Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 1

“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao!”

“Ho Tonga Anie ny Fanjakanao!”

INONA NO HORESAHINA ATO?

Nampianatra momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy

1, 2. Inona no nolazain’i Jehovah tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona, ary inona no nataon’izy ireo?

 AOKA hatao hoe miresaka aminao i Jehovah Andriamanitra, ary misy zavatra asainy ataonao. Tonga dia hankatò azy ianao, na inona na inona asainy atao, sa tsy izany?

2 Niresaka tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona i Jehovah tao amin’ny fahitana iray, taoriana kelin’ny Paska taona 32. (Vakio ny Matio 17:1-5.) Niaraka tamin’i Jesosy Tompo tany “an-tendrombohitra avo” izy ireo tamin’izay, ary naseho azy ireo hoe hoatran’ny ahoana i Jesosy rehefa lasa Mpanjaka any an-danitra. Toy ny hoe tena izy ilay fahitana ka te handray anjara tamin’izy io i Petera. Nisy rahona tampoka anefa nanaloka azy ireo raha mbola niteny i Petera. Nahare feo izy ireo avy eo. Feon’i Jehovah ilay izy! Tena niavaka izany, satria vitsy kely ny olona efa nahare ny feon’i Jehovah. Niteny izy hoe Zanany i Jesosy. Nilaza mazava izy avy eo hoe: “Henoy izy.” Nanao izany ireo apostoly, ka nankatò an’izay nampianarin’i Jesosy ary nampirisika ny olona hanao toy izany koa.—Asa. 3:19-23; 4:18-20.

Ny Fanjakan’Andriamanitra no tena noresahin’i Jesosy

3. Nahoana isika no mila mihaino an’i Jesosy, ary inona no tokony hofantarintsika tsara?

3 Tian’i Jehovah hihaino an’i Jesosy koa isika, matoa nasainy nosoratana ao amin’ny Baiboly ilay hoe: “Henoy izy.” (Rom. 15:4) Nahoana isika no mila mihaino an’i Jesosy? Satria izy no mpitondra tenin’i Jehovah. (Jaona 1:1, 14) Ny zava-drehetra tiany ho fantatsika no nampianarin’i Jesosy, indrindra fa ny Fanjakan’Andriamanitra na Fanjakan’ny Mesia. Tokony hiezaka hahafantatra tsara an’io Fanjakana io àry isika. Fitondrana any an-danitra izy io, ary i Kristy Jesosy sy ny 144 000 no mpanjakan’izy io. (Apok. 5:9, 10; 14:1-3; 20:6) Hojerentsika anefa aloha hoe nahoana i Jesosy no niresaka imbetsaka momba azy io.

“Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany”

4. Inona ny porofo fa tena zava-dehibe amin’i Jesosy ilay Fanjakana?

4 Tena zava-dehibe amin’i Jesosy ny Fanjakan’Andriamanitra. Nahoana isika no milaza izany? Hoy izy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Mat. 12:34) Te hilaza izy hoe matoa ny zavatra iray resahin’ny olona iray foana, dia iny no tena zava-dehibe aminy. Niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra foana i Jesosy, isaky ny afaka nanao izany. Injato mahery, ohatra, ny Filazantsara no miresaka an’io Fanjakana io, ary i Jesosy matetika no niteny an’ilay izy. Ny Fanjakan’Andriamanitra koa no tena notoriny. Hoy izy: ‘Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa aho, fa izany no nanirahana ahy.’ (Lioka 4:43) Mbola niresaka momba an’io Fanjakana io foana izy, na dia taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty aza. (Asa. 1:3) Tsy hita avy amin’izany ve fa tena zava-dehibe amin’i Jesosy ilay Fanjakana?

5-7. a) Ahoana no ahalalantsika fa tena zava-dehibe amin’i Jehovah ilay Fanjakana? Hazavao amin’ny ohatra. b) Inona no tokony hataontsika raha tena zava-dehibe amintsika ilay Fanjakana?

5 Tena zava-dehibe amin’i Jehovah koa io Fanjakana io. Ahoana no ahalalantsika izany? Nirahiny tetỳ an-tany ny Zanany lahitokana mba hitory momba azy io. Avy aminy ny zava-drehetra nampianarin’ilay Zanany. (Jaona 7:16; 12:49, 50) Izy koa no nampanoratra tao amin’ny Filazantsara ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Inona no nahatonga azy hanao izany rehetra izany?

Mieritrereta hoe: ‘Zava-dehibe amiko ve ny Fanjakan’Andriamanitra?’

