Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 7

Inona avy no Efa Nataontsika mba Hitoriana?

Inona avy no Efa Nataontsika mba Hitoriana?

INONA NO HORESAHINA ATO?

Nitady hevitra isan-karazany ny vahoakan’i Jehovah, mba hitoriana amin’olona be dia be araka izay azo atao

1, 2. a) Inona no nataon’i Jesosy, indray mandeha, rehefa niresaka tamin’ny olona be dia be? b) Nanahaka an’i Jesosy ny vahoakan’i Jehovah. Inona no nataon’izy ireo, ary nahoana?

 TEO amoron-dranomasina i Jesosy, indray mandeha, ary nisy vahoaka be nitangorona teo aminy. Lasa àry izy nankao amin’ny sambokely iray, ary nihataka lavidavitra. Nahoana? Fantany fa hanako kokoa ny feony raha mihataka kely eny ambony rano izy, ka haheno azy tsara ny vahoaka, na dia be dia be aza.—Vakio ny Marka 4:1, 2.

2 Nanahaka an’i Jesosy ny mpianany, taloha sy taoriana kelin’ny 1914, ka nitady hevitra hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’olona be dia be. Tiantsika ho faran’izay betsaka mantsy ny olona mandre ny vaovao tsara, alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Mat. 24:14) Mahita hevitra foana isika arakaraka ny zava-mitranga sy ny teknolojia vaovao. Hita hoe manampy antsika i Jesosy. Inona avy ny zavatra efa nampiasaintsika mba hitoriana amin’ny olona, na aiza na aiza misy azy? Ary inona no azonao atao mba hanahafana an’ireo mpitory voalohandohany?

Niezaka nitory tamin’olona be dia be

3. Inona no nahatezitra an’ireo olona tsy tia ny fivavahana marina?

3 Gazety: Efa tamin’ny 1879 ny Rahalahy Russell sy ny mpiara-miasa taminy no nanomboka namoaka Ny Tilikambo Fiambenana. Maro àry ny olona nahalala ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, rehefa namaky an’io gazety io. Nataon’i Kristy anefa izay hitorian’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’olona betsaka kokoa, folo taona teo ho eo talohan’ny 1914. Hita izany nanomboka tamin’ny 1903. Nisy manam-pahaizana atao hoe E. Eaton te hiady hevitra tamin’i Russell tamin’izay. Mpitondra tenin’ny pasitera protestanta tany Pennsylvanie izy io. Nanoratra tamin’i Russell izy hoe: ‘Misy zavatra maromaro ao amin’ny Baiboly tsy itovizantsika hevitra. Ka ahoana raha mamory olona isika, dia eo imason-dry zareo no miresaka an’ilay izy? Be dia be izao ny olona ho liana amin’izany.’ Nitovy hevitra tamin’i Eaton ry Russell ka nanaiky. Navoakan-dry zareo tao amin’ny gazety malaza atao hoe Gazetin’i Pittsburgh (anglisy) koa ilay adihevitra. Be dia be mihitsy ny olona namaky an’ilay izy, ary tena naharesy lahatra azy ireo ny fanazavan’i Russell. Lasa namoaka ny lahatenin’i Russell àry ilay gazety isan-kerinandro. Azo antoka fa nahatezitra ny olona tsy tia ny fivavahana marina izany.

Gazety 2 000 mahery no namoaka ny lahatenin’i Russell, tamin’ny 1914

4, 5. Inona ny toetra tsara nananan’i Russell, ary inona no ianaran’ny mpiandraikitra avy amin’izany?

4 Lasa be dia be ny gazety te hamoaka ny lahatenin’i Russell, taoriana kelin’izay. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana fa “gazety iraika ambin’ny folo no namoaka tsy tapaka” ny lahateniny, tamin’ny 1908. Tany Allegheny ny foiben’ny Mpianatra ny Baiboly tamin’izany. Nisy rahalahy nahay tsara ny asa fanaovan-gazety anefa nanoro hevitra an’i Russell hoe sao dia tsara afindra any amin’ny tanàna lehibe kokoa ny foibe. Ho maro kokoa amin’izay ny gazety hamoaka ny lahateniny. Nandinika tsara àry aloha i Russell. Hitany hoe hevitra mety ilay izy, ka nifindra tany Brooklyn, any New York, ry zareo tamin’ny 1909. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia efa nahatratra 400 teo ho eo ny gazety namoaka ny lahateniny, ary nitombo foana izany taorian’izay. Gazety 2 000 mahery tamin’ny fiteny efatra no namoaka ny lahateny sy lahatsoratra nosoratan’i Russell, rehefa nanomboka nanjaka ilay Fanjakana tamin’ny 1914.

