Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 6

Tsy Natahotra i Davida

Tsy Natahotra i Davida

Inona no ataonao rehefa matahotra?... Mety hankany amin’i Dada sy Neny ianao. Mbola misy afaka manampy anao anefa, ary mahery noho ny olona rehetra izy. Fantatrao ve hoe iza izany?... Ie, Jehovah. Andeha isika hiresaka momba an’i Davida, ankizilahy iray ao amin’ny Baiboly. Fantany fa hanampy azy foana i Jehovah, ka tsy natahotra izy.

Nampianarin’ny ray aman-dreniny ho tia an’i Jehovah i Davida, hatramin’izy mbola kely. Izany no nanampy azy tsy hatahotra rehefa nisy zavatra nampahatahotra. Fantany hoe Namany i Jehovah ka hanampy azy. Niandry ondry izy, indray andro, ary nisy liona ngezabe naka ondry iray. Inona no nataon’i Davida? Nenjehiny ilay liona ary novonoiny, nefa izy tsy nanana fitaovam-piadiana. Novonoiny koa ny orsa iray nanafika an’ireo ondry. Iza, hoy ianao, no nanampy an’i Davida?... Ie, Jehovah.

Nisy fotoana hafa koa nahitana hoe tsy natahotra i Davida. Niady tamin’ny firenena iray atao hoe Filistinina ny Israelita, tamin’izay. Nanana miaramila iray goavam-be ny Filistinina. Goliata no anarany. Naneso an’i Jehovah sy ny miaramila israelita izy. Nasainy hiady aminy ny miaramila israelita. Natahotra azy daholo anefa izy ireo. Rehefa henon’i Davida izany, dia hoy izy tamin’i Goliata: ‘Hiady aminao aho! Hanampy ahy i Jehovah ka ho resiko ianao!’ Tsy natahotra ve i Davida tamin’io?... Ie, tena tsy natahotra izy. Tianao ho fantatra ve izay nitranga?

Naka pilotra sy vato malama dimy i Davida, ary nivoaka hiady tamin’ilay olona goavam-be. Nihomehezan’i Goliata i Davida satria mbola kely. Hoy anefa i Davida: ‘Manatona ahy amin’ny sabatra ianao, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’i Jehovah!’ Nasiany vato iray ilay pilotra avy eo, ary nihazakazaka nankeny amin’i Goliata izy. Notorahany i Goliata ka voa teo amin’ny handriny. Nianjera izy dia maty. Natahotra ny Filistinina ka nandositra daholo. Nahoana ny ankizilahy hoatran’i Davida no naharesy olona goavam-be?... Satria nanampy azy i Jehovah, izay matanjaka lavitra noho ilay olona goavam-be.

Tsy natahotra i Davida satria fantany fa hanampy azy i Jehovah

Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Davida?... Mahery noho ny olona rehetra i Jehovah. Namanao koa izy. Rehefa matahotra àry ianao, dia tadidio fa afaka manampy anao i Jehovah.