Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 16

Miara-mivory ny Vahoakan’ilay Fanjakana

Miara-mivory ny Vahoakan’ilay Fanjakana

INONA NO HORESAHINA ATO?

Ahoana no niandohan’ny fivoriantsika, ary nahoana isika no tokony hivory?

1. Ahoana no nanampian’i Jehovah sy Jesosy an’ireo apostoly, ary nahoana?

 TE HIFAMPAHERY ny mpianatr’i Jesosy, taoriana kelin’ny nitsanganany tamin’ny maty, ka niara-nivory. Nihidy aman-trano anefa izy ireo, satria natahotra ny Jiosy. Tamin’izay indrindra no niseho tampoka i Jesosy sady niteny hoe: “Raiso ny fanahy masina.” (Vakio ny Jaona 20:19-22.) Azo antoka fa tsy dia natahotra intsony izy ireo taorian’izay. Niara-nivory indray ry zareo tatỳ aoriana, ary mbola nomen’i Jehovah fanahy masina koa. Nahazo hery izy ireo ka vonona hitory, na dia tsy mora aza izany.—Asa. 2:1-7.

2. a) Aiza i Jehovah no tena mampahery antsika, ary nahoana isika no mila izany? b) Nahoana isika no tokony hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana foana? (Jereo ny fanamarihana sy ilay hoe “ Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana”, pejy 175.)

2 Mitovy amin’ny Kristianina voalohany mihitsy isika. (1 Pet. 5:9) Misy olona atahorantsika indraindray. Tsy mora amintsika foana koa ny mitory, ka mila hery avy amin’i Jehovah isika raha te hahavita izany. (Efes. 6:10) Any am-pivoriana i Jehovah no tena mampahery antsika. Indroa isika no mivory isan-kerinandro, ary tena mahasoa ilay izy. Ireto avy ny fivoriantsika: Fivoriana ho An’ny Besinimaro, Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, ary ilay fivoriana andavanandro hoe Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana. a Eo koa ny fivoriamben’ny vondrom-paritra isan-taona, ny fivoriamben’ny faritra indroa, ary ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy. Nahoana isika no tokony hanatrika an’ireo rehetra ireo? Hoatran’ny ahoana ny fivoriana taloha, ary inona avy no niova tamin’ilay izy? Tia mivory ve ianao sa tsia, ary manaporofo inona izany?

Nahoana isika no mivory?

3, 4. Inona no nasain’i Jehovah nataon’ny vahoakany? Manomeza ohatra.

3 Efa ela i Jehovah no nandidy ny vahoakany hoe mila miara-mivory izy ireo mba hivavaka aminy. Nanome Lalàna ho an’ny Israelita, ohatra, izy tamin’ny 1513 T.K. hoe tokony hitandrina ny Sabata ny fianakaviana tsirairay isan-kerinandro. Natao hiarahana mivavaka amin’i Jehovah sy hianarana ny Lalàny izy io. (Deot. 5:12; 6:4-9) Lasa nifankatia kokoa ny fianakaviana israelita rehefa nankatò an’izany, sady lasa natanjaka ara-panahy. Ilay firenena manontolo mihitsy avy eo no lasa tsy nivadika sy nifandray tsara tamin’i Jehovah. Inona kosa no vokany rehefa tsy nankatò ny Lalàny izy ireo, anisan’izany ilay hoe mila mivory tsy tapaka? Tezitra tamin’izy ireo i Jehovah.—Lev. 10:11; 26:31-35; 2 Tan. 36:20, 21.

4 Nivory tany amin’ny synagoga koa i Jesosy isaky ny Sabata. (Lioka 4:16) Toy izany koa ny mpianany. Marina fa tsy voatery nitandrina ny Sabata intsony izy ireo, nefa mbola nivory tsy tapaka taorian’ny nahafatesan’i Jesosy sy nitsanganany. (Asa. 1:6, 12-14; 2:1-4; Rom. 14:5; Kol. 2:13, 14) Niara-nianatra ny Soratra Masina sy nifampahery izy ireo tamin’izany. Nidera an’Andriamanitra koa ry zareo, ka nivavaka sy nihira ary samy nilaza hevitra avy ao amin’ny Soratra Masina.—Kol. 3:16; Heb. 13:15.