5 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tokony hanetry tena toa an’i Russell ny mpiandraikitra eo anivon’ny fandaminana, ka hihaino ny soso-kevitry ny hafa rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe.—Vakio ny Ohabolana 15:22.

6. Inona no vokany rehefa nahita ny lahatsoratra navoakan’i Russell tamin’ny gazety i Ora Hetzel?

6 Maro be ny olona nanova ny fiainany, rehefa avy namaky ny lahatsoratra navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly. (Heb. 4:12) Anisan’izany i Ora Hetzel. Hoy izy: “Nitsidika an’ny neninay tany Rochester, any Minnesota, aho taorian’ny mariaziko. Hitako nanety lahatsoratra tamin’ny gazety izy. Hay lahatenin’i Russell ilay izy! Noresahin’i Neny tamiko ny zavatra nianarany tao amin’ireny lahatsoratra ireny.” Natao batisa àry i Ora tamin’ny 1917, ary nitory momba ilay Fanjakana foana nandritra ny 60 taona teo ho eo.

7. Nahoana ny rahalahy tany amin’ny foibe no nieritreritra hoe aleo tsy gazety intsony no hampiasaina mba hitoriana?

7 Nieritreritra anefa ny rahalahy tany amin’ny foibe, tamin’ny 1916, hoe sao dia tsara raha tsy mitory amin’ny gazety intsony isika. Nahoana? Voalohany, mbola nafotaka ny Ady Lehibe I tamin’izay, ka sarotra be ny nahita taratasy sy ranomainty hanaovana pirinty. Hoy ny sampan-draharaha niandraikitra izany tany Grande-Bretagne, tamin’ny 1916: “Gazety 30 mahery sisa no mamoaka ny lahatenintsika. Mbola mety hihena be aza izany ato ho ato, satria miakatra foana ny vidin’ny taratasy.” Faharoa, maty ny Rahalahy Russell tamin’ny 31 Oktobra 1916. Hoy àry Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 1916: “Tsy eo intsony izao ny Rahalahy Russell, ka tsy hamoaka ny lahateniny [amin’ny gazety] intsony isika.” Soa ihany fa nisy zavatra hafa mbola tena nahomby nampiasaintsika. Tsy inona izany fa ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.”

8. Ahoana no nanamboarana an’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”?

8 Filma: Telo taona teo ho eo no nanomanan-dry Russell ny “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana.” (Ohab. 21:5) Tamin’ny 1914 izy io no navoaka. Hoatran’ny ahoana ilay izy? Sary mihetsika sy tsy mihetsika no nampiarahina tamin’ny feo. Niloko isan-karazany ny sary sasany, ary tsy natao tamin’ny taratasy fa tamin’ny fitaratra. Nisy olona an-jatony koa nasaina nilalao tantara ao amin’ny Baiboly, mba hatao filma ao amin’ilay izy. Nisy biby nalaina video mihitsy aza mba hampiasaina tamin’ilay filma. Izao no voalaza momba izany, tamin’ny 1913: “Nisy tantaran’i Noa tamin’ilay izy, ka nampiasaina daholo ny ankabeazan’ny biby tao amin’ny valan-javaboary lehibe iray mba hanaovana izany.” Mpanao hoso-doko avy any Londres, New York, Paris, ary Philadelphie kosa no nanao an’ireo sary tamin’ny fitaratra. An-jatony ny sary natao, ary natao tanana daholo.

9. Nahoana ry Russell no nandany fotoana sy vola be tamin’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”?

9 Nandany fotoana sy vola be mihitsy ry Russell tamin’io fampisehoana an-tsary io. Nahoana? Izao no noresahina tamin’ireo fivoriambe tamin’ny 1913: ‘Tia mampiasa sary tato ho ato ny gazety amerikanina, satria hita hoe tena misy vokany be eo amin’ny mpamaky ilay izy. Voamarika koa hoe lasa be mpitia ny sary mihetsika. Tsara koa ilay izy satria mba miovaova ny zavatra jerena. Hampiasa karazana sary toy ireny àry isika manomboka izao, rehefa mitory sy mampianatra Baiboly. Matoky isika fa hahomby sy ho tian’ny olona izany.’

