Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 5

Fantatra ny Marina Momba Ilay Fanjakana

Fantatra ny Marina Momba Ilay Fanjakana

INONA NO HORESAHINA ATO?

Oviana ilay Fanjakana no nanomboka nitondra, iza avy no hanjaka ao, iza no ho vahoakany, ary inona no tokony hataon’izy ireo?

1, 2. Nahoana no nety tsara ny nataon’i Jesosy?

 ERITRERETO hoe mitsidika tanàna iray tsara tarehy ianao sy ny mpizaha tany vitsivitsy. Misy olona mahay tsara an’ilay tanàna miaraka aminareo, ka izy no manoro anareo an’izay zavatra miavaka ao. Mihaino tsara izay lazainy ianareo satria mbola tsy tao mihitsy. Misy zavatra efa tianareo ho hita koa, ka tonga dia anontanianareo azy. Aleony anefa tsy mamaly anareo raha tsy efa tazana mihitsy ilay izy. Miaiky ianareo eny an-dalana eny fa tena mety ny ataony, satria hainy hoe rahoviana izy vao tokony hanazava ny zavatra tianareo ho fantatra.

2 Azo oharina amin’ilay tanàna ny Fanjakan’Andriamanitra. Milaza mantsy ny Baiboly fa toy ny “tanàna manana fototra tena izy” izy io. (Heb. 11:10) Tena te hahalala momba an’io tanàna tena tsara io ny mpianatr’i Jesosy, ka nampianariny momba azy io, tamin’izy tetỳ an-tany. Nametraka fanontaniana be dia be izy ireo indraindray, nefa tsy tonga dia novalian’i Jesosy daholo izany. Hoy izy: “Mbola misy zavatra maro tokony holazaiko aminareo, saingy tsy zakanareo izany ankehitriny.” (Jaona 16:12) Tena nety ny nataon’i Jesosy. Tsy tonga dia nilaza zavatra be dia be izy, satria fantany hoe mbola tsy takatry ny sain’izy ireo izany.

3, 4. a) Inona no ampiasain’i Jesosy mba hampianarana ny Kristianina momba ilay Fanjakana? b) Inona no hodinihintsika izao?

3 Maty i Jesosy taoriana kelin’ny nilazany an’ireo teny ao amin’ny Jaona 16:12 ireo, ary efa any an-danitra izy izao. Mbola mampianatra momba ilay Fanjakana foana anefa izy. Ahoana no anaovany izany? Hoy izy: ‘Hitari-dalana anareo ho amin’ny fahamarinana rehetra ny fanahin’ny fahamarinana.’ (Jaona 16:13) Ny fanahy masina indray àry no ampiasain’i Jesosy, mba hampianarana ny Kristianina. Tsy mampahafantatra na inona na inona amin’izy ireo anefa izy io, raha tsy amin’ny fotoana tena mety amin’izany.

4 Hodinihintsika izao hoe ahoana no nanampian’ny fanahy masina ny tena Kristianina hahatakatra an’ireto: Oviana no nanomboka nitondra ilay Fanjakana? Iza avy no hanjaka ao? Iza no ho vahoakany, ary inona no tokony hataon’izy ireo raha tena manohana foana an’io Fanjakana io izy?

Inona marina no nitranga tamin’ny 1914?

5, 6. a) Inona avy ny hevi-diso nananan’ny Mpianatra ny Baiboly? b) Midika ve izany fa tsy nomen’i Jesosy fanahy masina izy ireo? Hazavao.

5 Hitantsika tao amin’ny Toko 2 fa efa ela be talohan’ny 1914 ny Mpianatra ny Baiboly no nilaza fa hisy faminaniana ho tanteraka amin’io taona io. Nihevitra anefa izy ireo hoe efa tamin’ny 1874 no nanomboka ny fanatrehan’i Kristy. Efa tamin’ny 1878 koa, hono, izy no lasa Mpanjaka tany an-danitra, saingy tamin’ny Oktobra 1914 ny Fanjakany vao tena nitondra. Nanomboka tamin’ny 1874 koa, hono, ny fotoam-pijinjana ary hifarana amin’ny 1914, ka ho lasa any an-danitra daholo ny voahosotra amin’izay. Diso hevitra anefa izy ireo. Midika ve izany fa tsy nomen’i Jesosy fanahy masina hitari-dalana azy akory izy ireo? Tsy izany mihitsy!

