Hijery ny anatiny

Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?

Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any?

Mieritreritra ve ianao hoe...

  • tsy hijaly intsony?

  • mbola hijaly foana?

  • mety tsy hijaly intsony?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra ... ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony.”—Apokalypsy 21:3, 4, Dikanteny Iombonana Eto Madagasikara.

INONA NO VOKATR’IZANY EO AMINAO?

Matoky fa tsy avy amin’Andriamanitra ny olana mahazo antsika.—Jakoba 1:13.

Faly mahalala hoe miara-miory amintsika Andriamanitra.—Zakaria 2:8.

Manantena fa tsy hisy intsony ny fijaliana rehetra.—Salamo 37:9-11.

TENA AZO INOANA VE IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY?

Eny! Ireto misy antony roa:

  • Tsy tian’Andriamanitra ny fijaliana sy ny tsy rariny. Nanao ahoana i Jehovah Andriamanitra rehefa nisy nampijaly ny vahoakany fahiny? Milaza ny Baiboly fa nalahelo izy noho ny nataon’ireo “nampijaly” azy ireo.—Mpitsara 2:18, Fandikan-teny Katolika.

    Tezitra amin’izay mampijaly ny hafa Andriamanitra. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa halany “ny tanana mandatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny.”—Ohabolana 6:16, 17, Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao.

  • Mikarakara antsika tsirairay Andriamanitra. Samy mahafantatra ny zavatra mampijaly azy ny tsirairay, ary mahafantatra an’izany koa i Jehovah.2 Tantara 6:29, 30.

Kely sisa i Jehovah dia hanala ny fijalian’ny olona, amin’ny alalan’ny Fanjakany. (Matio 6:9, 10) Efa mampahery an’izay tena te hifandray aminy anefa izy ankehitriny.—Asan’ny Apostoly 17:27; 2 Korintianina 1:3, 4.

FANONTANIANA HOSAINTSAININA

Nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny fijaliana?

Mamaly izany ny Baiboly ao amin’ny ROMANINA 5:12 sy 2 PETERA 3:9.