Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 4

Nanamasina ny Anarany i Jehovah

Nanamasina ny Anarany i Jehovah

INONA NO HORESAHINA ATO?

Nanamasina ny anaran’Andriamanitra ny vahoakany, satria lasa hitan’izy ireo hoe io anarana io no tena tokony hasongadina

1, 2. Inona ny porofo fa manasongadina ny anaran’Andriamanitra ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao?

 TALATA 2 DESAMBRA 1947 tamin’izay. Nisy rahalahy voahosotra vitsivitsy, tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, nanomboka asa lehibe iray. Tena sarotra ilay asa, nefa tsy kivy izy ireo fa namita an’ilay izy hatramin’ny farany. Fa inona no nataon-dry zareo? Nandika Baiboly izy ireo, ary nantsoina hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy) izy io. Nozaraina ho boky maromaro ilay Baiboly rehefa nadika, ka ny alahady 13 Martsa 1960 no vita ny ampahany farany, izany hoe 12 taona taorian’ny 1947. Navoaka tamin’ny fivoriambe tany Manchester, any Angletera, izy io ny 18 Jona 1960. Ny Rahalahy Nathan Knorr no nanao lahateny tamin’izay. Hoy izy: ‘Andro manan-tantara ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany androany!’ Tena faly be ny mpanatrika! Miavaka mantsy io Baiboly io, satria miverimberina ao ny anaran’Andriamanitra.

Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao (anglisy), navoaka tamin’ilay fivoriambe hoe “Fitomboan’ny Asan’Andriamanitra”, tamin’ny 1950 (Ankavia: Yankee Stadium, New York; Ankavanana: Ghana)

2 Be dia be ny mpandika teny nanala ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly nadikany. Tetika avy amin’i Satana izany mba tsy hahalalan’ny olona intsony an’io anarana io. Nanaiky ho voataonan’i Satana koa ve ireo voahosotra nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao? Tsia! Hoy izy ireo ao amin’ny sasin-tenin’io Baiboly io: “Ny mampiavaka voalohany indrindra ity fandikan-teny ity, dia ny famerenany amin’ny laoniny ny anaran’Andriamanitra.” Marina izany, satria hita im-7 000 mahery ao ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Tena manasongadina ny anaran’ilay Raintsika any an-danitra io fandikan-teny io!

3. a) Inona no nampahafantarin’i Jehovah ny voahosotra, rehefa nanomboka nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy ireo? b) Inona no dikan’ilay tenin’i Jehovah ao amin’ny Eksodosy 3:13, 14? (Jereo ilay hoe “ Inona no Dikan’ny Anaran’Andriamanitra?”)

3 Nieritreritra ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ny voalohany fa midika hoe “Izaho no ilay misy” ilay hoe Jehovah. (Eks. 3:14, Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, anglisy) Hoy àry Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1926: ‘Ilay anarana hoe Jehovah, dia midika fa tsy nisy namorona izy. Efa nisy hatramin’izay izy, ary hisy mandrakizay.’ Rehefa nanomboka nandika ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao anefa ny voahosotra, dia nataon’i Jehovah izay hahatakaran’izy ireo fa tsy izany fotsiny no dikan’ny anarany. Midika koa izy io hoe Andriamanitra manana fikasana izy sady manatanteraka izany. Lasa fantatr’izy ireo fa ilay hoe Jehovah, dia midika ara-bakiteny hoe “Manao Izay Hahatonga Izy.” Izy no nampisy an’izao rehetra izao, anisan’izany ny anjely sy ny olombelona. Ataony foana koa izay hahatonga ny fikasany ho tanteraka. Nahoana anefa no tena mila hamasinina ny anarany, ary ahoana no azontsika anaovana izany?

“Hohamasinina anie ny anaranao!”

4, 5. a) Inona no tiantsika hataon’i Jehovah ho valin’ilay vavaka hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao”? b) Inona no hataon’i Jehovah mba hanamasinana ny anarany, ary rahoviana izy no hanao izany?

4 Tian’i Jehovah hohamasinina ny anarany. Izany no fikasany lehibe indrindra, rehefa jerena ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy. Izao mantsy no zavatra asaina angatahintsika voalohany ao: “Hohamasinina anie ny anaranao!” (Mat. 6:9) Inona no dikan’izany?

