Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TOKO 17

Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana

Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana

INONA NO HORESAHINA ATO?

Inona avy ny sekoly natao hanampiana ny vahoakan’ilay Fanjakana hahavita izay asaina ataony?

1-3. Inona no nataon’i Jesosy mba ho betsaka kokoa ny mpitory, ary inona avy ny fanontaniana hodinihintsika ato?

 NITORY tany Galilia i Jesosy, nandritra ny roa taona. (Vakio ny Matio 9:35-38.) Nitety tanàna be dia be izy tany, ka nitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana sy nampianatra tany amin’ny synagoga. Nahazo olona be foana izy isaky ny nitory. Nilaza àry izy hoe “be ny vokatra”, ka mila ampiana ny mpijinja.

2 Inona no nataon’i Jesosy? Nanapa-kevitra izy fa haniraka ny apostoly 12 mba “hitory ny fanjakan’Andriamanitra.” (Lioka 9:1, 2) Lasa saina angamba ny apostoly hoe: ‘Ahoana no hatao amin’izany?’ Tsara fanahy anefa i Jesosy ka nampiofaniny izy ireo vao nirahiny. Hoatr’izany mihitsy mantsy no nataon’ny Rainy taminy.

3 Inona tokoa no nampianarin’ny Rainy azy? Ary inona no nampianarin’i Jesosy ny apostoliny? Isika koa ve mbola ampiofaniny hahay hitory sy hampianatra? Raha mampiofana antsika izy, ahoana no anaovany izany?

‘Izay nampianarin’ny Ray ahy no lazaiko’

4. Oviana i Jesosy no nampiofanin’i Jehovah, ary taiza?

4 Hoy i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany: ‘Izay nampianarin’ny Ray ahy no lazaiko.’ (Jaona 8:28) Oviana i Jesosy no nampiofanin’i Jehovah, ilay “Mpampianatra Be Voninahitra”? (Isaia 30:20) I Jesosy no noforoniny voalohany indrindra, ka azo antoka fa taoriana kelin’izay izy dia efa nampianariny. (Kol. 1:15) Taiza izy no nampianariny? Tany an-danitra. Efa ela be izy no niaraka tamin’i Jehovah tany, ka nihaino izay nolazainy foana sy nandinika an’izay nataony. Tsy mbola nisy nahazo fampianarana hoatr’izany mihitsy. Lasa tena fantatr’i Jesosy àry ny toetran’i Jehovah sy ny zavatra nataony ary izay mbola tiany hatao.

5. Inona no nampianarin’i Jehovah an’i Jesosy talohan’ny nanirahany azy tetỳ an-tany?

5 Nampianarin’i Jehovah an’i Jesosy koa ny asa hanirahany azy etỳ an-tany. Voaresaka ao amin’ny Isaia hoe ahoana no nanaovany izany. (Vakio ny Isaia 50:4, 5.) Namoha an’ilay Zanany i Jehovah “isa-maraina” mba hampianatra azy. Oharina amin’ny ankizy fohazina maraina be i Jesosy, ary ampianarina avy eo. Hoy ny boky iray: ‘Toy ny hoe mitondra azy any an-dakilasy i Jehovah, ka mampianatra azy hoe inona ilay hotorina ary ahoana no hitoriana azy io.’ Nampianarin’i Jehovah an’i Jesosy tokoa izay ‘holazaina sy hotenenina.’ (Jaona 12:49) Nampianariny azy koa hoe ahoana no hatao rehefa mampianatra. a Nampiharin’i Jesosy izay nianarany rehefa tonga tetỳ izy, ka nanao tsara ny fanompoany izy ary nampiofana ny mpianany koa.

6, 7. a) Inona no nampianarin’i Jesosy ny apostoliny, ary inona no vokatr’izany? b) Mampiofana antsika hanao inona i Jesosy amin’izao?

