Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 8

Inona avy ny Fitaovana Ampiasaintsika mba Hitoriana Eran-tany?

Inona avy ny Fitaovana Ampiasaintsika mba Hitoriana Eran-tany?

INONA NO HORESAHINA ATO?

Omen’i Jehovah fitaovana vaovao foana isika mba hampianarana ny olona tsirairay, na inona na inona fiteniny

1, 2. a) Ahoana no nahatonga ny vaovao tsara hiely eran’ny Fanjakana Romanina? b) Inona ny porofo fa manampy antsika i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “ Mandika Boky sy Gazety Amin’ny Fiteny 670 Mahery.”)

 PENTEKOSTA taona 33 tamin’izay. Be dia be ny olona avy any an-tany hafa tonga tany Jerosalema. Gaga be ry zareo satria lasa nahay tampoka ny fiteniny ny mpianatr’i Jesosy, nefa Jiosy. Tsy vitan’izay fa tena nahaliana ny zavatra noresahin’izy ireo. Fa inona no nitranga? Nanao fahagagana i Jehovah ka lasa nahay fiteny isan-karazany ry zareo, ary afaka nitory tamin’ireo vahiny ireo. Tena hita hoe nanampy azy ireo izy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:1-8, 12, 15-17.) Be dia be àry ny olona hafa firenena nahare ny vaovao tsara, ka lasa niely eran’ny Fanjakana Romanina izy io tatỳ aoriana.—Kol. 1:23.

2 Tsy mahay ho azy miteny amin’ny fiteny isan-karazany intsony isika izao. Mandika boky sy gazety amin’ny fiteny 670 mahery anefa isika, ary betsaka lavitra noho ny fiteny hain’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny Pentekosta taona 33 izany. (Asa. 2:9-11) Tsy hita isa koa ny boky sy gazety efa nozaraintsika, ka saika ny olon-drehetra eran-tany no efa nahare ny vaovao tsara. a Midika izany fa mampiasa an’i Jesosy Kristy Mpanjaka i Jehovah, mba hitarika ny asa fitoriana. (Mat. 28:19, 20) Hojerentsika izao ny fitaovana sasany nampiasaintsika hitoriana, nandritra izay 100 taona izay. Ho hitanao fa nampiofanin’i Jesosy tsikelikely isika, mba hahay hitory amin’olona tsirairay sy hampianatra ny Tenin’Andriamanitra.—2 Tim. 2:2.

Nahazo fitaovana hambolena ny voan’ilay Fanjakana

3. Nahoana isika no mampiasa fitaovana isan-karazany rehefa mitory?

3 Nilaza i Jesosy hoe toy ny voa ny “teny momba ilay fanjakana”, ary toy ny tany ambolena ny fon’ny olona itoriana azy io. (Mat. 13:18, 19) Mampiasa fitaovana isan-karazany ny mpamboly, mba hampahalemilemy ny tany ka ho mora maniry izay voa hafafy eo. Mampiasa fitaovana isan-karazany koa ny vahoakan’i Jehovah, mba hanohinana ny fon’ny olona ka hihainoany ny vaovao tsara. Marina aloha fa vetivety dia tsy nandaitra intsony ny fitaovana sasany. Ny hafa kosa anefa mbola mandaitra hatramin’izao, anisan’izany ny boky sy gazety. Tsy mitovy amin’ireo zavatra noresahintsika tao amin’ny Toko 7 ny fitaovana horesahintsika ato, satria tsy natao hitoriana amin’olona be dia be fa amin’olona tsirairay.—Asa. 5:42; 17:2, 3.

Manamboatra grafofaonina sy fanamafisam-peo (Toronto, any Kanada)

4, 5. Ahoana no nataon’ny mpitory rehefa nampiasa grafofaonina? Inona anefa no indro kelin’izy io?