6 Eritrereto indray ilay ohatra terỳ aloha. Naminavina sy nanontanintany momba an’ilay tanàna ireo mpizaha tany, nefa tsy tonga dia namaly azy ireo ilay olona nitondra an-dry zareo. Midika ve izany fa tsy nanao tsara ny asany izy? Tsia! Ireo mpizaha tany no maika loatra. Toy izany koa ny vahoakan’i Jehovah indraindray. Maika hahalala ny fikasany izy ireo, ka tonga dia maminavina momba izany. Ampahafantarin’ny fanahy masina azy ireo ihany anefa atỳ aoriana ny tena marina momba an’ilay izy. Midika izany fa mitari-dalana azy ireo i Jesosy. Soa ihany fa manetry tena izy ireo ka manaiky ahitsy.—Jak. 4:6.

7. Inona ny “fahazavana” ara-panahy azon’ny vahoakan’i Jehovah?

7 Nahazo “fahazavana” ara-panahy tsikelikely ny vahoakan’i Jehovah taorian’ny 1919. (Vakio ny Salamo 97:11.) Nisy lahatsoratra hoe “Fahaterahan’ilay Firenena”, ohatra, tao amin’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1925. Nohazavaina tao fa tamin’ny 1914 vao nanjaka ny Mesia, rehefa jerena ny Soratra Masina. Tamin’izay no tanteraka ilay Apokalypsy toko 12 hoe hisy vehivavy ho tera-dahy. a Nilaza koa ilay lahatsoratra fa taoriana kelin’io i Satana no nazera tetỳ an-tany, matoa nenjehina ny vahoakan’i Jehovah. “Tezitra mafy” mantsy izy, “satria fantany fa fohy ny fotoana ananany.”—Apok. 12:12.

8, 9. a) Inona no nasongadin’ny Tilikambo Fiambenana, nanomboka tamin’ny 1928? b) Inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato?

8 Nasongadin’ny Tilikambo Fiambenana koa, nanomboka tamin’ny 1928, fa mbola zava-dehibe noho ny vidim-panavotana ny Fanjakan’Andriamanitra. Io Fanjakana io mantsy no hampiasain’i Jehovah hanamasinana ny anarany, sy hanatanterahana ny fikasany ho an’ny olombelona, ary hanaporofoana fa izy no manana zo hitondra an’izao rehetra izao.

9 Iza no hiara-manjaka amin’i Kristy ao amin’io Fanjakana io? Iza no ho vahoakany? Ary inona ny asa tokony hataon’ny Kristianina?

Ny voahosotra no nangonina voalohany

10. Inona avy ny zavatra efa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly?

10 Efa ela be talohan’ny 1914 ny Mpianatra ny Baiboly no nahalala hoe 144 000 no hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra. b Takatr’izy ireo koa fa efa tamin’ny taonjato voalohany no nanomboka nangonina ny 144 000, ary ara-bakiteny io isa io.

11. Inona no lasa nazava tsikelikely tamin’ny voahosotra?

11 Inona anefa no tokony hataon’ny voahosotra raha mbola etỳ an-tany izy? Nianaran’izy ireo fa tian’i Jesosy ‘hijinja vokatra’ izy ireo, izany hoe hitory. (Mat. 9:37; Jaona 4:35) Hitantsika tao amin’ny Toko 2 fa nihevitra izy ireo taloha hoe haharitra 40 taona io fotoam-pijinjana io, ary hifarana rehefa hiakatra any an-danitra izy rehetra. Mbola nisy olona be dia be nila nitoriana anefa, rehefa tapitra ilay 40 taona. Diso hevitra àry ny voahosotra. Tamin’ny 1914 mantsy vao nanomboka ny fotoam-pijinjana. Tamin’izay vao nanomboka navahana tamin’ny tsimparifary ny vary, izany hoe navahana tamin’ny Kristianina sandoka ny voahosotra. Nila nangonina izy ireo avy eo, mba ho feno ilay isa 144 000. Io àry no asa nila nataon’ny voahosotra, nanomboka tamin’izay.

Tamin’ny 1914 vao nanomboka ny fotoam-pijinjana (Jereo ny fehintsoratra 11)

12, 13. Inona ny porofo fa tanteraka amin’ny andro farany ny fanoharan’i Jesosy momba ny virjiny folo sy ny talenta?

