nitodika ny Tompo ka nijery an’i Petera”

17, 18. a) Nanao ahoana i Petera rehefa tsapany ny fahadisoany? b) Inona no mety ho tao an-tsainy?

17 Nivoaka teo an-davarangana i Jesosy tamin’izay, ary nijery tany an-tokotany. Nifanojo ny mason’izy sy Petera, araka ny voalaza tany aloha. Teo vao tsapan’i Petera fa tena nandiso fanantenana ny Tompony izy. Lasa izy sady kivy be satria nahatsiaro tena ho meloka. Nandeha teny amin’ny arabe izy, ary nanganohano ny masony. Fenomanana ny volana tamin’izay, nefa toa tsy hitany intsony ny tany aman-danitra. Tsy zakany intsony ny alahelony, ka nigogogogo be izy.—Mar. 14:72; Lioka 22:61, 62.

18 Matetika ny olona nanao fahadisoana lehibe toy izany no mieritreritra hoe ratsy loatra ny nataony, ka tsy ho voavela intsony izy. Izany koa angamba no tao an-tsain’i Petera. Dia tsy ho voavela tokoa ve anefa ny helony?

Tsy ho voavela tokoa ve?

19. Nanao ahoana ny fihetseham-pon’i Petera, nefa ahoana no ahalalantsika fa tsy namoy fo izy?

19 Tsy hay lazaina ny fahorian’i Petera nony maraina, ary mbola nanampy trotraka an’izany ny zava-nitranga ny androtr’iny. Maty mantsy i Jesosy ny tolakandro, rehefa avy nampijalina nandritra ny ora maro. Tsy maintsy ho nanamelo-tena be i Petera! Azo antoka fa narary be ny fony isaky ny nieritreritra hoe: ‘Efa tena mafy ny nahazo an’i Jesosy sady efa ho faty izy, nefa izaho mbola nampalahelo azy ihany!’ Tsy namoy fo anefa i Petera. Niara-nivory tamin’ireo apostoly indray mantsy izy, tsy ela taorian’izay. (Lioka 24:33) Azo inoana fa nanenina tamin’izay nataony tamin’iny alina iny izy rehetra, ka nifampahery teo.

20. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’i Petera?

20 Tena nanam-pinoana i Petera matoa niara-nivory tamin’ny rahalahiny, na dia kivy aza. Io no anisan’ny fanapahan-kevitra tsara indrindra noraisiny. Na tena diso aza mantsy ny olona iray, dia tsy ny haben’ilay fahadisoany no jeren’i Jehovah, fa hoe mbola vonona hiarina ve izy ka hanitsy izay tsy nety nataony. (Vakio ny Ohabolana 24:16.) Marina fa te hitokantokana ny olona rehefa kivy na manenina. Tena ratsy anefa izany. (Ohab. 18:1) Aleo kosa  miaraka amin’ny mpiray finoana satria mampahery izany, ka mandrisika antsika hanompo an’Andriamanitra indray.—Heb. 10:24, 25.

21. Inona no henon’i Petera noho izy niara-nivory tamin’ny mpianatra hafa?

21 Soa ihany i Petera fa niaraka tamin’ny mpianatra hafa. Tany izy mantsy no naheno hoe tsy tao am-pasana intsony ny fatin’i Jesosy. Mahagaga izany satria efa nohidiana mafy ilay izy. Nihazakazaka nankany àry i Petera sy Jaona. I Jaona no tonga voalohany satria tanora kokoa angamba izy. Nivoha ilay fasana nefa tsy sahy niditra izy. I Petera kosa tsy mba niandriandry fa tonga dia niditra, na dia mbola sempotra be aza. Tena tsy tao tokoa i Jesosy!—Jaona 20:3-9.

22. Nahoana i Petera no tsy nisalasala intsony sady faly be?

22 Tsy nino i Petera tamin’ny voalohany hoe efa nitsangana i Jesosy, na dia nisy vehivavy mpianatr’i Jesosy aza nitantara fa nisy anjely nilaza an’izany tamin’izy ireo. (Lioka 23:55–24:11) Tsy nisalasala intsony anefa i Petera sady faly be, ny harivan’iny. Tena velona i Jesosy, ary lasa zavaboary ara-panahy mahery! Niseho tamin’ny apostoly rehetra izy. Mariho anefa izay nataony talohan’izay. Hoy ireo apostoly: “Tena marina fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simona!” (Lioka 24:34) Nanoratra koa i Paoly fa “niseho tamin’i Kefasy” i Jesosy tamin’io andro io, “ary avy eo [vao] tamin’izy roa ambin’ny folo lahy.” (1 Kor. 15:5) Anaran’i Petera ihany ny hoe Kefasy sy Simona. Tena nampihetsi-po àry ny zavatra nataon’i Jesosy, satria tamin’i Petera irery aloha izy no niseho vao tamin’ny apostoly hafa.

Nanao fahadisoana betsaka i Petera, nefa iza amintsika no tsy mba diso ka hoe tsy mila ny famelan’i Jehovah isan’andro?