4 Lahateny noraisim-peo: Lahateny tamin’ny diska no nentina nitory, teo anelanelan’ny taona 1930 sy 1950. Nitondra grafofaonina ny mpitory mba handefasana an’ilay izy. Dimy minitra latsaka ny lahateny tsirairay sady fohy ny lohateniny indraindray, ohatra hoe “Andriamanitra Telo Izay Iray” na “Afofandiovana” na “Fanjakana.” Anisan’ny nampiasa grafofaonina ny Rahalahy Clayton Woodworth, izay natao batisa tany Etazonia tamin’ny 1930. Hoy izy: “Valizy kely izay no fitoeran’ilay grafofaonina. Fahanana ilay izy alohan’ny handefasana azy. Nisy vy lavalava sy diska koa niaraka taminy. Nila nahay nametaka tsara an’ilay vy teo amin’ny sisin’ilay diska tiako halefa aho, mba hampivoaka tsara ny feony. Izao no nataoko: Nankeo am-baravaran’ilay olona aho, dia nosokafako ilay valizy kely, dia napetako ilay vy lavalava, dia nandondòna amin’izay aho. Rehefa mivoaka ilay olona, dia miteny aho hoe: ‘Ity mba misy zava-dehibe tiako hohenoinao.’ ” Tian’ny olona ve ilay izy? Hoy ihany ny Rahalahy Woodworth: “Nihaino tsara ny olona matetika, fa nisy koa tonga dia nanakatona varavarana. Nisy aza nieritreritra hoe te hivarotra grafofaonina aho.”

Efa 90 mahery ny lahateny noraisim-peo tamin’ny diska tamin’ny 1940, ary iray tapitrisa mahery ny diska natao

5 Efa 90 mahery ny lahateny noraisim-peo tamin’ny diska tamin’ny 1940, ary iray tapitrisa mahery ny diska natao. Hoy ny Rahalahy John Barr, izay mpisava lalana tany Grande-Bretagne, ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana: “Tsy nisaraka tamina grafofaonina mihitsy aho rehefa nitory, tamin’ny 1936 ka hatramin’ny 1945. Tsy azoko ny aiko raha vao tsy nitondra grafofaonina aho. Lahatenin’ny Rahalahy Rutherford no nalefa tamin’ilay izy. Vao naheno ny feony aho, dia lasa tsy natahotra. Hoatran’ny hoe teo akaikiko teo mihitsy izy. Ny indro kely fotsiny a..., dia hoe ianao tsy mampianatra fa mandefa an’ilay grafofaonina fotsiny, dia tsy afaka manohina ny fon’ny olona.”

6, 7. a) Inona no nahatsara sy naharatsy ny karatra fitoriana? b) Nahoana isika no afaka milaza hoe nataon’i Jehovah teo am-bavantsika ny teniny?

6 Karatra fitoriana: Nampirisihina hampiasa an’io karatra io ny mpitory rehefa nitory isan-trano, nanomboka tamin’ny 1933. Mitovitovy habe amin’ilay taratasy fanaovantsika tatitra momba ny fanompoana izy io. Nisy fanazavana fohy avy ao amin’ny Baiboly ilay izy, ary niresaka boky iray azon’ilay olona hafarana. Asehon’ilay mpitory azy fotsiny ilay karatra, dia asainy vakiny. Anisan’ny nampiasa karatra fitoriana i Lilian Kammerud, misionera tany Porto Rico sy Arzantina. Tena tiany be ny nampiasa azy io. Nahoana? Hoy izy: “Nanampy ahy ho zatra miresaka amin’olona ilay izy. Tsy tena nahay nitory tsinona ny ankamaroanay.”

Karatra fitoriana amin’ny teny italianina

7 Hoy koa ny Rahalahy David Reusch, izay natao batisa tamin’ny 1918: “Tena tsara ilay karatra satria be dia be no tsy nahay an’izay tena tokony holazaina rehefa nitory.” Tsy hoe nandaitra foana anefa ilay izy. Hoy ihany ny Rahalahy Reusch: “Nieritreritra ny olona indraindray hoe tsy mahay miteny izahay. Marina ihany aloha izany e! Hoatran’ny hoe tsy nahay niteny ny maro taminay, satria tsy nahay nitory tsara. Fa hitanay anefa hoe nasain’i Jehovah nampiasa an’ireny karatra ireny aloha izahay, amin’izay sahy manatona olona. Dia avy eo izahay vao nampiany hahay hiresaka amin’olona. Lasa nisy mantsy ny Sekolin’ny Fanompoana tamin’ny 1943. Nampiofaniny izahay tamin’io sekoly io mba hahay hampiasa ny Soratra Masina, rehefa mitory isan-trano. Hoatran’ny hoe nataony teo am-bavanay ny teniny.”—Vakio ny Jeremia 1:6-9.

