Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 8

Nanana Namana Tsara i Josia

Nanana Namana Tsara i Josia

Sarotra ve ny manao ny tsara, araka ny hevitrao?... Maro no mieritreritra an’izany. Milaza ny Baiboly fa tena sarotra tamin’ny ankizilahy atao hoe Josia ny nanao ny tsara. Nanana namana tsara nanampy azy anefa izy. Andeha isika hianatra momba an’i Josia sy ny namany.

I Amona, mpanjakan’ny Joda, no dadan’i Josia. Nanao ratsy i Amona sady nanompo sampy. Lasa mpanjakan’ny Joda i Josia, rehefa maty ny dadany. Vao valo taona anefa izy tamin’izay. Nanao ratsy hoatran’ny dadany ve izy?... Tsia.

Nilaza tamin’ny olona i Zefania hoe aza manompo sampy

Te hankatò an’i Jehovah i Josia na dia mbola kely aza. Ireo olona tia an’i Jehovah ihany àry no nataony namana. Nanampy an’i Josia hanao ny tsara izy ireo. Iza ny sasany tamin’ireo namany ireo?

Anisan’ny namany i Zefania. Mpaminany izy ary nampitandrina ny olona hoe hisy zavatra ratsy hitranga raha manompo sampy izy ireo. Nihaino azy i Josia, ka nanompo an’i Jehovah fa tsy nanompo sampy.

Anisan’ny naman’i Josia koa i Jeremia. Nitovitovy taona izy ireo ary mpiray tanàna sady niara-lehibe. Mpinamana be izy ireo, ka rehefa maty i Josia dia nanao hira nilaza ny alahelony azy i Jeremia. Nifanampy i Jeremia sy Josia mba hahatonga azy ireo hanao ny tsara sy hankatò an’i Jehovah.

Nifanampy i Josia sy Jeremia mba hahatonga azy ireo hanao ny tsara

Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Josia?... Te hanao ny tsara i Josia na dia mbola kely aza. Fantany fa ny olona tia an’i Jehovah ihany no tokony hataony namana. Olona tia an’i Jehovah sy afaka manampy anao hanao ny tsara àry atao namana.