Niara-nivory ny mpianatr’i Jesosy mba hifampahery

5. Nahoana isika no mivory sy manatrika fivoriambe? (Jereo koa ilay hoe “ Ireo Fivoriambe Niavaka Indrindra”, pejy 176.)

5 Mivory indroa isan-kerinandro koa isika, ary manatrika fivoriambe intelo isan-taona. Te hanohana an’ilay Fanjakana mantsy isika, sady te hahazo hery avy amin’ny fanahy masina, ary te hampahery ny hafa. Midera an’i Jehovah koa anefa isika rehefa mivory, satria mivavaka aminy sy mihira ary manome valin-teny. Tsy tena mitovy amin’ny fivoriana nataon’ny Israelita sy ny Kristianina voalohany ny fivoriantsika. Mbola zava-dehibe foana anefa ny fivoriana. Ahoana àry no niandohan’ny fivoriantsika, ary inona no niova tamin’ilay izy?

‘Mandrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara’

6, 7. a) Inona ny tanjon’ny fivoriana, araka Ny Tilikambo Fiambenana Novambra 1895? b) Nitovy ve tamin’ny voalohany ny fotoana nivorian’ny Mpianatra ny Baiboly? Hazavao.

6 Vao nanomboka nandalina ny Baiboly ny Rahalahy Charles Russell, dia efa nahatakatra fa mila miara-mivory amin’izay olon-kafa liana tamin’ny Baiboly izy. Hoy izy tamin’ny 1879: “Maromaro izahay eto Pittsburgh no nanapa-kevitra fa hiara-mivory isak’alahady, mba handalina ny Soratra Masina.” Nampirisihiny hiara-mivory koa ny mpamaky Ny Tilikambo Fiambenana. Tsy ny alahady ihany no lasa nisy fivoriana tany Pittsburgh fa ny alarobia koa, nanomboka tamin’ny 1881. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana Novambra 1895 fa natao “hampifandray tsara sy hampifankatia ary hampiray saina” ny Kristianina ireny fivoriana ireny. Nifampahery koa izy ireo tany.—Vakio ny Hebreo 10:24, 25.

7 Tsy nitovy tamin’ny voalohany ny fotoana nivorian’ny Mpianatra ny Baiboly. Nanoratra toy izao ny Mpianatra ny Baiboly vitsivitsy tany Etazonia, araka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1911: “Indimy izahay, fara fahakeliny, no mivory isan-kerinandro.” Indray mandeha nivory izy ireo rehefa alatsinainy sy alarobia ary zoma, ary indroa kosa rehefa alahady. Izao kosa no nosoratan’ny Mpianatra ny Baiboly sasany tany Afrika, araka Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1914: “Indroa isam-bolana izahay no mivory, ary zoma ka hatramin’ny alahady no anaovanay azy.” Niova anefa izany tatỳ aoriana.

8. Inona no noresahina tamin’ny lahateny sasany nataon’ny Mpianatra ny Baiboly?

8 Fivoriana ho An’ny Besinimaro: Herintaona taorian’ny namoahan’i Russell voalohany Ny Tilikambo Fiambenana, izany hoe tamin’ny 1880, dia nandeha nitety tany maromaro izy mba hitory toa an’i Jesosy. (Lioka 4:43) Nandaha-teny tamin’olona be dia be izy tamin’izany, ary io no lasa Fivoriana ho An’ny Besinimaro tatỳ aoriana. Noresahina mialoha tao amin’ny Tilikambo Fiambenana izay tany halehany, ary nolazaina tao hoe ‘hanao lahateny momba ny fanjakan’Andriamanitra’ izy. Lasa nisy fiangonana àry tany amin’ny tany maromaro. Nasaina naniraka mpandahateny mahay teny amin’ny tanàna manodidina izy ireo, tamin’ny 1911, mba hanao lahateny enina mandritra ny herinandro vitsivitsy. Rehefa tapitra ny lahateny iray, dia nolazaina hoe iza indray no hanohy izany amin’ny herinandro manaraka, ary inona no lohateniny. Ny andro fitsarana na ny vidim-panavotana, ohatra, no noresahina tamin’izany.