6 Eritrereto hoe handeha hanao dia lavitra ianao, dia mampirina akanjo ao anaty valizy. Be dia be anefa ny akanjonao, ka tsy antonona ao daholo. Ahoana no hataonao? Hofidinao tsara izay akanjo hataonao ao. Mitovy amin’ilay valizy ny Filazantsara. Be dia be ny zavatra nolazain’i Jesosy sy nataony tetỳ an-tany, nefa tsy nasain’i Jehovah nosoratana ao daholo. (Jaona 20:30; 21:25) Notarihin’ny fanahiny kosa ireo mpanoratra ny Filazantsara, ka izay tena ilaintsika hofantarina ihany no nosoratany ao. (2 Tim. 3:16, 17; 2 Pet. 1:21) Tsy inona izany fa izay teny sy zavatra nataon’i Jesosy, ka ahitana hoe inona no tena nankanesany tetỳ ary inona no tena zava-dehibe amin’i Jehovah. Hita ao amin’ny Filazantsara fa nampianatra imbetsaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy. Tena zava-dehibe amin’i Jehovah àry io Fanjakana io. Tena tiany hahafantatra tsara momba azy io isika.

7 Mieritrereta àry hoe: ‘Zava-dehibe amiko koa ve ny Fanjakan’Andriamanitra?’ Raha zava-dehibe amintsika io Fanjakana io, dia hianatra an’izay nolazain’i Jesosy momba azy io isika. Hofantarintsika hoe nahoana izy io no tena ilaina, inona no hataony, ary rahoviana izy io no ho tonga.

Nahoana no tena ilaina ilay Fanjakana?

8. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tena ilaina ilay Fanjakana?

8 Hodinihintsika ilay vavaka nampianarin’i Jesosy. Tsotra sady mazava io vavaka io. Misy zavatra fito nasain’i Jesosy nangatahina ao, ka momba ny fikasan’i Jehovah ny telo voalohany. Ireto avy izany: “Hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Vakio ny Matio 6:9, 10.) Mifandray ireo zavatra telo ireo. Ny Fanjakan’ny Mesia no hampiasain’i Jehovah hanamasinana ny anarany sy hanaovana ny sitrapony. Nasehon’i Jesosy tao amin’io vavaka io àry fa tena ilaina ilay Fanjakana.

9, 10. a) Inona no hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa “tonga” izy io? b) Inona amin’ireo zavatra hataon’ilay Fanjakana no tena tianao ho tanteraka?

9 Ary inona no dikan’ilay hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao”? Ho tonga etỳ an-tany izy io, izany hoe izy io irery no hitondra ny tany manontolo. Haringany ity tontolo ratsy ity, ka hosoloany tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Hofoanany ny fitondran’olombelona. (Dan. 2:44; 2 Pet. 3:13) Hovany ho paradisa koa ny tany manontolo. (Lioka 23:43) Hatsangany ny maty, ka hihaona indray amin’ny havany sy ny namany. (Jaona 5:28, 29) Ho lasa lavorary ny olona tsy mivadika, ary hiaina mandrakizay. (Apok. 21:3-5) Ela ny ela ka hatao etỳ an-tany ihany ny sitrapon’i Jehovah, toy ny efa anaovana izany any an-danitra! Tsy mba tianao ho tanteraka ve izany rehetra izany? Mivavaha foana àry mba ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. Asehonao amin’izany mantsy fa tianao ho tanteraka ireo rehetra ireo.

10 Mbola tsy “tonga” anefa aloha ny Fanjakan’Andriamanitra hatreto. Mbola ny olombelona no mitondra, ary mbola tsy misy ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Efa nanomboka nanjaka anefa ilay Fanjakana, ary hiresaka izany ny toko manaraka. Hojerentsika anefa aloha izay nolazain’i Jesosy momba an’ireto: Oviana ilay Fanjakana no nanomboka nitondra, ary rahoviana izy io no hitondra ny tany?

Oviana ilay Fanjakana no nanomboka nitondra?

11. Inona no nolazain’i Jesosy momba an’ilay Fanjakana?

11 Nilaza i Jesosy fa tsy tamin’ny taonjato voalohany no nanomboka nitondra ilay Fanjakana, na dia nisy mpianany nanantena an’izany aza. (Asa. 1:6) Izany no hitantsika ao amin’ny fanoharana roa nolazainy, tamin’ny taona 31 sy 33.

12. Inona ny porofo fa tsy tamin’ny taonjato voalohany no nanomboka nitondra ilay Fanjakana, rehefa jerena ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary?