5 Hitantsika tao amin’ny Toko 1 fa samy momba ny fikasan’i Jehovah daholo, na io fangatahana io na ilay hoe: ‘Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao anie ny sitraponao.’ (Mat. 6:10) Tiantsika raha hataon’i Jehovah izay hahatongavan’ny Fanjakany etỳ an-tany sy hanaovana ny sitrapony. Toy izany koa fa tiantsika raha hataony izay hanamasinana ny anarany, izany hoe hataony izay tsy hahafa-baraka azy io intsony. Be dia be mantsy ny zavatra manala baraka ny anarany, taorian’ilay fikomiana tany Edena. Inona àry no hataon’i Jehovah rehefa mivavaka isika hoe: “Hohamasinina anie ny anaranao”? Hoy izy: “Hohamasiniko ny anarako be voninahitra, izay nozimbazimbaina tany amin’ireo firenena.” (Ezek. 36:23; 38:23) Hanamasina ny anarany eo anatrehan’ny zavaboary rehetra i Jehovah amin’ny Hara-magedona. Hanafoana ny faharatsiana rehetra mantsy izy amin’izay.

6. Inona no tokony hataontsika raha te hanamasina ny anaran’Andriamanitra isika?

6 Avelan’i Jehovah hanamasina ny anarany koa ny mpanompony, ary efa ela izy ireo no navelany hanao izany. Efa faran’izay masina anefa izy io, ka mety hieritreritra ianao hoe: ‘Hamasinina ahoana indray ny anarany?’ Hoy ny Isaia 8:13: “I Jehovah Tompon’ny tafika irery no tokony ho masina aminareo.” Hoy koa i Jehovah: ‘Hanamasina ny anarako izy ireo, ary hatahotra sy hanaja an’ilay Andriamanitry ny Israely.’ (Isaia 29:23) Manamasina ny anaran’i Jehovah àry isika, raha mihevitra ny anarany ho ambony sy tsy mitovy amin’ny anarana rehetra. Tokony hanaja ny anarany koa isika, ary tokony hampirisika ny hafa hanamasina azy io. Tsy vitan’izay fa tokony hanaiky isika hoe i Jehovah no Mpitondra antsika, ka hankatò azy amin’ny fo manontolo isika.—Ohab. 3:1; Apok. 4:11.

Nampiany ho mendrika hitondra ny anarany

7, 8. a) Nahoana no mbola tsy navelan’i Jehovah hitondra ny anarany ny vahoakany? b) Inona no nataon’i Jehovah nazava kokoa tamin’izy ireo?

7 Tian’i Jehovah hitondra an’ilay anarany masina ny vahoakany. Taoriana kelin’ny 1870 ny Mpianatra ny Baiboly no nanomboka nampiasa an’io anarana io, tao amin’ny boky sy gazety navoakan’izy ireo. Nisy hoe Jehovah, ohatra, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana Aogositra 1879 sy tao amin’ilay fihirana hoe Hiran’ny Ampakarina (1879, anglisy). Mbola tsy navelan’i Jehovah hitondra ny anarany anefa ny vahoakany. Nataony aloha izay hanampiana azy ireo ho mendrika an’io tombontsoa lehibe io.

8 Nataon’i Jehovah nazava kokoa tamin’izy ireo ny marina momba ny anarany, rehefa jerena izay nitranga tamin’ny 1900 tany ho any. Andeha isika handinika zavatra telo lasa fantatr’izy ireo.

9, 10. a) Nahoana Ny Tilikambo Fiambenana voalohandohany no niresaka imbetsaka an’i Jesosy? b) Inona no nitranga nanomboka tamin’ny 1919, ary inona no vokatr’izany? (Jereo koa ilay hoe “ Nanamasina ny Anaran’Andriamanitra Ny Tilikambo Fiambenana.”)

9 Voalohany, lasa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly hoe ny anaran’Andriamanitra no tena tokony hasongadina. Nieritreritra izy ireo tamin’ny voalohany fa ny vidim-panavotana no tena ampianarin’ny Baiboly. I Jesosy àry no noresahina imbetsaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Betsaka lavitra noho ny hoe “Jehovah”, ohatra, ny hoe “Jesosy” tao anatin’ilay gazety, tamin’ny taona voalohany namoahana azy io. Nitantara Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1976 fa “diso nanindrahindra loatra” an’i Jesosy ny Mpianatra ny Baiboly. Nampian’i Jehovah anefa izy ireo mba hahatakatra fa ny anarany no tena asongadin’ny Baiboly. “Lasa nanome voninahitra kokoa an’i Jehovah Rain’ny Mesia àry izy ireo”, indrindra nanomboka tamin’ny 1919. Hita in-6 500 mahery tao amin’ny Tilikambo Fiambenana, ohatra, ny hoe “Jehovah”, nanomboka tamin’ny 1920 ka hatramin’ny 1929.