12 Nitari-dalana ny voahosotra foana i Kristy, ka vao mainka takatr’izy ireo nanomboka tamin’ny 1919 hoe tena nila nitory izy ireo. Nazava tsara tamin’izy ireo fa efa tamin’ny taonjato voalohany i Jesosy no naniraka azy ireo hanao izany. (Mat. 28:19, 20) Efa nolazainy koa hoe inona no toetra tokony hananan’izy ireo rehefa mitory. Nanao fanoharana momba ny virjiny folo, ohatra, izy mba hanazavana hoe tokony ho malina ny voahosotra fa tsy ho varimbariana, raha te hahazo an’ilay valisoa lehibe miandry azy any an-danitra. ‘Hampakarin’i’ Kristy ho “vadiny” izy ireo any, izany hoe hiara-manjaka aminy. (Apok. 21:2) Nanao fanoharana momba ny talenta koa i Jesosy, mba hampianarana ny voahosotra fa mila mazoto mitory izy ireo.—Mat. 25:1-30.

13 Niezaka ny ho malina sy hazoto hitory tokoa ny voahosotra, nanomboka tamin’ny 1919. Azo antoka àry fa tsy maintsy hahazo an’ilay valisoany izy ireo. Izay hiara-manjaka amin’i Kristy ihany ve anefa no angonina mandritra ny fotoam-pijinjana?

Nanangona vahoaka ilay Fanjakana

14, 15. Iza avy ireo karazan’olona efatra noresahina tao amin’ny boky Ilay Mistery Fantatra?

14 Efa ela ny Mpianatra ny Baiboly no te hahalala hoe iza ilay “vahoaka be” ao amin’ny Apokalypsy 7:9-14. Mbola tsy tonga anefa tamin’izay ny fotoana ampahafantaran’i Kristy azy io. Naminavina àry izy ireo hoe iza ilay “vahoaka be”, ka lasa diso sady sarotra be ny nanazavany an’ilay izy.

15 Nilaza, ohatra, ny boky Ilay Mistery Fantatra (anglisy) tamin’ny 1917 fa “misy karazan’olona roa ho any an-danitra, ary karazan’olona roa hiaina mandrakizay eto an-tany.” Iza no ho any an-danitra? Voalohany, ny 144 000 hiara-manjaka amin’i Kristy. Faharoa, ny vahoaka be. Nihevitra ny Mpianatra ny Baiboly fa mpivavaka ao amin’ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ny vahoaka be. Mino an’i Jehovah sy manaiky ny zavatra ampianariny ihany, hono, izy ireo, saingy tsy tena mankatò azy. Toerana ambanimbany any an-danitra àry, hono, no homena azy. Iza kosa no ho eto an-tany? Voalohany, ny mpanompon’i Jehovah fahiny, toa an-dry Abrahama sy Mosesy. Faharoa, ny olon-kafa rehetra. Hanjaka amin’izy ireo, hono, ireny mpanompon’i Jehovah fahiny ireny.

16. Inona no lasa nazava tamin’ny Mpianatra ny Baiboly, tamin’ny 1923 sy 1932?

16 Lasa nazava tamin’ny Mpianatra ny Baiboly anefa tatỳ aoriana hoe iza marina ny vahoaka be. Nampahafantarin’ny fanahy masina azy ireo tsikelikely izany, ary mampahery antsika ilay izy hatramin’izao. Nilaza, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1923 fa misy olona tsy te ho any an-danitra. Hiaina eto an-tany àry izy ireo rehefa hanjaka i Kristy. Niresaka momba an’i Jonadaba koa io gazety io, tamin’ny 1932. Nanaiky hiaraka tamin’i Jeho, mpanjaka voahosotr’i Jehovah, i Jonadaba mba hanafoana ny fivavahan-diso. (2 Mpanj. 10:15-17) Nilaza ilay gazety fa misy olona maro mitovy amin’i Jonadaba ankehitriny. Harovan’i Jehovah izy ireo “amin’ny Hara-magedona”, ary hiaina mandrakizay eto an-tany.

17. a) Inona no vao mainka nazava tsara, tamin’ny 1935? b) Inona no tsapan’ny Kristianina rehefa fantany hoe iza ilay “vahoaka be”? (Jereo ilay hoe “ Faly Be Tsy Nisy Hoatr’izany ry Zareo.”)