8. Inona no tokony hataonao raha tianao hanampy anao hahay hitory i Kristy?

8 Boky: Namoaka boky ara-baiboly 100 mahery ny vahoakan’i Jehovah, nanomboka tamin’ny 1914. Natao hampianarana ny mpitory hahay hitory ny sasany. Hoy i Anna Larsen, any Danemark, izay efa mpitory nandritra ny 70 taona teo ho eo: “Tian’i Jehovah hahay hitory kokoa isika, dia namorona ny Sekolin’ny Fanompoana izy, sady nanome antsika boky hampiasaina amin’izy io. Mbola tadidiko hoe navoaka tamin’ny 1945 ny voalohany. Fitaovana Hanampiana ny Mpitory Ilay Fanjakana no lohateniny. Dia avy eo ilay hoe ‘Ampy Fitaovana Hanao ny Asa Tsara Rehetra’, navoaka tamin’ny 1946. Dia izao indray ilay hoe Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana. Tamin’ny 2001 izy io no navoaka.” Tena manampy antsika ho “ampy fahaizana” mba hitory tokoa ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny boky rehetra ampiasaina amin’izy io. (2 Kor. 3:5, 6) Tena nanampy an’ireo mpitory ho “ampy fahaizana” tokoa ny Sekolin’ny Fanompoana sy ny boky rehetra nampiasaina tamin’izy io. (2 Kor. 3:5, 6) Mahazo fampiofanana toy izany koa isika mandritra ny fivoriana andavanandro. Mahazo an’ilay Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana isika isam-bolana. Miezaka mampihatra ny soso-kevitra ao amin’izy io àry ve ianao? Manaiky hampiofanin’i Kristy ianao raha manao izany, ka hahay hampianatra kokoa.—2 Kor. 9:6; 2 Tim. 2:15.

9, 10. Inona avy ny boky efa nampiasaina mba hambolena sy hanondrahana ny voan’ny fahamarinana?

9 Nomen’i Jehovah boky hanampiana antsika hahay hampianatra Baiboly koa isika. Namoaka an’ilay boky hoe Ny Fahamarinana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, ohatra, ny fandaminany tamin’ny 1968. Tena nandaitra io boky io satria nisy vokany avy hatrany. Hoy Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1968: “Be dia be mihitsy no nanafatra ny boky Fahamarinana, ka tsy maintsy nisy niasa alina ny mpiasa tao amin’ny Betelan’i Brooklyn tamin’ny Septambra, mba hanao pirinty boky fanampiny.” Voalaza tao koa hoe: “Efa tamin’ny volana Aogositra no tsy ampy ny boky Fahamarinana. Mbola nangataka 1 500 000 mantsy ny fiangonana!” Zato tapitrisa mahery ny boky Fahamarinana navoaka, tao anatin’ny 14 taona, izany hoe nanomboka tamin’ny 1968 ka hatramin’ny 1982. Nisy tamin’ny fiteny 116 izy io tamin’izany. b Inona no vokany? Lasa niampy iray tapitrisa mahery ny mpitory.

10 Nisy boky hafa tena tsara indray navoaka tamin’ny 2005. Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? no lohateniny. Misy amin’ny fiteny 256 be izao izy io, ary 200 tapitrisa teo ho eo no efa natao pirinty! Nandaitra koa ve izy io? Eny, satria tao anatin’ny fito taona monja, izany hoe nanomboka tamin’ny 2005 ka hatramin’ny 2012, dia niampy 1 200 000 teo ho eo ny mpitory. Lasa 8 700 000 mahery koa ny olona nianatra Baiboly, raha 6 000 000 izany talohan’izay. Tena tahin’i Jehovah isika, satria mazoto mamboly sy manondraka ny voan’ilay Fanjakana.—Vakio ny 1 Korintianina 3:6, 7.

11, 12. Hazavao hoe natao ho an’iza ny gazetintsika, araka ireo andinin-teny eo amin’ny fehintsoratra ireo.