10 Lasa nanome voninahitra ny anaran’Andriamanitra àry ny Mpianatra ny Baiboly. Nasehon’izy ireo tamin’izany fa tian’izy ireo io anarana io. Nanahaka an’i Mosesy izy ireo, ka nanomboka ‘nanambara ny anaran’i Jehovah.’ (Deot. 32:3; Sal. 34:3) Nahita ny nataon’izy ireo i Jehovah ka namaly soa azy, araka ny nampanantenainy.—Sal. 119:132; Heb. 6:10.

11, 12. a) Inona no niova tao amin’ny boky sy gazetintsika, taoriana kelin’ny 1919? b) Inona no nataon’i Jehovah takatry ny Mpianatra ny Baiboly, ary nahoana?

11 Faharoa, lasa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly hoe inona ny asa asain’Andriamanitra ataony. Nampian’ny fanahy masina ireo voahosotra nitarika ny vahoakan’Andriamanitra, ka nandinika ny faminanian’i Isaia taoriana kelin’ny 1919. Niova àry taorian’izay ny zavatra nasongadin’ny boky sy gazetintsika. Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy izany.—Mat. 24:45.

12 Ireto teny ao amin’i Isaia ireto no tena nodinihin’izy ireo: “ ‘Ianareo no vavolombeloko’, hoy i Jehovah, ‘eny, mpanompoko izay nofidiko.’ ” (Vakio ny Isaia 43:10-12.) Mbola tsy nanazava azy io mihitsy Ny Tilikambo Fiambenana, talohan’izay. Lasa niresaka an’io foana anefa ny boky sy gazetintsika, taoriana kelin’ny 1919, ka nanazava tamin’ny voahosotra rehetra hoe inona ny asa tena tian’i Jehovah hataony. Tiany ho vavolombelony izy ireo, izany hoe hitory momba azy. Laharana 57 be izao tamin’ny Tilikambo Fiambenana no nanazava ny Isaia toko 43, tamin’ny 1925 hatramin’ny 1931. Samy nilaza ireo gazety ireo fa ny tena Kristianina no tian’i Isaia horesahina. Nataon’i Jehovah àry izay hahatakaran’ny Mpianatra ny Baiboly hoe misy asa tokony hataon’izy ireo. Tiany “hozahan-toetra” mantsy izy ireo, “mba ho hita raha mendrika” hitondra ny anarany na tsia. (1 Tim. 3:10) Nila nanaporofo aloha izy ireo hoe tena vavolombelony tokoa!—Lioka 24:47, 48.

 

13. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah fa tena tokony hohamasinina ny anarany?

13 Fahatelo, lasa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly hoe tena tokony hohamasinina ny anaran’Andriamanitra. Lasa nazava tamin’izy ireo, taorian’ny 1920, fa izany no tena tian’Andriamanitra hataony, raha jerena ny Soratra Masina. Voalaza ao, ohatra, fa nafahan’i Jehovah tany Ejipta ny Israelita, ‘mba hanambarana ny anarany eran-tany.’ (Eks. 9:16) Namindra fo tamin’izy ireo koa izy rehefa nikomy ry zareo, satria tiany ‘harovana ny anarany mba tsy hozimbazimbaina eo imason’ireo firenena.’ (Ezek. 20:8-10) Inona no nianaran’ny Mpianatra ny Baiboly avy tamin’izany sy avy tamin’ny tantara hafa ao amin’ny Baiboly?

14. Inona no lasa azon’ny Mpianatra ny Baiboly, taloha kelin’ny 1930, ary inona no vokany? (Jereo koa ilay hoe “ Vao Mainka Nazoto Nitory Izy Ireo.”)

14 Nandinika ny Isaia 63:14 ny Mpianatra ny Baiboly, taloha kelin’ny 1930, ka lasa azony fa tsy izay hahavoavonjy azy no tokony hoeritreretiny voalohany. Izao mantsy no voalaza ao, momba an’i Jehovah: “Toy izany no nitarihanao ny olonao, mba hahabe voninahitra ny anaranao.” Tokony hanamasina ny anaran’i Jehovah àry izy ireo. (Isaia 37:20; Ezek. 38:23) Hoy ny boky Faminaniana (anglisy), tamin’ny 1929: “Ny anaran’i Jehovah no tokony ho zava-dehibe indrindra amin’ny zavaboary rehetra.” Rehefa nazava tsara tamin’ny Mpianatra ny Baiboly izany, dia vao mainka izy ireo nazoto nitory momba an’i Jehovah mba tsy ho afa-baraka intsony ny anarany.