17 Vao mainka nazava tsara hoe iza ilay “vahoaka be”, tamin’ny fivoriambe iray tany Washington, any Etazonia, tamin’ny 1935. Nohazavain’i Rutherford tamin’izay fa hiaina eto an-tany io vahoaka io, ary izy ireo ihany ilay ondry noresahin’i Jesosy tamin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. (Mat. 25:33-40) Anisan’ny “ondry hafa” hampidirin’i Jesosy ao anaty valany izy ireo. (Jaona 10:16) Hoy i Rutherford: “Iangaviana hitsangana izay rehetra manantena hiaina mandrakizay eto an-tany!” Ny antsasany mahery tamin’ny mpanatrika no nitsangana. Hoy àry izy: ‘Ireo ny vahoaka be!’ Faly be izy rehetra, satria teo vao takatr’izy ireo fa hiaina mandrakizay eto an-tany izy.

18. Inona no nataon’ny mpanara-dia an’i Kristy nanomboka tamin’ny 1935, ary inona no vokany?

18 Ny vahoaka be indray àry no tena nezahina nangonina, nanomboka tamin’ny 1935. Io vahoaka io no ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe. Hoatran’ny tsy dia betsaka anefa ny olona voangona tamin’ny voalohany. Nilaza mihitsy aza ny Rahalahy Rutherford hoe: ‘Toa tsy ho betsaka akory ilay “vahoaka be” a!’ Iarahantsika mahita anefa izao fa tena nitahy ny fotoam-pijinjana i Jehovah, ka lasa be dia be ilay vahoaka. Tanteraka koa ny tenin’i Jesosy hoe ho lasa “andiany iray” ihany ny voahosotra sy ny “ondry hafa”, sady “iray ihany ny mpiandry” azy ireo. Nitari-dalana azy ireo tokoa i Jesosy sy ny fanahy masina!

Tsy azon’ny Rahalahy Rutherford an-tsaina hoe tena ho be dia be tokoa ny vahoaka be (Avy eo ankavia miankavanana: Nathan Knorr, Joseph Rutherford, Hayden Covington

19. Inona no azonao atao mba hahatonga ny vahoaka be hitombo?

19 Hiaina mandrakizay eto an-tany àry ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah, rehefa lasa paradisa ny tany. I Kristy sy ny 144 000 no ho mpanjakan’izy ireo. Tena faly isika satria nampian’i Kristy hahalala an’izany, sady tena mazava amintsika ilay izy. Tena faly koa isika miresaka an’izany amin’ny olona! Mazotoa àry mitory araka izay azonao atao. Hitombo amin’izay ny vahoaka be, ka hihabetsaka ny olona midera an’i Jehovah!—Vakio ny Lioka 10:2.

Mitombo foana ny isan’ny vahoaka be

Tena manohana an’ilay Fanjakana ny Kristianina

20. Inona avy no anisan’ny fandaminan’i Satana, ary nahoana isika no mila mitandrina?

20 Lasa nahalala kokoa momba ilay Fanjakana ny vahoakan’i Jehovah, rehefa nandeha ny fotoana. Nila nazava tsara tamin’izy ireo koa anefa hoe inona no tokony hataony, raha tena manohana an’ilay Fanjakana izy ireo. Nanazava àry Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1922 fa misy fandaminana roa eo amin’izao rehetra izao, dia ny fandaminan’i Jehovah sy ny an’i Satana. Anisan’ny fandaminan’i Satana ny tontolon’ny varotra sy ny politika ary ny fivavahan-diso. Mila mitandrina amin’ireo àry ny Kristianina. (2 Kor. 6:17) Mety ho ny fandaminan’i Satana indray mantsy no tena tohanany, fa tsy ilay Fanjakana. Ahoana izany?

21. a) Inona no nampitandreman’ny mpanompo mendri-pitokisana antsika? b) Inona no nolazain’ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1963?

21 Imbetsaka ny mpanompo mendri-pitokisana no nilaza fa mpanao kolikoly sady tia vola ny mpandraharaha eto amin’ity tontolo ity, ka mety ho lasa tia vola toa azy ireny ny vahoakan’i Jehovah raha tsy mitandrina. (Mat. 6:24) Imbetsaka koa izy io no nampiharihary hoe iza avy no atao hoe fivavahan-diso. Nilaza, ohatra, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1963 fa tsy ny Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina ihany no atao hoe “Babylona Lehibe”, fa ny fivavahan-diso rehetra mihitsy. Nampirisihina ‘hivoaka’ avy ao amin’ny fivavahan-diso àry ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe tsy hanao ny fanaony intsony. (Apok. 18:2, 4) Ho hitantsika ao amin’ny Toko 10 fa be dia be no nanao izany eran-tany.