11 Gazety: Natao ho an’ny “ondry vitsy”, izany hoe ho an’ireo “nahazo fiantsoana ho any an-danitra”, Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny voalohany. (Lioka 12:32; Heb. 3:1) Namoaka gazety hafa anefa ny fandaminana tamin’ny 1 Oktobra 1919. Natao ho an’ny besinimaro izy io. Tena tian’ny Mpianatra ny Baiboly sy ny olon-kafa io gazety io, ka izy io indray no be mpamaky noho Ny Tilikambo Fiambenana, nandritra ny taona maro. Fotoam-pahasambarana no anarany taloha, fa novana hoe Fampiononana (anglisy) tamin’ny 1937, ary lasa hoe Mifohaza! tamin’ny 1946.

12 Niovaova foana ny paozin’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!, fa tsy niova kosa ny zavatra asongadiny. Mbola miresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra foana izy ireo, ary manampy ny olona hino izay lazain’ny Baiboly. Misy karazany roa izao Ny Tilikambo Fiambenana. Gazety Fianarana ny iray, ary Gazety ho An’ny Besinimaro ny iray. Natao ho an’ny “mpanompo ao an-trano”, izany hoe ny “ondry vitsy” sy ny “ondry hafa” ilay gazety fianarana. c (Mat. 24:45; Jaona 10:16) Ilay ho an’ny besinimaro kosa natao ho an’izay mbola tsy mahalala ny fahamarinana, nefa mino an’Andriamanitra sy izay lazain’ny Baiboly. (Asa. 13:16) Ny Mifohaza! indray natao ho an’izay tsy dia mahafantatra ny zavatra lazain’ny Baiboly sy izay tsy dia mahalala an’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra.—Asa. 17:22, 23.

13. Inona no hitanao hoe tena mampiavaka ny gazetintsika? (Resaho koa ilay hoe “ Inona avy ny Boky sy Gazety Miely Indrindra Eran-tany?”)

13 Mifohaza! 44 tapitrisa mahery sy Tilikambo Fiambenana 46 tapitrisa teo ho eo no natao pirinty isam-bolana, teo am-piandohan’ny taona 2014. Nisy tamin’ny fiteny 100 teo ho eo ny Mifohaza!, ary tamin’ny fiteny 200 mahery Ny Tilikambo Fiambenana. Ireo gazety ireo àry no miely indrindra eran-tany sy voadika amin’ny fiteny maro indrindra. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy hatramin’izay, nefa tsy tokony hahagaga antsika izany. Ao amin’ireo gazety ireo mantsy no misy an’ilay vaovao tsara tian’i Jesosy hotorina eran-tany.—Mat. 24:14.

14. Inona no nataon’ny vahoakan’i Jehovah, ary nahoana?

14 Baiboly: Novan’ny Rahalahy Russell sy ny mpiara-miasa taminy hoe Watch Tower Bible and Tract Society ny anaran’ny fikambanantsika, tamin’ny 1896. Amin’izay mantsy misy teny hoe Baiboly ao amin’ilay izy. Tena nety izany satria ny Baiboly no tena ampiasaintsika rehefa mitory momba ilay Fanjakana. (Lioka 24:27) Nazoto nizara Baiboly sy nampirisika ny olona hamaky azy io ny vahoakan’i Jehovah, nanomboka teo. Nataontsika pirinty, ohatra, tamin’ny 1926, ilay Baiboly Soratra Grika Kristianina (The Emphatic Diaglott) nadikan’i Benjamin Wilson. Ny milina fanaovana pirintin’ny fandaminana ihany no nampiasaina tamin’izany. Nanao pirinty ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques koa isika, nanomboka tamin’ny 1942. Nisy 700 000 teo ho eo no voazarantsika. Ny Dikan-teny Amerikanina Mahazatra indray no nataontsika pirinty, roa taona taorian’izay. Miverina in-6 823 ao ny hoe Jehovah. Maherin’ny 250 000 no efa voazarantsika, tamin’ny 1950.

15, 16. a) Inona no tena itiavanao ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao? (Jereo ilay hoe “ Nahoana Isika no Mahavita Mandika Baiboly Haingana?”) b) Inona no tokony hataonao raha tianao hanohina ny fonao i Jehovah?