9. Inona avy no niova tamin’ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro, ary inona no tokony hataontsika?

9 Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1945 fa hisy Fivoriana ho An’ny Besinimaro hatao eran-tany, ka lahateny valo no hatao amin’izany. Hiresaka momba ny “olana manahiran-tsaina ny olona” ireo lahateny ireo. Namoaka lahateny hafa ny fandaminana taorian’izay, ka ireny no nataon’ny mpandahateny. Nahazo namorona lahateny koa izy, raha tiany. Niova anefa izany tamin’ny 1981, ka izay drafitra omen’ny fandaminana ihany no azon’ny mpandahateny ampiasaina. b Nisy fanontaniana nasaina novalian’ny mpanatrika na fampisehoana ny lahateny sasany. Nofoanana koa anefa izany, nanomboka tamin’ny 1990. Lasa 30 minitra koa ny lahateny ho an’ny besinimaro nanomboka tamin’ny Janoary 2008, fa tsy 45 minitra intsony. Mbola manampy antsika hino ny Tenin’Andriamanitra sy hahalala tsara momba ny Fanjakany foana anefa ny lahateny ho an’ny besinimaro hatramin’izao, indrindra rehefa voaomana tsara. (1 Tim. 4:13, 16) Mazotoa àry manasa ny olona tsidihinao sy ny olon-kafa, mba hanatrika ny Fivoriana ho An’ny Besinimaro.

10-12. a) Inona avy no niova tamin’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana? b) Inona no tokony hoeritreretinao?

10 Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana: Naniraka rahalahy nantsoina hoe mpitety fiangonana ny fandaminana taloha, mba hanao lahateny sy hitarika ny asa fitoriana. Nampirisika ny fiangonana hianatra Ny Tilikambo Fiambenana isan-kerinandro ry zareo, tamin’ny 1922. Narahin’ny fiangonana izany, ka andavanandro na alahady ilay izy no natao tamin’ny voalohany.

Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, tany Ghana, tamin’ny 1931

11 Natoro tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Jona 1932 hoe ahoana no hanaovana an’ilay fianarana. Nohazavaina tao fa tokony hitovy amin’ny fianarana Tilikambo Fiambenana any amin’ny Betela ilay izy, ka hisy rahalahy iray hitarika azy. Rahalahy telo no hifandimby hamaky fehintsoratra, ary afaka mipetraka eny aloha izy ireo. Tsy nisy fanontaniana tao amin’ilay lahatsoratra, fa ny mpanatrika no hasain’ilay mpitarika hametraka fanontaniana sy hamaly izany. Raha mbola mila hazavaina ilay fehintsoratra, dia hanome fanazavana “tsotra sady fohy” ilay mpitarika.

12 Ny fiangonana tsirairay no nifidy izay Tilikambo Fiambenana hianarany, ka izay lanin’ny besinimaro no natao. Niova anefa izany tatỳ aoriana. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1933 fa izay gazety farany no tokony hianaran’ny fiangonana rehetra. Nolazaina koa tamin’ny 1937 fa tokony hatao isak’alahady ilay izy. Nisy toromarika hafa koa tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1942 hoe hisy fanontaniana eny ambany pejy, ary ireny no hampiasaina. Tokony ho adiny iray koa ilay fianarana, ary tsy tokony hamaky be an’izay voalaza ao amin’ny fehintsoratra izay mamaly fanontaniana, fa tokony “hiteny hoatran’izy rehefa miresaka.” Ny lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana hatramin’izao no tena ampiasain’ny mpanompo mendri-pitokisana hampianarana antsika, ary tonga amin’ny fotoana ilantsika azy foana ilay izy. (Mat. 24:45) Mieritrereta àry hoe: ‘Manomana Tilikambo Fiambenana ve aho isan-kerinandro, ary miezaka manome valin-teny raha afaka manao izany?’