12 Fanoharana voalohany: (Vakio ny Matio 13:24-30.) Tamin’ny voalohandohan’ny taona 31 angamba i Jesosy no nilaza an’io fanoharana io sy nanazava izany tamin’ny mpianany. (Mat. 13:36-43) Izao no dikan’ilay fanoharana: Rehefa maty ny apostoly, dia hamafy tsimparifary (Kristianina sandoka) eo amin’ny vary (“zanak’ilay fanjakana” na ny Kristianina voahosotra) ny Devoly. Havela hiara-maniry ny vary sy ny tsimparifary mandra-pahatongan’ny fotoam-pijinjana, izany hoe mandra-pahatongan’ny “fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Hangonina ny tsimparifary rehefa tonga ilay fotoam-pijinjana. Hangonina koa avy eo ny vary na ny “zanak’ilay fanjakana.” Hita avy amin’io fanoharana io àry fa tsy tamin’ny taonjato voalohany no nanomboka nitondra ilay Fanjakana, fa rehefa nanomboka ny fotoam-pijinjana. Tamin’ny 1914 izany no nanomboka rehefa jerena ny zava-nitranga.

13. Inona ny fanoharana nolazain’i Jesosy mba hanazavana fa tsy tonga dia ho lasa Mpanjaka izy, rehefa tonga any an-danitra?

13 Fanoharana faharoa: (Vakio ny Lioka 19:11-13.) Tamin’ny taona 33 i Jesosy no nilaza an’io fanoharana io, tamin’izy handeha farany ho any Jerosalema. Nieritreritra ny mpianany fa hanangana ny Fanjakany izy raha vao tonga any. Nanazava anefa i Jesosy hoe mbola ho ela be vao hitondra ilay Fanjakany. Nampitaha ny tenany tamin’ny “andriandahy nankany an-tany lavitra mba handray fahefana hanjaka” izy. a Ny lanitra ilay “tany lavitra”, ary any i Jesosy no hotendren’ny Rainy ho Mpanjaka. Mbola tsy ho lasa Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra avy hatrany koa anefa i Jesosy rehefa tonga any, fa hipetraka eo ankavanan’ny Rainy aloha mandra-pahatongan’ny fotoana hanjakany. An-jatony taona izy no niandry.—Sal. 110:1, 2; Mat. 22:43, 44; Heb. 10:12, 13.

Rahoviana no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

14. a) Inona no navalin’i Jesosy an’ireo apostoly efatra? b) Oviana no nanomboka ny fanatrehan’i Jesosy, rehefa jerena ny faminaniany, ary oviana no nanomboka nitondra ilay Fanjakana?

14 Nisy apostoly efatra nanontany an’i Jesosy toy izao, andro vitsivitsy talohan’ny nahafatesany: “Inona no ho famantarana ny fanatrehanao sy ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity?” (Mat. 24:3; Mar. 13: 4) Nilaza faminaniana misy tsipiriany be dia be i Jesosy mba hamaliana izany, ary hitantsika ao amin’ny Matio toko 24 sy 25 izany. Nohazavainy tsara ao hoe inona avy no hitranga eran-tany ka hahafantarana ny ‘fanatrehany.’ Rehefa manomboka io fanatrehany io, dia midika izany fa manomboka mitondra ilay Fanjakana. Rehefa mifarana kosa ilay fanatrehany, dia tonga ilay Fanjakana. Be dia be ny porofo hoe nanomboka tanteraka ilay faminanian’i Jesosy, tamin’ny 1914. b Tamin’io àry no nanomboka ny fanatrehany, izany hoe nanomboka nitondra ilay Fanjakana.

15, 16. Iza ilay hoe “ity taranaka ity”?

15 Rahoviana kosa no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra? Tsy nolazain’i Jesosy hoe rahoviana marina izany. (Mat. 24:36) Hita tamin’ny teniny anefa fa efa tena kely sisa dia ho tonga izy io. Nilaza izy fa hisy “taranaka” hahita ny famantarana nolazainy, ary ho tonga ilay Fanjakana aorian’izay. (Vakio ny Matio 24:32-34.) Hojerentsika àry hoe iza ilay “taranaka” noresahin’i Jesosy.