6 Inona no nampianarin’i Jesosy ny apostoliny? Hitantsika ao amin’ny Matio toko faha-10 izany. Natorony azy ireo hoe aiza izy ireo no tokony hitory (andininy 5, 6), inona no hotoriny (andininy 7), nahoana izy no tokony hatoky an’i Jehovah (andininy 9, 10), ahoana no hatao raha vao mihaona amin’ilay olona itoriana (andininy 11-13), ahoana no hatao raha misy tsy te hihaino (andininy 14, 15), ary inona no hatao rehefa misy mankahala (andininy 16-23). b Nahazo toromarika mazava tsara ny apostoly, ka nahavita nitarika ny asa fitoriana, tamin’ny taonjato voalohany.

7 Mbola asain’ilay Mpanjakantsika mitory koa isika amin’izao. Hoy mantsy izy ao amin’ny Matio 24:14: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” Io no asa lehibe indrindra tokony hataontsika. Mampiofana antsika hanao izany ve anefa i Jesosy? Eny! Marina fa efa any an-danitra izy izao. Ataony anefa izay hampiofanana antsika hahay hitory sy hahavita an’izay asainy ataontsika eo anivon’ny fiangonana.

Ampiofanina hahay hitory

8, 9. a) Inona no tena antony namoronana ny Sekolin’ny Fanompoana? b) Manampy anao hahay hitory ve ny fivoriana andavanandro? Nahoana?

8 Any amin’ny fivoriambe sy fivoriana ny vahoakan’i Jehovah no tena mianatra mitory sy mampianatra. Anisan’ireny fivoriana ireny ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Nanapa-kevitra koa anefa ny Filan-kevi-pitantanana, taorian’ny 1940, fa hanangana sekoly ara-baiboly hampiofanana antsika.

9 Sekolin’ny Fanompoana: Hitantsika tao amin’ny Toko 16 fa tamin’ny 1943 io sekoly io no nanomboka. Marina aloha fa natao hampiofanana ny rahalahy hahay handaha-teny izy io. Tsy izay anefa no tena antony namoronana azy, fa natao hampiofanana ny rahalahy sy anabavy hahay hidera an’i Jehovah rehefa eny amin’ny fanompoana. (Sal. 150:6) Vao mainka lasa nahay nitory izay rehetra nanao an’io sekoly io. Mahazo fampiofanana toy izany koa isika amin’izao mandritra ny fivoriana andavanandro.

10, 11. Iza no asaina manao ny Sekolin’i Gileada, nanomboka tamin’ny Oktobra 2011, ary inona no tena antony namoronana azy io?

10 Sekoly Ara-baibolin’i Gileada: Ny alatsinainy 1 Febroary 1943 io sekoly io no nanomboka, saingy hafa ny anarany tamin’izany. Natao hampiofanana ny mpisava lalana sy ny mpanompo manontolo andro hafa ho lasa misionera izy io. Niova anefa izany nanomboka tamin’ny Oktobra 2011. Izay efa mpanompo manontolo andro manokana ihany no asaina hanao an’io sekoly io, izany hoe ny mpisava lalana manokana, mpiandraikitra mpitety faritany sy ny vadiny, Betelita, ary izay misionera mbola tsy nanao an’ilay sekoly.

11 Inona no tena antony namoronana ny Sekolin’i Gileada? Hoy ny rahalahy iray, mpampianatra efa ela ao amin’io sekoly io: “Natao hanampiana an’ilay mpianatra hanana finoana bebe kokoa ilay izy. Izany no mahatonga azy asaina mandalina ny Tenin’Andriamanitra mandritra an’ilay sekoly. Natao hanampiana azy hanana toetra tsara koa izy io, satria mila an’izany izy mba hahavitany hiatrika an’izay olana mety hitranga rehefa hanao ny asa hanendrena azy izy. Natao koa ilay sekoly mba handrisihana azy hazoto kokoa hitory ny vaovao tsara.”—Efes. 4:11.

12, 13. Nisy vokany tsara ve ny Sekolin’i Gileada? Manomeza ohatra.