22. Ahoana no nahazoan’ny Mpianatra ny Baiboly ny Romanina 13:1, tamin’ny Ady Lehibe I?

22 Ahoana kosa ny amin’ny resaka politika, anisan’izany ny hoe manao miaramila? Efa tamin’ny Ady Lehibe I ny Mpianatra ny Baiboly no nahalala fa tsy tokony hamono olona ny Kristianina. (Mat. 26:52) Maro anefa no tsy nahazo tsara an’ilay didy ao amin’ny Romanina 13:1 hoe tokony hankatoavina ny manam-pahefana. Nihevitra àry izy ireo fa tokony hanaiky rehefa asaina manao miaramila sy manao fanamiana miaramila, ary rehefa asaina mitondra basy. Tokony hanao tifi-danitra fotsiny, hono, ry zareo rehefa asaina mitifitra fahavalo.

23, 24. a) Ahoana no nahazoan’ny vahoakan’i Jehovah ny Romanina 13:1, tamin’ny Ady Lehibe II? b) Inona anefa no lasa nazava tamintsika tatỳ aoriana?

23 Nipoaka anefa ny Ady Lehibe II tamin’ny 1939. Nohazavaina tsara tao amin’ny Tilikambo Fiambenana àry hoe tsy tokony hiditra mihitsy amin’ny ady eto amin’ity tontolon’i Satana ity ny Kristianina. Tena tonga tamin’ny fotoana nilana azy izany! Nandriaka mantsy ny ra tamin’izay, ka meloka ho nandatsa-dra izy ireo raha nanao miaramila. Mbola nanana hevi-diso ihany anefa izy ireo. Nilaza mantsy ny bokintsika, nanomboka tamin’ny 1929, hoe tsy olombelona araka ny niheverana azy teo aloha ilay “manam-pahefana” ao amin’ny Romanina 13:1, fa i Jehovah sy Jesosy.

24 Nitari-dalana ny Kristianina anefa ny fanahy masina, ka fantatr’izy ireo ny marina tamin’ny 1962. Nohazavaina tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra sy 1 Desambra ny Romanina 13:1-7. Lasa nazava tsara tamin’izy ireo àry ny tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe: ‘Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara, fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.’ (Lioka 20:25) Takatr’izy ireo fa ny mpitondra eto amin’ity tontolo ity ilay hoe “manam-pahefana”, ary tokony hankatò azy ireo ny Kristianina. Tsy hoe ankatoavina daholo anefa izay lazainy. Raha tereny tsy hankatò an’i Jehovah, ohatra, izy ireo, dia hanahaka an’ireo apostoly ka hilaza hoe: “Andriamanitra no mpitondra anay ka izy no tsy maintsy ankatoavinay, fa tsy olona.” (Asa. 5:29) Tena nampihatra an’izany ny vahoakan’i Jehovah, araka ny ho hitantsika ao amin’ny Toko 14.

Tena faly isika milaza amin’ny olona hoe ho afaka hiaina mandrakizay izy ireo

25. Nahoana ianao no mankasitraka an’i Jesosy?

25 Lasa nahalala zavatra be dia be momba ny Fanjakan’Andriamanitra àry isika, tato anatin’ny 100 taona. Lasa haintsika, ohatra, hoe oviana no nanomboka nanjaka tany an-danitra ilay Fanjakana, ary nahoana izy io no tena ilaina. Nianarantsika koa fa karazan’olona roa ihany no hiaina mandrakizay, ka misy ho any an-danitra ary misy ho eto an-tany. Fantatsika koa fa tokony hanohana tanteraka an’ilay Fanjakana isika, nefa koa hankatò izay lazain’ny manam-pahefana raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’i Jehovah izany. Ny mpanompo mendri-pitokisana no nampianatra antsika an’ireo. Mieritrereta àry hoe: ‘Ho nahalala an’izany rehetra izany ve aho, raha tsy nampiasa ny fanahy masina i Jesosy mba hitari-dalana an’io mpanompo io?’ Soa ihany fa nanao izany izy!

a Nihevitra ny Mpianatra ny Baiboly talohan’izay fa ady nifanaovan’ny Eglizy Katolika Romanina sy ny fivavahana tsy kristianina tany amin’ny Fanjakana Romanina no resahin’io Apokalypsy toko 12 io.

b Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny Jona 1880 fa Jiosy daholo ny 144 000, ary amin’ny 1914 izy ireo, fara fahatarany, no ho lasa Kristianina. Nisy fanazavana vaovao momba izany anefa tamin’ny faramparan’ny 1880, ary mitovitovy amin’ny fahazoantsika azy amin’izao ilay izy.