16 “Ity taranaka ity.” Ny olona tsy manompo an’i Jehovah ve no tian’i Jesosy holazaina amin’io? Tsia. Tadidio fa apostoliny vitsivitsy no niresaka taminy. “Nanatona azy mitokana” izy ireo, ary tamin’izay izy no nilaza an’io faminaniana io. (Mat. 24:3) Hoy koa izy, talohan’ny niresahany momba an’ilay “taranaka”: “Makà lesona avy amin’ny fanoharana momba ny aviavy: Raha vao mitsimoka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa akaiky ny fahavaratra. Toy izany koa ianareo, rehefa hitanareo izany rehetra izany, dia fantaro fa efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana.” Kely sisa tamin’izay, dia ho voahosotry ny fanahy ny mpianatr’i Jesosy. Izy ireo sy ny voahosotra hafa àry no hahafantatra hoe tanteraka ny zavatra nolazainy, izany hoe “efa akaiky izy, eny, efa eo am-baravarana.” Hita amin’izany fa tsy ny olona tsy manompo an’i Jehovah no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “ity taranaka ity”, fa ny mpanara-dia azy voahosotry ny fanahy.

17. Inona no atao hoe “taranaka” ary inona ilay hoe “izany rehetra izany”?

17 “Tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany.” Inona no dikan’izany? Hojerentsika aloha hoe inona no atao hoe “taranaka”, ary inona ilay hoe “izany rehetra izany.” Olona samy hafa taona miara-belona mandritra ny fe-potoana iray matetika no atao hoe “taranaka.” Tsy lava loatra ilay fe-potoana ary tsy maintsy ho tapitra. (Eks. 1:6) Ny zavatra rehetra hitranga mandritra ny fanatrehan’i Jesosy kosa ilay hoe “izany rehetra izany”, izany hoe izay rehetra nitranga nanomboka tamin’ny 1914 ka hatramin’ny “fahoriana lehibe.”—Mat. 24:21.

18, 19. Inona no dikan’ny tenin’i Jesosy momba an’ilay “taranaka”, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

18 Inona àry no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe “tsy ho lany mihitsy ity taranaka ity, mandra-pisehon’izany rehetra izany”? Midika izany fa hisy antokona voahosotra roa hiara-belona, ary hahita an’izay nolazain’i Jesosy. Voalohany, ireo voahosotra nahita izay nitranga tamin’ny 1914, rehefa nanomboka tanteraka ny famantarana ny fanatrehan’i Jesosy. Faharoa, ireo voahosotra tatỳ aoriana kokoa, nefa mbola niara-belona kelikely tamin’ireo voalohany. Mbola tsy ho faty ny sasany amin’ireo voahosotra tatỳ aoriana kokoa, rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe. Taranaka iray ihany izy roa ireo, satria mbola niara-belona nandritra ny fotoana kelikely. c

19 Inona no ianarantsika avy amin’izany rehetra izany? Fantatsika fa efa tanteraka ilay famantarana ny fanatrehan’i Jesosy, izany hoe efa nanomboka nanjaka izy, raha jerena ny zava-misy eran-tany. Efa antitra koa izao ireo voahosotra sisa tavela anisan’ilay “taranaka”, nefa mbola tsy ho lasa any an-danitra daholo izy ireo raha tsy efa manomboka ny fahoriana lehibe. Midika izany fa efa tena kely sisa dia ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra, ka hitondra ny tany. Ho faly be isika amin’izay, satria ho tanteraka ilay hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao!”

20. Inona no hodinihintsika ato amin’ity boky ity, ary inona no hojerentsika ao amin’ny toko manaraka?

20 Tadidio foana àry ilay tenin’i Jehovah hoe: “Henoy izy.” Hiezaka mafy isika hihaino an’i Jesosy, ka hianatra tsara an’izay rehetra nolazainy momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Hodinihintsika ato amin’ity boky ity hoe inona no efa nataon’io Fanjakana io, ary inona no mbola hataony. Hojerentsika ao amin’ny toko manaraka aloha hoe inona avy no nitranga taloha sy taoriana kelin’ny nisian’ny Fanjakan’Andriamanitra.

a Mety ho nahatadidy izay nataon’i Arkelaosy, zanakalahin’i Heroda Lehibe, ny mpianatr’i Jesosy, rehefa nilaza an’io fanoharana io izy. Talohan’ny nahafatesan’i Heroda, dia notendreny ho mpanjaka tany Jodia sy tany amin’ny faritra vitsivitsy hafa i Arkelaosy. Tsy maintsy nanao dia lavitra nankany Roma anefa aloha i Arkelaosy, mba hangataka tamin’i Aogosto Kaisara raha afaka manjaka na tsia.

b Jereo ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? toko 9, raha mila fanazavana fanampiny.

c Tsy anisan’ilay “taranaka” anefa ny olona iray raha efa tatỳ aoriana be izy vao lasa voahosotra, izany hoe efa taorian’ny nahafatesan’ny voahosotra farany nahita an’ilay “fiandohan’ny fahoriana” tamin’ny 1914.—Mat. 24:8.