12 Nisy vokany tsara eran-tany ny Sekolin’i Gileada. Efa 8 500 mahery no nanao an’io sekoly io, nanomboka tamin’ny 1943. c Voatendry tany amin’ny tany 170 mahery izy ireo. Nampihatra tsara an’izay nianarany ny misionera, ka nazoto nanompo sady nanampy ny hafa hazoto koa. Be dia be koa no nitory tany amin’ny toerana zara raha nisy na tsy nisy mpitory mihitsy.

13 Diniho izay nitranga tany Japon. Zara raha nitory ny mpitory tany, tamin’ny Ady Lehibe II. Tsy ampy folo akory ry zareo tamin’ny Aogositra 1949. Nisy misionera 13 avy niofana tany Gileada àry nalefa tany, tamin’ny faramparan’io taona io. Mbola nisy be dia be koa taorian’izay. Nazoto nitory ry zareo. Tany an-tanàn-dehibe aloha no nitoriany, ary avy eo tany amin’ny tanàna hafa. Tsy vitan’izay fa nazoto nampirisika ny mpianany sy ny olon-kafa hanao mpisava lalana ry zareo. Nisy vokany tsara izany satria efa 216 000 mahery izao ny mpitory any Japon, ary efa ho ny 40 isan-jaton’izy ireo no mpisava lalana! d

14. Inona no ianarantsika rehefa avy nandinika an’ireo sekoly rehetra natao hampiofanana ny mpitory isika? (Jereo koa ilay hoe “ Sekoly Natao Hampiofanana ny Mpitory Ilay Fanjakana”, pejy 188.)

14 Sekoly hafa: Mbola misy sekoly hafa koa natao hanampiana ny mpitory ho matotra ara-panahy sy hazoto hitory ny vaovao tsara. Anisan’izany ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana sy ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Mpivady Kristianina ary ny Sekoly Ara-baiboly ho An’ny Rahalahy Mpitovo. e Inona no ianarantsika avy amin’izany rehetra izany? Tena ataon’ilay Mpanjakantsika izay hahavitantsika hanatanteraka tsara ny fanompoantsika.—2 Tim. 4:5.

Ampiofanina ny rahalahy manana andraikitra

15. Inona no tokony hataon’ny rahalahy manana andraikitra?

15 Efa noresahintsika tany aloha hoe nampianarin’i Jehovah i Jesosy tany an-danitra. Nianarany tany “izay tokony holazaina amin’ny olona reraka.” (Isaia 50:4) Nampihatra an’izany izy tetỳ an-tany, ka nampahery sy nanampy an’izay ‘niasa mafy sy navesatra entana.’ (Mat. 11:28-30) Tokony hanahaka an’i Jesosy ny rahalahy manana andraikitra, ka hiezaka hampahery ny mpiray finoana aminy. Nisy sekoly maromaro natsangana àry mba hampiofanana azy ireo hahay tsara an’izany.

16, 17. Inona no antony namoronana ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana? (Jereo koa ny fanamarihana.)

16 Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana: Naharitra iray volana io sekoly io tamin’ny voalohany, ary ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny mpikarakara ny fiangonana no nasaina nanatrika azy. Tamin’ny 9 Martsa 1959 izy io no nisy voalohany, ary natao tany South Lansing, any Etazonia, tamin’ny teny anglisy. Nadika tamin’ny fiteny hafa anefa izy io tatỳ aoriana, ka lasa afaka nanao azy io ny rahalahy eran-tany. f

Rahalahy Lloyd Barry, nampianatra tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana tany Japon, tamin’ny 1970

17 Inona no antony namoronana ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana? Hoy ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah 1962 (anglisy): ‘Mirotoroto lava ny fiainana. Mila mahay mandamina ny fotoanany àry ny mpiandraikitra, mba ho voakarakara tsara ny olon-drehetra eo anivon’ny fiangonana. Tokony hahay handanjalanja koa anefa izy, satria tsy mety raha variana mikarakara ny fiangonana izy ka lasa manao an-tsirambina ny ankohonany. Tena ilain’ny mpikarakara ny fiangonana eran-tany àry ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Hanampy azy hamita tsara izay asain’ny Baiboly ataon’ny mpiandraikitra mantsy izy io.’—1 Tim. 3:1-7; Tit. 1:5-9.