13, 14. Ahoana no niandohan’ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, ary inona no itiavanao azy io?

13 Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana: Namoaka boky mifampitohy atao hoe Fiandohan’ny Arivo Taona i Russell, nanomboka tamin’ny 1886. Taona vitsivitsy taorian’izay, dia nisy rahalahy atao hoe Rahn, avy any Baltimore, any Etazonia, nanome soso-kevitra hoe: ‘Maninona isika raha miara-mianatra Baiboly, dia ireo boky ireo no hampiasaina?’ Nantsoina hoe “Fianarana Baiboly Iarahan’ireo Mpino ny Arivo Taona” ilay fivoriana, ary tany an-tranon’olona matetika no natao. Andrana fotsiny ilay izy tamin’ny voalohany. Tanàna maro tany Etazonia no nanaovana azy, ary hita tamin’ny Septambra 1895 hoe nandeha tsara ilay izy. Nilaza àry Ny Tilikambo Fiambenana hoe tokony hanao an’io fivoriana io ny Mpianatra ny Baiboly rehetra. Voalaza tao koa fa tokony ho rahalahy mahay mamaky teny tsara no asaina mitarika an’ilay izy. Mamaky fehezanteny iray izy, ary avy eo miandry ny mpanatrika hanangan-tanana raha misy te hanazava an’ilay izy. Mila mamaky an’ireo andinin-teny ilay mpitarika aorian’izay. Asaina mamintina kely an’ilay toko ny mpanatrika tsirairay, amin’ny farany.

14 Nantsoina hoe Fianarana Baiboly Ataon’ny Berianina ilay fivoriana tatỳ aoriana, satria nandalina ny Baiboly toy ny nataon’ny Berianina fahiny ny Mpianatra ny Baiboly tamin’ilay izy. (Asa. 17:11) Novana hoe Fianarana Boky ny anarany taorian’izay, ary Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana amin’izao. Tsy any an-tranon’olona intsony izy io no atao, fa ao amin’ny Efitrano Fanjakana. Tsy olona vitsivitsy intsony koa no miara-mivory fa ny fiangonana manontolo. Efa be dia be ny boky sy bokikely nianarana tamin’io fivoriana io. Nisy fotoana aza lahatsoratra tamin’ny Tilikambo Fiambenana no nianarana. Afaka manome valin-teny ny mpanatrika rehetra, toy ny hatramin’izay ihany. Tena manampy antsika hahalala tsara izay lazain’ny Baiboly io fivoriana io. Mazotoa foana àry manomana alohan’ny hanatrehana azy io, ary miezaha manome valin-teny mety tsara.

15. Inona no nilana ny Sekolin’ny Fanompoana?

15 Sekolin’ny Fanompoana: Efa niasa tao amin’ny Betelan’i Brooklyn i Carey Barber tamin’io sekoly io vao nanomboka, ary lasa anisan’ny Filan-kevi-pitantanana tatỳ aoriana. Hoy izy: “Nasaina hisoratra anarana tamin’ilay izy ny rahalahy rehetra tao amin’ny Betela ny alatsinainy hariva 16 Febroary 1942.” Hafa ny anaran’ilay sekoly tamin’izany, fa lasa hoe Sekolin’ny Fanompoana tatỳ aoriana. Nilaza koa ny Rahalahy Barber fa “anisan’ny zavatra miavaka indrindra nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany” io sekoly io. Bokikely hoe Fianarana ny Fanompoana Kristianina (anglisy) no nampiasaina tamin’izany. Tena nanampy ny rahalahy tao amin’ny Betela hahay hampianatra sy hitory io sekoly io. Lasa natao tany amin’ny fiangonana eran-tany àry izy io nanomboka tamin’ny 1943, ary nomena an’ilay bokikely koa izy ireo. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 1943 fa natao hampiofanana ny vahoakan’Andriamanitra “hahay kokoa hitory momba ilay Fanjakana ilay sekoly.”—2 Tim. 2:15.

