Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

LESONA 14

Ilay Fanjakana Hitondra ny Tany Manontolo

Ilay Fanjakana Hitondra ny Tany Manontolo

Inona io Fanjakana io raha hainao?... Ie, ny Fanjakan’Andriamanitra. Io ilay Fanjakana hanova ny tany ho paradisa. Te hianatra momba azy io ve ianao?...

Manana mpanjaka ny fanjakana rehetra. Ny mpanjaka no mitondra ny olona ao amin’ny taniny. Fantatrao ve hoe iza no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra?... I Jesosy Kristy. Mipetraka any an-danitra izy. Tsy ho ela izy dia hanjaka amin’ny olona rehetra eto an-tany! Mino ve ianao hoe ho sambatra isika rehefa lasa Mpanjakan’ny tany i Jesosy?...

Inona no tianao ho hita any amin’ny Paradisa?

Tena ho sambatra isika. Hifankatia daholo ny olona ao amin’ny Paradisa fa tsy hisy hiady intsony. Tsy hisy olona harary sy ho faty koa ao. Hahita ny jamba, haheno ny marenina, ary ho afaka hihazakazaka sy hitsambikina ny kilemaina. Ho betsaka ny sakafo. Hifankatia ny biby sy ny olona ary ny biby samy biby. Ho velona indray ny olona efa maty. Anisan’izany ny ankamaroan’ireo olona noresahina tato amin’ity bokikely ity. Ohatra hoe: Rebeka, Rahaba, Davida, ary Elia. Tianao ve ny hahita azy ireo rehefa velona indray izy ireo?...

Tian’i Jehovah ianao, ary tiany ho sambatra. Hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa ianao raha mianatra momba an’i Jehovah sy mankatò azy foana. Tianao ve izany?...