18. Nahoana no mahasoa antsika rehetra ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana?

18 Mahasoa antsika rehetra koa ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana. Lasa mahay mampahery antsika mantsy ny anti-panahy sy ny mpanampy amin’ny fanompoana rehefa mampihatra an’izay nianarany tany, toy ny nataon’i Jesosy. Azo antoka fa faly be ianao rehefa milaza zavatra mampahery anao ry zareo, na mihaino tsara anao, na mitsidika anao. Sa tsy izany? (1 Tes. 5:11) Sambatra ny fiangonana manana azy ireo!

19. Inona koa ny sekoly hafa alamin’ny Komitin’ny Fampianarana, ary inona no antony anaovana azy ireny?

19 Sekoly hafa: Misy sekoly hafa koa alamin’ny Komitin’ny Fampianarana ao amin’ny Filan-kevi-pitantanana. Mbola natao ho an’ny mpiandraikitra koa izy ireny, izany hoe ho an’ny anti-panahy sy ny mpiandraikitra mpitety faritany ary ny Komitin’ny Sampana. Ampiofanina izy ireo mba ho vitany tsara ny andraikiny, na dia be dia be aza. Ampianarina azy ireo hoe mila matotra ara-panahy foana izy, sady mila manaraka ny toro lalana omen’i Jehovah rehefa mikarakara ny ondry. Sarobidy amin’i Jehovah mantsy ny ondriny, ka tiany ho voakarakara tsara.—1 Pet. 5:1-3.

Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana voalohany tany Malawi, tamin’ny 2007

20. Inona no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe i Jehovah no ‘mampianatra antsika rehetra’, ary tapa-kevitra ny hanao inona ianao?

20 Hitantsika tato fa tena mampiofana tsara antsika ilay Mesia Mpanjaka. Avy amin’i Jehovah daholo anefa ny zavatra ampianariny antsika. Nampiofanin’i Jehovah mantsy izy, ary izy indray avy eo no mampiofana antsika. Izany no nahatonga an’i Jesosy hiteny hoe i Jehovah no ‘mampianatra antsika rehetra.’ (Jaona 6:45; Isaia 54:13) Hararaoty tsara àry izay fampiofanana omen’ilay Mpanjakantsika. Tadidio foana fa natao hanampiana antsika hatanjaka ara-panahy ireny fampiofanana ireny, mba ho vitantsika tsara ny fanompoantsika.

a Ahoana no ahalalantsika fa nampianarin’i Jehovah an’i Jesosy hoe ahoana no hatao rehefa mampianatra? Nanao fanoharana be dia be i Jesosy tamin’izy nampianatra. Efa ela be talohan’ny nankanesany tetỳ an-tany i Jehovah no nilaza hoe hanao an’izany izy. (Sal. 78:2; Mat. 13:34, 35) Nampianarin’i Jehovah hanao fanoharana àry izy matoa i Jehovah afaka nilaza mialoha an’izany.—2 Tim. 3:16, 17.

b ‘Nanendry 70 lahy’ koa i Jesosy, volana vitsivitsy taorian’izay, ary “naniraka azy tsiroaroa” hitory. Nampiofaniny koa izy ireo.—Lioka 10:1-16.

c Nisy misionera aza tsy indray mandeha fotsiny no nanao Sekolin’i Gileada, fa mihoatra an’izay.

d Nitombo be koa ny isan’ny mpitory tany an-tany hafa rehefa nisy misionera avy niofana tany Gileada nalefa tany. Miresaka momba izany ny toko 23 amin’ny boky Mpitory.

e Natambatra ireo sekoly roa farany ireo, ary lasa nantsoina hoe Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana.

f Miovaova izao ny halavan’io sekoly io, ary isaky ny taona vitsivitsy ilay izy no atao. Ny anti-panahy fotsiny no nanao azy io tamin’ny voalohany, fa lasa nahazo nanatrika azy io koa ny mpanampy amin’ny fanompoana, nanomboka tamin’ny 1984.