Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 4

Nampifaly ny Dadany sy Jehovah Izy

Nampifaly ny Dadany sy Jehovah Izy

Inona no fampanantenana nataon’i Jefta tamin’i Jehovah?

Nitsidika ny zanakavavin’i Jefta ny namany, isan-taona

Hitanao ve io ankizivavy eo amin’ny sary io?... Zanaky ny lehilahy iray atao hoe Jefta izy io. Tsy lazain’ny Baiboly ny anarany, nefa fantatsika fa nampifaly ny dadany sy Jehovah izy. Andeha hofantarintsika izy sy Jefta rainy.

Tsara toetra i Jefta ary nanokana fotoana be dia be izy mba hampianarana ny zanany momba an’i Jehovah. Natanjaka sy nahay nitari-tafika koa izy. Nangataka azy àry ny Israelita mba hitarika azy ireo hiady tamin’ny fahavalony.

Nivavaka tamin’i Jehovah i Jefta mba hanampy azy handresy. Ahoana no hataony raha mandresy izy? Nampanantena izy hoe homeny an’i Jehovah izay olona mitsena azy voalohany rehefa mody izy. Hiasa ao amin’ny tranolay masina io olona io mandra-pahafatiny. Nankany amin’ny tranolay ny olona tamin’izany mba hanompo an’i Jehovah. Nandresy tokoa i Jefta! Fantatrao ve hoe iza no nitsena azy voalohany?...

Ie. Ny zanany vavy! Io irery no zanany, nefa tsy maintsy hisaraka aminy izy. Nalahelo be i Jefta. Tadidio anefa fa efa nampanantena izy. Hoy àry ilay zanany: ‘Efa nampanantena an’i Jehovah ianao ry Dada, ka tsy maintsy manatanteraka an’izany.’

Notanterahin’ny zanakavavin’i Jefta ny tenin’ny dadany, na dia tsy mora aza

Tsy mora tamin’ny zanak’i Jefta ny nanatanteraka an’izany. Tsy ho afaka hanambady sy hiteraka mantsy izy raha mankany amin’ny tranolay. Zava-dehibe taminy anefa ny hanatanteraka ny tenin’ny dadany sy ny hampifaly an’i Jehovah. Izany no tiany kokoa noho ny hoe hanambady sy hiteraka. Niala tao an-trano àry izy, ary niasa tany amin’ny tranolay mandra-pahafatiny.

Nampifaly an’ny dadany sy Jehovah ve ny zavatra nataony?... Izay mihitsy! Raha mankatò sy tia an’i Jehovah hoatran’ny zanakavavin’i Jefta ianao, dia ho faly i Dada sy Neny ary Jehovah.