23. Nahoana no mila mitadidy ny tantaran’i Petera ny olona nanao fahadisoana lehibe?

23 Tsy tantarain’ny Baiboly izay nitranga rehefa nihaona i Jesosy sy Petera. Azo inoana fa faly be i Petera nahita ny Tompony velona indray. Afaka nifona izy sady nilaza hoe tena nanenina. Naniry mafy izy hoe hamela ny helony i Jesosy, dia namela azy tokoa izy sady namela azy tanteraka. Mila mitadidy ny tantaran’i Petera ny Kristianina nanao fahadisoana lehibe. Tsy tokony hieritreritra mihitsy izy hoe tsy hamela azy intsony i Jehovah. “Tena mamela heloka tanteraka” mantsy izy, ary nanahaka azy i Jesosy.—Isaia 55:7.

Nanome toky azy indray i Jesosy

24, 25. a) Tantarao ilay alina nandehanan-dry Petera nanarato. b) Inona no nataon’i Petera raha vao nahita hoe i Jesosy ilay nanao fahagagana?

24 Nasain’i Jesosy nankany Galilia ireo apostoly, mba hihaona aminy. Nandeha nanarato i Petera rehefa tonga tany. Nanaraka  azy koa ny mpianatra sasany. Iny i Petera fa niverina teo amin’ny Ranomasin’i Galilia indray. Efa nahazatra azy tsara io farihy io. Henony daholo indray na sambo nidridroka na onja nidoboka. Nandray harato izy, ary tsy vaovao taminy koa ilay izy. Tsy nahazo trondro mihitsy anefa ry zareo tamin’io alina io.—Mat. 26:32; Jaona 21:1-3.

Tonga dia nilomano i Petera ka nankeny amin’i Jesosy

25 Nisy olona niantsoantso teny amoron-tsiraka, rehefa nihanazava ny andro. Nasainy natsipin-dry zareo teo ankavanan’ny sambo ilay harato. Nataony izany, ary nahazo trondro be 153 izy ireo! Tonga dia fantatr’i Petera hoe i Jesosy ilay olona, ka nitsoraka  izy ary nilomano nankeny. Rehefa tonga teo amin’ny torapasika izy rehetra, dia nomen’i Jesosy trondro natono. Niresaka tamin’i Petera izy avy eo.—Jaona 21:4-14.

26, 27. a) Inona no navelan’i Jesosy hataon’i Petera intelo? b) Inona ny porofo fa namela tanteraka an’i Petera i Jesosy?

26 Nanondro an’ireo trondro i Jesosy sady nanontany hoe: “Tia ahy mihoatra noho ny itiavanao an’iretsy ve ianao?” Iza tokoa no tian’i Petera kokoa: Ny asany sa i Jesosy? Namaly i Petera hoe i Jesosy no tiany. Intelo i Jesosy no nanontany azy. Efa nanda ny Tompony intelo mantsy i Petera, ka navelany hanambara intelo teo imason’ny namany hoe tena tia azy. Nilaza i Jesosy hoe raha tena tia azy izy, dia ny fanompoana masina no tokony hataony zava-dehibe indrindra. Mila mamahana sy mampahery ary miandry ny andian’ondrin’i Kristy izy.—Lioka 22:32; Jaona 21:15-17.

27 Nanome toky an’i Petera àry i Jesosy teo fa mbola nila azy izy sy ny Rainy. Nahazo andraikitra lehibe teo anivon’ny fiangonana i Petera, tatỳ aoriana, ary nitari-dalana azy i Kristy. Namela azy tanteraka tokoa i Jesosy! Azo antoka fa nanohina ny fon’i Petera izany, sady nandraisany lesona.

28. Nahoana no tena nety ny anaran’i Petera?

28 Nanao tsara ny andraikiny i Petera nandritra ny taona maro. Nampahery an’ireo rahalahiny izy, araka ilay didin’i Jesosy talohan’ny nahafatesany. Niandry ny andian’ondrin’i Kristy i Petera sady nanome sakafo ara-panahy azy ireo. Tsara fanahy sy nanam-paharetana tamin’izy ireo foana koa izy. Nety tokoa ny niantsoana azy hoe Petera na Vatolampy. Lasa tena natanjaka mantsy ny finoany, ka nanjary modely ho an’ny fiangonana izy. Tena ahitana an’izany ireo taratasy roa nosoratany, izay lasa anisan’ny boky sarobidy ao amin’ny Baiboly. Hita ao koa fa tena nandray lesona avy tamin’i Jesosy izy ka lasa tia namela heloka.—Vakio ny 1 Petera 3:8, 9; 4:8.

29. Inona no ianarantsika avy amin’i Petera sy Jesosy?

29 Enga anie isika handray lesona toy izany koa. Mangataka famelana amin’Andriamanitra ve isika isan’andro? Manota foana mantsy isika. Ary matoky ve isika avy eo fa tena voavela heloka sy madio eo imason’Andriamanitra? Mamela ny heloky ny hafa koa ve isika? Manahaka ny finoan’i Petera isika raha manao izany, ary mamindra fo toa an’i Jesosy.