15 Namoaka Ny Soratra Grika Kristianina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao isika, tamin’ny 1950. Namoaka Baiboly feno kosa isika tamin’ny 1961, ary antsoina hoe Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao izy io. Manome voninahitra an’i Jehovah io Baiboly io satria naverina ao ny anarany, na ao amin’ny Soratra Hebreo izany na ao amin’ny Soratra Grika. Miverina im-237 ao amin’ny Soratra Grika, ohatra, ny hoe Jehovah. Efa nohavaozina imbetsaka io Baiboly io, ka tamin’ny 2013 ny farany. Tiana ho marina tsara sy hazava tsara foana mantsy izy io. Maherin’ny 201 tapitrisa tamin’ny 2013 ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao navoaka (izy manontolo na ny ampahany). Nisy tamin’ny fiteny 121 izy io tamin’izay.

16 Tena tian’ny olona ny mamaky ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny fiteniny. Hoy ny lehilahy iray any Népal: ‘Efa tranainy be ny teny ao amin’ny Baiboly népali, dia be dia be no tsy mahazo an’ilay izy. Tsy hoatr’izany anefa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Tena mora azo ilay izy satria amin’ny fiteny andavanandro.’ Nivoaka tamin’ny fiteny sango (fiteny any Centrafrique) koa ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao. Vao namaky azy io ny vehivavy iray, dia nitomany sady niteny hoe: “Tiako be mihitsy ity fa amin’ny fiteniko dia azoko tsara.” Hataon’i Jehovah manohina ny fontsika koa ny Teniny, raha mamaky azy io isan’andro isika.—Sal. 1:2; Mat. 22:36, 37.

Ampy fitaovana sy tsara ofana

17. Inona no azonao atao mba hampisehoana fa ankasitrahanao ny fitaovana omen’i Jesosy mba hitoriana? Ary inona ny soa ho azonao raha manao izany ianao?

17 Hoy ny anabavy iray atao hoe Opal Betler, izay natao batisa tamin’ny 4 Oktobra 1914: “Efa nampiasa grafofaonina sy karatra fitoriana izahay mivady, sady efa nizara boky sy bokikely ary gazety isan-trano. Nandray anjara koa izahay rehefa nisy ezaka manokana nataon’ny fiangonana. Nisy fotoana izahay nasaina nilanja takelaka nisy soratra, sady nizara trakta. Nampiofanina hiverina hitsidika sy hampianatra an’izay olona liana koa izahay. Be atao foana izahay teo amin’ny fanompoana, nefa falifaly foana.” Tsy i Opal irery no nahatsapa an’izany, fa olona an-tapitrisany maro. Efa nilaza mantsy i Jesosy fa hiasa be ny mpanara-dia azy rehefa mamafy sy mijinja ny voan’ilay Fanjakana, nefa ho falifaly foana. (Vakio ny Jaona 4:35, 36.) Faly koa ve ianao satria manome fitaovana antsika i Jesosy Kristy Mpanjaka sady mampiofana antsika foana? Mamaky ny boky sy gazety avoakan’ny fandaminana ve ianao, ary mampiasa azy ireny hanampiana ny olona?

18. Nahoana isika no sambatra?

18 Mety hisy hieritreritra hoe ‘tsy dia nahita fianarana sady olon-tsotra’ ny mpanompon’i Jehovah. (Asa. 4:13) Olon-tsotra tokoa isika, nefa ataon’i Jesosy mahay zavatra miavaka. Mahavita mandika boky sy gazety amin’ny fiteny be dia be isika sady mizara izany eran-tany. Vitsy ihany no efa nahavita hoatr’izany! Tsy vitan’izay fa mampiofana sy mampahery antsika i Kristy, ka lasa haintsika ny mampiasa ny fitaovana omeny mba hitoriana eran-tany. Sambatra isika satria miara-mamboly ny voan’ilay Fanjakana aminy, ka lasa mitombo ny mpanara-dia azy!

a Tato anatin’ny folo taona monja, dia nahavita pirinty boky sy gazety 20 000 tapitrisa mahery isika. Efa manana ny tranonkala jw.org koa isika izao, ary olona 2 700 tapitrisa mahery eran-tany no afaka mijery azy io.

b Ireto koa misy boky efa nampiasaintsika hampianarana Baiboly: Ny Harpan’Andriamanitra (navoaka tamin’ny 1921), “Aoka Andriamanitra no ho Fantatra fa Marina” (1946), Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany (1982), ary Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay (1995).

c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2013, pejy 23, fehintsoratra 13, fa miresaka hoe iza no atao hoe “mpanompo ao an-trano.” Fanazavana vaovao ilay izy.