15. a) Inona no lasa nazava tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, taoriana kelin’ny 1930? b) Inona no navelan’i Jehovah hataon’izy ireo?

15 Efa nazava tamin’ny Mpianatra ny Baiboly àry, taoriana kelin’ny 1930, hoe ny anaran’Andriamanitra no tena tokony hasongadina sy hohamasinina. Lasa fantatr’izy ireo koa hoe inona ny asa asain’Andriamanitra ataony. Navelan’i Jehovah hitondra ny anarany amin’izay àry izy ireo. Oviana izany no nitranga? Andeha aloha hiverenantsika kely ny tantara.

Nofidin’i Jehovah “hitondra ny anarany”

16. a) Inona no nataon’i Jehovah mba hanamasinana ny anarany? b) Iza no vahoaka nofidin’i Jehovah tamin’ny 1513 T.K.?

16 Efa ela i Jehovah no te hanamasina ny anarany, ka nifidy olona hitondra an’io anarany io. Ny firenen’Israely no nofidiny tamin’ny 1513 T.K., a ary nanao fifanekena tamin’izy ireo izy. (Isaia 43:12) Nampalahelo anefa fa tsy nanaja an’izany izy ireo. Lasa tsy vahoakany intsony àry izy ireo, tamin’ny taona 33 A.K. Olona avy amin’ny firenena samihafa indray no nofidiny, taoriana kelin’izay, “mba hitondra ny anarany.” (Asa. 15:14) Voahosotra ireo olona ireo, ary antsoina hoe “Israelin’Andriamanitra.”—Gal. 6:16.

17. Inona no nataon’i Satana?

17 Tamin’ny taona 44 tany ho any, dia lasa nantsoina hoe “Kristianina” ny tena mpianatr’i Kristy, ary Andriamanitra mihitsy no nanome an’io anarana io. (Asa. 11:26) Mbola niavaka tsara ry zareo tamin’izany, satria izy ireo irery no nantsoina hoe Kristianina. (1 Pet. 4:16) Mampalahelo anefa fa nataon’i Satana izay hahatonga ny Kristianina sandoka hantsoina koa hoe Kristianina. Tanteraka àry ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary. Lasa tsy niavaka intsony ny tena Kristianina nandritra ny taonjato maro. Niova anefa izany rehefa tonga ny “fotoam-pijinjana”, tamin’ny 1914. Nanomboka nanavaka ny Kristianina sandoka sy ny tena Kristianina mantsy ny anjely.—Mat. 13:30, 39-41.

18. Inona no nahatonga ny Mpianatra ny Baiboly hahita hoe tokony hovana ny anarany?

18 Nanendry ny mpanompo mendri-pitokisana i Jehovah, tamin’ny 1919. Nataony avy eo izay hahatakaran’ny vahoakany fa tokony hitory momba azy izy ireo. Lasa azon’izy ireo koa fa izany no mampiavaka azy amin’ny Kristianina sandoka. Inona no vokatr’izany? Tsy ela dia hitan’izy ireo fa tsy tena mety intsony ny iantsoana azy ireo hoe “Mpianatra ny Baiboly.” Tsy hoe hianatra Baiboly fotsiny mantsy no tena tokony hataony, fa hitory momba an’i Jehovah sy hanamasina ny anarany koa. Inona àry no anarana hitan-dry zareo hoe mety tsara?

Fandaharan’ny fivoriambe tamin’ny 1931

19, 20. a) Inona ny zavatra miavaka nolazain’i Rutherford tamin’ny 1931? b) Inona no nataon’ny Mpianatra ny Baiboly rehefa nahare an’ilay anarana vaovao?