16, 17. Nampianatra ny vahoakan’Andriamanitra hahay handaha-teny na hahay hitory fotsiny ve ny Sekolin’ny Fanompoana? Hazavao.

16 Maro no natahotra tamin’ny voalohany rehefa nanana anjara, indrindra fa rehefa be dia be ny mpanatrika. Izany mihitsy no nanjo an’i Clayton Woodworth, zanaky ny rahalahy iray niara-nigadra tamin’ny Rahalahy Rutherford tamin’ny 1918. Tamin’ny 1943 i Clayton no nanao sekoly voalohany. Hoy izy: “Tena sahirana aho isaky ny nanana anjara. Hoatran’ny hoe nitady hivoaka ny lelako, dia maina be mihitsy ny tendako. Mbetika aho be feo, mbetika kely feo.” Nihanahay anefa izy, ka lasa voatendry matetika hanao lahateny. Tsy hoe nanampy azy hahay handaha-teny fotsiny ilay sekoly, fa nampianatra azy koa hoe tena ilaina ny manetry tena sy mivavaka amin’i Jehovah. Hoy izy: “Lasa azoko hoe mila manomana tsara sy matoky tanteraka an’i Jehovah foana ny mpandahateny, na iza izy na iza. Hahafinaritra ny olona ny mihaino azy amin’izay, sady hazava amin-dry zareo ny lahateniny.”

17 Nahazo nanao an’ilay Sekolin’ny Fanompoana koa ny anabavy, nanomboka tamin’ny 1959. Hoy i Edna Bauer: ‘Nampandrenesina tany amin’ny fivoriambe ilay izy, dia falifaly be mihitsy ny rahavavy rehetra. Mba nitombo mantsy ny tombontsoa azon’izy ireo.’ Be dia be ny rahalahy sy anabavy efa nandray anjara tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana, nandritra ny taona maro, ka nampianarin’i Jehovah. Mbola mampianatra antsika izy hatramin’izao, mandritra ny fivoriana andavanandro.—Vakio ny Isaia 54:13.

18, 19. a) Ahoana no ahazoantsika toromarika momba ny fanompoana amin’izao? b) Nahoana isika no mihira rehefa mivory? (Jereo ilay hoe “ Hirao ny Fahamarinana.”)

18 Fivoriana Momba ny Fanompoana: Efa tamin’ny 1919 no nisy an’io fivoriana io. Tsy ny olon-drehetra no nanatrika azy io tamin’izany, fa ny mpitory ihany satria ry zareo no nizara boky sy gazety teny amin’ny faritany. Lasa afaka nanatrika azy io anefa ny olon-drehetra tamin’ny 1923. Indray mandeha isam-bolana izy io matetika no natao, nanomboka tamin’io taona io. Nampirisihina anefa ny fiangonana rehetra tamin’ny 1928, mba hanao azy io isan-kerinandro. Nilaza Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1935 fa ny fanazavana ao amin’ny Mpitari-dalana (anglisy) no tokony hodinihina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Lasa anisan’ny fivoriana fanao isan-kerinandro izy io tatỳ aoriana. Novana hoe Mpilaza Vaovao (anglisy) ary avy eo hoe Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana ilay hoe Mpitari-dalana tatỳ aoriana.

19 Natao hanampiana antsika eny amin’ny fanompoana ny toromarika omena antsika, mandritra ny fivoriana andavanandro. (Mat. 10:5-13) Mahazo an’ilay Tari-dalana ho An’ny Fivoriana àry ve ianao? Nahoana raha ianarana ilay izy, ary ampiharina izay soso-kevitra ao rehefa manompo?

Ny fivoriana lehibe indrindra

Nasaina nankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ny Kristianina isan-taona, nanomboka tamin’ny taonjato voalohany (Jereo ny fehintsoratra 20)

20-22. a) Nahoana isika no mankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy? b) Inona ny soa horaisinao raha manatrika Fahatsiarovana ianao isan-taona?