Fitaovana fandefasana an’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”; Sary natao tamin’ny fitaratra

10. Taiza avy no nandefasana an’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”?

10 Tanàn-dehibe 80 isan’andro no nandefasana an’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, tamin’ny 1914. Efa ho valo tapitrisa ny olona nahita azy io tany Etazonia sy Kanada. Naseho tany Alemaina, Aostralia, Danemark, Failandy, Grande-Bretagne, Norvezy, Nouvelle-Zélande, Soeda, ary Soisa koa ilay izy, tamin’io taona io. Notsorina koa ilay fampisehoana an-tsary taorian’izay, ary iny no nalefa tany ambanivohitra. Nantsoina hoe “Eurêka-Drame” (na “Zava-baovao”, anglisy) ilay izy. Tsy nasiana sary mihetsika izy io, ka tsy nandany vola be sady tsy nanahirana ny nitondra azy. Voadika tamin’ny fiteny maromaro ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” sy ilay “Eurêka-Drame”, tamin’ny 1916.

Nahazo olona be foana isika isaky ny nandefa an’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana”, tamin’ny 1914

11, 12. Inona no vokatr’ilay “Fampisehoana An-tsary ny Famoronana” tamin’i Charles Rohner, ary inona no ianaranao avy amin’ny tantarany?

11 Nijery an’io fampisehoana an-tsary io tamin’ny teny frantsay i Charles Rohner, tamin’izy 18 taona. Nalefa tany an-tanànany tany Colmar, any Frantsa, mantsy ilay izy. Hoy izy: “Mora azo be mihitsy ilay filma. Vao nanomboka ilay izy, dia efa gaga aho hoe hay ve izany no tena lazain’ny Baiboly e!”

12 Natao batisa i Charles tatỳ aoriana, ary nanompo manontolo andro nanomboka tamin’ny 1922. Nasaina nandefa an’ilay fampisehoana an-tsary tany Frantsa izy. Hoy izy: “Zavatra maromaro no nasaina nataoko tamin’ilay izy: Nitendry lokanga, dia nikarakara kaonty sy nikarakara boky. Nasaina niangavy ny mpanatrika hangina koa aho, talohan’ny nanombohan’ilay filma. Nasaina nizara boky tamin’izay olona tonga nijery an’ilay izy koa izahay tamin’ny fiatoana. Rahalahy sy anabavy maromaro izahay no notendrena hanao izany, ary efa samy nahalala an’izay toerana hizarany boky. Samy nitondra boky maromaro izahay, dia nankeny amin’ny mpanatrika tsirairay. Nasiana latabatra vitsivitsy feno boky koa teny am-baravarana.” Voantso hiasa tany amin’ny Betelan’i Brooklyn i Charles, tamin’ny 1925. Nanana radio nantsoina hoe WBBR isika tamin’izany, ka voatendry ho mpibaiko orkesitra tao izy. Inona no ianaranao avy amin’ny tantarany? Vonona hanao an’izay asa anendrena anao ve ianao, mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana?—Vakio ny Isaia 6:8.

13, 14. Ahoana no nampiasana ny radio mba hitoriana ny vaovao tsara? (Jereo koa ilay hoe “ Radio WBBR” sy ilay hoe “ Fivoriambe Niavaka.”)

13 Radio: Tsy dia nampiasaina hitoriana ny vaovao tsara intsony ilay fampisehoana an-tsary, taorian’ny 1920. Hitantsika mantsy tamin’izay hoe ny radio indray no tsara kokoa. Nalefa tao amin’ny radio, ohatra, tamin’ny 16 Aprily 1922, ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy.” Ny Rahalahy Rutherford no nanao azy io, tao amin’ny trano iray fanaovana fampisehoana any Philadelphie, any Pennsylvanie. Olona 50 000 teo ho eo no nahare azy io. Nalefa tamin’ny radio koa ny fivoriambe, nanomboka tamin’ny 1923. Nanapa-kevitra koa anefa ny rahalahy tany amin’ny foibe hoe aleo manokatra radio mihitsy. Nanangana radio tany Staten Island, any New York, àry isika, ary nantsoina hoe WBBR izy io. Tamin’ny 24 Febroary 1924 izy io no nandeha voalohany.