19 Nisy fivoriambe natao tany Columbus, any Etazonia, tamin’ny Jolay 1931, ary 15 000 teo ho eo ny mpanatrika. Nisy soratra hoe JW teo amin’ny fandaharana. Samy naminavina ny rehetra hoe inona no dikan’ireo. Nilaza ny sasany hoe “Just Wait.” Ny hafa indray hoe “Just Watch.” (Samy azo adika toy izao ireo teny ireo: “Jereo tsara ange e!”) Fantatra ihany anefa ilay izy ny alahady 26 Jolay. Ny Rahalahy Joseph Rutherford no nandaha-teny tamin’izay, ary nisy zavatra tena niavaka nolazainy. Hoy izy: ‘Vavolombelon’i Jehovah no tiantsika hiantsoana antsika sy hahafantarana antsika, manomboka izao.’ Teo vao nazava tamin’ny rehetra hoe hay Jehovah’s Witnesses na Vavolombelon’i Jehovah no dikan’ilay JW, ary tao amin’ny Isaia 43:10 no nakana azy.

20 Nanontanian’i Rutherford ny mpanatrika hoe eken’izy ireo ve ilay anarana. Niteny mafy be izy rehetra hoe “Eny!”, sady nitehaka ela be. Nalefa mivantana tamin’ny radio ilay lahateny, ka nahare an’ilay tehatehaka be hatramin’ny Mpianatra ny Baiboly tany an-tany lavitra. Hoy i Ernest sy Naomi Barber, any Aostralia: “Tsy hadinonay mihitsy iny! Tonga dia nitsangana izahay tatỳ Melbourne vao nahare an’ilay tehatehaka be tany Amerika, dia nitehaka ela be koa!” b

Hamasinina eran-tany ny anaran’Andriamanitra

21. Inona no vokany rehefa novana hoe Vavolombelon’i Jehovah ny anaran’ny Mpianatra ny Baiboly?

21 Vao mainka nazoto nitory ny Mpianatra ny Baiboly rehefa lasa nantsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany i Edward sy Jessie Grimes. Mpisava lalana any Etazonia izy ireo, ary nanatrika an’ilay fivoriambe tany Columbus. Hoy ry zareo: “Mpianatra ny Baiboly izahay niala tao an-trano, fa lasa Vavolombelon’i Jehovah rehefa nody. Faly be izahay satria vao mainka handrisika anay hanamasina ny anaran’Andriamanitra ilay anaranay vaovao.” Izany tokoa no nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nisy, ohatra, nahita hevitra vaovao hitoriana. Rehefa nitory izy, dia nanome karta kely nisy hoe: “Vavolombelon’i JEHOVAH aho, ary mitory ny Fanjakan’i JEHOVAH Andriamanitray.” Tena hita hoe faly izy ireo nitondra ny anaran’i Jehovah, ary lasa nazoto nampahafantatra eran-tany ny dikan’izy io.—Isaia 12:4.

“Mpianatra ny Baiboly izahay niala tao an-trano, fa lasa Vavolombelon’i Jehovah rehefa nody”

22. Inona ny porofo fa tena miavaka ny Vavolombelon’i Jehovah?

22 Nanomboka tamin’ny 1931 àry isika Vavolombelon’i Jehovah no nanana anarana mampiavaka antsika. Tsy vitan’i Satana intsony ny nanao izay hampifangaro antsika tamin’ny fivavahan-diso. Vao mainka aza isika mora fantatra, satria isika ihany no hita hoe tena vavolombelon’Andriamanitra. (Vakio ny Mika 4:5; Malakia 3:18.) Isika no tena malaza hoe mampiasa ny anaran’i Jehovah, ka matetika no heverin’ny olona fa mpiara-mivavaka amintsika izay mampiasa azy io. Miavaka tsara ny fivavahana amin’i Jehovah. “Mafy orina” izy io sady “avo noho ny tampon’ireo tendrombohitra”, izany hoe tsy mifangaro mihitsy amin’ny fivavahan-diso. (Isaia 2:2) Tena misongadina tokoa ankehitriny ny fivavahana amin’i Jehovah sy ny anarany masina.

23. Inona no tena mampahery antsika, araka ny Salamo 121:5?

23 Miaro antsika amin’i Satana i Jehovah, ary mbola hanao izany izy amin’ny hoavy. (Sal. 121:5) Tena mampahery antsika izany! Marina mihitsy ny tenin’ilay mpanao salamo hoe: “Sambatra ny firenena manana an’i Jehovah ho Andriamaniny, sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.”—Sal. 33:12.

a Ny hoe “T.K.” dia midika hoe “Talohan’i Kristy”, ary ny “A.K.” hoe “Aorian’i Kristy.”

b Misy fanazavana bebe kokoa momba ny radio nampiasaina tamin’izany ao amin’ny Toko 7, pejy 72-74.