20 Nandidy ny Kristianina i Jesosy mba hahatsiaro ny nahafatesany “mandra-piaviny.” Isan-taona ny Fahatsiarovana no ankalazaina, toy ny Paska fahiny ihany. (1 Kor. 11:23-26) An-tapitrisany no manatrika azy io isan-taona. Rehefa manatrika ny Fahatsiarovana ny voahosotra, dia lasa tadidiny hoe tena sambatra ry zareo satria hiara-manjaka amin’i Jesosy. (Rom. 8:17) Ny ondry hafa kosa vao mainka lasa manaja an’i Jesosy Mpanjaka, ka tsy te hivadika aminy mihitsy.—Jaona 10:16.

21 Nianaran’i Russell sy ny Mpianatra ny Baiboly fa tena tokony hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny Kristianina, ary indray mandeha isan-taona ihany izy io no hatao. Hoy Ny Tilikambo Fiambenana Aprily 1880: ‘Efa elaela ihany izao ny maro aminay eto Pittsburgh no mankalaza ny Fahatsiarovana. Mihinana mofo sy divay izahay amin’ilay izy, satria ireo no mifanitsy amin’ny vatana sy ny ran’ny Tompo.’ Lasa nisy fivoriambe natao koa isaky ny Fahatsiarovana. Tamin’ny 1889 no noraisina an-tsoratra voalohany ny isan’ny mpanatrika fivoriambe. Nisy 225 tamin’izay ny mpanatrika ary 22 no natao batisa.

22 Tsy misy fivoriambe intsony izao rehefa Fahatsiarovana. Mbola manasa olona foana anefa isika, mba hiaraka amintsika hanatrika azy io any amin’ny Efitrano Fanjakana na any an-toeran-kafa. Nisy 19 tapitrisa mahery no nanatrika ny Fahatsiarovana, tamin’ny 2013. Ny Fahatsiarovana no alina miavaka indrindra isan-taona, ka tongava foana manatrika azy io, ary mazotoa manasa olona be dia be araka izay azo atao.

Tia mivory ve ianao?

23. Tia mivory ve ianao? Nahoana?

23 Tsy miferinaina ny vahoakan’i Jehovah rehefa asaina mivory. (Heb. 10:24, 25; 1 Jaona 5:3) Tena tian’i Davida Mpanjaka, ohatra, ny nankany “an-tranon’i Jehovah” mba hivavaka aminy. (Sal. 27:4) Vao mainka nahafinaritra azy ny nankany rehefa tafaraka tamin’olona tia an’i Jehovah izy. (Sal. 35:18) Toy izany koa i Jesosy. Mbola kely izy dia efa tia nankany an-tranon’i Jehovah Rainy mba hivavaka aminy.—Lioka 2:41-49.

Tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra amintsika, raha tia mivory isika

24. Inona avy ny soa raisintsika rehefa mivory?

24 Mivory sy manatrika fivoriambe isika, satria tia an’i Jehovah sy te hampahery ny mpiray finoana amintsika. Te hianatra koa isika hoe inona avy no tokony hataon’ny vahoakan’ilay Fanjakana. Ny fivoriana koa no manampy antsika hahay an’ilay asa lehibe indrindra asain’ilay Fanjakana ataontsika sy hahavita izany foana, na misy olana aza. Inona izany asa izany? Ny hampianatra Baiboly sy hampiofana an’izay olona lasa mpianatr’i Kristy. (Vakio ny Matio 28:19, 20.) Tia mivory àry ve ianao? Porofo mantsy izany fa mino ianao hoe tena misy ny Fanjakan’Andriamanitra. Mazotoa foana àry mivory!

a Ampirisihina hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana na fianarana samirery koa isika isan-kerinandro.

b Efa 180 mahery ny isan’ny lahateny ho an’ny besinimaro navoakan’ny fandaminana, tamin’ny 2013.