Olona 50 000 teo ho eo, tamin’ny 1922, no nahare tamin’ny radio an’ilay lahateny hoe “Olona An-tapitrisany Velona Ankehitriny no Tsy ho Faty Mihitsy”

14 Nahoana isika no nanokatra radio? Hoy Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1924: ‘Ny radio hatreto no tsy mandany vola indrindra, sady tena mandaitra mba hitoriana ny fahamarinana. Raha hitan’ny Tompo hoe mbola tokony hanangana radio hafa isika, dia tsy maintsy hataony izay hahazoantsika vola hanaovana izany.’ (Sal. 127:1) Lasa nanana radio enina àry isika, tamin’ny 1926. Tany Etazonia ny roa, ka ireto avy izany: WORD tany akaikin’i Chicago, sy WBBR tany New York. Tany Kanada kosa ny ambiny, izany hoe tany Alberta, Kolombia Britanika, Ontario, ary Saskatchewan.

15, 16. a) Inona no nataon’ny mpitondra fivavahana, rehefa hitan’izy ireo fa tena nandaitra mba hitoriana ny radio? b) Inona ny porofo fa nisy vokany tsara tamin’ny fitoriana isan-trano ny nandefasana lahateny tamin’ny radio?

15 Voamariky ny mpitondra fivavahana anefa izany, ka nahasosotra azy ireo. Inona no vokany? Nahafantatra tsara ny tantaran’ilay radio tany Saskatchewan ny Rahalahy Albert Hoffman. Hoy izy: ‘Lasa betsaka ny olona nahafantatra ny Mpianatra ny Baiboly sy nahalala ny fahamarinana. Noteren’ny mpitondra fivavahana àry ny manam-pahefana mba tsy hanome alalana antsika hampiasa radio intsony, ka nakatona daholo ny radiontsika tany Kanada, tamin’ny 1928.’

16 Mbola nandefa lahateny tamin’ny radio hafa tsy antsika anefa isika. (Mat. 10:23) Nasiana lisitr’ireo radio ireo tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Fotoam-pahasambarana. Rehefa mitory isan-trano amin’izay ny mpitory, dia afaka mampirisika ny olona hihaino azy ireny. Inona no vokany? Hoy ny Gazety Janoary 1931: “Nisy tatitra be dia be voaray hoe maro ny olona mihaino ny zavatra alefantsika amin’ny radio, anisan’izany ny lahatenin’ny Rahalahy Rutherford. Rehefa avy mihaino ny lahateniny ny olona, dia tonga dia manaiky handray ny bokintsika. Tena nandrisika ny mpitory hazoto hitory isan-trano izany.” Voalaza tao koa fa ny fitoriana isan-trano sy tamin’ny radio no ‘hevitra tsara indrindra nampiasain’ny fandaminana, mba hampielezana ny vaovao tsara.’

17, 18. Mbola nampiasa radio ve isika, taoriana kelin’ny 1930? Hazavao.

17 Vao mainka tezitra anefa ny olona sasany, taoriana kelin’ny 1930, rehefa nitory tamin’ny radio hafa isika. Nitady hevitra vaovao àry isika, tamin’ny faramparan’ny 1937. Tsy nandefa lahateny tamin’ny radio hafa intsony isika, fa niezaka nitory isan-trano bebe kokoa. a Mbola nitory tamin’ny radio ihany anefa isika tany amin’ny faritra mitokana be na sarotra naleha. Nisy lahateny nalefa tsy tapaka, ohatra, tao amin’ny radio iray tany Berlin Andrefana, any Alemaina, tamin’ny 1951 ka hatramin’ny 1991, ka afaka nandre ny vaovao tsara ny olona tany Alemaina Atsinanana. Nisy fandaharantsika koa tao amin’ny radio iray tany Suriname, any Amerika Atsimo, nanomboka tamin’ny 1961 ka hatramin’ny 1991 tany ho any. Naharitra 15 minitra isan-kerinandro izy io, ary nentina nanazavana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ankoatra izany, dia nisy lahateny sy dinidinika noraisim-peo miisa 350 mahery nalefa tamin’ny radio, tamin’ny 1969 ka hatramin’ny 1977. Fandaharana hoe “Ny Soratra Masina Iray Manontolo dia Mahasoa” no nandefasana azy. Radio 291 no nandefa an’ilay fandaharana tany amin’ny faritra 48 tany Etazonia. Nisy fandaharantsika koa tao amin’ny radio iray tany Apia, renivohitr’i Samoa, any Pasifika Atsimo, tamin’ny 1996. Nandeha isan-kerinandro izy io, ary “Valin’ny Fanontanianareo Momba ny Baiboly” no anarany.

