Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 9

Niresaka Momba An’i Jehovah Foana i Jeremia

Niresaka Momba An’i Jehovah Foana i Jeremia

Nahoana ny olona no tezitra tamin’i Jeremia?

Naniraka olona hanampy an’i Jeremia i Jehovah

Mety hananihany antsika ny olona na ho tezitra amintsika rehefa miresaka momba an’i Jehovah isika. Tsy te hiresaka momba an’i Jehovah intsony isika vokatr’izany. Efa hoatr’izany ve ianao?... Nisy tovolahy tia an’i Jehovah, nefa saika tsy hiresaka momba azy intsony. Jeremia no anarany. Andeha isika hianatra momba azy.

Nirahin’i Jehovah i Jeremia, tamin’izy mbola tanora, mba hilaza amin’ny olona hoe aza manao ratsy intsony. Tena sarotra tamin’i Jeremia izany, ka natahotra izy. Hoy izy tamin’i Jehovah: ‘Tsy mahay miteny ange aho fa mbola zaza e!’ Hoy anefa i Jehovah: ‘Aza matahotra fa hanampy anao aho.’

Nampitandrina ny olona àry i Jeremia hoe ho voasazy izy ireo raha tsy miova. Nanaraka ny tenin’i Jeremia ve izy ireo?... Tsia. Nananihany azy ny sasany. Ny hafa tezitra be taminy. Nisy aza te hamono azy mihitsy! Inona no vokatr’izany tamin’i Jeremia?... Natahotra izy ka niteny hoe: ‘Tsy hiresaka momba an’i Jehovah intsony aho.’ Izany tokoa ve no nataony?... Tsia. Tena tiany i Jehovah ka tsy vitany ny hoe tsy hiresaka momba azy. Narovan’i Jehovah izy, noho izany.

Natsipin’ny olona ratsy fanahy tao anaty lavaka feno fotaka i Jeremia, indray mandeha. Tsy nisy sakafo sy rano hosotroina tao. Tian’ireo olona ireo ho faty tao mantsy izy. Nanampy azy anefa i Jehovah ka tsy maty izy.

Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Jeremia?... Niresaka momba an’i Jehovah foana izy, na dia natahotra aza indraindray. Mety hananihany anao ny olona na ho tezitra aminao rehefa miresaka momba an’i Jehovah ianao. Mety ho menatra na hatahotra ianao, vokatr’izany. Miresaha momba an’i Jehovah foana anefa. Hanampy anao izy, hoatran’ny nanampiany an’i Jeremia.