18 Tsy nampiasaina hitoriana intsony ny radio, taloha kelin’ny taona 2000. Nahita hevitra vaovao indray anefa isika, satria mandroso be ny teknolojia. Vao mainka betsaka noho ny taloha àry no lasa nandre ny vaovao tsara.

19, 20. Nahoana isika no namorona ny jw.org, ary inona no vokany? (Jereo koa ny  pejy 75.)

19 Internet: Olona 2 700 tapitrisa mahery no nampiasa Internet tamin’ny 2013, izany hoe efa ho ny 40 isan-jaton’ny mponina eran-tany. Mijery Internet amin’ny fitaovana azo entina mandehandeha, toy ny tablette, ny 2 000 tapitrisa eo ho eo amin’izy ireo. Mihamitombo foana ny isan’ny olona manao izany, indrindra fa atỳ Afrika. Maherin’ny 90 tapitrisa amin’ny olona atỳ no mampiasa telefaonina na fitaovana hafa azo entina mandehandeha, mba hijerena Internet. Ny Internet indray àry izao no ampiasain’ny olona mba hahalalana zavatra.

20 Nampiasa Internet isika nanomboka tamin’ny 1997, mba hitoriana ny vaovao tsara. Efa misy amin’ny fiteny 300 eo ho eo ny tranonkala jw.org, nanomboka tamin’ny 2013. Misy lahatsoratra sy zavatra hafa amin’ny fiteny 520 mahery koa azo alaina ao. In-750 000 mahery isan’andro no misy mamaky lahatsoratra ao na mijery video. In-3 tapitrisa eo ho eo koa isam-bolana no misy maka boky, in-4 tapitrisa no misy maka gazety, ary in-22 tapitrisa no misy maka lahatsoratra na hira na tantara noraisim-peo.

21. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Sina?

21 Tena mety tsara hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana ny Internet, na dia any amin’ny tany tsy azo itoriana aza. Nijery ny jw.org, ohatra, ny lehilahy iray atao hoe Sina, tamin’ny voalohandohan’ny 2013, ka niantso tany amin’ny foibentsika any Etazonia hoe te hianatra Baiboly. Hafakely izany satria Silamo izy, sady any amin’ny tany andrarana ny fivavahantsika no misy azy. Tsy vitan’izay fa any ambanivohitra izy no mipetraka. Nisy Vavolombelona any Etazonia àry nampianatra azy indroa isan-kerinandro. Afaka nifankahita ry zareo tao amin’ny Internet, ka tao no nianatra.

Mitory amin’ny olona tsirairay isika

22, 23. a) Natao solon’ny fitoriana isan-trano ve ireo zava-drehetra noresahintsika tato? b) Inona ny porofo fa nanampy antsika i Jesosy?

22 Tsy hoe natao solon’ny fitoriana isan-trano akory ireo zava-drehetra noresahintsika tato. Manahaka an’izay nataon’i Jesosy mantsy isika. Tsy nitory tamin’ny vahoaka be fotsiny izy, fa nitory tamin’ny olona tsirairay koa. (Lioka 19:1-5) Nampiofana ny mpianany hanao toy izany koa izy, sady nampianariny azy ireo hoe inona no holazaina. (Vakio ny Lioka 10:1, 8-11.) Nampirisika ny vahoakan’i Jehovah foana koa ny mpanompo mendri-pitokisana mba hiresaka mivantana amin’ny olona tsirairay, araka ny hitantsika tao amin’ny Toko 6.—Asa. 5:42; 20:20.

23 Zato taona izay no lasa hatramin’ny nanombohan’i Jesosy nanjaka, ary efa 7 900 000 mahery ny mpitory mazoto mampianatra ny olona momba ny fikasan’Andriamanitra. Nahita hevitra hitoriana foana koa izy ireo. Hita tokoa hoe nanampy azy ireo i Jesosy. Ho hitantsika ao amin’ny toko manaraka fa nanome fitaovana azy ireo koa izy, mba hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny olona avy amin’ny firenena sy foko ary fiteny rehetra.—Apok. 14:6.

a Tsy nampiasaina intsony ilay radio WBBR tany New York, tamin’ny 1957. Io no radiontsika farany.